Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 47

HIRA 103 Lehilahy ho Fanomezana Ireo Mpiandry

Ry Rahalahy, Miezaka ho Lasa Anti-panahy ve Ianareo?

Ry Rahalahy, Miezaka ho Lasa Anti-panahy ve Ianareo?

“Raha misy olona miezaka ho lasa mpiandraikitra, dia maniry hanao asa tsara izy.”​—1 TIM. 3:1.

HEVITRA HODINIHINA

Fepetra sasany resahin’ny Soratra Masina hoe tsy maintsy fenoin’ny rahalahy te ho lasa anti-panahy.

1-2. Inona avy ny “asa tsara” ataon’ny anti-panahy?

 EFA elaela ve ianao no mpikarakara fiangonana? Raha izany, dia efa niezaka hanana ny toetra takina amin’ny anti-panahy ianao. Te hiezaka hanao an’io “asa tsara” io ve ianao?​—1 Tim. 3:1.

2 Inona avy no ataon’ny anti-panahy? Mitarika ny asa fitoriana ry zareo, miezaka mafy mikarakara ny andian’ondry sy mampianatra an-dry zareo, ary manatanjaka ny finoan’ny fiangonana amin’izay lazainy sy ataony. Mety tsara raha antsoin’ny Baiboly hoe ‘lehilahy natao fanomezana’ ireny anti-panahy miasa mafy ireny.​—Efes. 4:8.

3. Inona no tokony hataon’ny rahalahy te hahafeno fepetra ho anti-panahy? (1 Timoty 3:1-7; Titosy 1:5-9)

3 Inona no tokony hataon’ny rahalahy iray mba hahafeno fepetra ho anti-panahy? Tsy mitovy amin’ny mitady asa ilay miezaka ho lasa anti-panahy. Matetika ny mpampiasa no mitady an’izay olona manana ny fahaizana ilaina amin’ilay asa. Rehefa anananao ilay fahaizana dia mety ho voaray ianao. Tsy hoatr’izany kosa ny amin’ny anti-panahy. Raha te ho voatendry anti-panahy ianao, dia tsy hoe mila mahay mitory sy mampianatra fotsiny. Mila mahafeno ny fepetra takin’ny Soratra Masina ho an’ny anti-panahy ianao. Ho hitanao ao amin’ny 1 Timoty 3:1-7 sy Titosy 1:5-9 izany. (Vakio.) Hiresaka lafiny lehibe telo amin’izany isika ato: Miezaka ho tsara laza amin’ny eny ivelany sy ao amin’ny fiangonana, ho loham-pianakaviana modely, ary vonona hanampy ny fiangonana.

MIEZAKA HO TSARA LAZA

4. Inona no dikan’ny hoe “tsy misy hokianina”?

4 Tsy maintsy hoe “tsy misy hokianina” ianao raha te hahafeno fepetra ho anti-panahy. Midika izany fa tsara laza ianao ao amin’ny fiangonana satria tsy misy hokianina ny fitondran-tenanao. Tokony ho “tsara laza eo amin’ny olona eny ivelany” koa ianao. Mety hanakiana ny zavatra inoantsika ny olona tsy manompo an’i Jehovah. Tsy tokony hanana antony marim-pototra hanakianana ny fitondran-tenanao anefa ry zareo, na hilazana hoe tsy manao ny marina ianao. (Dan. 6:4, 5) Eritrereto àry izao: ‘Malaza tsara ve izaho ao amin’ny fiangonana sy amin’ny olona eny ivelany?’

5. Ahoana no ampisehoanao hoe “tia ny tsara” ianao?

5 Mifantoka amin’ny toetra tsaran’ny olona ianao sady midera azy ireo amin’izany, raha “tia ny tsara.” Mahafaly anao koa ny manao zavatra tsara ho an’ny hafa. Mety hanao zavatra mihoatra an’izay takina aminao mihitsy aza ianao. (1 Tes. 2:8) Nahoana no tena ilain’ny anti-panahy io toetra io? Satria manokana fotoana be dia be hikarakarana ny ondry ao amin’ny fiangonana ry zareo, sady misahana andraikitra samihafa. (1 Pet. 5:1-3) Na izany aza anefa, dia mahatsapa ry zareo hoe kely ihany ny zavatra afoiny raha oharina amin’ny fifaliana azony rehefa manampy ny hafa izy.​—Asa. 20:35.

