Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Azo Ialana ny Fahafatesana

Tsy Azo Ialana ny Fahafatesana

ERITRERETO hoe mijery filma ianao. Tantarana mpitendry mozika tena ankafizinao ilay izy. Ny fiainany tamin’izy mbola kely sy nianatra mozika aloha no hitanao. Aseho indray avy eo hoe nanao fampisehoana izy, nitety firenena maro, ary lasa nalaza eran-tany. Nihantitra anefa izy ary maty tamin’ny farany.

Tantara tena nisy io, ary mampiseho ny fiainan’ny olona maro. Anisan’izany ny mpitendry mozika, mpahay siansa, atleta, na olo-malaza hafa. Nahavita zavatra tsara be dia be angamba izy teo amin’ny fiainany. Mety ho mbola betsaka kokoa anefa ny zava-bitany, raha tsy nihantitra sy maty izy.

Mampalahelo fa izany no miandry antsika rehetra. (Mpitoriteny 9:5) Tsy maintsy mihantitra sy maty isika, na inona na inona ataontsika. Mety ho faty tanora koa aza isika, satria marary na tratran’ny loza. Resahin’ny Baiboly hoe toy ny “zavona miserana vetivety” ny olombelona, “ary levona rehefa avy eo.”​—Jakoba 4:14.

Tsy misy dikany ny fiainana amin’ny olona sasany, sady tsy hainy izay havoakan’ny ampitso. Izany no mahatonga azy ireo hanana an’ilay toe-tsaina hoe: “Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.” (1 Korintianina 15:32) Hita hoe tsy manana fanantenana ny olona hoatr’izany. Ary ianao? Miatrika olana koa angamba ianao ka lasa saina hoe: “Izao fotsiny ve ny fiainana?” Mety hanontany an’izany daholo isika, na ho ela na ho haingana. Aiza àry isika no hahita ny valin’izany?

Olona maro no miantehitra amin’ny mpahay siansa. Marina aloha hoe ela velona kokoa isika noho ny fandrosoan’ny siansa sy ny fitsaboana. Ny mpahay siansa sasany aza manao fikarohana mba hahafahan’ny olona ho ela velona noho ny amin’izao. Mbola tsy voavalin’izy ireo mihitsy anefa ny hoe: Nahoana isika no mihantitra sy maty? Mbola ho resy ihany ve ny fahafatesana? Izao fotsiny ve ny fiainana? Hovaliana ato amin’ity gazety ity ireo fanontaniana ireo.