Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MBA ANDRAMO IZAO

Mitadiava Toerana Mety Tsara Ianarana

Mitadiava Toerana Mety Tsara Ianarana

Te handray soa kokoa ve ianao rehefa mianatra samirery? Mety hanampy anao hifantoka kokoa ireto soso-kevitra ireto:

  • Mifidiana toerana mety. Raha azo atao dia mitadiava toerana milamina sy mazava tsara. Afaka mampiasa seza sy latabatra ianao, na mitady toerana mampahazo aina anao any ivelany.

  • Mitadiava toerana mitokana. Nisafidy ny hivavaka “vao maraina” tany “amin’ny toerana mitokana” i Jesosy. (Mar. 1:35) Raha tsy mahita toerana mitokana ianao, dia azonao ampahafantarina ny ao an-tranonareo hoe rahoviana ianao no hianatra. Iangavio ry zareo mba tsy hanelingelina anao amin’io fotoana io.

  • Miezaha hifantoka foana. Esory izay manelingelina. Vonoy ny fanairana, na ataovy tsy afaka mandray antso sy hafatra (mode avion) ny tablette na telefaonina ampiasainao rehefa mianatra ianao. Raha misy zavatra tsaroanao tampoka hoe mila ataonao, dia soraty ilay izy amin’izay tsy hadinonao. Raha sarotra aminao ny mifantoka, dia mandehandehana kely aloha na ahetsiketseho kely ny vatanao.