Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 46

HIRA 49 Ampifalio ny Fon’i Jehovah

Ry Rahalahy, Miezaka ho Lasa Mpikarakara Fiangonana ve Ianareo?

Ry Rahalahy, Miezaka ho Lasa Mpikarakara Fiangonana ve Ianareo?

“Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”​—ASAN’NY APOSTOLY 20:35.

HEVITRA HODINIHINA

Fampirisihana ny rahalahy vita batisa mba hiezaka hahafeno fepetra ho mpikarakara fiangonana.

1. Ahoana no fahitan’ny apostoly Paoly ny mpikarakara fiangonana?

 MANANA andraikitra tena lehibe ny mpikarakara fiangonana. Nankasitraka an’ireny lehilahy tsy mivadika ireny ny apostoly Paoly. Rehefa nanoratra ho an’ny Kristianina tany Filipy, ohatra, izy dia nosinganiny manokana ny mpikarakara fiangonana sy ny anti-panahy.​—Fil. 1:1.

2. Inona no tsapan’ny Rahalahy Luis momba ny andraikitry ny mpikarakara fiangonana?

2 Be dia be ny rahalahy vita batisa faly be satria mpikarakara fiangonana, na tanora izy na antitra. I Devan, ohatra, tamin’izy 18 taona no voatendry. I Luis indray tamin’izy 50 taona mahery kely. Mahalaza tsara ny fihetseham-pon’ny ankamaroan’ny mpikarakara fiangonana ny tenin’i Luis. Hoy izy: “Rehefa misaintsaina ny fitiavana rehetra nasehon’ny fiangonana tamiko aho, dia vao mainka tsapako hoe tombontsoa be ny manao ny andraikitry ny mpikarakara fiangonana.”

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Rahalahy vita batisa ve ianao ary mbola tsy mpikarakara fiangonana? Maninona raha ataonao tanjona izany? Inona no handrisika anao hanatratra an’izany tanjona izany? Ary inona ny fepetra resahin’ny Soratra Masina hoe mila fenoinao? Ho hitantsika ato ny valin’ireo. Andao anefa aloha hodinihintsika ny andraikitry ny mpikarakara fiangonana.

INONA NY ANDRAIKITRY NY MPIKARAKARA FIANGONANA?

4. Inona ny andraikitry ny mpikarakara fiangonana? (Jereo koa ny sary.)

4 Rahalahy vita batisa ny mpikarakara fiangonana ary voatendrin’ny fanahy masina hanampy ny anti-panahy amin’ny asa be dia be mahasoa ny fiangonana. Misy mpikarakara fiangonana, ohatra, manao izay hahazoana antoka hoe ampy tsara ny faritanin’ny mpitory, ary ampy koa ny boky sy gazety entin’izy ireo manompo. Ny hafa indray manampy amin’ny fanadiovana sy fikojakojana Efitrano Fanjakana. Misy koa mpikarakara ny mpanatrika na mikirakira ny fitaovana fandefasana feo sy video mandritra ny fivoriana. Asa tena mahasoa daholo izany rehetra izany. Ny zava-dehibe indrindra anefa dia hoe lehilahy araka ny fanahy ny mpikarakara fiangonana, tia an’i Jehovah, ary mankatò ny fitsipiny. Tena tia ny rahalahy sy anabaviny koa ry zareo. (Mat. 22:37-39) Inona àry no hanampy ny rahalahy vita batisa ho lasa mpikarakara fiangonana?

Manahaka an’i Jesosy ny mpikarakara fiangonana raha mahafoy tena manampy ny hafa (Fehintsoratra 4)


5. Inona ny ezaka azon’ny rahalahy atao mba ho lasa mpikarakara fiangonana?

5 Hita ao amin’ny Baiboly ny fepetra ho an’izay te ho lasa mpikarakara fiangonana. (1 Tim. 3:8-10, 12, 13) Hanampy anao hahazo an’io tombontsoa io ny mianatra an’ireny fepetra resahin’ny Soratra Masina ireny sy miezaka mafy hahafeno an’izany. Mila dinihinao tsara anefa aloha izay mahatonga anao te hanatratra an’ilay tanjona.

