Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 45

HIRA 138 Tsara Tarehy Amin’i Jehovah Ireo Fotsy Volo

Ny Hafatrafatr’ireo Lehilahy Tsy Nivadika

Ny Hafatrafatr’ireo Lehilahy Tsy Nivadika

“Tsy eo amin’ny zokiolona ve no ahitana fahendrena, ary tsy izay efa ela niainana ve no mahira-tsaina?”​—JOBA 12:12.

HEVITRA HODINIHINA

Hahazo fitahiana isika dieny izao ary hiaina mandrakizay amin’ny hoavy raha mankatò an’i Jehovah Andriamanitra.

1. Nahoana isika no afaka miana-javatra avy amin’ny be taona?

 MILA tari-dalana daholo isika rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe. Afaka manampy antsika amin’izany ny anti-panahy sy ny Kristianina matotra hafa. Tsy tokony tonga dia hieritreritra isika hoe efa lany andro ny torohevitr’ireny olona ireny, raha be taona lavitra noho isika ry zareo. Tian’i Jehovah hianatra avy amin’ny be taona isika. Betsaka kokoa mantsy ny traikefa ananan-dry zareo ary mahira-tsaina sy manam-pahendrena kokoa ry zareo raha oharina amintsika.​—Joba 12:12.

2. Inona no hodinihintsika ato?

2 Nampiasa be taona tsy mivadika i Jehovah taloha mba hampahery sy hitari-dalana ny vahoakany. Eritrereto, ohatra, i Mosesy sy Davida ary ny apostoly Jaona. Niaina tamin’ny fotoana samy hafa ry zareo ary tsy mitovy mihitsy ny zavatra niainany. Rehefa akaiky ho faty ry zareo dia nanome torohevitra feno fahendrena ho an’ireo tanora kokoa. Samy nanamafy ireo lehilahy tsy nivadika ireo hoe zava-dehibe ny mankatò an’Andriamanitra. Notehirizin’i Jehovah ho antsika ny hafatrafatr’izy ireo. Afaka mandray soa avy amin’ny torohevitra nomen-dry zareo daholo isika na antitra na tanora. (Rom. 15:4; 2 Tim. 3:16) Hojerentsika ato ny hafatrafatr’ireo be taona telo ireo sy izay azontsika ianarana avy amin’izay nolazainy.

“HO ELA VELONA” IANAO

3. Inona avy ny andraikitr’i Mosesy?

3 Nahafoy tena ho an’i Jehovah foana i Mosesy. Mpaminany izy, mpitsara, mpitari-tafika, ary mpahay tantara. Nanana traikefa be dia be i Mosesy. Izy no nitarika ny firenen’Israely hiala tany Ejipta rehefa nafahana tsy ho andevo ry zareo. Hitany koa ny fahagagana be dia be nataon’i Jehovah. Nampiasain’i Jehovah izy mba hanoratra ny boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly, sy ny Salamo faha-​90. Mety ho izy koa no nanoratra ny Salamo faha-​91 sy ny bokin’i Joba.

4. Iza no nampaherezin’i Mosesy, ary nahoana?

4 Novorin’i Mosesy daholo ny Israelita, tamin’izy 120 taona. Efa ho faty izy tamin’izay. Nampahatsiahiviny an’ilay vahoaka ny zavatra hitan’izy ireo sy niainany. Nahita ny famantarana sy ny fahagagana be dia be nataon’i Jehovah ny sasany tamin’ireo nihaino azy, tamin’izy ireo mbola tanora. Hitan-dry zareo koa ny nanasazian’i Jehovah ny Ejipsianina. (Eks. 7:3, 4) Nandeha tamin’ny tany maina teo afovoan’ny Ranomasina Mena ry zareo, ary hitan-dry zareo ny nandringanana ny tafik’i Farao. (Eks. 14:29-31) Ry zareo mihitsy koa no nahita hoe nokarakarain’i Jehovah sy narovany ry zareo tany an-tany efitra. (Deot. 8:3, 4) Efa hiditra ny Tany Nampanantenaina izao io firenena io, dia nohararaotin’i Mosesy izany mba hampaherezana an’ilay vahoaka. a

