Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 17

Avelao Hanampy Anao Hanohitra ny Fanahy Ratsy i Jehovah

Avelao Hanampy Anao Hanohitra ny Fanahy Ratsy i Jehovah

‘Mitolona amin’ireo fanahy ratsy any amin’ny faritry ny lanitra isika.’—EFES. 6:12.

HIRA 55 Aza Matahotra Azy Ireo!

HO HITANAO ATO *

1. Araka ny Efesianina 6:10-13, inona no anisan’ny fomba tsara indrindra ampisehoan’i Jehovah hoe tena miahy antsika izy? Hazavao.

MANAMPY antsika tsy ho resin’ny fahavalontsika i Jehovah. Izany no anisan’ny fomba tsara indrindra ampisehoany hoe miahy antsika izy. I Satana Devoly sy ny demonia no tena fahavalontsika. Mampitandrina antsika amin’izy ireo i Jehovah, sady manome antsika an’izay ilaina mba hanoherana azy ireo. (Vakio ny Efesianina 6:10-13.) Hahatohitra ny Devoly isika raha manaiky hampian’i Jehovah sady miantehitra tanteraka aminy. Afaka matoky hoatran’ny apostoly Paoly isika amin’izay hoe: “Raha momba antsika Andriamanitra, iza no hanohitra antsika?”—Rom. 8:31.

2. Inona no hodinihintsika ato?

2 Tsy liana be amin’i Satana sy ny demonia isika Kristianina. Ny mianatra momba an’i Jehovah sy manompo azy kosa no tena ifantohantsika. (Sal. 25:5) Mila mahafantatra ny fomba fiadin’i Satana ihany anefa isika mba tsy ho voafitany. (2 Kor. 2:11) Hodinihintsika ato ny fomba lehibe iray ampiasain’i Satana sy ny demonia mba hamitahana ny olona, sy izay azontsika atao mba hanoherana azy ireo.

AHOANA NO AMITAHAN’NY FANAHY RATSY NY OLONA?

3-4. a) Inona avy no tafiditra amin’ny hoe mifandray amin’ny fanahy ratsy? b) Inona no porofo hoe betsaka no mino ny herin’ny maizina?

3 Mampirisika ny olona hifandray aminy i Satana sy ny demonia. Anisan’ny fomba lehibe indrindra amitahany azy ireo izany. Milaza ho mahay na mahavita zavatra tsy vitan’ny olombelona ny olona mifandray amin’ny fanahy ratsy. Misy, ohatra, manao sikidy na manandro dia milaza hoe mahay mamantatra ny hoavy. Ny hafa indray miseho ho mahavita miresaka amin’ny maty. Misy koa manao mazia na manao ody mba hamosaviana olona. *

4 Betsaka ve ny olona mino ny herin’ny maizina? Mamaly an’izany ny fanadihadiana iray natao tany amin’ny tany 18 any Amerika Latinina sy Karaiba. Ny iray ampahatelony teo ho eo tamin’ny olona nadinadinina no mino ny herin’ny mazia sy ny mosavy ary ny ody. Mitovitovy amin’izany koa ny isan’ny olona mino hoe afaka mifandray amin’ny fanahin’ireo maty ny velona. Nisy fanadihadiana hafa koa natao tany amin’ny tany 18 atsy Afrika. Ny antsasany mahery amin’ireo olona nanontaniana no nilaza fa mino ny herin’ny ody. Na aiza na aiza anefa misy antsika, dia mila mitandrina isika mba tsy hanao zavatra misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina. “Ny tany rehetra misy mponina” mantsy no tian’i Satana hofitahina.—Apok. 12:9.

5. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny fifandraisana amin’ny fanahy ratsy?

5 “Andriamanitry ny fahamarinana” i Jehovah. (Sal. 31:5) Tena halany àry ny fifandraisana amin’ny fanahy ratsy. Izao no nolazainy tamin’ny Israelita: “Aoka tsy hisy eo aminao ny olona mandoro ny zanany lahy na ny zanany vavy ao anaty afo, na manao sikidy, na mampiasa herin’ny maizina, na mitady fambara, na mpilalao ody, na mpilaza ozona famosaviana, na olona mankany amin’ny mpamoha angatra na mankany amin’ny mpilaza ny hoavy, na olona manontany amin’ny maty. Maharikoriko an’i Jehovah mantsy izay rehetra manao ireo zavatra ireo.” (Deot. 18:10-12) Marina fa tsy asaina manaraka ny Lalàna nomen’i Jehovah ny Israelita isika Kristianina. Tsy miova anefa i Jehovah, fa mbola halany foana ny fifandraisana amin’ny fanahy ratsy.—Mal. 3:6.

6. a) Nahoana i Satana no mampirisika ny olona hifandray amin’ny fanahy ratsy? b) Manao ahoana ny maty, araka ny Mpitoriteny 9:5?

