Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hifarana ve Izao Tontolo Izao?

Hifarana ve Izao Tontolo Izao?

Fantatrao angamba hoe miresaka momba ny faran’izao tontolo izao ny Baiboly. (1 Jaona 2:17) Midika ve izany hoe ho faty daholo ny olombelona? Ho potika tanteraka ve ny tany sa ho lasa ngazana dia tsy hisy zavamananaina intsony eto?

TSIA NO VALINY OMEN’NY BAIBOLY MOMBA AN’IREO FANONTANIANA IREO!

Tsy Hifarana Hatreo ny Amin’ny...

OLOMBELONA

Hoy ny Baiboly: “Tsy hoe tsy misy antony ny [namoronan’Andriamanitra ny tany] fa nataony honenana.”​—ISAIA 45:18.

TANY

Hoy ny Baiboly: “Lasa ny taranaka iray, ary mandimby ny taranaka iray, fa ny tany kosa maharitra mandrakizay.”​—MPITORITENY 1:4.

INONA NO DIKAN’IZANY? Milaza ny Baiboly fa tsy ho potika mihitsy ny tany fa hisy olona hipetraka foana. Nahoana àry no lazaina fa hifarana izao tontolo izao?

ERITRERETO IZAO: Mitovy amin’izay nitranga tamin’ny andron’i Noa no hitranga amin’izao tontolo izao, hoy ny Baiboly. “Feno herisetra” ny tany tamin’izany. (Genesisy 6:13) Olo-marina anefa i Noa ka narovan’Andriamanitra izy sy ny fianakaviany. Naringany tamin’ny safodrano kosa ny olon-dratsy. Izao no tantarain’ny Baiboly: “[Rava] ilay tontolo tamin’izany fotoana izany rehefa safotry ny rano.” (2 Petera 3:6) Nifarana teo ilay tontolo nisy tamin’izany. Tsy hoe ny tany no potika, tamin’izay, fa ny olon-dratsy rehetra teto an-tany no maty. Rehefa miresaka momba ny faran’izao tontolo izao àry ny Baiboly, dia tsy midika akory izany hoe ho potika ny tany. Ny olon-dratsy eto an-tany sy ny rafitra naorin’izy ireo kosa no hifarana.

Hifarana Hatreo ny...

OLANA SY NY ZAVA-DRATSY

Hoy ny Baiboly: “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy. Handinika an’izay nisy azy ianao, nefa tsy ho eo intsony izy. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.”​—SALAMO 37:10, 11.

INONA NO DIKAN’IZANY? Tsy hoe nanala ny zava-dratsy mba tsy hisy mandrakizay ilay Safodrano tamin’ny andron’i Noa. Mbola betsaka mantsy ny olona nijaly, tatỳ aoriana, noho ny nafitsoky ny ratsy fanahy. Izao anefa, kely sisa dia hamarana tanteraka an’izany Andriamanitra, araka ny tenin’ilay mpanao salamo hoe: “Tsy hisy intsony ny ratsy fanahy.” Ny Fanjakany no hampiasainy amin’izany. Fanjakana any an-danitra izy io ary hanjaka amin’ny olona mankatò azy maneran-tany.

ERITRERETO IZAO: Vonona hanohana ny Fanjakan’Andriamanitra ve ireo mpitondra eto an-tany? Asehon’ny Baiboly hoe tsy hanao an’izany izy ireo fa vao mainka aza hanohitra ny Fanjakan’Andriamanitra. (Salamo 2:2) Inona no vokatr’izany? Ho rava ny fitondran’olombelona rehetra fa ny Fanjakan’Andriamanitra sisa no ho eo, ary “haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra” izy io. (Daniela 2:44) Nahoana no tsy maintsy esorina ny fitondran’olombelona?

TOKONY HOFARANANA ny Fitondran’olombelona

Hoy ny Baiboly: “Tsy an’ny olombelona ny lalan-kalehany. Tsy natao hitondra samirery ny fiainany koa ny olona.”​—JEREMIA 10:23.

INONA NO DIKAN’IZANY? Tsy natao hifampitondra ny olombelona. Tsy mahay mitondra olona isika ary tsy mahavaha ny olana mahazo azy ireo.

ERITRERETO IZAO: Milaza ny boky iray hoe hoatran’ny tsy vitan’ny fanjakana tsirairay ny “mamaha ny olana mifandray amin’ny fahantrana, mosary, aretina, hetraketraky ny natiora, ary ny ady sy herisetra.” Hoy koa io boky io: “Misy ... mieritreritra hoe raha ohatra ka fanjakana iray ihany no mitondra maneran-tany, dia mety hahavita hitondra vahaolana maharitra amin’ireo olana ireo izany.” Na hifanaraka aza anefa ny fanjakan’olombelona rehetra, dia mbola olombelona tsy lavorary ihany no mitondra ka tsy ho vitan’izy ireo ny hanala ny olana notanisaintsika teo. Ny Fanjakan’Andriamanitra irery no mahavita manala tanteraka ny olana rehetra eran-tany.

Raha ny Baiboly àry no jerena, dia tsy tokony hatahoran’ny olona tsara fanahy ny faran’izao tontolo izao, izany hoe ny faran’ity tontolo ratsy iainantsika ity. Tokony tsy ho andrintsika kosa io fotoana io satria hosoloan’Andriamanitra tontolo vaovao mahafinaritra ity tontolo ratsy efa tranainy ity.

Rahoviana izany no hitranga? Mamaly an’izany ny Baiboly ary izany no hazavain’ny lahatsoratra manaraka.