Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 44

HIRA 33 Apetraho Amin’i Jehovah Izay Manavesatra Anao

Ahoana no Iaretana ny Tsy Rariny?

Ahoana no Iaretana ny Tsy Rariny?

“Aza manaiky ho resin’ny ratsy, fa reseo amin’ny tsara foana ny ratsy.”​—ROM. 12:21.

HEVITRA HODINIHINA

Izay azontsika atao mba hiaretana ny tsy rariny nefa koa tsy hampitatra an’ilay olana.

1-2. Inona avy ny tsy rariny mety hiaretantsika?

 NIRESAKA momba ny mpitondratena iray i Jesosy tao amin’ny fanoharana nataony. Nangataka tamin’ny mpitsara foana io vehivavy io mba hanome rariny azy. Azo antoka hoe betsaka ny mpianatr’i Jesosy nahazo tsara an’izay tsapan’ilay vehivavy, satria matetika no niharan’ny tsy rariny ny sarambabem-bahoaka tamin’izany. (Lioka 18:1-5) Azontsika tsara koa izay tsapan’ilay mpitondratena satria efa samy niharan’ny tsy rariny daholo isika.

2 Fahita ny fitsarana an-tendrony sy ny tsy fitovian’ny farim-piainana ary ny fampahoriana amin’izao. (Mpito. 5:8) Tsy gaga àry isika raha iharan’ny tsy rariny. Mety ho tsy ampoizintsika anefa raha rahalahy na anabavy no diso hevitra momba antsika. Mety hitranga anefa izany. Mazava ho azy fa tsy hoe mpanohitra ny fahamarinana akory ny mpiara-manompo amintsika. Tsy lavorary fotsiny ry zareo. Be dia be ny azontsika ianarana avy amin’i Jesosy, rehefa nanao ny tsy rariny taminy ny mpanohitra ratsy fanahy. Raha ny mpanohitra aza anehoantsika faharetana, tsy mainka ve fa ny mpiara-manompo amintsika! Inona no tsapan’i Jehovah rehefa manao ny tsy rariny amintsika ny ao amin’ny fiangonana na ny any ivelany? Miraharaha an’izay mahazo antsika ve izy?

3. Miahy antsika ve i Jehovah rehefa iharan’ny tsy rariny isika? Hazavao.

3 Tena zava-dehibe amin’i Jehovah ny fomba itondran’ny olona antsika. “Tia rariny [mantsy] i Jehovah.” (Sal. 37:28) Manome toky antsika i Jesosy fa hataon’i Jehovah “haingana” izay hampiharana ny rariny amin’ny fotoana mety. (Lioka 18:7, 8) Tsy ho ela koa i Jehovah dia hanafoana ny fijaliantsika sy ny tsy rariny rehetra.​—Sal. 72:1, 2.

4. Ahoana no anampian’i Jehovah antsika amin’izao?

4 Manampy antsika hiaritra ny tsy rariny i Jehovah, eo am-piandrasantsika ny fotoana hanjakan’ny fahamarinana. (2 Pet. 3:13) Ampianariny antsika hoe inona no hanampy antsika tsy hanaonao foana rehefa iharan’ny tsy rariny isika. Nanome ny Zanany izy, ohatra, mba ho modely lavorary ho antsika. Omeny torohevitra azo ampiharina koa isika.

TANDREMO IZAY ATAONAO REHEFA MISY TSY RARINY

5. Nahoana isika no tokony hitandrina amin’izay ataontsika rehefa misy tsy rariny?

5 Mety handratra ny fontsika sy hampiady saina antsika ny tsy rariny. (Mpito. 7:7) Izany no tsapan’ny mpanompon’i Jehovah tsy nivadika hoatran’i Joba sy Habakoka. (Joba 6:2, 3; Hab. 1:1-3) Ara-dalàna ny fihetseham-po hoatr’izany, nefa tokony hitandrina isika amin’izay ataontsika sao dia hanaonao foana.

6. Inona no ianarantsika avy amin’i Absaloma? (Jereo koa ny sary.)

6 Tonga dia te hanao zavatra angamba isika rehefa misy tsy rariny mitranga. Tsy mety anefa izany, sady vao mainka aza mety hampitatra an’ilay olana. Diniho ny ohatr’i Absaloma, zanakalahin’i Davida Mpanjaka. Tezitra be izy satria naolan’i Amnona i Tamara anabaviny. Iray tam-po ihany izy telo dahy, fa i Amnona hafa reny. Mendrika ny ho faty i Amnona noho izay nataony, araka ny Lalàn’i Mosesy. (Lev. 20:17) Rariny aloha raha tezitra i Absaloma e! Tsy anjarany anefa ny namaly faty.​—2 Sam. 13:20-23, 28, 29.