NAHOANA IANAO NO TE HO MPIKARAKARA FIANGONANA?

6. Inona no tokony handrisika anao hanampy ny rahalahy sy anabavinao? (Matio 20:28; jereo koa ny sary.)

6 Tia ny Rainy sy tia olona i Jesosy Kristy, ilay modelintsika lehibe indrindra. Izany fitiavana izany no nahatonga azy hiasa mafy sy hanao asa ambany mba hanampiana olona. (Vakio ny Matio 20:28; Jaona 13:5, 14, 15) Hotahin’i Jehovah ianao sady hampiany hanatratra an’ilay tanjona ho lasa mpikarakara fiangonana, raha ny fitiavana no mandrisika anao hiezaka.​—1 Kor. 16:14; 1 Pet. 5:5.

Nanome modely ny apostoliny i Jesosy dia nampianatra an-dry zareo hanetry tena sy hanampy ny hafa fa tsy hitady toerana ambony (Fehintsoratra 6)


7. Nahoana ny rahalahy no tokony hanalavitra an’ilay toe-tsaina hoe te hisongadina?

7 Matetika no hindrahindraina ny olona tia sehoseho, eo amin’izao tontolo izao. Tsy hoatr’izany anefa eo amin’ny fandaminan’i Jehovah. Tsy miady fahefana, na te hanjakazaka amin’ny hafa, na te hahazo toerana ambony ny rahalahy iray raha fitiavana no mandrisika azy hanao zavatra, hoatran’ny nataon’i Jesosy. Raha olona te hisongadina hoatr’izany no tendrena eo anivon’ny fiangonana, dia azo inoana hoe tsy hanaiky hanao asa sasany heverina hoe ambany izy mba hikarakarana ny ondry sarobidin’i Jehovah. Mety hieritreritra izy hoe manambany azy ireny asa ireny. (Jaona 10:12) Tsy hotahin’i Jehovah ny ezaka ataon’ny olona iray raha mirehareha na te hisongadina fotsiny izy.​—1 Kor. 10:24, 33; 13:4, 5.

8. Inona ny torohevitra nomen’i Jesosy ny apostoliny?

8 Nisy fotoana na ny naman’i Jesosy akaiky aza te hahazo tombontsoa. Ratsy anefa ny antony nanosika an-dry zareo. Diniho izay nataon’i Jakoba sy Jaona, apostolin’i Jesosy. Nangataka tamin’i Jesosy ry zareo mba hanome azy ireo toerana ambony ao amin’ny Fanjakany. I Jesosy aloha tsy nilaza hoe nety ny nataon-dry zareo e! Nohazavainy tamin’ny apostoly 12 kosa hoe: “Izay te ho lehibe aminareo dia tsy maintsy ho mpanomponareo, ary izay te ho voalohany aminareo dia tsy maintsy manompo ny rehetra.” (Mar. 10:35-37, 43, 44) Handray soa ny fiangonana raha antony tsara no mandrisika ny rahalahy hiezaka, izany hoe ny hanampy ny hafa.​—1 Tes. 2:8.

INONA NO HANAMPY ANAO HANIRY KOKOA HIEZAKA HO MPIKARAKARA FIANGONANA?

9. Inona no hanampy anao haniry kokoa ho lasa mpikarakara fiangonana?

9 Azo antoka hoe tia an’i Jehovah ianao sady te hanampy ny hafa. Na izany aza dia mety tsy ho tena tianao ny hanao ny andraikitry ny mpikarakara fiangonana. Inona àry no hanampy anao haniry kokoa hanao an’izany? Eritrereto ny fifaliana ho azonao rehefa manampy ny rahalahy sy anabavinao ianao. Nilaza i Jesosy hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asa. 20:35) Nampihatra an’io torolalany io i Jesosy. Tena faly izy nanampy ny hafa ary afaka ny ho hoatr’izany koa ianao.

10. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe sambatra izy rehefa nanampy ny hafa? (Marka 6:31-34)

10 Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe sambatra izy rehefa nanampy ny hafa? (Vakio ny Marka 6:31-34.) Diniho ity ohatra ity: Nisy fotoana izy sy ny apostoliny reraka dia nandeha nankany amin’ny toerana mitokana mba haka aina. Efa nisy vahoaka tonga talohan-dry zareo anefa tany, ary nanantena ry zareo hoe hampianarin’i Jesosy. Afaka nanda i Jesosy. Izy sy ny mpianany rahateo “tsy nanam-potoana hisakafoanana akory.” Azon’i Jesosy natao koa ny nampianatra zavatra iray na roa fotsiny dia avy eo nalefany nandeha ilay vahoaka. “Nanomboka nampianatra azy ireo zavatra be dia be” anefa izy noho ny fitiavany. Nampianatra teo foana izy mandra-paharivan’ny andro. (Mar. 6:35) Nanao an’izany izy satria “nangoraka” azy ireo fa tsy hoe voatery. Te hampianatra an’ilay vahoaka i Jesosy satria tiany ry zareo. Faly be izy nanampy ny hafa.

11. Ahoana no nanampian’i Jesosy ny mpihaino azy? (Jereo koa ny sary.)

11 Tsy hoe nampianatra an’ilay vahoaka fotsiny i Jesosy. Nanome an’izay nilain-dry zareo koa izy. Nanao fahagagana izy mba hanomezana sakafo an’ilay vahoaka ary nasainy nozarain’ny mpianany ilay izy. (Mar. 6:41) Nampianatra ny mpianany ny fomba anampiana olona izy tamin’izay, sady nasehony hoe tena ilaina izany. Mety hanao asa hoatr’izany koa ny mpikarakara fiangonana. Eritrereto ange ny fifalian’ny apostoly e! Niara-niasa tamin’i Jesosy ry zareo nizara an’ilay mofo, mandra-pahavokin’ny rehetra. (Mar. 6:42) Tsy hoe vao tamin’io i Jesosy no nampandefitra an’izay nilainy mba hahasoa ny hafa. Nanampy olona foana izy nandritra ny fiainany tetỳ an-tany. (Mat. 4:23; 8:16) Faly sy afa-po izy nampianatra ny hafa sy nanome an’izay nilain-dry zareo. Azo antoka hoe ho faly be koa ianao rehefa manampy olona sady miezaka ho lasa mpikarakara fiangonana.

Hanao an’izay azonao atao ianao mba hanampiana ny fiangonana raha tia an’i Jehovah sy te hanampy ny hafa (Fehintsoratra 11) a


12. Nahoana isika no tsy tokony hisy hieritreritra hoe tsy dia afaka manao firy ho an’ny fiangonana?

12 Aza kivy raha mahatsapa ianao hoe tsy manana fahaizana miavaka. Azo antoka fa manana toetra tsara azonao ampiasaina mba hanampiana ny fiangonana ianao. Mety hahasoa anao ny mivavaka sy mamaky an’izay nosoratan’i Paoly ao amin’ny 1 Korintianina 12:12-30. Hita mazava amin’ny tenin’i Paoly hoe tena ilaina sady sarobidy ianao eo anivon’ny fiangonana, hoatran’ny mpanompon’i Jehovah hafa rehetra. Aza milavo lefona raha mbola tsy fenonao ny fepetra takina amin’ny mpikarakara fiangonana. Maninona raha manao an’izay azonao atao mba ho azon’i Jehovah ampiasaina ianao, sy ho afaka hanampy ny mpiara-manompo? Matokia hoe hampifanarahin’ny anti-panahy amin’ny fahaizanao ny andraikitra homen-dry zareo anao.​—Rom. 12:4-8.

