TANTARAM-PIAINANA
Nomen’i Jehovah Hery Izahay na Rehefa Nisy Ady na Tsia
Paul: Novambra 1985 tamin’izay. Faly be izahay! Vao voatendry ho misionera izahay dia ho any amin’ilay tany anendrena anay voalohany, any Liberia, Afrika Andrefana. Nijanona kely tao Sénégal ilay fiaramanidina nitondra anay. Hoy i Anne: “Afaka adiny iray sisa dia tonga any Liberia isika!” Nisy filazana anefa hoe: “Asaina hidina ny mpandeha rehetra mankany Liberia. Tsy afaka mankany mantsy isika satria misy fanonganam-panjakana any.” Nijanona tany Sénégal niaraka tamin’ny misionera izahay nandritra ny folo andro ary nanaraka ny vaovao tany Liberia. Henonay hoe taterina amin’ny kamiao ny fatin’olona. Tifirina koa izay tratra mivezivezy amin’ny alina.
Anne: Izahay mivady aloha tsy olona sahisahy be e! Izaho aza hatramin’ny mbola kely nomena anaram-petaka hoe Annie Kely Saro-tahotra. Na miampita arabe aza aho dia matahotra. Tapa-kevitra ho any amin’ilay toerana anendrena anay ihany anefa izahay.
Paul: Samy teraka tany amin’ny faritra andrefan’i Angletera izahay sy Anne. Valo kilaometatra ny elanelan’ny toerana nahaterahanay. Samy nanao mpisava lalana izahay rehefa vita ny fianaranay teny amin’ny lise. Ny ray aman-dreniko sy ny maman’i Anne no tena nampirisika anay. Nanohana be anay ry zareo satria izahay te hanompo manontolo andro. Voantso hanompo tany amin’ny Betela aho tamin’izaho 19 taona, dia avy eo niaraka nanompo tany izahay sy Anne tamin’ny 1982, taorian’ny mariazinay.
Anne: Tianay be ny Betela nefa efa hatramin’izay izahay no te hanompo any amin’ny toerana ilana mpitory maro kokoa. Vao mainka izahay te hanao an’izany rehefa niara-niasa tamin’ny Betelita efa misionera taloha. Nanao vavaka voafaritra tsara momba an’izany izahay isak’alina, nandritra ny telo taona. Tena faly àry izahay tamin’ny 1985 rehefa voasa hanatrika ny kilasy faha-79 amin’ny Sekolin’i Gileada! Voatendry ho any Liberia, any Afrika Andrefana, izahay.
NANOME HERY NY FITIAVAN’NY MPIARA-MANOMPO
Paul: Nandeha tamin’ny fiaramanidina voalohany nahazo nandeha tany Liberia izahay. Mbola natahotahotra be ny olona tamin’izany dia mbola tsy azo a Nanana traikefa be i John sady fantany tsara ny zavatra niainan’ny mpiara-manompo dia nanampy ahy izany.
ivezivezena amin’ny alina. Na zavatra mipoaka amin’ny aotomobilina iray eny an-tsena fotsiny aza dia efa nampisahotaka ny olona. Namaky ampahany amin’ny Salamo izahay isak’alina mba hampitonitony anay. Na izany aza dia tianay be ilay fanendrena anay. Misionera teny amin’ny saha i Anne dia izaho tao amin’ny Betela, niara-niasa tamin’i John Charuk.Anne: Vetivety izahay dia tamana tany Liberia. Ny mpiara-manompo any mantsy tsara fanahy be sy sariaka sady tsy mivadika. Lasa niraiki-po tamin-dry zareo izahay dia nahazo fianakaviana vaovao. Nampahery anay ny torohevitry ry zareo. Nahafinaritra be koa ny fanompoana. Hafahafa amin’ny olona itoriana ny hoe vetivety fotsiny ianao no miresaka aminy. Miresaka momba ny Baiboly ny olona, eny an-joron-dalana rehetra eny. Afaka manatona fotsiny ianao dia miresaka amin-dry zareo. Be mpianatra be izahay tamin’izany dia tsy araka mihitsy. Faly sahirana izahay!