5. Inona ny toky azon’ny Israelita rehefa nanafatrafatra azy ireo i Mosesy ao amin’ny Deoteronomia 30:19, 20?

5 Inona no nolazain’i Mosesy? (Vakio ny Deoteronomia 30:19, 20.) Nilaza izy hoe fiainana tsara be no niandry ny firenen’Israely. Hotahin’i Jehovah ry zareo dia afaka ny ho ela velona ao amin’ilay tany nampanantenainy azy ireo. Tany tsara tarehy sy mamokatra koa ilay hovantaniny! Izao no nolazain’i Mosesy momba an’ilay tany: “Hahazo tanàna lehibe sady tsara tarehy izay tsy naorinao [ianao]. Hahazo trano feno zavatra tsara isan-karazany izay tsy nisasaranao koa ianao, sy lavaka fanangonan-drano tsy nolavahanao, sy tanimboaloboka tsy novolenao, ary hazo oliva tsy nambolenao.”​—Deot. 6:10, 11.

6. Nahoana ny firenen-kafa no navelan’Andriamanitra handresy ny Israelita?

6 Nampitandrina ny Israelita koa i Mosesy hoe tsy maintsy mankatò ny didin’i Jehovah ry zareo raha te hijanona foana eo amin’ilay tany mamokatra be. Nampirisihin’i Mosesy ‘hifidy ny fiainana’ ry zareo, izany hoe hihaino an’i Jehovah sy ‘hifikitra aminy.’ Nanda an’i Jehovah anefa ny Israelita. Rehefa nandeha àry ny fotoana dia navelan’Andriamanitra ho resin’ny Asyrianina ry zareo, ary avy eo resin’ny Babylonianina dia nentina ho babo.​—2 Mpanj. 17:6-8, 13, 14; 2 Tan. 36:15-17, 20.

7. Inona no ianarantsika avy amin’ny tenin’i Mosesy? (Jereo koa ny sary.)

7 Inona no lesona ho antsika? Mamonjy aina ny fankatoavana. Kely sisa dia hiditra ao amin’ilay tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra isika, hoatran’ny Israelita hiditra ny Tany Nampanantenaina. Ho hitantsika ny hanovana ny tany ho paradisa amin’izay. (Isaia 35:1; Lioka 23:43) Tsy ho eo intsony ny Devoly sy ny demoniany. (Apok. 20:2, 3) Tsy hisy fivavahan-diso hampianatra lainga momba an’i Jehovah intsony. (Apok. 17:16) Tsy hampijaly ny olona eo ambany fahefany intsony ny fanjakan’olombelona. (Apok. 19:19, 20) Tsy havela hipetraka ao amin’ny Paradisa ny mpikomy. (Sal. 37:10, 11) Hankatò ny fitsipik’i Jehovah daholo ny olona rehetra dia hiray saina sy hiadana. Hifankatia sy hifampatoky daholo àry ny olona. (Isaia 11:9) Tena hahafinaritra izany fiainana izany! Angaha izay ihany? Raha mankatò an’i Jehovah isika dia tsy hoe hiaina ao amin’ilay Paradisa eto an-tany mandritra ny an-jatony taona fotsiny fa mandrakizay mihitsy.​—Sal. 37:29; Jaona 3:16.

Raha mankatò an’i Jehovah isika dia tsy an-jatony taona fotsiny no hiaina ao amin’ny Paradisa eto an-tany fa mandrakizay mihitsy (Fehintsoratra 7)


8. Nahoana no nanampy misionera iray efa ela ilay fampanantenana fiainana mandrakizay? (Joda 20, 21)

8 Te hifikitra amin’Andriamanitra isika na inona na inona fitsapana mahazo antsika, raha ataontsika ao an-tsaina foana ilay fampanantenany fiainana mandrakizay. (Vakio ny Joda 20, 21.) Manampy antsika hiady amin’ny fahalementsika koa io fampanantenana io. Niady mafy tamin’ny fahalemeny, ohatra, ny misionera iray efa ela tany Afrika. Izao no nolazainy: “Vao mainka aho tapa-kevitra hiady tamin’ilay fahalemeko sy hitalaho mafy amin’i Jehovah, rehefa mieritreritra hoe mety tsy hahazo fiainana mandrakizay aho raha manaiky ho resy. Resiko ihany ilay fahalemeko noho ny fanampian’i Jehovah.”