6. Ahoana avy no azonao ampisehoana hoe “tia mandray vahiny” ianao? (Hebreo 13:2, 16; jereo koa ny sary.)

6 Hita hoe “tia mandray vahiny” ianao raha manao zavatra tsara ho an’ny hafa, anisan’izany ny olona tsy namanao akaiky. (1 Pet. 4:9) Miresaka momba ny olona tia mandray vahiny ny boky iray. Izao no lazainy: “Sokafany ho an’ny olona tsy fantany ny tranony sy ny fony.” Eritrereto àry izao: ‘Ahoana no ahafantaran’ny olona ahy amin’ny resaka fandraisam-bahiny?’ (Vakio ny Hebreo 13:2, 16.) Mizara an’izay ananany ny olona tia mandray vahiny. Manao an’izany amin’ny mahantra sy amin’ny olona miasa mafy izy, ohatra hoe amin’ny mpiandraikitra ny faritra sy ny mpandahateny mpitsidika.​—Gen. 18:2-8; Ohab. 3:27; Lioka 14:13, 14; Asa. 16:15; Rom. 12:13.

Mpivady tia mandray vahiny, mampiantrano mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadiny (Fehintsoratra 6)


7. Ahoana no ampisehoan’ny anti-panahy hoe “tsy tia vola” izy?

7 “Tsy tia vola.” Midika izany hoe tsy mifantoka amin’ny vola sy harena ianao. Ny Fanjakan’Andriamanitra foana no ataonao loha laharana eo amin’ny fiainanao, na mahantra ianao na manan-karena. (Mat. 6:33) Ampiasainao hanompoana an’i Jehovah sy hikarakarana ny fianakavianao ary hanampiana ny fiangonana ny fotoananao sy ny herinao ary ny fanananao. (Mat. 6:24; 1 Jaona 2:15-17) Eritrereto àry izao: ‘Ahoana no fiheverako ny vola? Mianina amin’ny zavatra tena ilaiko ve aho? Sa ny mitady vola sy mampitombo ny fananako no tena ifantohako?’​—1 Tim. 6:6, 17-19.

8. Ahoana avy no ahitana hoe ‘mahay mandanjalanja amin’izay zavatra fanaonao’ ianao sady “mahafehy tena”?

8 ‘Mahay mandanjalanja amin’izay zavatra fanaonao’ sy “mahafehy tena.” Midika izany hoe mahay mandanjalanja ianao amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainanao. Tafiditra amin’izany ny hoe tsy manao zavatra tafahoatra amin’ny resaka sakafo, fisotroana, fitafiana sy taovolo, ary ny fialam-boly. Tsy mpanaraka ny fomba fiainan’ny olona eo amin’izao tontolo izao ianao satria hoe izany no malaza. (Lioka 21:34; Jak. 4:4) Tony foana ianao na dia misy mila ady aminao aza. “Tsy mamo lava” ianao sady tsy malaza hoe mpisotro be. Eritrereto àry izao: ‘Hita amin’ny fomba fiainako ve hoe mahay mandanjalanja amin’izay zavatra fanaoko aho sady mahafehy tena?’

9. Inona no dikan’ny hoe “misaina tsara” sy hoe “tia filaminana”?

9 “Misaina tsara” ianao raha mahay mandinika rehefa misy zava-mitranga, ary mieritreritra ny torolalan’ny Baiboly rehefa manao an’izany. Efa nieritreritra lalina an’ireny torolalana ireny ianao, dia lasa lalin-tsaina sy mahataka-javatra. Tsy maika hanatsoaka hevitra ianao, fa miezaka mamantatra ny fanazavana rehetra ilainao aloha. (Ohab. 18:13) Lasa mahay mandanjalanja àry ianao rehefa manapa-kevitra, ary hita hoe mitovy fomba fijery amin’i Jehovah. “Tia filaminana” ianao raha mahay mandamin-javatra sy marim-potoana. Olona azo ianteherana sy manaraka tari-dalana no ahafantarana anao. Hahatonga anao ho tsara laza ireo toetra rehetra noresahintsika ireo. Andao indray hojerentsika hoe ahoana no hahatonga anao ho loham-pianakaviana modely, satria anisan’ny fepetra takin’ny Soratra Masina izany.

