Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Natao Hiaina Mandrakizay Isika

Natao Hiaina Mandrakizay Isika

IZA amintsika no tsy maniry hiaina mandrakizay, tsy harary mihitsy, sady ho sambatra foana? Tena tsara erỳ izao izany. Afaka miaraka amin’ireo olona tianao foana ianao, mitety an’izao tontolo izao, ary mianatra an’izay zavatra rehetra tianao.

Tsy diso akory isika raha maniry an’izany. Milaza mantsy ny Soratra Masina fa efa nataon’Andriamanitra ao amintsika io faniriana io. (Mpitoriteny 3:11) Resahin’ny Baiboly koa hoe “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Ho nataony tao amintsika àry ve io faniriana io, raha tsy azo tanterahina akory?

Tsy mahagaga àry raha tsy te ho faty isika. Milaza aza ny Baiboly fa “fahavalo” ny fahafatesana. (1 Korintianina 15:26) Tsy maintsy ho faty daholo isika na ho ela na ho haingana. Misy maty tanora, fa ny hafa indray efa antitra vao maty. Betsaka no matahotra rehefa mieritreritra an’izany. Mba ho foana ihany ve anefa ny fahafatesana indray andro any?

MANANA FANANTENANA ISIKA

Tsy fikasan’Andriamanitra ny hoe ho faty ny olombelona. Hita ao amin’ny bokin’ny Genesisy hoe noforonin’Andriamanitra hiaina mandrakizay eto an-tany isika. Nataony nety tsara koa ny tany mba ho afaka hiaina eto isika. Namorona an’i Adama izy avy eo, dia napetrany tao amin’ny Paradisa izy, izany hoe tao amin’ny saha Edena. “Taorian’izany, dia nijery an’izay rehetra nataony Andriamanitra, ka hitany fa tena tsara izany.”—Genesisy 1:26, 31.

Lavorary i Adama tamin’izy vao noforonina, ary nataon’Andriamanitra araka ny endriny. (Deoteronomia 32:4) Nanana vatana sy saina tonga lafatra koa i Eva, vadin’i Adama. Nitso-drano azy mivady i Jehovah hoe: “Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany. Anjakao ny tany, ary aoka hanaiky anareo ny trondro any an-dranomasina sy ny biby manidina eny amin’ny lanitra ary ny zavamananaina rehetra mihetsiketsika eny ambonin’ny tany.”—Genesisy 1:28.

Tsy maintsy ho elaela vao hahavita hameno ny tany i Adama sy Eva. Hiteraka aloha i Eva, dia avy eo hiteraka koa ny taranany. Rehefa afaka elaela vao ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra hoe ho feno olona ny tany. (Isaia 45:18) Ho nitso-drano an’i Adama sy Eva ve Andriamanitra, raha efa fantany hoe tsy hahita ny hahatanterahan’ny fikasany akory izy ireo?

Eritrereto koa izao: Nila nanome anarana ny biby i Adama, ary tsy vita vetivety izany. (Genesisy 2:19) Nasaina nanjaka tamin’ny biby koa i Adama, ary vao mainka nitaky fotoana izany. Tsy maintsy namantatra ny momba azy ireo mantsy izy. Nila nofantariny koa hoe ahoana ny fomba hikarakarana azy ireo.

Hitantsika teo fa nasaina nameno ny tany sy nanjaka tamin’ny biby i Adama sy Eva. Asehon’izany fa natao hiaina ela be izy mivady. Ela velona tokoa aloha i Adama e!

TIAN’ANDRIAMANITRA HIAINA MANDRAKIZAY AO AMIN’NY TANY PARADISA NY OLOMBELONA

OLONA ELA VELONA

Adama: 930 taona

Metosela: 969 taona

Noa: 950 taona

Olona ankehitriny: 70-80 taona

Asehon’ny Baiboly fa ela velona be ny olona taloha. Voalaza ao, ohatra, hoe: “Nahatratra telopolo sy sivinjato taona ny andro rehetra niainan’i Adama.” Miresaka olona enina niaina 900 taona mahery koa izy io. Tsy iza izany fa i Seta, Enosa, Kenana, Jareda, Metosela, ary Noa. Velona talohan’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa izy rehetra ireo. Niaina 600 taona i Noa talohan’ny Safodrano. (Genesisy 5:5-27; 7:6; 9:29) Nahoana ny olona no ela velona be tamin’izany?

Akaiky kokoa an’ilay fotoana nananan’ny olombelona vatana lavorary izy ireo no niaina. Izany angamba no tena nahatonga azy ireo ho ela velona. Inona anefa no ifandraisan’ny hoe lavorary sy ny hoe ela velona? Ary ahoana no handresena ny fahafatesana? Mba hahitana ny valin’izany, dia mila haintsika aloha hoe nahoana isika no mihantitra sy maty.