Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 15

Tahafo i Jesosy dia Hilamin-tsaina Foana Ianao

Tahafo i Jesosy dia Hilamin-tsaina Foana Ianao

“Ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo.”—FIL. 4:7.

HIRA 113 Ny Fiadanantsika

HO HITANAO ATO *

1-2. Nahoana i Jesosy no nitebiteby be?

NITEBITEBY be i Jesosy ny andro farany talohan’ny hahafatesany. Kely sisa izy dia hampijalin’ny olona ratsy fanahy sady hovonoin’izy ireo ho faty. Nisy zavatra hafa nampiady saina azy anefa. Tena tiany ny Rainy ary te hampifaly azy izy. Fantany hoe raha tsy mivadika izy rehefa miatrika an’io zava-tsarotra miandry azy io, dia ho voaporofo fa diso daholo ny lainga nolazaina momba an’i Jehovah ary mendrika ny homena voninahitra Izy. Tena tia antsika olombelona koa i Jesosy. Fantany hoe raha tsy mivadika mandra-pahafatiny ihany izy, izay isika vao ho afaka hanantena hiaina mandrakizay.

2 Tony foana anefa i Jesosy na dia nisy zavatra nampitaintaina be azy aza. Nilaza tamin’ny apostoliny izy hoe: “Omeko anareo ny fiadanako.” (Jaona 14:27) Nanana “ny fiadanan’Andriamanitra” izy, izany hoe nilamin-tsaina satria nifandray tsara taminy. Tony ny fony sy ny sainy vokatr’izany.—Fil. 4:6, 7.

3. Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

3 Marina fa tsy hahazo antsika mihitsy izay nahazo an’i Jesosy. Tsy maintsy hiatrika fitsapana anefa izay rehetra manara-dia azy. (Mat. 16:24, 25; Jaona 15:20) Mety hitebiteby koa àry isika indraindray. Inona anefa no azontsika atao mba hilamin-tsaina fa tsy hitebiteby be loatra? Handinika zavatra telo nataon’i Jesosy nandritra ny fanompoany isika izao. Hojerentsika hoe ahoana no azontsika anahafana azy rehefa manana olana isika.

NIVAVAKA MATETIKA I JESOSY

Afaka ny hilamin-tsaina foana isika raha mivavaka (Fehintsoratra 4-7)

4. Inona no porofo hoe nivavaka matetika i Jesosy ny andro farany talohan’ny hahafatesany? Inona no tokony hataon’ny Kristianina, araka ny 1 Tesalonianina 5:17?

4 Vakio ny 1 Tesalonianina 5:17. Nivavaka matetika i Jesosy, tamin’ilay andro farany talohan’ny hahafatesany. Nivavaka momba ny mofo sy divay, ohatra, izy rehefa nampiseho tamin’ny mpianany ny fomba hankalazana ny nahafatesany. (1 Kor. 11:23-25) Nivavaka niaraka tamin’izy ireo koa izy, talohan’ny nialan’izy ireo an’ilay toerana nankalazany ny Paska. (Jaona 17:1-26) Nivavaka imbetsaka izy tamin’io alina io, rehefa tonga tany Getsemane ry zareo. (Mat. 26:36-39, 42, 44) Na ny teny farany nolazainy tamin’izy niala aina aza dia mbola vavaka ihany. (Lioka 23:46) Noresahin’i Jesosy tamin’i Jehovah daholo izay zava-dehibe nitranga tamin’io andro io.

5. Nahoana ny apostoly no lasa tsy dia nanana herim-po?

5 Nahoana i Jesosy no nahavita niatrika ny olana nahazo azy? Satria izy niantehitra tamin’ny Rainy ka nivavaka taminy. Tsy naharitra nivavaka kosa ny apostoly tamin’io alina io. Lasa tsy dia nanana herim-po àry izy ireo rehefa niatrika fitsapana. (Mat. 26:40, 41, 43, 45, 56) Raha ‘mivavaka foana’ hoatran’i Jesosy ihany isika, vao hahavita tsy hivadika rehefa miatrika fitsapana. Inona, ohatra, no azontsika resahina rehefa mivavaka?