Tsy nahafehy ny hatezerany i Absaloma rehefa niharan’ny tsy rariny i Tamara anabaviny (Fehintsoratra 6)


7. Nanao ahoana ny mpanao salamo iray tamin’ny voalohany rehefa nahita ny tsy rariny?

7 Rehefa hoatran’ny hoe afa-maina ireo manao ny tsy rariny, dia mety hisalasala isika raha tena mahasoa ny manao ny marina. Eritrereto ny mpanao salamo iray. Hitany hoe nampijalin’ny ratsy fanahy ny olo-marina, nefa hoatran’ny hoe mbola nankafy fiainana ihany ireo ratsy fanahy ireo. Hoy izy: “Hoatr’izany ny ratsy fanahy! Mandeha tsara foana ny fiainany.” (Sal. 73:12) Very hevitra tanteraka izy nahita ny tsy rariny ka efa saika tsy nino intsony hoe mahasoa ny manompo an’i Jehovah. Izao no nolazainy: “Rehefa niezaka hahatakatra an’izany aho, dia nikorontana ny saiko.” (Sal. 73:14, 16) Niaiky mihitsy aza izy hoe: “Izaho kosa saika nivily lalana; saika nibolisatra ny tongotro.” (Sal. 73:2) Hoatr’izany no nitranga tamin’ny rahalahy iray atao hoe Alberto. a

8. Nanao ahoana ny rahalahy iray rehefa niharan’ny tsy rariny?

8 Nendrikendrehina ho nangalatra ny volan’ny fiangonana i Alberto. Nesorina taminy àry ny tombontsoam-panompoany, ary betsaka ny mpiara-manompo lasa tsy nanaja azy intsony rehefa naheno an’ilay resaka. Izao no notantarainy: “Tezitra aho sady diso fanantenana.” Navelany hanimba ny fifandraisany tamin’i Jehovah izany, ary lasa tsy nivory sy tsy nitory intsony izy nandritra ny dimy taona. Hitantsika avy amin’izany hoe inona no mety hitranga rehefa tsy voafehy ny hatezerana manoloana ny tsy rariny.

TAHAFO NY FOMBA NIARETAN’I JESOSY NY TSY RARINY

9. Inona avy ny tsy rariny niaretan’i Jesosy? (Jereo koa ny sary.)

9 Modely tonga lafatra amin’ny fomba iaretana ny tsy rariny i Jesosy. Nanao ny tsy rariny taminy, na ny fianakaviany na ny olon-kafa. Eritrereto ange izany e! Tsy nino azy ny havany dia nilaza fa lasa adala izy. Ny mpitondra fivavahana koa niampanga azy hoe mpiara-miasa tamin’ny demonia. Ny miaramila romanina indray naneso azy sy nampijalijaly azy ary namono azy ho faty mihitsy. (Mar. 3:21, 22; 14:55; 15:16-20, 35-37) Niaritra an’izany tsy rariny rehetra izany i Jesosy nefa tsy namaly faty. Inona no ianarantsika avy aminy?

Modely lavorary ny amin’ny fomba iaretana ny tsy rariny i Jesosy (Fehintsoratra 9-10)


10. Ahoana no nataon’i Jesosy rehefa niaritra ny tsy rariny izy? (1 Petera 2:21-23)

10 Vakio ny 1 Petera 2:21-23. b Nanome modely lavorary ho antsika i Jesosy ny amin’izay tokony hatao rehefa iharan’ny tsy rariny. Fantany hoe rahoviana izy no tokony hangina dia rahoviana no tokony hiteny. (Mat. 26:62-64) Tsy hoe namaly foana izy isaky ny nisy nanendrikendrika. (Mat. 11:19) Rehefa niteny indray izy, dia tsy nanambanimbany an’ireo mpanenjika azy, na nandrahona azy ireo. Nifehy tena izy satria ‘nanankina ny fiainany tamin’Ilay mitsara araka ny rariny.’ Fantatr’i Jesosy hoe ny fomba fijerin’i Jehovah no zava-dehibe indrindra. Natoky izy hoe halamin’i Jehovah ara-potoana ny tsy rariny rehetra.