NAHAZO HERY NA DIA NATAHOTRA AZA
Paul: Nilamindamina kely ny toe-draharaha nandritra ny efa-taona. Niova anefa izany tamin’ny 1989, rehefa nipoaka ny ady an-trano. Nalain’ny miaramila mpikomy ny faritra nanodidina ny Betela tamin’ny 2 Jolay 1990. Tsy afaka nifandray tamin’ny tany ivelany mihitsy izahay na tamin’ny havanay na tamin’ny foibe, nandritra ny telo volana. Baranahiny be ny fiainana, tsy ampy ny sakafo, ary be dia be ny vehivavy voaolana. Nitohy nandritra ny 14 taona izany nanerana an’i Liberia.
Anne: Nisy foko niady sy namono olona avy amin’ny foko hafa. Nandehandeha teny amin’ny arabe ny miaramila mirongo fiadiana manao akanjo hafahafa be, dia nandroba ny trano rehetra nolalovany. Hoatran’ireny mamono akoho ireny ny mamono olona amin’ny sasany amin-dry zareo. Nivangongo teny amin’ny toeram-pisavana ny fatin’olona. Nisy aza teo akaikin’ny sampana. Nisy Vavolombelon’i Jehovah tsy nivadika novonoina koa, anisan’izany ny misionera roa.
Nisy Vavolombelona nanao vivery ny ainy mba hanafenana ny namany avy amin’ny foko natao haza lambo. Nanao hoatr’izany koa ny misionera sy ny Betelita. Nandositra tao amin’ny Betela ny Vavolombelona sasany dia natory tao ambany rihana, dia ny sasany niaraka tamin’ny Betelita tany ambony. Fianakaviana fito mianaka no tao amin’ny efitra nisy anay mivady.
Paul: Nitady hiditra tao amin’ny Betela foana ny miaramila isan’andro satria tian-dry zareo ho hita hoe nisy olona nafeninay ve tao. Olona efatra
no natao mpiambina tamin’izany. Ny roa nitazana teo am-baravarankely, dia ny roa nankeny am-bavahady rehefa tonga ny miaramila. Rehefa nataon’ilay teny am-bavahady teo alohany ny tanany dia nilamina izay ny zava-drehetra. Fa rehefa nataon-dry zareo tany aoriana ny tanany dia nahery setra izay ny miaramila. Nila nanao zavatra haingana àry ireo nitazana teny am-baravarankely mba hanafenana ny mpiara-manompo aminay.Anne: Nisy miaramila romotra be dia be niditra an-keriny tao amin’ny Betela, afaka herinandro maromaro. Nihidy tao amin’ny efitra fidiovana izaho sy ny rahavavy iray. Nisy arimoara izay tao, dia nisy toerana kely azo niafenana tao anatiny. Nisisika tao ilay rahavavy. Niakatra tany ambony ny miaramila maromaro nitondra basy. Tezitra be ry zareo sady nandondòna tao aminay. Niangavy an-dry zareo i Paul hoe: “Mba andraso kely re e! Mbola ao amin’ny efitra fidiovana ny vadiko.” Naneno be ilay toerana fiafenana rehefa nohidiana. Elaela koa vao voaveriko tamin’ny toerany ny zavatra tao amin’ilay arimoara ka tsy maintsy ho mahana ry zareo. Nanomboka nangovitra be aho, nefa izaho tsy maintsy hamoha varavarana. Nivavaka moramora aho mba hampian’i Jehovah. Nosokafako ilay varavarana dia vitako ihany ny niarahaba an-dry zareo sady tony aho. Niditra ny iray tamin-dry zareo dia nakisany aho sady nanitsy teny amin’ilay arimoara izy. Nosokafany ilay izy dia nosavasavainy. Gaga izy hoe tsy nahita na inona na inona tao. Lasa indray izy sy ny namany nikarokaroka tany amin’ny efitra hafa sy tao ambanin’ny tafo. Mbola tsy nahita na inona na inona ihany anefa ry zareo.
