Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hanampy Anao Hianatra Tsy Tapaka?

Inona no Hanampy Anao Hianatra Tsy Tapaka?

Sarotra aminao ve ny mianatra samirery tsy tapaka? Hitanao koa ve indraindray hoe tsy mahafinaritra ny manao an’ilay izy? Mety ho efa nahatsapa hoatr’izany daholo isika. Eritrereto anefa ny zavatra tsy maintsy ataontsika tsy tapaka, ohatra hoe mandro. Mitaky fotoana sy ezaka ny mandro, nefa velombelona erỳ ianao avy eo! Mamelombelona hoatran’ny “rano fandroana” koa ny mianatra Baiboly, “izany hoe ny teny.” (Efes. 5:26) Ireto misy soso-kevitra mety hanampy anao:

  • Manaova fandaharam-potoana. Anisan’ny “zava-dehibe kokoa” tsy maintsy ataon’ny Kristianina ny fianarana samirery ny Baiboly. (Fil. 1:10) Inona no hanampy anao hanaraka ny fandaharam-potoananao? Azonao soratana ilay izy dia apetaka eny amin’ny toerana mora hita, ohatra hoe eny amin’ny rindrina na eo amin’ny frizidera. Mety hanampy anao koa ny manisy fanairana amin’ny fitaovana elektronika ampiasainao, aloha kelin’ilay fotoana ianaranao.

  • Ataovy mifanaraka amin’izay mety aminao ilay izy. Inona no mampifantoka kokoa anao? Mianatra mandritra ny fotoana iray lava be sa mianatra mandritra ny fotoana fohy kokoa fa atao imbetsaka? Ianao ihany no mahalala an’izay mety indrindra aminao, dia ampifanaraho amin’izay ny fotoana ianaranao. Raha kamokamo ianao rehefa tonga io fotoana io, dia ataovy folo minitra fotsiny aloha. Na dia fotoana fohy hoatran’izay aza ianao no mianatra dia efa tsara noho ny tsy misy izany. Mety ho vonona hanohy mihitsy aza ianao rehefa avy nanomboka.​—Fil. 2:13.

  • Mifidiana foto-kevitra mialoha. Mety tsy ‘hampiasa tsara ny fotoananao’ ianao raha efa eo am-pitoerana eo vao mieritreritra an’izay ianarana. (Efes. 5:16) Inona àry no azonao atao? Azonao atao, ohatra, ny manao lisitra an’izay lahatsoratra na foto-kevitra tianao hianarana. Rehefa misy fanontaniana tonga ao an-tsainao dia ampidiro ao amin’ilay lisitra. Mety hahita hevitra hafa hampidirina ao koa ianao isaky ny avy mianatra.

  • Manaova fanovana rehefa ilaina. Aza atao hentitra be loatra ny fandaharam-potoananao. Azonao ovaovana ny fotoana sy ny foto-kevitra ianaranao. Ny zava-dehibe dia ny hoe mianatra tsy tapaka ianao, fa tsy hoe rahoviana, hafiriana, na inona no ianaranao.

Tena handray soa isika raha zatra mianatra tsy tapaka. Ho akaiky kokoa an’i Jehovah isika, hianatra hanao zavatra amim-pahendrena, ary hahatsapa ho velombelona.​—Jos. 1:8.