“HETY TSARA DAHOLO IZAY HATAONAO”

9. Inona avy ny olana natrehin’i Davida?

9 Mpanjaka niavaka i Davida. Mpahay mozika koa izy, poety, mpiady, ary mpaminany. Betsaka ny olana natrehiny. Nialona azy, ohatra, i Saoly Mpanjaka dia tsy maintsy nandositra izy nandritra ny taona maro. Rehefa lasa mpanjaka koa izy dia tsy maintsy nandositra indray satria nitady hanongam-panjakana i Absaloma zanany. Tsy nivadika tamin’Andriamanitra mihitsy anefa izy mandra-pahafatiny, na teo aza ireny olana ireny sy ny fahadisoana nataony. Nilaza i Jehovah hoe ‘lehilahy sitraky ny fony’ i Davida. Tena hahasoa antsika ny torohevitra nomeny.​—Asa. 13:22; 1 Mpanj. 15:5.

10. Nahoana i Davida no nanoro hevitra an’i Solomona, zanany lahy handimby azy?

10 Eritrereto, ohatra, ny torohevitra nomen’i Davida an’i Solomona zanany, izay ho mpanjaka handimby azy. Nifidy an’io tovolahy io i Jehovah mba hanorina tempoly hanome voninahitra azy, sy hampirisika ny olona hanaraka ny fivavahana madio foana. (1 Tan. 22:5) Hiatrika olana maro i Solomona. Dia inona no holazain’i Davida aminy? Andao hojerentsika.

11. Inona ny toky nomen’i Davida an’i Solomona araka ny 1 Mpanjaka 2:2, 3, ary ahoana no ahitana hoe marina ny teniny? (Jereo koa ny sary.)

11 Inona no nolazain’i Davida? (Vakio ny 1 Mpanjaka 2:2, 3.) Nanafatrafatra an’ilay zanany lahy i Davida hoe hahomby izy amin’izay ataony raha mankatò an’i Jehovah. Tena nahomby tokoa i Solomona nandritra ny taona maro. (1 Tan. 29:23-25) Nanorina an’ilay tempoly tsara tarehy izy, nanoratra boky ao amin’ny Baiboly, ary misy teniny koa any an-toeran-kafa ao amin’ny Baiboly. Nalaza izy satria nanankarena sady nanam-pahendrena. (1 Mpanj. 4:34) Marina anefa ilay tenin’i Davida hoe rehefa mankatò an’i Jehovah Andriamanitra ihany i Solomona vao hahomby. Nampalahelo fa lasa nanompo andriamani-kafa i Solomona rehefa nihantitra. Tsy nankasitrahan’i Jehovah intsony izy, dia lasa tsy nanana ny fahendrena nilaina mba hampiharana ny rariny sy ny hitsiny tamin’ny vahoaka nentiny.​—1 Mpanj. 11:9, 10; 12:4.

Hitantsika avy amin’ny hafatrafatr’i Davida tamin’i Solomona zanany hoe raha mankatò an’i Jehovah isika, dia homeny ny fahendrena ilaina mba hahaizana manapa-kevitra (Fehintsoratra 11-12) b


12. Inona no ianarantsika avy amin’ny tenin’i Davida?

12 Inona no lesona ho antsika? Hahomby isika raha mankatò. (Sal. 1:1-3) Marina fa tsy mampanantena i Jehovah hoe hataony manankarena sy malaza hoatran’i Solomona isika. Raha mankatò azy anefa isika dia homeny ny fahendrena ilaina mba hahaizana manapa-kevitra. (Ohab. 2:6, 7; Jak. 1:5) Afaka mitari-dalana antsika ny torolalany, ohatra hoe amin’ny resaka asa, fianarana, fialam-boly, ary vola. Hiaro ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra isika raha manaraka ny toroheviny, sady hahazo fiainana mandrakizay. (Ohab. 2:10, 11) Hahazo namana tsara isika, ary ho sambatra ny fianakaviantsika satria mahazo tari-dalana tsara isika.

