Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nampiasa olona manam-pinoana Andriamanitra mba hanoratra ny Soratra Masina, hoatran’ny ataon’ny direktera iray amin’ny sekreterany rehefa hampita hafatra izy

Nasain’ny Mpamorona Nosoratana ny Fampanantenany

Nasain’ny Mpamorona Nosoratana ny Fampanantenany

Efa nifandray tamin’ny olombelona foana ny Mpamorona hatramin’ny namoronany azy ireo. Nampiasa anjely sy mpaminany izy tamin’izany. Nasainy nosoratana koa ny hafatra nomeny sy ny fampanantenany. Nampanantena, ohatra, izy fa afaka ny ho sambatra ianao amin’ny hoavy. Aiza no hahitanao an’ireny fampanantenana ireny?

Ao amin’ny Soratra Masina no misy ny hafatr’Andriamanitra. (2 Timoty 3:16) Nataon’Andriamanitra tao an-tsain’ireo mpaminany ny heviny, dia izy ireo no nanoratra an’izany avy eo. (2 Petera 1:21) Misy manao hoatr’izany koa amin’izao. Raha te hampita hafatra amin’ny olona, ohatra, ny direktera iray, dia ny sekreterany no asainy manoratra an’ilay izy. Ekentsika anefa hoe avy amin’ilay direktera ilay hafatra. Na dia nampiasa olona koa aza Andriamanitra mba hanoratra ny teniny, dia avy aminy ny hafatra ao amin’ny Soratra Masina raha ny marina.

MIELY ERAN-TANY NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Tena zava-dehibe ilay hafatra avy amin’Andriamanitra. Tiany hamaky sy hahazo izay voalaza ao ny olona avy amin’ny ‘firenena sy foko ary fiteny rehetra.’ (Apokalypsy 14:6) Noho ny fitahiany dia misy amin’ny fiteny 3 000 mahery izao ny Soratra Masina, na izy manontolo na ampahany. Mbola tsy nisy boky niely be hoatr’izany mihitsy hatramin’izay!