Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 16

Mitandrema Amin’ireo Fanao Momba ny Maty

Mitandrema Amin’ireo Fanao Momba ny Maty

‘Fantatsika izay fanambarana avy amin’ny fanahy, izany hoe ny fanambarana milaza ny fahamarinana sy ny fanambarana milaza hevi-diso.’—1 JAONA 4:6.

HIRA 73 Omeo Fahasahiana Izahay

HO HITANAO ATO *

Ampaherezo ireo havanao nidonam-pahoriana, fa aza manao fombafomba tsy mampifaly an’i Jehovah (Fehintsoratra 1-2) *

1-2. a) Ahoana no amitahan’i Satana ny olona? b) Inona no hodinihintsika ato?

VAO nanomboka ny tantaran’ny olombelona dia efa namitaka olona i Satana, ilay “rain’ny lainga.” (Jaona 8:44) Manely hevi-diso momba ny fahafatesana sy izay mitranga amin’ny olona maty, ohatra, izy. Vokatr’ireny lainga ireny ny finoanoam-poana sy fombafomba be dia be ataon’ny olona. Maro amin’ireo rahalahy sy anabavintsika àry no tsy maintsy ‘miady mafy hiaro ny finoana’, rehefa misy maty ao amin’ny fianakaviany na eo an-tanànany.—Joda 3.

2 Inona no hanampy anao mba “ho mafy orina”, ka hanaraka foana an’izay lazain’ny Baiboly raha izany no mahazo anao? (Efes. 6:11) Ary raha ny mpiara-manompo aminao indray no misy manery hanaraka fombafomba tsy tian’i Jehovah, dia ahoana no azonao anampiana sy ampaherezana azy? Handinika ny tari-dalana omen’i Jehovah momba an’izany isika ato, fa hojerentsika aloha izay lazain’ny Baiboly momba ny maty.

MANAO AHOANA NY OLONA REHEFA MATY?

3. Inona no vokatr’ilay lainga voalohany?

3 Tsy nataon’Andriamanitra ho faty ny olombelona. Tsy maintsy nankatò azy anefa i Adama sy Eva raha te ho velona mandrakizay. Didy tsotra no nomeny an-dry zareo hoe: ‘Aza ihinananao ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa amin’ny andro ihinananao azy, dia ho faty tokoa ianao.’ (Gen. 2:16, 17) Teo i Satana no nanomboka nanakorontana. Nampiasa bibilava izy mba hiteny tamin’i Eva hoe: “Tsy ho faty velively ianareo.” Mampalahelo fa nino an’izany i Eva dia nihinana tamin’ilay voankazo. Nihinana tamin’ilay izy koa ny vadiny. (Gen. 3:4, 6) Izany no nahatonga ny olombelona ho lasa mpanota sy ho faty.—Rom. 5:12.

4-5. Ahoana no amitahan’i Satana ny olona hatramin’izao?

4 Maty tokoa i Adama sy Eva, araka ny efa nolazain’i Jehovah. Tsy hoe nijanona hatreo anefa ny laingan’i Satana momba ny fahafatesana. Nampiany lainga hafa izany tatỳ aoriana, ohatra hoe mbola velona any ankoatra ny fanahin’ny olona rehefa maty ny vatany. Be dia be ny olona voafitaka hatramin’izao, ka mino an’io lainga io sy ny lainga hafa mitovitovy amin’izany.—1 Tim. 4:1.

5 Efa noforonin’i Jehovah hiaina mandrakizay isika olombelona, ka tsy te ho faty. (Mpito. 3:11) Fahavalo mihitsy aza ny fahafatesana amintsika. (1 Kor. 15:26) Mahafantatra an’ireo i Satana, dia izany no hararaotiny mba hamitahana ny olona. Tsy mahagaga àry raha be dia be no mino ny laingany.

6-7. a) Nahavita nisakana ny marina tsy hiharihary ve i Satana? Hazavao. b) Nahoana isika no lasa tsy matahotra rehefa mahalala an’izay lazain’ny Baiboly?