13. Inona no nataon’i Carmen mba hahomby?

13 Mipetraka any Mozambika i Carmen. Nieritreritra izy hoe ho tafita raha manao fianarana ambony. Nankeny amin’ny oniversite àry izy ary nianatra momba ny taotrano. Izao no nosoratany: “Tiako be ilay zavatra nianarako. Naka be tamin’ny fotoanako sy ny heriko anefa ilay izy. Niditra tamin’ny 7:30 maraina aho dia tsy nirava raha tsy tamin’ny 6:00 hariva. Sahirana be aho nandeha nivory dia nihena tsikelikely ny fifandraisako tamin’i Jehovah. Tsapako ihany tany anatiko tany hoe niezaka nanompo tompo roa aho.” (Mat. 6:24) Nivavaka momba an’izany i Carmen dia nanao fikarohana tao amin’ny boky sy gazetintsika. Hoy izy: “Rehefa avy nahazo torohevitra avy tamin’ny mamanay sy avy tamin’ny ranadahy matotra aho, dia nanapa-kevitra hoe hajanoko ny fianarako fa hanompo an’i Jehovah manontolo andro aho. Nanampy be ahy ny torohevitry ry zareo. Iny no fanapahan-kevitra tsara indrindra noraisiko hatramin’izay, dia tsy nanenenako mihitsy ilay izy.”

14. Inona ny votoatin’ny hafatr’i Mosesy sy Davida?

14 Samy tia an’i Jehovah i Mosesy sy Davida. Fantatry ry zareo tsara hoe tena ilaina ny mankatò azy. Nanafatrafatra ny olona nihaino azy izy roa lahy mba hifikitra amin’i Jehovah Andriamaniny hoatran’ny nataon-dry zareo. Samy nampitandrina koa ry zareo hoe tsy hankasitrahan’i Jehovah intsony ny olona iray raha miala aminy, sady tsy hahazo ny fitahiana nampanantenainy. Mbola sarobidy amintsika izany torohevitra izany. Nisy mpanompon’i Jehovah hafa koa, taonjato maro tatỳ aoriana, nanasongadina hoe zava-dehibe ny tsy mivadika amin’Andriamanitra.

‘TSY MISY MAHAFALY AHY NOHO IZANY’

15. Inona avy ny zavatra efa niainan’ny apostoly Jaona?

15 Apostoly tena tian’i Jesosy Kristy i Jaona. (Mat. 10:2; Jaona 19:26) Niaraka tamin’i Jesosy izy nandritra ny fanompoany, nahita ny fahagagana nataony, ary tsy nandao azy izy na dia tao anatin’ny sarotra aza i Jesosy. Teo izy rehefa novonoina ho faty i Jesosy, ary hitany izy taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty. Hitany koa ny nielezan’ny Fivavahana Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Olona tsy mivadika vitsivitsy no nanaraka azy io tany am-boalohany, ary mbola velona izy rehefa “notorina tamin’ny zavaboary rehetra etỳ ambanin’ny lanitra” ny vaovao tsara.​—Kol. 1:23.

16. Iza avy no nandray soa tamin’ny taratasin’i Jaona?

16 Nanana tombontsoa hanoratra boky ao amin’ny Tenin’Andriamanitra i Jaona rehefa tena antitra be. Izy no nanoratra ny zavatra mahagaga “nahariharin’i Jesosy Kristy.” (Apok. 1:1) Nanoratra an’ilay Filazantsara mitondra ny anarany koa izy, dia nanoratra taratasy telo. Nosoratany ho an’ny Kristianina iray tsy mivadika antsoina hoe Gaio ilay taratasy fahatelo. Tena tian’i Jaona hoatran’ny zanany mihitsy i Gaio. (3 Jaona 1) Tsy maintsy hoe efa betsaka tamin’izany ny olona noraisin’i Jaona ho zanany ara-panahy. Mbola mampahery ny mpanara-dia an’i Jesosy hatramin’izao ny zavatra nosoratan’io be taona tsy nivadika io.

17. Inona no tena mahafaly, araka ny 3 Jaona 4?

17 Inona no nosoratan’i Jaona? (Vakio ny 3 Jaona 4.) Nanoratra izy hoe mahafaly ny mankatò an’Andriamanitra sy ny mahita olona hoatr’izany. Nisy olona efa nanaparitaka fampianaran-diso sy nampisaratsaraka ny Kristianina, tamin’ny fotoana nanoratan’i Jaona an’ilay taratasiny fahatelo. Mbola nisy ‘nanaraka ny fahamarinana’ foana anefa. Nankatò an’i Jehovah ry zareo sady ‘nankatò ny didiny.’ (2 Jaona 4, 6) Tsy i Jaona ihany no faly rehefa tsy nivadika ireny Kristianina ireny fa i Jehovah koa.​—Ohab. 27:11.

18. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny tenin’i Jaona?