6 Mampitandrina antsika mba tsy hifandray amin’ny fanahy ratsy i Jehovah, satria fantany hoe ampiasain’i Satana mba hahavoa antsika izany. Ampirisihin’i Satana hanao an’izany ny olona, amin’izay mino ny laingany. Anisan’izany ilay hoe mbola velona any ho any ny maty. (Vakio ny Mpitoriteny 9:5.) Ampirisihiny hanao an’izany koa ny olona, amin’izay matahotra ary miala amin’i Jehovah. Tiany hatoky an’ireo fanahy ratsy ny olona fa tsy hatoky an’i Jehovah.

AHOANA NO HANOHERANA NY FANAHY RATSY?

7. Inona no lazain’i Jehovah amintsika?

7 Efa hitantsika teo hoe lazain’i Jehovah amintsika izay tokony ho fantatsika, mba tsy ho voafitak’i Satana sy ny demonia isika. Inona àry no azontsika atao mba hanoherana azy ireo?

8. a) Inona no tena manampy antsika hahatohitra ny fanahy ratsy? b) Nahoana ny Salamo 146:4 no mampiharihary fa lainga no lazain’i Satana momba ny maty?

8 Vakio sy saintsaino ny Tenin’Andriamanitra. Izany no tena manampy antsika tsy hino ny lainga aelin’ny fanahy ratsy. Hoatran’ny sabatra maranitra mantsy izy io ka mahavita mampiharihary ny laingan’i Satana. (Efes. 6:17) Asehon’izy io, ohatra, fa lainga ilay hoe mbola afaka mifandray amin’ny velona ny maty. (Vakio ny Salamo 146:4.) Mampahatsiahy antsika koa izy io hoe i Jehovah irery no azo antoka fa mahay milaza ny hoavy. (Isaia 45:21; 46:10) Raha mamaky sy misaintsaina ny Tenin’Andriamanitra isan’andro isika, dia hahavita handa sy hankahala an’ireo lainga tian’ny fanahy ratsy hinoantsika.

9. Milazà fanao sasany tsy ataontsika.

9 Aza mifandray amin’ny fanahy ratsy mihitsy. Tena Kristianina isika ka tsy manao zavatra misy ifandraisany amin’ny fanahy ratsy mihitsy, na inona izany na inona. Tsy mankany amin’ny mpamoha angatra, ohatra, isika na manao zavatra hafa hifandraisana amin’ny maty. Noresahina tao amin’ny lahatsoratra teo aloha koa hoe tsy mandray anjara amin’ny fombafomba fandevenana isika, raha misy ifandraisany amin’ny finoana ny fanahy tsy mety maty izany. Tsy mankany amin’ny mpanandro sy mpilaza ny hoavy koa isika. (Isaia 8:19) Fantatsika fa mampidi-doza be ireo fanao rehetra ireo, ary mety hahatonga antsika hifandray mivantana amin’i Satana sy ny demonia.

Manahafa an’ireo Kristianina voalohany ka ario na poteho daholo izay zavatra mifandray amin’ny asan’ny maizina, ary aza manao fialam-boly mifandray amin’izany (Fehintsoratra 10-12)

10-11. a) Inona no nataon’ny olona sasany tamin’ny taonjato voalohany rehefa nahalala ny fahamarinana izy ireo? b) Araka ny 1 Korintianina 10:21, nahoana isika no mila manahaka ny Kristianina voalohany? Ahoana no anahafantsika azy ireo?

10 Ario na poteho izay rehetra misy ifandraisany amin’ny asan’ny maizina. Nifandray tamin’ny fanahy ratsy ny olona sasany nipetraka tany Efesosy, tamin’ny taonjato voalohany. Niova be anefa izy ireo rehefa nahalala ny fahamarinana. “Maro tamin’ireo zatra nampiasa herin’ny maizina no nanangona ny bokiny ka nandoro izany teo anatrehan’ny rehetra.” (Asa. 19:19) Tena tapa-kevitra ny hanohitra ny fanahy ratsy izy ireo. Lafo be ny bokin-dry zareo momba ny herin’ny maizina, nefa nodorany fa tsy hoe nomeny olona na namidiny. Ny hampifaly an’i Jehovah no tian-dry zareo kokoa noho ireo bokiny lafo be.

11 Inona no azontsika atao raha te hanahaka an’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany isika? Tsara raha ariana na potehina izay rehetra misy ifandraisany amin’ny asan’ny maizina. Anisan’izany ny ody, na tapa-kazo, na zavatra hafa anaovan’ny olona na tehiriziny mba hiaro azy amin’ny fanahy ratsy.—Vakio ny 1 Korintianina 10:21.