MIEZAKA HO LOHAM-PIANAKAVIANA MODELY

10. Ahoana no ahitana hoe “mahay mitondra tsara ny ankohonany” ny lehilahy iray?

10 Misy vokany amin’ny fanendrena anao ny lazan’ny fianakavianao, raha manambady ianao ka te ho anti-panahy. Mila ‘mahay mitondra tsara ny ankohonanao’ àry ianao. Tokony ho loham-pianakaviana be fitiavana sy mandray andraikitra no ahafantarana anao. Tafiditra amin’izany ny hoe mitarika ny vady aman-janakao amin’ny lafiny rehetra amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Nahoana izany no zava-dehibe? Nampisaintsaina hoatr’izao ny apostoly Paoly: “Raha misy lehilahy tsy mahay mitondra ny ankohonany, dia ho hainy ve ny hikarakara ny fiangonan’Andriamanitra?”​—1 Tim. 3:5.

11-12. Misy vokany amin’ny fanendrena ny rahalahy iray ny fitondran-tenan’ny fianakaviany. Hazavao. (Jereo koa ny sary.)

11 Raha manan-janaka tsy ampy taona ianao, dia tsy maintsy ‘mankatò sy manaja anao tsara’ ry zareo. Tokony ho be fitiavana ianao rehefa mampianatra sy mampiofana an-dry zareo. Mazava ho azy fa tia milalao sy mihomehy ry zareo, hoatran’ny ankizy rehetra ihany. Mankatò sy manaja ary hendry anefa ry zareo satria ampiofaninao tsara. Tsy maintsy manao izay azonao atao koa ianao mba hanampiana ny zanakao hifandray tsara amin’i Jehovah, hanaraka ny torolalan’ny Baiboly, ary handroso amin’ny batisa.

12 “Manana zanaka mpino izay tsy ampangaina ho manaram-po amin’ny ratsy na mafy loha.” Inona no vokany amin’ny rahalahy iray raha meloka ho nanao fahotana lehibe ny zanany mpino mbola ao an-trano? Raha nanao tsirambina izy ka tsy nampiofana sy tsy nananatra ny zanany, dia azo inoana hoe mety tsy hahafeno fepetra ho anti-panahy.​—Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 1996, p. 21, feh. 6-7.

Loham-pianakaviana mampiofana ny zanany mba handray anjara amin’ny karazana fanompoana masina (Fehintsoratra 11)


MANAMPY NY FIANGONANA

13. Ahoana no ampisehoanao hoe “mpandefitra” ianao ary ‘tsy mpiziriziry amin’ny hevitrao’?

13 Tena ilain’ny fiangonana ny rahalahy manana toetra tsara. Mampisy fihavanana, ohatra, ny “mpandefitra.” Raha tianao hoe mpandefitra no hahafantarana anao, dia henoy ny hafa ary miezaha hahatakatra ny fomba fiheviny. Eritrereto hoe miara-mivory amin’ny anti-panahy hafa ianao. Vonona hanohana ny fanapahan-kevitry ny ankamaroany ve ianao raha tsy misy lalàna na torolalan’ny Baiboly voadika? “Tsy mpiziriziry amin’ny heviny.” Midika izany fa tsy misisika ianao hoe ny hevitrao foana no arahina rehefa misy zavatra atao. Manaiky kosa ianao hoe ilaina ny mpanoro hevitra be dia be. (Gen. 13:8, 9; Ohab. 15:22) “Tsy mpila ady” sy “tsy mora tezitra.” Midika izany hoe tsara fanahy sy mahay mandanjalanja ianao fa tsy masiaka na mila vaniny. Tia fihavanana ianao ka manao ny dingana voalohany mba hihavanana amin’olona, na dia rehefa mihenjana aza ny tady. (Jak. 3:17, 18) Mety hihatony ny olona tezitra, anisan’izany ny mpanohitra antsika, raha tsara fanahy ianao rehefa miresaka aminy.​—Mpits. 8:1-3; Ohab. 20:3; 25:15; Mat. 5:23, 24.

14. Inona no dikan’ny hoe “tsy zazavao amin’ny finoana” sy hoe “tsy mivadika”?

14 “Tsy zazavao amin’ny finoana” ny rahalahy mahafeno fepetra ho anti-panahy. Marina hoe tsy voatery ho vita batisa an-taonany maro ianao, nefa mila fotoana ihany mba ho lasa Kristianina matotra. Alohan’ny hanendrena anao ho anti-panahy, dia tsy maintsy asehonao hoe manetry tena hoatran’i Jesosy ianao, ary vonona hiandry an’i Jehovah mba hanome andraikitra fanampiny anao. (Mat. 20:23; Fil. 2:5-8) Asehonao hoe “tsy mivadika” ianao raha mifikitra amin’i Jehovah sy ny fitsipiny sady manaraka ny toromarika omeny amin’ny alalan’ny fandaminany.​—1 Tim. 4:15.