NAMIRAPIRATRA FOANA NY FAHAMARINANA
Paul: Zara raha nanan-kohanina izahay nandritra ny volana maromaro. Soa ihany anefa fa teo ny sakafo ara-panahy. Ny fotoam-pivavahana maraina tao amin’ny Betela ihany no mba “sakafo marainanay.” Faly izahay satria nanome anay hery hiaretana izany.
Raha nivoaka ny sampana izahay mba hitady rano sy sakafo dia mety hovonoin’ny olona ny rahalahy sy anabavy nafeninay. Mahagaga anefa indraindray ny fomba ikarakaran’i Jehovah anay sy ny fotoana anaovany an’izany. Nanome an’izay nilainay izy dia nampiany koa izahay mba tsy hatahotra loatra.
Nihananjombona ihany ny fiainana nefa vao mainka namirapiratra ny fahamarinana. Nandositra matetika ny mpiara-manompo nefa tony foana sady nanam-pinoana. Nisy nilaza hoe “nampiofana” an-dry zareo “ho amin’ny fahoriana lehibe” ilay ady. Be herim-po ny anti-panahy sy ny rahalahy tanora dia nanao izay azony natao mba hanampiana ny mpiara-manompo. Tsy nisaratsaraka ny rahalahy sy anabavy rehefa nandositra. Nitory tamin’ny faritany vaovao ry zareo, dia nanao Efitrano Fanjakana tsotsotra tany anaty ala mba hivoriana. Nampahery an-dry zareo ny fivoriana sy fitoriana tamin’ireny fotoana mangidy ireny, sady nanampy an-dry zareo hiaritra. Rehefa nizara fanampiana izahay dia kitapo hoentina manompo no nangatahin’ny mpiara-manompo fa tsy akanjo. Tena nanohina ny fonay izany! Nalahelo sy nihorohoro ny olona dia nihaino rehefa nitoriana ny vaovao tsara. Gaga ry zareo hoe mbola faly ihany ny Vavolombelon’i Jehovah sady tsy kivy. Hoatran’Mat. 5:14-16) Lasa rahalahintsika mihitsy aza ny miaramila nahery setra sasany satria nafana fo ny mpitory.
ny hazavana namirapiratra tao anaty haizina ireo Vavolombelona ireo. (NAHAZO HERY REHEFA HANDAO AN’IREO MPIARA-MANOMPO
Paul: Nisy fotoana izahay tsy maintsy niala tany Liberia: Intelo vetivety, ary indroa nandritra ny herintaona. Tena mahalaza an’izay tsapanay ny tenin’ny anabavy misionera iray. Hoy izy: “Nampianarina isika tamin’ny Sekolin’i Gileada hoe atontòny ao amin’ny fanendrena anao ny fonao manontolo. Dia izany mihitsy no nataontsika. Hoatran’ny hoe nisy nanorotoro àry ny fontsika rehefa tsy maintsy mandao ny mpiara-manompo hoatr’izao isika.” Soa ihany izahay fa mbola afaka nanohana ny asa fitoriana tany Liberia, avy tany amin’ny firenena teo akaiky teo.
Anne: Nandeha tamin’ny fiaran’ny sampana izahay tamin’ny Mey 1996. Nitondra taratasy nisy fanazavana tena ilaina momba ny asa fitoriana tany Liberia izahay tamin’izay. Efatra izahay no niaraka. Saika ho any amin’ny toerana azo antoka kokoa izahay, tany amin’ny 16 kilaometatra niala teo. Nanavatsava ny tanàna izahay. Tamin’izay mihitsy no nisy nanafika ny faritra nisy anay. Nisy miaramila tezitra be nanao tifi-danitra dia nosakanany izahay. Nosintonin-dry zareo hivoaka ny telo taminay dia lasan-dry zareo ilay fiara. I Paul tamin’io mbola tao anatiny. Nijajirika teo izahay tsy nahateny. Tampotampoka teo dia iny i Paul nandeha tao anaty vahoaka sady nisy ra nikoriana teo amin’ny handriny. Taitra be izahay dia nieritreritra hoe voatifitra izy. Izy ve anefa dia ho afaka handeha raha voatifitra? Hay kay izy nasian’ny miaramila iray rehefa natosiny hivoaka an’ilay fiara. Soa ihany fa ratra kely fotsiny ilay izy.