12. Inona no tokony hoeritreretintsika momba ny fialam-boly ataontsika?

12 Diniho tsara ny fialam-bolinao. Eritrereto hoe: ‘Misy ifandraisany amin’ny asan’ny maizina ve ny boky vakiko, na ny zavatra jereko ao amin’ny Internet? Ary ahoana ny hira henoiko, na ny filma sy fandaharana jereko amin’ny tele, na ny lalao video ataoko? Sao dia mba misy resaka fanahy ratsy ilay izy, ohatra hoe vampira, na lolovokatra, na hery miafina? Asehon’ilay izy ve hoe tsara sy mahafinaritra ny mazia sy ny ozona ary ny famosaviana?’ Tsy midika akory izany hoe mifandray amin’ny fanahy ratsy daholo izay fialam-boly ahitana zavatra tsy tena misy. Ataovy azo antoka anefa hoe tsy misy zavatra halan’i Jehovah mihitsy ny fialam-boly fidinao. Te hanao izay rehetra azo atao mantsy isika mba hananantsika “feon’ny fieritreretana madio” foana.—Asa. 24:16. *

13. Inona no tsy tokony hataontsika?

13 Aza mampiely tantara momba ny demonia. Tokony hanahaka an’i Jesosy isika. (1 Pet. 2:21) Betsaka ny zavatra fantany momba an’i Satana sy ny demonia, satria tany an-danitra izy talohan’ny nankanesany tetỳ an-tany. Tsy nitantara an’izay nataon’ireny fanahy ratsy ireny anefa izy. Te hampianatra ny olona momba an’i Jehovah izy, fa tsy hampianatra azy ireo momba an’i Satana. Afaka manahaka an’i Jesosy koa isika, ka tsy hampiely tantara momba ny demonia. Asehontsika kosa hoe ‘miboiboika zavatra tsara ny fontsika’, ka mazoto miresaka momba ny fahamarinana isika.—Sal. 45:1.

Tsy misy tokony hatahorantsika ny fanahy ratsy, satria mahery lavitra noho izy ireo i Jehovah sy Jesosy ary ny anjely (Fehintsoratra 14-15) *

14-15. a) Nahoana isika no tsy tokony hatahotra be an’ireo fanahy ratsy? b) Inona no porofo hoe miaro ny vahoakany i Jehovah amin’izao?

14 Aza matahotra be an’ireo fanahy ratsy. Miaina eto amin’ity tontolo ity isika ka mety hisy zavatra ratsy hahazo antsika. Mety ho avy tampoka ny loza na ny aretina na ny fahafatesana. Tsy tokony hieritreritra anefa isika hoe ny fanahy ratsy no mahatonga an’ireny. Milaza mantsy ny Baiboly fa ‘mety ho azon-tsampona amin’ny fotoana tsy ampoizina’ isika rehetra. (Mpito. 9:11) Mahery lavitra noho ny demonia koa i Jehovah, ary efa nanaporofo an’izany izy. Tsy navelany hamono an’i Joba, ohatra, i Satana. (Joba 2:6) Noporofoin’i Jehovah koa hoe mahery noho ireo mpisoron’i Ejipta nampiasa herin’ny maizina izy, tamin’ny andron’i Mosesy. (Eks. 8:18; 9:11) Nomen’i Jehovah hery koa i Jesosy tany an-danitra, ka nahavita nanipy an’i Satana sy ny demonia tetỳ an-tany. Kely sisa izy ireo dia halefa any amin’ny lavaka mangitsokitsoka, ka tsy ho afaka hanisy ratsy an’iza na iza.—Apok. 12:9; 20:2, 3.

15 Betsaka ny porofo ananantsika hoe miaro ny vahoakany i Jehovah amin’izao. Eritrereto ange e! Maneran-tany isika no mitory sy mampianatra ny marina. (Mat. 28:19, 20) Lasa miharihary ny asa ratsin’i Satana Devoly vokatr’izany. Ho efa najanony ny asa rehetra ataontsika hoatr’izay, raha afaka nanao an’izany izy. Tsy mahavita an’izany anefa izy! Tsy tokony hatahotra be an’ireo fanahy ratsy àry isika. Fantatsika hoe “ny mason’i Jehovah dia mijery eny rehetra eny manerana ny tany, mba hanehoany ny heriny hamonjena izay mifikitra aminy amin’ny fo manontolo.” (2 Tan. 16:9) Tsy hahavita hisakana antsika tsy hahazo fiainana mandrakizay ny demonia, raha tsy mivadika amin’i Jehovah isika.

TAHIN’I JEHOVAH IZAY MANAIKY HAMPIANY

16-17. Nahoana isika no mila herim-po raha te hahatohitra ny fanahy ratsy? Manomeza ohatra.