6. Nahoana ny finoana no hanampy antsika hilamin-tsaina foana?

6 Afaka mivavaka amin’i Jehovah isika hoe: “Ampitomboy ny finoanay.” (Lioka 17:5; Jaona 14:1) Mila an’izany isika satria hitsapa an’izay rehetra manara-dia an’i Jesosy i Satana. (Lioka 22:31) Nahoana ny finoana no hanampy antsika hilamin-tsaina na dia misesisesy aza ny olana manjo antsika? Rehefa avy nanao izay farany vitantsika isika mba handaminana an’ilay olana, dia ny finoana no hanampy antsika hiandry an’i Jehovah. Ho tony ny fontsika sy ny saintsika rehefa matoky isika hoe mahay mandamina an’ilay olana noho isika i Jehovah.—1 Pet. 5:6, 7.

7. Inona no ianaranao avy amin’izay nolazain’i Robert?

7 Na mafy hoatran’ny inona aza ny manjo antsika, dia hilamin-tsaina foana isika raha mivavaka. Izao no nolazain’i Robert, anti-panahy efa 80 taona mahery: “Nanampy ahy hahavita hiatrika olana be dia be ny Filipianina 4:6, 7. Tsy nanam-bola, ohatra, aho indraindray, dia nisy fotoana koa aho lasa tsy anti-panahy intsony.” Inona no manampy an’i Robert hilamin-tsaina foana? Hoy izy: “Vao mitady hitebiteby aho dia mivavaka amin’i Jehovah. Hitako hoe mihatony aho arakaraka ny ivavahako matetika kokoa sy italahoako aminy.”

NAZOTO NITORY I JESOSY

Afaka ny hilamin-tsaina foana isika raha mitory (Fehintsoratra 8-10)

8. Araka ny Jaona 8:29, inona koa no nahatonga an’i Jesosy hilamin-tsaina?

8 Vakio ny Jaona 8:29. Nilamin-tsaina koa i Jesosy na dia nenjehina aza, satria fantany hoe faly ny Rainy noho izy nanao izay sitrany. Nankatò foana izy na dia rehefa sarotra aza izany. Tena tiany ny Rainy, ka ny fanompoana azy no zava-dehibe indrindra taminy. “Mpiasa tena mahay” teo anilan’i Jehovah, ohatra, izy talohan’ny nankanesany tetỳ an-tany. (Ohab. 8:30) Nazoto nampianatra ny hafa momba ny Rainy koa izy rehefa tonga tetỳ. (Mat. 6:9; Jaona 5:17) Tena nahafaly an’i Jesosy ny nanao an’io asa io.—Jaona 4:34-36.

9. Nahoana no hilamin-tsaina foana isika raha variana amin’ny fitoriana?

9 Manahaka an’i Jesosy isika rehefa mankatò an’i Jehovah sy “be atao foana amin’ny asan’ny Tompo.” (1 Kor. 15:58) Lasa tsy kivy loatra amin’ny olana mahazo antsika isika, rehefa ‘mifantoka tanteraka’ amin’ny fitoriana. (Asa. 18:5) Matetika mantsy no mafy kokoa noho izay mahazo antsika ny olana manjo ny olona itoriantsika. Mihatsara anefa ny fiainan’izy ireo sady sambatra kokoa izy, rehefa lasa tia an’i Jehovah sy manaraka ny toroheviny. Isaky ny mahita an’izany isika dia matoky kokoa hoe hikarakara antsika i Jehovah, ary izany no hahatonga antsika hilamin-tsaina foana. Nahatsapa an’izany ny anabavy iray. Kivy be foana izy hatramin’izay sady nieritreritra hoe tsy misy ilana azy mihitsy. Hoy izy: “Sambatra kokoa aho rehefa variana amin’ny fanompoana, satria mba vitako ny mampitony ny foko. Rehefa manompo mantsy aho no mahatsapa hoe tena akaiky an’i Jehovah.”

