Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Te Hitahy Anao Mandrakizay Andriamanitra

Te Hitahy Anao Mandrakizay Andriamanitra
  • Tianao ve raha tsy misy intsony ny ady sy ny herisetra ary ny fankahalana?

  • Hanao ahoana ny fiainana raha tsy misy intsony ny olona marary sy mijaly ary maty?

  • Tianao ve raha tsy miady saina na manahy intsony ianao?

  • Hanao ahoana ny fiainana raha tsy misy intsony ny loza araka ny natiora?

Nampanantena Andriamanitra, ilay namorona an’ity tanintsika ity, fa hitahy ny olombelona izy. Tiany hiadana sy ho sambatra mandrakizay isika. Tsy nofinofy fotsiny izany.

Ho hitantsika ato hoe:

  • Inona no porofo fa tena tia antsika ny Mpamorona antsika?

  • Inona no hitantsika ao amin’ny Soratra Masina?

  • Inona no nolazain’ireo mpaminany momba ny zavatra hataon’Andriamanitra ho antsika?

  • Inona no azontsika atao raha tiantsika ny ho sambatra dieny izao sy mandrakizay?

Andao aloha hojerentsika ny porofo fa tena tia antsika ny Mpamorona antsika.