Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Hahavokatra ... ny tany. Hitahy antsika Andriamanitra, eny, ilay Andriamanitsika.”​—SALAMO 67:6

Afaka Mahazo Fitahiana Mandrakizay Ianao

Afaka Mahazo Fitahiana Mandrakizay Ianao

Nampanantena an’i Abrahama mpaminany Andriamanitra fa amin’ny alalan’ny taranany no hitahiana ny “firenena rehetra eny ambonin’ny tany.” (Genesisy 22:18) Iza izany taranany izany?

Anisan’ny taranak’i Abrahama i Jesosy. Tonga teto an-tany izy efa ho 2 000 taona lasa izay, ary nomen’Andriamanitra hery hanaovana fahagagana. Manaporofo inona ireny fahagagana ireny? Hoe amin’ny alalan’i Jesosy no hanatanterahan’Andriamanitra ny fampanantenany tamin’i Abrahama.​—Galatianina 3:14.

I Jesosy àry no hampiasain’Andriamanitra hitahiana ny olombelona. Hita avy amin’ireo fahagagana nataony koa hoe ahoana no hampiasan’Andriamanitra azy mba hitahiana antsika mandrakizay. Inona ny toetran’i Jesosy ianarantsika avy amin’ireo fahagagana nataony?

Be fitiavana i Jesosy ka nanasitrana ny marary.

Nangataka ny hositraniny ny boka iray, indray andro. Nikasika azy i Jesosy sady namaly hoe: “Sitrako tokoa.” Sitrana avy hatrany ilay boka.​—Marka 1:40-42.

Nalala-tanana i Jesosy ka nanome sakafo ny noana.

Nalahelo i Jesosy rehefa nahita olona noana. Imbetsaka izy no nanao fahagagana ka nanome sakafo olona an’arivony. Mofo sy trondro vitsivitsy no nampitomboiny tamin’izay. (Matio 14:17-21; 15:32-38) Mbola betsaka aza ny ambin-tsakafo rehefa voky daholo ny olona.

Nangoraka i Jesosy ka nanangana ny maty.

“Nangoraka” vehivavy mpitondratena iray i Jesosy, indray andro, ka nanangana ny zanany lahitokana tamin’ny maty. Tsy nanana afa-tsy io mantsy ilay vehivavy mba hikarakara azy.​—Lioka 7:12-15.