Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mbola ho Velona Indray ve ny Maty?

Mbola ho Velona Indray ve ny Maty?

Mampahory antsika rehetra ny fahafatesana. Vita hatreo ve anefa ny amintsika rehefa maty isika? Sa mba misy fanantenana ihany?

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

TSY HADINON’ANDRIAMANITRA NY OLONA REHEFA MATY

‘Hivoaka izay rehetra any am-pasana.’—Jaona 5:28, 29.

Tadidin’Andriamanitra ny olona efa maty, ka hatsangany.

HISY OLONA HATSANGANA AMIN’NY MATY, KA HIAINA ETO AN-TANY

“Hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.”—Asan’ny Apostoly 24:15.

Olona an’arivony tapitrisa no hatsangana amin’ny maty. Ho afaka hiaina mandrakizay izy ireo sady tena ho sambatra.

VITAN’ANDRIAMANITRA NY MANANGANA NY MATY

“Manisa ny kintana [Andriamanitra], ary antsoiny amin’ny anarany avy izy rehetra.”​—Salamo 147:4.

Vitan’Andriamanitra ny miantso ny kintana tsirairay amin’ny anarany. Tsy ho sarotra aminy koa àry ny hitadidy ny olona rehetra hatsangany amin’ny maty.