11. Ahoana avy no ampisehoantsika hoe mahafehy ny vavantsika isika? (Jereo koa ny sary.)

11 Manahaka an’i Jesosy isika raha mifehy an’izay lazaintsika rehefa iharan’ny tsy rariny. Azo odiana tsy hita fotsiny ny tsy rariny sasany satria tsy tena lehibe. Aleontsika koa angamba mangina mba tsy hitatra ilay olana. (Mpito. 3:7; Jak. 1:19, 20) Indraindray anefa isika mety mila miteny ihany rehefa mahita olona iharan’ny tsy rariny, na rehefa mila miaro ny fahamarinana. (Asa. 6:1, 2) Tokony hiezaka hanao an’izay fara herintsika anefa isika mba ho tony sy hanaja olona rehefa manao an’izany.​—1 Pet. 3:15. c

Manahaka an’i Jesosy isika rehefa iharan’ny tsy rariny, raha mieritreritra tsara hoe rahoviana no hiteny ary amin’ny fomba ahoana (Fehintsoratra 11-12)


12. Ahoana no ampisehoantsika hoe manankina ny fiainantsika ‘amin’Ilay mitsara araka ny rariny’ isika?

12 Manahaka an’i Jesosy koa isika rehefa manankina ny fiainantsika ‘amin’Ilay mitsara araka ny rariny.’ Rehefa diso hevitra momba antsika ny hafa na mampijaly antsika, dia matoky isika hoe mahafantatra ny tena marina i Jehovah. Manampy antsika hiaritra ny tsy rariny izany, satria fantatsika hoe hanitsy ny tsy mety i Jehovah amin’ny farany. Tsy ho tezi-dava na hitana lolompo isika raha apetratsika amin’i Jehovah ilay olana. Mety hahatonga antsika hanao zavatra tafahoatra sy tsy ho faly intsony mantsy ny fihetseham-po hoatr’izany, ary mety hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah.​—Sal. 37:8.

13. Inona no hanampy antsika hiaritra foana na dia iharan’ny tsy rariny aza?

13 Isika aloha tsy hahavita hanahaka tanteraka ny modelin’i Jesosy e! Mety hiteny na hanao zavatra hanenenantsika ihany isika indraindray. (Jak. 3:2) Mety hamela holatra tsy mety afaka intsony ao am-pontsika, na hampitondra takaitra amin’ny vatantsika ny zavatra sasany tsy ara-drariny. Raha mizaka ny mafy hoatr’izany ianao, dia matokia fa fantatr’i Jehovah izay iaretanao. Efa nijaly noho ny tsy rariny koa i Jesosy dia mahazo tsara an’izay tsapanao. (Heb. 4:15, 16) Tsy hoe nanome an’i Jesosy mba ho modely lavorary ho antsika fotsiny i Jehovah, fa manome torohevitra mahasoa antsika koa mba hahafahantsika miatrika ny tsy rariny. Andao isika handinika andinin-teny roa mety hanampy antsika avy ao amin’ny bokin’ny Romanina.

“AVELAO ANDRIAMANITRA NO HAMPISEHO NY HATEZERANY”

14. Inona no dikan’ilay hoe “avelao Andriamanitra no hampiseho ny hatezerany”? (Romanina 12:19)

14 Vakio ny Romanina 12:19. Nampirisika ny Kristianina ny apostoly Paoly hoe: “Avelao Andriamanitra no hampiseho ny hatezerany.” Manao an’izany isika rehefa i Jehovah no avelantsika hampihatra ny rariny, amin’ny fotoana sy fomba mety aminy. Niharan’ny tsy rariny ny rahalahy iray atao hoe John. Izao no nolazainy: “Tsy maintsy niady tamin’ny fihetseham-poko aho mba tsy hanao an’izay saim-pantako fotsiny ka hanitsy an’ilay tsy nety. Nanampy ahy hiandry an’i Jehovah ny Romanina 12:19.”