16 Mila herim-po isika raha te hahatohitra ny fanahy ratsy, indrindra raha havantsika na namantsika no mampirisika antsika hifandray amin’izy ireny. Mety hatahotra mantsy izy ireo sao hisy zavatra ratsy hahazo antsika. Tahin’i Jehovah anefa ny olona be herim-po. Eritrereto ny nahazo an’i Erica, anabavy mipetraka any Ghana. Nanaiky hianatra Baiboly izy tamin’izy 21 taona. Lehiben’ny mpanompo sampy sy mpanao ody ny dadany. Nantenain’ny fianakaviany àry hoe handray anjara amin’ny fombafomban-dry zareo i Erica, ohatra hoe hihinana ny hena avy natao sorona ho an’ny razana. Tsy nanaiky anefa izy, dia nolazain-dry zareo fa nanao tsinontsinona ny andriamanitr’izy ireo. Nieritreritra koa ilay fianakaviana hoe hosazin’ireo andriamanitra ry zareo, ka hataony marary saina sy voan’ny aretina hafa.

17 Nanery an’i Erica hanao an’ilay fombafomba ny fianakaviany. Tsy nety mihitsy anefa izy na dia voatery niala tao an-trano aza. Soa ihany fa nisy mpiara-manompo maromaro nandray azy. Nahazo fianakaviana vaovao àry izy, satria lasa hoatran’ny anadahiny sy rahavaviny mihitsy ry zareo. (Mar. 10:29, 30) Tena fitahiana avy amin’i Jehovah izany! Narian’ny fianakaviany i Erica, ary nodoran-dry zareo ny fananany. Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy anefa izy ary natao batisa. Mpisava lalana maharitra izy izao. Tsy matahotra be an’ireo demonia izy. Hoy i Erica: “Mahafinaritra be izany hoe mahafantatra an’i Jehovah izany. Be fitiavana izy, ary manana fahafahana izay manompo azy. Mivavaka aho isan’andro mba hahatsapa an’izany koa ny fianakaviako.”

18. Inona avy no fitahiana ho azontsika raha matoky an’i Jehovah isika?

18 Na dia tsy ho voasedra mafy hoatr’izany aza isika, dia mila manohitra ny fanahy ratsy sy matoky an’i Jehovah daholo. Hahazo fitahiana be dia be isika raha manao an’izany. Tsy ho voafitaky ny laingan’i Satana, ohatra, isika ary tsy hatahotra be an’ireo demonia. Fa ny tena tsara dia hoe vao mainka isika ho naman’i Jehovah. Hoy i Jakoba: “Maneke an’Andriamanitra, fa tohero kosa ny Devoly, dia handositra anareo izy. Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.”—Jak. 4:7, 8.

HIRA 150 Mitadiava An’i Jehovah mba ho Voavonjy

^ feh. 5 Be fitiavana i Jehovah, ka mampitandrina antsika amin’ny fanahy ratsy sady mampahafantatra antsika ny zava-dratsy ataon’izy ireny. Ahoana no amitahan’ny fanahy ratsy ny olona? Inona no hanampy antsika hahatohitra azy ireny? Horesahina ato hoe ahoana no anampian’i Jehovah antsika mba tsy ho voafitak’izy ireny.

^ feh. 3 FANAZAVANA: Fifandraisana amin’ny fanahy ratsy: Matetika izay manao an’izany no mino hoe manana fanahy tsy mety maty ny olona, ary mbola mifandray amin’ny velona ny maty, indrindra amin’ny alalan’ny mpamoha angatra. Betsaka ny zavatra ataon’ny olona noho ry zareo mino an’izany. Milalao ody sy manao sikidy koa ny olona mifandray amin’ny fanahy ratsy. Ny hoe mazia indray, ato amin’ity lahatsoratra ity, dia izay fanao rehetra mifandray amin’ny asan’ny maizina. Tafiditra amin’izany ny mosavy sy ny fanalana mosavy ary ny ozona ataon’ny mpimasy. Tsy hakingan-tanana natao hampialana voly no tiana horesahina amin’izany.

^ feh. 12 Tsy manan-jo hanao lalàna momba ny fialam-boly ny anti-panahy. Tokony hampiasa ny feon’ny fieritreretany voavolavolan’ny Baiboly kosa ny Kristianina tsirairay, rehefa hifidy izay hovakiny na hojereny na holalaoviny. Hendry ny loham-pianakaviana raha ataony azo antoka hoe mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly ny fialam-boly ataon’ny fianakaviany.—Jereo ilay lahatsoratra ao amin’ny jw.org® hoe “Misy Filma na Hira na Boky ve Tsy Avelan’ny Vavolombelon’i Jehovah Hojeren’ny Mpivavaka ao Aminy?”, ao amin’ilay hoe MOMBA ANAY > FANONTANIANA FAMETRAKY NY OLONA.

^ feh. 54 SARY: Jesosy Mpanjaka mahery any an-danitra, mitarika tafika anjely.