Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampahany amin’ny bokin’i Isaia, ao amin’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty (ambony) sy amin’ny teny arabo (ambany). Tsy niova mihitsy ny hafatra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra

Nisy Nanova ve ny Tenin’Andriamanitra?

Nisy Nanova ve ny Tenin’Andriamanitra?

Misy olona manahy sao nisy nanova ny Tenin’Andriamanitra. Nilaza anefa i Isaia mpaminany hoe “haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra” ny Tenin’Andriamanitra. (Isaia 40:8) Inona àry no hanampy anao hatoky hoe tsy nisy nanova izy io?

Tena mahery Andriamanitra ka vitany ny miaro ny Teniny. Diniho izao: Rehefa nanao kopia ny Soratra Masina ny mpanao dika soratra fahiny, dia nisain’izy ireo ny litera tsirairay. Azo antoka amin’izay hoe tsy nisy litera niampy, na niova, na hadino. Mety ho nisy ihany ny diso tsipelina, satria tsy lavorary izy ireo. Tsy nisy hevitra niova anefa.

IZAY NOLAZAIN’ANDRIAMANITRA TANY AM-BOALOHANY IHANY NO AO AMIN’NY SORATRA MASINA

Nadika tanana ny Soratra Masina fahiny, ary mbola misy kopia an’arivony amin’izy ireny amin’izao. Raha nisy niavaka kely tao amin’ny kopia iray, dia nampitovina tamin’ny kopia hafa ilay izy mba hahitana ny tena marina.​—Misy fanazavana fanampiny ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Niova ve ny Baiboly?”, ao amin’ny jw.org.

Diniho, ohatra, ilay antsoina hoe Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty. Nahita azy ireo tao anaty lava-bato iray tany akaikin’ny Ranomasina Maty ny Arabo mpifindrafindra monina, tamin’ny 1947. Ampahany amin’ny Soratra Masina no tao amin’izy io, ary efa 2 000 taona mahery izay no nanoratana azy. Nampitahain’ny manam-pahaizana tamin’ireo sora-tanana fahiny ireo ny Soratra Masina misy amin’izao. Inona no hitan’izy ireo?

Hitan’ny manam-pahaizana fa mitovy amin’ilay hafatra nasain’Andriamanitra nosoratana tany am-boalohany ihany ny hitantsika ao anatin’ny Soratra Masina. * Hitantsika avy amin’izany fa tena nahavita niaro ny Teniny Andriamanitra.

Rehefa mamaky ny Tenin’Andriamanitra àry isika, dia afaka matoky hoe marina tsara ny zavatra resahin’izy io. Mampianatra antsika momba an’Andriamanitra koa ireo mpaminany. Izany indray izao no hodinihintsika.

^ feh. 7 Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty Manontolo (anglisy), nataon’i Geza Vermes, pejy 16.