18 Inona no lesona ho antsika? Mahafaly ny hoe tsy mivadika. (1 Jaona 5:3) Faly, ohatra, isika rehefa mahafantatra hoe mampifaly an’i Jehovah. Faly i Jehovah rehefa tsy manaiky ho resin’ny fakam-panahy isika ary manaiky ny fahamarinana. (Ohab. 23:15) Faly koa ny anjely any an-danitra. (Lioka 15:10) Faly koa isika rehefa mahita ny olon-kafa tsy mivadika, indrindra rehefa nahavita niatrika fitsapana sy fakam-panahy ry zareo. (2 Tes. 1:4) Ho afa-po àry isika rehefa rava izao tontolo izao, satria fantatsika hoe nahavita tsy nivadika tamin’i Jehovah isika teo amin’ny tontolo nanjakan’i Satana.

19. Inona no lazain’ny Ranabavy Rachel momba ny hoe mampianatra ny fahamarinana amin’ny olona? (Jereo koa ny sary.)

19 Ny miresaka ny fahamarinana amin’ny olona no tena mahafaly antsika. Mipetraka any amin’ny Repoblika Dominikanina i Rachel. Raisiny ho tombontsoa tena lehibe ny mampianatra ny olona momba an’ilay Andriamanitra miavaka tompointsika. Izao no lazainy momba an’ireo zanany ara-panahy: “Tsy misy teny mahalaza ny hafaliako rehefa mahita ny olona ampianariko lasa tia an’i Jehovah aho. Lasa matoky an’i Jehovah ry zareo dia miova mba hampifaliana azy. Tsy misy dikany mihitsy ny ezaka ataoko sy ny zavatra afoiko mba hampianarana an-dry zareo, raha oharina amin’ny fifaliana tsapako.”

Mahafaly ny mampianatra ny olona ho tia sy hankatò an’i Jehovah (Fehintsoratra 19)


SOA AZO AVY AMIN’NY HAFATRAFATR’IREO LEHILAHY TSY NIVADIKA

20. Inona no itovizantsika amin’i Mosesy sy Davida ary Jaona?

20 Tsy mitovy amin’ny antsika ny fotoana niainan’i Mosesy sy Davida ary Jaona, ary hafa koa ny zavatra niainan-dry zareo. Betsaka anefa no itovizantsika amin-dry zareo. Nanompo an’ilay tena Andriamanitra izy telo mirahalahy, hoatr’antsika ihany. Manao hoatran-dry zareo koa isika ka mivavaka amin’i Jehovah, matoky azy, ary mitady ny tari-dalany. Mitovy amin’ireo lehilahy fahiny ireo koa isika satria matoky hoe manome fitahiana be dia be an’izay mankatò azy i Jehovah.

21. Inona ny fitahiana miandry an’izay manaraka ny torohevitra nomen’ireo be taona tsy mivadika hoatran’i Mosesy sy Davida ary Jaona?

21 Andao àry isika hanaraka ny hafatrafatr’ireo lehilahy be taona ireo ka hankatò ny didin’i Jehovah. Hahomby daholo amin’izay ny zavatra ataontsika, ary “ho ela velona” isika sady mandrakizay mihitsy aza. (Deot. 30:20) Ho faly koa isika satria hampifaly an’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra. Manatanteraka ny fampanantenany rehetra izy, ary mihoatra lavitra noho izay eritreretintsika na saintsainintsika mihitsy aza izany.​—Efes. 3:20.

HIRA 129 Miareta fa Aza Kivy

a Tsy nahita ny Tany Nampanantenaina ny ankamaroan’ny Israelita nahita ny fahagagana nataon’i Jehovah teo amin’ny Ranomasina Mena. (Nom. 14:22, 23) Nilaza mantsy i Jehovah hoe ho faty any an-tany efitra izay voasoratra anarana ka 20 taona no ho miakatra. (Nom. 14:29) Be dia be tamin’ireo latsaka ny 20 taona sy ny taranak’i Levy kosa no mbola velona niaraka tamin’i Josoa sy Kaleba. Hitan-dry zareo ny nahatanterahan’ilay fampanantenan’i Jehovah, rehefa niampita ny Reniranon’i Jordana sy niditra ny tany Kanana ry zareo.​—Deot. 1:24-40.

b SARY: Havia: Davida manafatrafatra an’i Solomona zanany. Havanana: Mandray soa avy amin’ny fampianaran’i Jehovah ny mpianatra amin’ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana.