Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | TENA MISY VE NY ANJELY?

Manampy Anao eo Amin’ny Fiainana ve ny Anjely?

Manampy Anao eo Amin’ny Fiainana ve ny Anjely?

Alahady tolakandro tamin’izay. Nandeha nitsidika mpivady iray ampianariny Baiboly i Kenneth sy Filomena, izay mipetraka any Curaçao.

Hoy i Kenneth: “Nihidy be ny trano sady tsy tao ny fiaran-dry zareo. Tsy haiko anefa fa hoatran’ny hoe nisy nanery ahy hiantso an-telefaonina an’ilay ramatoa ihany.”

Namaly an’ilay antso ilay vehivavy, ary nilaza fa lasa niasa ny vadiny. Rehefa fantany anefa hoe tao am-baravarana i Kenneth sy Filomena, dia nasainy nandroso.

Tonga dia tsikaritr’izy ireo hoe vao avy nitomany ilay ramatoa. Nanaiky hianatra ihany anefa izy. Natombok’i Kenneth tamin’ny vavaka àry ilay fianarana. Nitomany indray ilay vehivavy, ka nanontany azy moramora i Kenneth sy Filomena hoe inona no nitranga.

Nanazava ilay ramatoa fa saika hamono tena izy tamin’io tolakandro io satria kivy be. Teo am-panoratana taratasy ho an’ny vadiny mihitsy, hono, izy no niantso i Kenneth. Namaky andinin-teny mampahery taminy àry i Kenneth sy Filomena. Voavonjy ny ainy!

Hoy i Kenneth: “Misaotra an’i Jehovah izahay fa afaka nanampy an’io ramatoa io. Ny anjeliny na ny fanahiny masina angamba no nampiasainy, mba handrisika anay hiantso azy io an-telefaonina!” *

Marina ve hoe nanampy an’i Kenneth sy Filomena tokoa ny anjelin’i Jehovah na ny fanahiny masina, izany hoe ny hery ampiasainy? Sa mba sendra tonga ara-potoana fotsiny ny antson’i Kenneth?

Asa aloha, fa ny fantatsika dia hoe mampiasa ny anjeliny Andriamanitra mba hanampiana ny olona hifandray aminy. Izany, ohatra, no nataony rehefa naniraka an’i Filipo mpitory ny vaovao tsara izy, mba hanampy an’ilay tandapa etiopianina.—Asan’ny Apostoly 8:26-31.

Maro ny fivavahana mampianatra fa tena misy ny zavaboary tsy hita maso. Misy amin’izy ireny, hono, manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra na miambina ny olona tsirairay. Betsaka ny olona mino fa misy ny anjely sady manampy azy ireo eo amin’ny fiainana. Maro koa anefa no tsy mino azy ireny.

Tena misy àry ve ny anjely? Raha izany no izy, ahoana no nampisy azy ireny? Inona no marina momba ny anjely? Manampy anao eo amin’ny fiainana ve izy ireny? Andeha hodinihintsika izany.

^ feh. 8 Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.—Salamo 83:18.