6 Miharihary foana ny marina, na dia ataon’i Satana aza izay tsy hahalalan’ny olona an’izany. Mbola betsaka noho ny hatramin’izay no mahalala sy mampahafantatra an’izay lazain’ny Baiboly momba ny maty sy izay azo antenaina momba azy ireny. (Mpito. 9:5, 10; Asa. 24:15) Mampahery antsika ny mahalala an’izany fahamarinana izany. Lasa tsy matahotahotra mantsy isika sady tsy misalasala hoe inona no mitranga rehefa maty ny olona. Tsy matahotra ny maty, ohatra, isika na mitaintaina sao hisy zava-dratsy hanjo azy ireny. Fantatsika fa tsy velona any ankoatra izy ireny, ary tsy afaka manisy ratsy an’iza na iza. Hoatran’ny matory be ny olona rehefa maty. (Jaona 11:11-14) Haintsika koa fa tsy tsapan’ny olona maty hoe mandeha ny fotoana. Na dia efa an-jatony taona atỳ aoriana aza mantsy izy vao hatsangana, dia hoatran’ny hoe indray mipy maso ihany izy no maty.

7 Tsy hitanao hoe tsotra sy mazava ary mitombina tsara ve ny marina momba ny maty? Tsy hoatr’izany anefa ny laingan’i Satana fa mampisafotofoto! Tsy hoe mamitaka olona fotsiny ireny lainga ireny, fa manendrikendrika an’ilay Mpamorona koa. Tena ratsy ny ataon’i Satana! Mba hahazoantsika tsara an’izany, dia handinika an’ireto isika: Nahoana no voaendrikendrika i Jehovah noho ny laingan’i Satana? Nahoana ireny lainga ireny no mahatonga ny sorom-panavotan’i Kristy ho lasa hoatran’ny hoe tsy ilaina? Ary nahoana izy ireny no manampy trotraka ny alahelo sy ny fijalian’ny olombelona?

TENA RATSY NY VOKATRY NY LAINGAN’I SATANA

8. Raha jerena ny Jeremia 19:5, nahoana no voaendrikendrika i Jehovah noho ny laingan’i Satana?

8 Voaendrikendrika i Jehovah noho ny laingan’i Satana. Anisan’izany ilay lainga hoe ampijalijalin’Andriamanitra any amin’ny afobe ny olona maty sasany. Mba eritrereto ange e! Andriamanitra fitiavana i Jehovah, nefa lazaina fa mitovy toetra amin’ny Devoly! (1 Jaona 4:8) Dia rariny ve izany hoy ianao? Ary ahoana no mba fahitan’i Jehovah an’izany? Azo antoka fa tsy faly amin’izany izy satria halany ny karazana fampijaliana rehetra.—Vakio ny Jeremia 19:5.

9. Inona no lazain’ny Jaona 3:16 sy ny 15:13 momba ny sorom-panavotana? Inona no vokatry ny laingan’i Satana amin’izy io?

9 Lasa hoatran’ny hoe tsy ilaina ny sorom-panavotan’i Kristy, noho ny laingan’i Satana. (Mat. 20:28) Anisan’ny laingany koa ny hoe manana fanahy tsy mety maty ny olona. Raha izany no izy, dia efa ho velona foana ihany ny olona rehetra, ka tsy nila nanome ny ainy ho sorom-panavotana i Kristy mba hahafahantsika hiaina mandrakizay. Tadidio anefa fa iny sorona nataony iny no porofom-pitiavana lehibe indrindra naseho tamin’ny olombelona. (Vakio ny Jaona 3:16; 15:13.) Ahoana izao no tsapan’i Jehovah sy ny Zanany rehefa mahita hoe atao tsinontsinona hoatr’izany ilay fanomezana sarobidy be nomeny?

10. Nahoana ny laingan’i Satana no manampy trotraka ny alahelo sy ny fijalian’ny olombelona?

10 Manampy trotraka ny alahelo sy ny fijalian’ny olombelona ny laingan’i Satana. Malahelo be ny ray aman-dreny rehefa maty ny zanany. Mety holazaina amin-dry zareo anefa hoe Andriamanitra no naka an’ilay zaza, angamba mba hataony anjely any an-danitra. Izany ve dia manamaivana ny alahelon’izy ireo? Tsy vao mainka aza izany mampitombo ny alahelony? Vokatry ny fampianaran-diso momba ny afobe koa, dia lasa nisy nieritreritra hoe azo atao ny mampijaly olona mba hanasaziana azy. Nodoran’izy ireo teo amin’ny tsato-kazo, ohatra, izay nanohitra ny fampianaran’ny Eglizy. Miresaka an’izany ny boky iray momba ny Fitsaran’ny Katolika An’izay Nivadi-pinoana Tany Espaina. Hazavaina ao hoe nandoro an’ireny olona ireny ny mpitsara sasany, satria tiany ho tsapan’ilay olona hoe hoatran’ny ahoana izany “any amin’ny afobe mirehitra mandrakizay izany.” Amin’izay, hono, ilay olona mibebaka alohan’ny hahafatesany, dia voavonjy fa tsy lasa any amin’ny afobe. Fanao any amin’ny tany maro koa ny mangataka fitahiana amin’ny razana, na manao sorona ho azy ireny, na manao zavatra hafa hanomezana voninahitra azy. Misy indray manao izay hampitony ny razana mba tsy hosaziny. Lasa minomino foana ny olona vokatr’ireny laingan’i Satana ireny. Mampalahelo fa tsy mampionona azy ireo akory izany, fa vao mainka aza mampitaintaina sy mampahatahotra azy ireo.

INONA NO HANAMPY ANTSIKA HANARAKA AN’IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY?

11. Inona no mety hataon’ny namantsika sy ny havantsika?

11 Tsy mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly ny fombafomba sasany atao rehefa misy maty. Mety hoteren’ny havantsika na ny namantsika hanao an’ireny anefa isika, satria mieritreritra izy ireo fa hahasoa antsika izany. Mety hataon’izy ireo izay hahatonga antsika ho menatra, ohatra hoe lazainy fa tsy tia na tsy nanaja an’ilay olona maty isika. Mety hiteny koa ry zareo hoe hanisy ratsy ny velona ilay olona maty, satria isika tsy manao an’ilay fombafomba. Hahazo hery anefa isika ka hahavita hankatò an’i Jehovah, raha tia azy sy ny Teniny. Inona àry no hanampy antsika hanaraka an’izay lazain’ny Baiboly? Mila mampihatra ny toro lalana voalaza ao isika. Handinika ny sasany amin’izany isika izao.

12. Milazà zavatra inoan’ny olona sy fombafomba tsy mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly.

12 “Misaraha aminy”, izany hoe aoka ianao ho tapa-kevitra ny tsy hino hevitra na hanao fombafomba mifanohitra amin’izay lazain’ny Baiboly. (2 Kor. 6:17) Be dia be ny olona any amin’ny firenena iray any Karaiba no mino hoe manangatra ny maty, dia manasazy an’izay nampijaly azy. Milaza ny boky iray hoe “mety hataony mahita faisana mihitsy ny iray tanàna.” Fanaon’ny olona atsy Afrika indray ny manarona ny fitaratra ao an-tranon’ilay olona maty. Atodik’izy ireo any amin’ny rindrina koa ny sarin’ilay olona. Fa maninona? Satria tsy tokony hahita ny tenany, hono, ilay olona maty. Mpanompon’i Jehovah isika ka tsy mino hevitra mifandray amin’ny laingan’i Satana, na mandray anjara amin’ny fombafomba mifandray amin’izany.—1 Kor. 10:21, 22.

Hisoroka olana ianao raha mikaroka tsara ao amin’ny Baiboly sy ireo bokintsika sady mifampiresaka tsara amin’ireo havanao tsy Vavolombelona (Fehintsoratra 13-14) *

13. Araka ny Jakoba 1:5, inona no tokony hataonao raha misy fombafomba tsy azonao antoka hoe mety na tsy mety?

13 Ary ahoana raha misy fombafomba tsy azonao antoka hoe mety na tsy mety? Mivavaha amin’i Jehovah ary mangataha fahendrena. (Vakio ny Jakoba 1:5.) Manaova koa fikarohana ao amin’ny bokintsika, ary miresaha amin’ny anti-panahy raha ilaina izany. Tsy hilaza an’izay tokony hataonao izy ireo, fa hanoro anao ny toro lalan’ny Baiboly, anisan’izany izay voaresaka ato. Manazatra ny ‘fahaizanao misaina’ ianao rehefa manao an’ireo, ka ho hainao ny “hanavaka ny tsara sy ny ratsy.”—Heb. 5:14.

