Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Tia Antsika ny Mpamorona Antsika

Tena Tia Antsika ny Mpamorona Antsika

1. MAMPIPOSAKA NY MASOANDRO IZY

Tsy nisy fiainana teto an-tany raha tsy teo ny masoandro. Ny masoandro mantsy no mahatonga ny zavamaniry hisy ravina sy felana ary voa. Izy io koa no mahatonga ny rano ao anaty tany hotrohin’ny fakan’ny hazo sy ho tonga eny amin’ny raviny ary ho lasa etona.

2. MANOME ORANA IZY

Manome antsika orana Andriamanitra, mba ho afaka hamokatra sakafo ho antsika ny tany. Lasa mahazo vokatra be dia be amin’ny fotoanany isika, ka sady faly no afa-po.

3. MANOME SAKAFO SY FITAFIANA IZY

Tian’ny raim-pianakaviana maro raha mahazo fitafiana sy sakafo ampy tsara ny ankohonany. Mariho izay lazain’ny Soratra Masina: “Jereo tsara ny voro-manidina: Tsy mba mamafy na mijinja na manangona ho ao an-trano fitehirizam-bokatra ireny, nefa ny Rainareo izay any an-danitra manome sakafo azy. Tsy sarobidy noho ireny ve ianareo?”​—Matio 6:25, 26.

“Diniho tsara ny fanirin’ny lisy any an-tsaha. ... Lazaiko aminareo fa na i Solomona [Mpanjaka] tamin’ny voninahiny rehetra aza tsy nitafy toy ny iray amin’ireny. Raha ny zavamaniry any an-tsaha ... no ampitafian’Andriamanitra toy izany, tsy mainka ve ianareo?”​—Matio 6:28-30.

Raha afaka manome sakafo sy fitafiana antsika Andriamanitra, dia azo antoka fa vitany koa ny manampy antsika hahazo an’ireo zavatra hafa tena ilaintsika. Hitahy antsika izy raha miezaka manao ny sitrapony isika. Hataony mamokatra tsara ny tany ambolentsika, na hampiany isika hahita asa dia mba afaka mividy an’izay zavatra ilaintsika.​—Matio 6:32, 33.

Tena tokony hankasitraka an’Andriamanitra àry isika, rehefa mandinika ny masoandro, orana, vorona, ary voninkazo. Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka hoe ahoana no ifandraisan’ny Mpamorona amin’ny olombelona.