15. Tsy maintsy mahay mandaha-teny be ve ny anti-panahy? Hazavao.

15 Milaza mazava ny Soratra Masina hoe tsy maintsy “mahay mampianatra” ny mpiandraikitra. Midika ve izany hoe tsy maintsy mahay mandaha-teny be ianao? Tsy izany ka! Betsaka ny anti-panahy mahafeno fepetra tsara, nefa tsy hoe mahay mandaha-teny be. Mahay mampianatra tsara ry zareo rehefa eny amin’ny fanompoana sy rehefa manao fitsidihan’ny mpiandry. (Ampitahao amin’ny 1 Korintianina 12:28, 29 sy ny Efesianina 4:11.) Na izany aza, dia mila manatsara ny fahaizanao mampianatra foana ianao. Inona no hanampy anao hahavita an’izany?

16. Inona no hanampy anao hahay hampianatra kokoa? (Jereo koa ny sary.)

16 “Manaraka tsara an’ilay teny azo antoka.” Raha te hahay hampianatra kokoa ianao, dia ataovy miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra ny zavatra ampianarinao ny besinimaro sy ny torohevitra omenao olona. Mazotoa mianatra ny Baiboly sy ny bokintsika. (Ohab. 15:28; 16:23) Rehefa mianatra ianao dia jereo tsara hoe ahoana marina ny fomba hampiharana an’ilay andininy. Miezaha mafy koa mba hanohina ny fon’ny olona mihaino anao rehefa mampianatra. Hihatsara koa ny fahaizanao mampianatra raha mangataka soso-kevitra amin’ny anti-panahy za-draharaha ianao ary ampiharinao ilay izy. (1 Tim. 5:17) Mila ‘mahay mampahery’ ny rahalahy sy anabaviny koa ny anti-panahy. Misy fotoana ry zareo tsy maintsy manoro hevitra na ‘mananatra’ ny mpiara-manompo aminy mihitsy. Tsy maintsy tsara fanahy foana anefa ry zareo rehefa manao an’izany. Ho mampianatra mahay ianao raha tsara fanahy sy be fitiavana, sady ataonao miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fampianaranao. Hanahaka an’i Jesosy, ilay Mpampianatra Lehibe, mantsy ianao amin’izany.​—Mat. 11:28-30; 2 Tim. 2:24.

Mpikarakara fiangonana manararaotra mianatra avy amin’ny anti-panahy za-draharaha hoe ahoana no atao raha te hampiasa Baiboly rehefa mampianatra. Mamerina ny lahateniny eo amin’ny fitaratra koa ilay mpikarakara fiangonana (Fehintsoratra 16)


TOHIZO FOANA NY EZAKA ATAONAO

17. a) Inona no hanampy ny mpikarakara fiangonana hiezaka foana? b) Inona no tokony hotadidin’ny anti-panahy rehefa mandinika rahalahy atolotra ho anti-panahy ry zareo? (Jereo ilay hoe “ Mahaiza Mandanjalanja Rehefa Mandinika An’ireo Rahalahy.”)

17 Mieritreritra angamba ny mpikarakara fiangonana sasany hoe tsy hahafeno fepetra ho anti-panahy mihitsy izy, rehefa avy nandinika ny fepetra noresahina tato. Tadidio anefa fa tsy manantena anao ho lavorary, na i Jehovah na ny fandaminany, ka hoe hanananao tsara daholo ireo toetra rehetra ireo. (1 Pet. 2:21) Ny fanahy maherin’i Jehovah koa no manampy anao hameno ny fepetra noresahina tato. (Fil. 2:13) Misy toetra manokana tianao hohatsaraina ve? Resaho amin’i Jehovah ilay izy dia manaova fikarohana. Mangataha koa soso-kevitra amin’ny anti-panahy iray hoe ahoana no hanatsaranao an’ilay toetra.

18. Ampirisihina hanao inona ny mpikarakara fiangonana rehetra?

18 Enga anie isika rehetra, anisan’izany ireo efa anti-panahy, mba hanohy hiezaka hanana ny toetra noresahina tato. (Fil. 3:16) Mpikarakara fiangonana ve ianao? Tohizo ny ezaka efa ataonao! Angataho i Jehovah hampiofana sy hamolavola anao, amin’izay ianao azony ampiasaina kokoa mba hanompo azy sy hanampy ny fiangonana. (Isaia 64:8) Enga anie i Jehovah hitahy ny ezaka ataonao mba ho lasa anti-panahy!

HIRA 101 Miara-miasa sy Miray Saina