14. Inona no azontsika atao raha tsy te hanafintohina olona isika?

14 “Ataovy ho voninahitr’Andriamanitra ny zava-drehetra”, ary “aza manao izay hahatafintohina” olona. (1 Kor. 10:31, 32) Rehefa hanapa-kevitra isika raha handray anjara amin’ny fombafomba iray na tsia, dia mila mitadidy hoe inona no mety ho vokatr’izany eo amin’ny feon’ny fieritreretan’ny olon-kafa, indrindra fa ny mpiara-manompo. Tsy tiantsika mihitsy ny hanafintohina azy ireo! (Mar. 9:42) Tsy te hanafintohina ny olona tsy Vavolombelon’i Jehovah koa isika. Tiantsika izy ireny ka hiezaka hiresaka aminy amim-panajana isika. Hanome voninahitra an’i Jehovah izany. Tsy hifanditra amin’ny olona isika, na hanambany ny fomba amam-panao mahazatra azy. Tadidio fa mahery ny fitiavana! Raha be fitiavana isika ka tsara fanahy sy manaja, dia mety ho tony ny olona na dia manohitra aza.

15-16. a) Nahoana no tsara ampahafantarina mialoha hoe inona no inoantsika? Manomeza ohatra. b) Ahoana no azontsika ampiharana ny tenin’i Paoly ao amin’ny Romanina 1:16?

15 Ampahafantaro hoe Vavolombelon’i Jehovah ianao. (Isaia 43:10) Mety ho tezitra be aminao ny havanao na ny mpiara-monina aminao, raha tsy mandray anjara amin’ny fombafomban-dry zareo ianao rehefa misy maty. Ho mora kokoa aminao anefa ny hiatrika an’izany, raha efa nampahafantarinao azy ireo mialoha hoe mpanompon’i Jehovah ianao. Izany no nataon’i Francisco sy Carolina, mpivady mipetraka any Mozambika. Hoy i Francisco: “Rehefa nianatra ny fahamarinana izahay roa, dia nolazainay tamin’ny fianakavianay hoe tsy hivavaka amin’ny razana intsony izahay. Tena tsy mora anefa rehefa maty ny rahavavin’i Carolina. Manao fombafomba mantsy ny olona atỳ aminay rehefa mampandro faty. Rehefa vita ilay izy, dia asaina matory any amin’izay toerana nanariana an’ilay rano avy nampandroina azy izay havany akaiky indrindra, mandritra ny telo alina. Amin’izay, hono, tsy ho tezitra ny fanahin’ilay olona maty. Nieritreritra ny fianakavian’i Carolina hoe izy no tokony hatory any.”

16 Ahoana no nataon’izy mivady? Izao no nolazain’i Francisco: “Tia an’i Jehovah izahay sady te hampifaly azy, dia tsy nanaiky hanao an’ilay izy. Tezitra be ny fianakavian’i Carolina sady nolazainy hoe tsy manaja ny maty izahay. Tsy hanampy na hamangy anay intsony, hono, ry zareo. Soa ihany anefa fa efa nohazavainay mialoha izay zavatra inoanay, dia tsy niresaka an’izany izahay tamin-dry zareo tezitra. Nisy havanay sasany aza niaro anay mihitsy, dia ry zareo no nilaza hoe efa nanazava an’izany izahay taloha. Tsy dia tezitra be intsony ny fianakavian’i Carolina tatỳ aoriana, dia lasa nifandray tsara izahay. Nisy aza tonga tany an-tranonay dia nangataka ny bokintsika.” Enga anie isika tsy ho menatra mihitsy, fa ho sahy hijoro amin’izay marina fantatsika momba ny maty.—Vakio ny Romanina 1:16.

AMPIO SY AMPAHEREZO IREO NIDONAM-PAHORIANA

Mampahery sy mampionona an’ireo nidonam-pahoriana ny tena namana (Fehintsoratra 17-19) *

17. Inona no hanampy antsika hampiseho hoe “tena namana” isika, rehefa misy mpiara-manompo nidonam-pahoriana?

17 Rehefa misy mpiara-manompo nidonam-pahoriana, dia mila miezaka mafy isika mba ho “tena namana” sy ho “rahalahy natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana.” (Ohab. 17:17) Ahoana no hampisehoantsika an’izany, indrindra raha teren’ny olona hanaraka fombafomba tsy mifanaraka amin’ny Baiboly izy? Mila mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly isika raha te hampahery azy. Hijery roa amin’izany isika izao.