Nisy fiarana miaramila efa vonona handeha teo akaiky teo. Feno olona natahotra be tao anatiny. Nikiraviravy tamin’ilay izy izahay. Nandeha mafy be ilay saofera dia nila hianjera mihitsy izahay. Niangavianay izy mba hijanona fa natahotra loatra izy dia tsy nohenoiny izahay. Tsy haiko hoe ahoana fa tonga ihany izahay. Torovana be izahay sady nipararetra noho ny tahotra.
Paul: Akanjo naloto sy rovidrovitra sisa no teny an-koditray. Nifampijery izahay sady gaga hoe mbola velona ihany. Natory teny an-kalamanjana izahay ny alin’iny, teo akaikin’izay helikoptera rotidrotiky ny bala izay. Iny no nitondra anay nankany Sierra Leone ny ampitso. Faly izahay fa tsy maty fo aman’aina. Nanahy be momba ny mpiara-manompo tany Liberia anefa izahay.
HERY HIATREHANA OLANA HAFA
Anne: Tonga soa aman-tsara tao amin’ny Betela tany Freetown, any Sierra Leone, ihany izahay. Voakarakara tsara izahay tany. Nanomboka nitamberina tao an-tsaiko anefa ny zavatra hitako tany Liberia. Natahotahotra foana aho nandritra ny andro, dia hoatran’ny tsy tena izy ny zavatra hitako. Taitra tampoka aho amin’ny alina dia mangovitra be sady tsembo-dratsy. Hoatran’ny hoe hisy loza izany. Tsy avy miaina aho. Fihinin’i Paul aho rehefa manao hoatr’izany dia avy eo izahay mivavaka. Nanao hiran’ilay Fanjakana koa izahay, ary tsy nijanona raha tsy rehefa tsy nangovitra intsony aho. Nieritreritra aho hoe ho lasa adala dia tsy afaka ny ho misionera intsony.
Tsy ho hadinoko mihitsy ny zava-nitranga taorian’izay. Nisy gazety roa nivoaka tamin’iny herinandro iny. Mifohaza! 8 Jona 1996 ilay voalohany. Nisy lahatsoratra tao hoe “Fiatrehana Fihetsehan’ny Fahatsapana Horohoro.” Azoko amin’izay hoe inona no nahazo ahy. Ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 1996 ilay faharoa. Nisy lahatsoratra tao hoe “Aiza no Ahazoan’izy Ireo ny Heriny?” Sarina lolo nanana elatra rimbona no naseho tao. Nohazavain’ilay lahatsoratra hoe mbola afaka mamelon-tena sy manidina ny lolo iray na dia voa mafy aza ny elany. Rehefa ampian’ny fanahin’i Jehovah koa isika dia mbola afaka manampy olon-kafa na dia marefo aza ny fihetseham-pontsika. Tena nanome hery ahy ireny sakafo nomen’i Jehovah tamin’ny fotoana mety ireny. (Mat. 24:45) Mbola nanao fikarohana aho dia nanangona lahatsoratra mitovitovy amin’ireny. Izay no nanampy ahy. Tsy dia nitebiteby intsony aho rehefa nandeha ny fotoana.
NAHAZO HERY MBA HANEKENA FIOVANA
Paul: Faly foana izahay isaky ny nody tany Liberia. Efa ho 20 taona no nijanonanay tany, tamin’ny faramparan’ny 2004. Efa tapitra ny ady tamin’izany dia nisy tetikasa fanorenana tao amin’ny sampana. Tampoka teo anefa dia nanontaniana izahay raha afaka nanaiky fanendrena vaovao.
