Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena ho sambatra isika raha mankatò ny didin’Andriamanitra

Hahazo Fitahiana Ireo Mankatò An’Andriamanitra

Hahazo Fitahiana Ireo Mankatò An’Andriamanitra

Nilaza i Mosesy mpaminany hoe hotahin’Andriamanitra isika raha mankatò ny didiny. (Deoteronomia 10:13; 11:27) Tsy hoe matahotra ny ho voasazy anefa isika matoa mankatò azy. Mankatò kosa isika satria tiantsika izy, mahafinaritra antsika ny toetrany, ary tsy te hampalahelo azy isika. “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny.”​—1 Jaona 5:3.

Nahoana àry no lazaina fa hotahin’Andriamanitra isika raha mankatò? Misy antony roa ireto:

1. HO HENDRY ISIKA REHEFA MANKATÒ

“Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Ilay mampianatra anao mba hahitanao soa, Ilay mampandeha anao amin’ny lalana tokony halehanao.”​—ISAIA 48:17.

Mahafantatra antsika i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona antsika. Manome an’izay tari-dalana ilaintsika koa izy. Afaka manampy antsika hahay handray fanapahan-kevitra ny fampianarany. Ianaro ao amin’ny Soratra Masina àry hoe inona no tian’Andriamanitra hataonao ary ampiharo izany.

2. HO SAMBATRA ISIKA RAHA MANKATÒ

“Izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany ... no sambatra!”​—LIOKA 11:28.

Olona an-tapitrisany no lasa sambatra, satria manaraka an’izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra. Anisan’izany ny lehilahy iray mipetraka any Espaina. Mora tezitra izy taloha ary nasiaka tamin’ny hafa, anisan’izany ny vadiny. Namaky ny boky nosoratan’i Mosesy mpaminany anefa izy, indray andro, ary nahita ny tantaran’i Josefa, zanak’i Jakoba. Namidy ho andevo izy ary nogadraina tsy ara-drariny. Nalemy fanahy foana anefa izy, niezaka ny ho tia fihavanana, ary namela heloka. (Genesisy, toko 37-45) Hoy ilay lehilahy: “Rehefa nisaintsaina ny ohatr’i Josefa aho, dia lasa te hiezaka ny halemy fanahy, ho tsara fanahy, ary hahafehy tena. Sambatra aho izao.”

Misy torohevitra hafa manampy antsika hifandray tsara amin’ny hafa koa ao amin’ny Soratra Masina. Hiresaka an’izany isika izao.