18. Nahoana i Jesosy no nitomany, ary inona no azontsika ianarana avy amin’izany?

18 “Miaraha mitomany amin’izay mitomany.” (Rom. 12:15) Mety tsy ho hitantsika izay teny holazaina amin’ny olona tototry ny alahelo. Mahalaza zavatra betsaka kokoa noho ny teny anefa ny ranomaso indraindray. Nitomany, ohatra, i Maria sy Marta rehefa maty i Lazarosy anadahiny. Nitomany koa ny olon-kafa naman’i Lazarosy. Tonga i Jesosy efatra andro tatỳ aoriana, ary ‘nirotsaka ny ranomasony’, na dia efa fantany aza hoe hanangana an’io namany io amin’ny maty izy. (Jaona 11:17, 33-35) Hita amin’izany hoe hoatran’ny ahoana ny fihetseham-pon’i Jehovah rehefa maty i Lazarosy. Hita koa hoe tena tia an’ilay fianakaviana i Jesosy. Tsy maintsy ho nampahery an’i Maria sy Marta izany! Hoatr’izany koa amin’izao. Lasa tsy mahatsiaro ho irery ny mpiara-manompo amintsika, rehefa tsapany hoe tia sy miahy azy isika. Matoky izy hoe manana namana vonona hanampy.

19. Ahoana no azontsika ampiharana ny Mpitoriteny 3:7 rehefa mampahery olona nidonam-pahoriana?

19 “Misy fotoana anginana ary misy fotoana itenenana.” (Mpito. 3:7) Raha mihaino tsara fotsiny koa isika, dia efa afaka mampahery mpiara-manompo nidonam-pahoriana. Avelao izy hamoaka izay ao am-pony, ary aza sosotra raha ‘mirediredy’ izy. (Joba 6:2, 3) Efa mafy mantsy ny mahazo azy, nefa angamba izy mbola teren’ny havany tsy Vavolombelona mba hanao zavatra tsy mifanaraka amin’ny Baiboly. Miaraha àry mivavaka aminy. Mitalahoa amin’ilay “Mpihaino vavaka” mba hanome hery azy sy hanampy azy hisaina tsara. (Sal. 65:2) Mamakia Baiboly miaraka aminy raha azo atao. Afaka miara-mamaky lahatsoratra mampahery avy ao amin’ny boky sy gazetintsika koa ianareo, ohatra hoe tantaram-piainana.

20. Inona no horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

20 Tombontsoa be ny mahalala ny marina momba ny maty sy ny hoavy faran’izay tsara miandry azy ireny. (Jaona 5:28, 29) Miezaha àry ho be herim-po ka hanaraka foana ny marina lazain’ny Baiboly, na amin’ny teny na amin’ny atao. Mitadiava koa hirika hiresahana an’izany isaky ny afaka. Misy fandrika hafa koa ampiasain’i Satana mba hisakanana ny olona tsy hahalala ny marina. Ampirisihiny hifandray amin’ny fanahy ratsy ny olona. Nahoana anefa isika no mila manalavitra an’ireo fanao sy fialam-boly mifandray amin’izany? Horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.

HIRA 24 Andao ho any An-tendrombohitr’i Jehovah

^ feh. 5 Manely lainga momba ny maty i Satana sy ny demoniany, ka voafitaka ny olona. Lasa be dia be ny fombafomba ataon’ny olona vokatr’izany, nefa tsy mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly izy ireny. Inona no hanampy anao tsy hivadika amin’i Jehovah, raha misy manery anao hanaraka an’ireny fombafomba ireny? Hiresaka an’izany ity lahatsoratra ity.

^ feh. 55 SARY: Mpivady Vavolombelona mampahery ny havan’izy ireo vao avy nidonam-pahoriana.

^ feh. 57 SARY: Vavolombelona iray manao fikarohana momba ny fombafomba mifandray amin’ny fandevenana. Tsara fanahy izy avy eo rehefa manazava ny zavatra inoany amin’ny havany.

^ feh. 59 SARY: Anti-panahy roa mampahery sy mampionona rahalahy nidonam-pahoriana.