Mafy be taminay ilay izy. Niraiki-po be tamin’ny rahalahy sy anabavy tany mantsy izahay. Ho vitanay
ve ny hisaraka amin-dry zareo? Efa nandao ny fianakavianay anefa izahay tamin’izahay hanao Sekolin’i Gileada. Hitanay tamin’iny hoe nahazo fitahiana be dia be izahay rehefa i Jehovah no navelanay hitantana ny fiainanay. Nekenay àry ilay fanendrena vaovao dia lasa tany Ghana, firenena teo akaiky teo, izahay.Anne: Nitomany be izahay rehefa hiala tany Liberia. Nanatona anay i Frank, ranadahy be taona sady feno fahendrena. Gaga be izahay satria hoy izy: “Hadinoy ny aminay!” Nanazava izy avy eo hoe: “Fantatray hoe tsy hanadino anay mihitsy ianareo. Fa tsy maintsy hatontonareo any amin’ny fanendrena anareo vaovao anefa ny fonareo manontolo. Avy amin’i Jehovah io, dia mifantoha amin’ny rahalahy sy anabavy any!” Nanome hery anay izany. Hanomboka fiainam-baovao mantsy izahay, nefa zara raha nisy olona nahafantatra anay tany sady tsy nisy na inona na inona fantatray koa.
Paul: Vetivety anefa dia lasa tianay ny fianakavianay vaovao tany Ghana. Betsaka ny Vavolombelon’i Jehovah tany. Niana-javatra avy amin’ny namanay tany izahay. Tsy nivadika ry zareo sady nanana finoana matanjaka. Rehefa avy nanompo tany Ghana nandritra ny 13 taona izahay, dia nisy zavatra tsy nampoizinay indray. Nasaina hanompo atỳ amin’ny sampan’i Afrika Atsinanana eto Kenya izahay. Marina hoe nalahelo ny namanay tany amin’ny fanendrena anay teo aloha izahay, nefa vetivety izahay dia nifandray am-po tamin’ny rahalahy sy anabavy eto Kenya. Midadasika koa ny faritany atỳ sady mbola mila mpitory be dia be.
JERY TODIKA
Anne: Betsaka ny zava-tsarotra nampatahotra niainako nandritra ny taona maro. Mety hisy vokany amintsika sy ny fihetseham-pontsika ny zavatra nampidi-doza na nampitebiteby niainantsika. I Jehovah mantsy tsy manao fahagagana ka hoe miaro antsika amin’ireny. Izaho izao raha vao maheno poa-basy sy tifitra variraraka dia manotika ny kiboko sady donto ny tanako. Nianatra niantehitra tamin’ny fanampiana rehetra omen’i Jehovah mba hanatanjahana antsika anefa aho, anisan’izany ny fanohanan’ny ranadahy sy rahavavy. Hitako koa hoe rehefa manana fahazarana ara-panahy tsara isika, dia afaka manampy antsika hanohy an’izay nanendrena antsika foana i Jehovah.
Paul: Manontany ny olona indraindray hoe: “Tianareo ve ny fanendrena anareo?” Marina hoe tsara tarehy ny firenena sasany, nefa mety hitsimbadika tampoka ny zava-misy sady mety hampidi-doza. Izany no mahatonga an’ilay hoe ny rahalahy sy anabavy no tianay kokoa noho ilay toerana. Tena miray saina mantsy isika na dia samy hafa fiaviana aza. Mieritreritra izahay indraindray hoe irahina hampahery olona, fa raha ny marina anefa dia izahay no mahazo hery.
Misy zavatra mahagaga hitanay isaky ny mifindra toerana izahay: Mahazo rahalahy sy anabavy foana izahay. Manana fianakaviana ianao sady tsy mahatsapa hoe vahiny mihitsy raha mbola anisan’ny fiangonana. Matoky izahay fa hanome ny hery ilaintsika i Jehovah raha miantehitra aminy foana isika.—Fil. 4:13.
a Jereo ny tantaram-piainan’i John Charuk hoe “Velom-pankasitrahana An’Andriamanitra sy Kristy Aho”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 1973.