15. Nahoana no tsara kokoa ny miandry an’i Jehovah hanitsy an’izay tsy mety?

15 Mandray soa isika rehefa miandry an’i Jehovah hanitsy an’izay tsy mety. Raha manao an’izany isika dia tsy hiady saina be na ho diso fanantenana, satria hoe isika ihany no miezakezaka mandamina an’ilay olana. Manolo-tena hanampy antsika i Jehovah. Hoatran’ny milaza amintsika izy hoe ‘avelao fa izaho no handamina an’ilay tsy rariny.’ Raha ekentsika ilay fampanantenan’i Jehovah hoe “ahy ny famaliana”, dia tsy hivonto fo intsony isika. Matoky mantsy isika fa ny fomba andaminany an’ilay izy no tsara indrindra. Izany no nanampy an’i John, ilay voaresaka teo. Hoy izy: “Raha vitako ny miandry an’i Jehovah, dia ho tsara lavitra noho ny vahaolana hitako ny fomba handaminany an’ilay izy.”

“RESEO AMIN’NY TSARA FOANA NY RATSY”

16-17. Nahoana ny vavaka no manampy antsika hampihatra an’ilay hoe “reseo amin’ny tsara foana ny ratsy”? (Romanina 12:21)

16 Vakio ny Romanina 12:21. Nampirisika ny Kristianina koa i Paoly hoe: “Reseo amin’ny tsara foana ny ratsy.” Izao no nolazain’i Jesosy tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra: “Tiavo foana ny fahavalonareo, ary mivavaha foana ho an’izay manenjika anareo.” (Mat. 5:44) Izany mihitsy no nataony. Efa noeritreretintsika angamba ny fijaliana tsapan’i Jesosy, tamin’izy nofantsihan’ny miaramila romanina teo amin’ny tsato-kazo. Mety ho azoazontsika an-tsaina koa ny fanaintainana sy ny fahafaham-baraka tsapany ary ny tsy rariny niaretany.

17 Tsy nanaiky ho resin’ny ratsy i Jesosy na dia nijaly noho ny tsy rariny aza. Tsy nanozona an’ireo miaramila ireo izy fa nivavaka hoe: “Ray ô, avelao ny helok’izy ireo, fa tsy fantany izay ataony.” (Lioka 23:34) Tsy dia hitana lolompo sy tsy ho tezitra be intsony isika rehefa mivavaka ho an’ireo olona mampijaly antsika. Mety hiova mihitsy aza ny fahitantsika an’ireo nanao ny tsy nety tamintsika.

18. Nahoana ny vavaka no nanampy an’i Alberto sy John hiaritra ny tsy rariny?

18 Ny vavaka no nanampy an’ireo rahalahy roa voaresaka tato mba hiaritra ny tsy rariny. Hoy i Alberto: “Nivavaka ho an’ireo rahalahy nanao ny tsy rariny tamiko aho. Imbetsaka aho no nangataka an’i Jehovah mba hanampy ahy tsy hieritreritra an’ilay izy intsony.” Mahafinaritra fa efa miverina manompo an’i Jehovah izao i Alberto. Izao indray no nolazain’i John: “Nivavaka imbetsaka ho an’ilay rahalahy nampijaly ahy aho. Lasa niova ny fahitako azy dia lasa tsy nitsaratsara azy intsony aho. Nanampy ahy hilamin-tsaina koa ireny vavaka ireny.”

19. Inona no tsy maintsy ataontsika mandra-pifaran’izao tontolo izao? (1 Petera 3:8, 9)

19 Mbola tsy haintsika izay tsy rariny mety hihatra amintsika mandra-pifaran’izao tontolo izao. Na inona na inona anefa mitranga dia andao isika hivavaka foana mba hampian’i Jehovah. Ankoatra izay, dia enga anie isika hanahaka an’i Jesosy rehefa iharan’ny tsy rariny, sady hampihatra ny torolalan’ny Baiboly foana! Raha manao an’izany isika dia azo antoka hoe handova fitahiana avy amin’i Jehovah.​—Vakio ny 1 Petera 3:8, 9.

HIRA 38 Izy no Hampahery Anao

a Novana ny anarana sasany.

b Miresaka ny tsy rariny natrehin’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ny apostoly Petera, ao amin’ny 1 Petera toko faha-2 sy faha-3. Maro tamin’izy ireo no nampijalin’ny tompony ratsy fanahy na ny vadiny tsy Kristianina.​—1 Pet. 2:18-20; 3:1-6, 8, 9.

c Jereo ao amin’ny jw.org/mg ilay video hoe Hilamin-tsaina sy Hihavana Isika Raha...