10. Inona no ianaranao avy amin’izay nolazain’i Brenda?

10 Hoatr’izany koa no tsapan’ny anabavy antsoina hoe Brenda. Samy marary mafy izy sy ny zanany vavy. Tena kely ny herin’i Brenda ary mampiasa seza misy kodiarana izy. Mitory isan-trano izy rehefa afaka, fa fitoriana an-taratasy no tena ataony. Hoy izy: “Lasa nahavita nifantoka tanteraka tamin’ny fanompoana aho, rehefa neken’ny saiko hoe tsy ho sitrana intsony raha mbola eto amin’ity tontolo ity. Rehefa mitory koa aho dia hadinodinoko izay mampiady saina ahy. Manjary mifantoka amin’izay hanampiana ny olona ao amin’ny faritaninay mantsy aho. Dia lasa tadidiko foana ny hoavy tsara miandry antsika.”

NANAIKY HAMPIAN’NY NAMANY I JESOSY

Afaka ny hilamin-tsaina foana isika raha miaraka amin’ny namana tsara (Fehintsoratra 11-15)

11-13. a) Ahoana no nampisehoan’ireo apostoly sy ny olon-kafa hoe tena naman’i Jesosy izy ireo? b) Nanana namana tsara i Jesosy. Inona no vokatr’izany taminy?

11 Izao no lazain’ny Ohabolana 18:24: ‘Misy namana mifikitra noho ny rahalahy.’ Hoatr’izany mihitsy ireo apostoly tsy nivadika. Sarotra ny fanompoan’i Jesosy, nefa nasehon’izy ireo hoe tena namana izy ireo. Tena sarobidy tamin’i Jesosy ny namana hoatr’izany. Tsy nisy nino azy mantsy ny rahalahiny, nandritra ny fanompoany. (Jaona 7:3-5) Nisy fotoana aza ny havany nieritreritra hoe lasa adala izy. (Mar. 3:21) Tena namana anefa ireo apostoly tsy nivadika, ka nilaza tamin’izy ireo i Jesosy ny alina talohan’ny hahafatesany hoe: “Ianareo no nifikitra tamiko tao anatin’ireo fitsapana nahazo ahy.”—Lioka 22:28.

12 Nandiso fanantenana an’i Jesosy ireo apostoly indraindray. Tsy nieritreritra be momba ny fahadisoan’izy ireo anefa izy. Fantany mantsy fa nino azy izy ireo. (Mat. 26:40; Mar. 10:13, 14; Jaona 6:66-69) Izao no nolazainy tamin’ireo lehilahy tsy nivadika ireo, ny alina talohan’ny hamonoana azy: “Antsoiko hoe namana ... ianareo, satria ampahafantariko anareo izay rehetra reko avy tamin’ny Raiko.” (Jaona 15:15) Azo antoka fa tena nampahery an’i Jesosy ireo namany ireo. Nanampy azy hahavita ny fanompoany ry zareo, dia faly be izy.—Lioka 10:17, 21.

13 Nisy lehilahy sy vehivavy hafa koa naman’i Jesosy, ankoatra an’ireo apostoly. Nanampy azy hanao ny asa fitoriana izy ireo ary nanampy azy tamin’ny zavatra hafa koa. Nisy, ohatra, nampiantrano azy dia mba nisy toerana hisakafoana izy. (Lioka 10:38-42; Jaona 12:1, 2) Nisy koa nanaraka azy tamin’ny dia nataony, dia nizara an’izay nananan’izy ireo taminy. (Lioka 8:3) Nanana namana tsara i Jesosy satria izy mihitsy no namana tsara. Nanao zavatra tsara ho azy ireo izy ary tsy nitaky be loatra tamin’izy ireo. Lavorary izy nefa nankasitraka ny fanampiana nomen’ireo namany tsy lavorary. Azo antoka hoe nahatonga azy hilamin-tsaina foana izany.

14-15. Inona no azontsika atao raha te hahazo namana tsara isika? Ahoana no anampian’izy ireny antsika?

