Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka manampy ny hafa ve ianao, na firy taona izy na firy taona, ary na inona na inona fiaviany na fivavahana misy azy?

Hahazo Fitahiana Izay Manampy ny Sahirana

Hahazo Fitahiana Izay Manampy ny Sahirana

Be dia be ny olona tsy ampy sakafo sy tsy manan-kialofana eran-tany. Ny hafa indray mety hoe fanantenana fotsiny no ilainy. Hotahin’Andriamanitra isika raha manampy olona hoatr’izany.

INONA NO LAZAIN’NY SORATRA MASINA?

“Izay miantra ny mahantra dia mampisambotra an’i Jehovah, ary Izy no hanonitra an’izay nafoin’ilay olona.”​—OHABOLANA 19:17.

AHOANA ILAY HOE MANAMPY NY SAHIRANA?

Nolazain’i Jesosy tao amin’ny fanoharana iray hoe nisy lehilahy notafihin’ny jiolahy ary tena naratra mafy. (Lioka 10:29-37) Nikarakara azy ny lehilahy iray tsy fantany rehefa nahita azy. Nanao an’izany izy na dia tsy nitovy firazanana aza izy ireo.

Tsy vitan’ny hoe nitsabo azy sy nanome azy an’izay nilainy ilay lehilahy tsara fanahy, fa nanao zavatra koa izy mba hanamaivanana ny fahoriany.

Inona no ianarantsika avy amin’io fanoharana io? Tian’i Jesosy raha manao izay azontsika atao isika mba hanampiana an’ireo sahirana. (Ohabolana 14:31) Mampianatra antsika ny Soratra Masina fa tsy ho ela Andriamanitra dia hanafoana ny fahantrana sy ny fijaliana. Mety ho lasa saina anefa isika hoe rahoviana izy no hanao an’izany ary amin’ny fomba ahoana? Hanazava an’izany ny lahatsoratra manaraka.