13. Manao ahoana ny ankamaroan’ny fepetra takina amin’ny rahalahy voatendry?

13 Inona koa ny antony hafa tokony handrisika anao hiezaka ho lasa mpikarakara fiangonana? Tadidio hoe mihatra amin’ny Kristianina rehetra ny ankamaroan’ny fepetra takina amin’ny mpikarakara fiangonana. Isika rehetra, raha ny marina, no tokony hifandray akaiky amin’i Jehovah, ho faly rehefa manome, ary hiezaka ho modely tsara. Inona àry izany no tena takina amin’ny rahalahy te ho lasa mpikarakara fiangonana?

IZAY TOKONY HATAONAO MBA HAHAFENOANAO FEPETRA

14. Inona no dikan’ilay hoe “mato-tsaina”? (1 Timoty 3:8-10, 12)

14 Andao hodinihintsika izao ny fepetra sasany resahin’ny 1 Timoty 3:8-10, 12. (Vakio.) Tsy maintsy “mato-tsaina” ny mpikarakara fiangonana. Azo adika koa io teny io hoe “mendrika ny hohajaina”, “mendrika ny homena voninahitra”, na “mandray andraikitra.” Tsy midika izany hoe tsy mahazo mihomehy na mivazivazy mihitsy ianao. (Mpito. 3:1, 4) Tokony hataonao tsara daholo kosa ny andraikitrao. Hohajain’ny fiangonana ianao raha malaza hoe azo ianteherana.

15. Inona no dikan’ilay hoe “tsy mivadibadi-dela” sy ilay hoe “tsy tia tombony azo amin’ny tsy marina”?

15 Midika hoe milaza ny marina sy azo itokisana ilay hoe “tsy mivadibadi-dela.” Mitana ny teninao ianao ary tsy mamitaka olona. (Ohab. 3:32) Ilay hoe “tsy tia tombony azo amin’ny tsy marina” indray midika hoe manao ny marina amin’ny resaka varotra sy asa ary vola. Tsy tokony hohararaotinao mba hahazoana vola ny mpiara-manompo satria hoe mifandray tsara ianareo.

16. a) Inona no dikan’ny hoe “tsy mpiboboka divay”? b) Inona no dikan’ny hoe “manana feon’ny fieritreretana madio”?

16 Ary inona no dikan’ilay hoe “tsy mpiboboka divay”? Midika izany hoe tsy misotro be loatra na malaza hoe mpisotro be. Ilay hoe “manana feon’ny fieritreretana madio” indray midika hoe mankatò ny fitsipik’i Jehovah. Marina hoe tsy lavorary ianao, nefa milamin-tsaina satria mifandray tsara amin’Andriamanitra.

17. Ahoana no ampisehoan’ny rahalahy iray hoe azo itokisana izy rehefa ‘zahan-toetra mba ho hita raha mendrika’? (1 Timoty 3:10; jereo koa ny sary.)

17 Ilay hoe ‘nozahan-toetra ary hita fa mendrika’ dia midika hoe efa nasehonao fa azo itokisana ianao rehefa omena andraikitra. Rehefa misy asa ampiandraiketin’ny anti-panahy anao àry, dia araho tsara ny toromariky ry zareo sy ny tari-dalana avy amin’ny fandaminana. Ataovy azo antoka fa azonao tsara hoe inona avy no tokony hataonao ary rahoviana ilay izy no mila vita. Raha mazoto sy manao tsara an’izay asa rehetra nankinina taminao ianao, dia ho hitan’ny fiangonana hoe miezaka ary hankasitraka an’izany izy ireo. Ry anti-panahy, ampiofano ny rahalahy vita batisa. (Vakio ny 1 Timoty 3:10.) Misy rahalahy vita batisa 10 ka hatramin’ny 14 taona na latsak’izay ve ao amin’ny fiangonanareo? Mianatra samirery tsy tapaka ve ry zareo, mazoto mamaly teny any am-pivoriana, ary mandray anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana? Omeo andraikitra mifanaraka amin’ny taonany sy ny zavatra iainany ry zareo. Fomba tsara ‘hizahan-toetra’ an’ireny rahalahy tanora ireny izany ‘mba hahitana raha mendrika’ ry zareo. Azo inoana hoe hahafeno fepetra ho lasa mpikarakara fiangonana ireny rahalahy ireny rehefa mandeha ny fotoana, na dia mbola tsy ampy 20 taona aza.

Omen’ny anti-panahy andraikitra ny rahalahy vita batisa, amin’izay izy ireo azony zahana toetra “mba ho hita raha mendrika” (Fehintsoratra 17)


18. Inona no dikan’ny hoe “tsy misy hokianina”?

18 Ilay hoe “tsy misy hokianina” dia midika hoe tsy tokony hisy antony mitombina azo iampangana anao hoe nanao fahadisoana lehibe ianao. Mazava ho azy fa mety hisy hanendrikendrika ny Kristianina. Na i Jesosy aza nisy nanendrikendrika ary efa nilaza izy hoe hisy hanao an’izany koa ny mpanara-dia azy. (Jaona 15:20) Ho tsara laza eo anivon’ny fiangonana anefa ianao raha madio fitondran-tena foana hoatran’i Jesosy.​—Mat. 11:19.

19. Inona no tafiditra amin’ny hoe “manambady tokana”?

19 ‘Manambady tokana.’ Raha manambady ianao dia tsy maintsy manaraka an’ilay fitsipik’i Jehovah momba ny fanambadiana hoe lehilahy iray sy vehivavy iray no mivady. (Mat. 19:3-9) Tsy tokony hijangajanga mihitsy ny lehilahy kristianina. (Heb. 13:4) Tsy izay ihany anefa, fa tsy tokony hivadika amin’ny vadiny mihitsy izy ka hoe hanadaladala vehivavy hafa.​—Joba 31:1.

20. Ahoana no ampisehoan’ny lehilahy iray hoe ‘mahay’ mitondra tsara ny ankohonany izy?

20 ‘Mahay mitondra tsara ny zanany sy ny ankohonany.’ Tsy maintsy manao tsara ny andraikitrao ianao raha loham-pianakaviana. Manaova fotoam-pivavahan’ny fianakaviana tsy tapaka. Miaraha manompo amin’ny vady aman-janakao ary iaraho tsirairay matetika araka izay azo atao ry zareo. Ampio hinamana amin’i Jehovah ny zanakao. (Efes. 6:4) Asehon’ny lehilahy iray hoe mahavita mikarakara ny fiangonany izy raha mikarakara tsara ny ankohonany.​—Ampitahao amin’ny 1 Timoty 3:5.

21. Inona no azonao atao raha mbola tsy mpikarakara fiangonana ianao?

21 Ry rahalahy, raha mbola tsy mpikarakara fiangonana ianareo dia diniho tsara ny zavatra noresahintsika tato ary mivavaha momba an’izany. Ianaro ny fepetra takina amin’ny mpikarakara fiangonana ary miezaha mafy hahafeno an’izany. Eritrereto hoe hatraiza ny fitiavanao an’i Jehovah sy ny mpiara-manompo aminao, ary ampitomboy ny fanirianao hanompo an-dry zareo. (1 Pet. 4:8, 10) Ianao mihitsy amin’izay no hahita hoe mahafaly ny manampy ny fianakavianao ara-panahy. Enga anie i Jehovah hitahy ny ezaka ataonao mba ho lasa mpikarakara fiangonana!​—Fil. 2:13.

HIRA 17 “Sitrako Tokoa”

a SARY: Havia: Manetry tena i Jesosy manampy ny mpianany; havanana: Mpikarakara fiangonana manampy rahalahy be taona ao amin’ny fiangonana.