14 Hanampy antsika tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy ny namana tsara. Inona no fomba tsara indrindra hahazoana namana hoatr’izany? Ianao mihitsy aloha no tokony ho namana tsara. (Mat. 7:12) Mampirisika antsika, ohatra, ny Baiboly mba hahafoy tena ho an’ny hafa, indrindra ho an’ireo “sahirana.” (Efes. 4:28) Iza, ohatra, no azonao ampiana ao amin’ny fiangonanareo? Mahalala mpiara-manompo be taona na marary angamba ianao, ary tsy afaka mivoaka ny trano izy. Maninona raha miantsena ho azy? Ary sao dia azonao atao ny manome sakafo ho an’ny fianakaviana sahirana ara-bola? Raha efa mpampiasa jw.org® sy JW Library® indray ianao, maninona raha ampiana ny olona ao am-pivoriana mba hahay hampiasa an’ireo? Be dia be mantsy ny harena ara-panahy azo trandrahina ao amin’ireo fitaovana ireo. Ho sambatra isika raha variana manampy ny hafa hoatr’izany.—Asa. 20:35.

15 Tsy hanary antsika ao anatin’ny sarotra ny namantsika, ka hilamin-tsaina foana isika. Nihaino an’i Joba i Eliho rehefa nitantara ny fahoriany izy. Mihaino antsika koa ny namantsika sady manam-paharetana, rehefa mamoaka ny ao am-pontsika isika. (Joba 32:4) Tsy tokony hanantena isika hoe ry zareo no hanapa-kevitra ho antsika. Hendry anefa isika raha manaraka ny torohevitra avy ao amin’ny Baiboly omeny. (Ohab. 15:22) Tsy tokony ho be hambom-po koa isika, fa hanaiky ny fanampiana omen’ny namantsika rehefa miatrika olana. Izany no nataon’i Davida Mpanjaka. Nanetry tena izy ka nanaiky hampian’ny namany. (2 Sam. 17:27-29) Fanomezana avy amin’i Jehovah ny namana tsara hoatr’izany.—Jak. 1:17.

INONA NO HANAMPY ANTSIKA HILAMIN-TSAINA FOANA?

16. Araka ny Filipianina 4:6, 7, amin’ny alalan’iza no hahazoantsika an’ilay fiadanana avy amin’i Jehovah? Nahoana?

16 Vakio ny Filipianina 4:6, 7. Nahoana ny Soratra Masina no milaza hoe “amin’ny alalan’i Kristy Jesosy” no hahazoana an’ilay fiadanana avy amin’i Jehovah? Satria mila mahazo tsara ny anjara asan’i Jesosy sy mino azy isika, vao ho tony ny fontsika sy ny saintsika ka hahatsapa an’izany foana isika. Noho i Jesosy nanao sorona ny ainy, ohatra, dia afaka ny ho voavela daholo ny fahotantsika. (1 Jaona 2:12) Tsy maivamaivana erỳ ve isika rehefa mieritreritra an’izany? Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra koa i Jesosy, ary hofoanany ny zava-dratsy rehetra nataon’i Satana sy ny tontolony tamintsika. (Isaia 65:17; 1 Jaona 3:8; Apok. 21:3, 4) Tsy mahavelom-panantenana antsika ve izany? Tsy vitan’izany fa momba antsika foana izy, na dia sarotra aza ny asa nankininy tamintsika. Manampy antsika foana izy mandritra an’izao andro farany izao. (Mat. 28:19, 20) Tsy mahatonga antsika ho be herim-po ve izany? Fanamaivanana sy fanantenana ary herim-po mihitsy no anisan’ny tena ilaintsika raha te hilamin-tsaina isika.

17. a) Inona no hanampy anao hilamin-tsaina foana? b) Inona no ho vitantsika, araka ny Jaona 16:33?

17 Inona no hanampy anao hilamin-tsaina foana, na dia tena mafy sy mahakivy aza ny olana mianjady aminao? Hahavita an’izany ianao raha manao hoatran’i Jesosy. Voalohany, aza mitsahatra mivavaka. Faharoa, ankatoavy foana i Jehovah ary mazotoa mitory, na dia rehefa sarotra aza izany. Fahatelo, miantehera amin’ny namanao rehefa miatrika olana. Hiambina ny fonao sy ny sainao ny fiadanan’Andriamanitra raha manao an’ireo ianao. Handresy hoatran’i Jesosy ianao amin’izay, satria ho vitanao ny hiatrika an’izay olana mitranga.—Vakio ny Jaona 16:33.

HIRA 41 Mba Henoy ny Vavaka Ataoko

^ feh. 5 Manana olana daholo isika rehetra, ary mety hahatonga antsika hiady saina izany. Horesahina ato ny zavatra telo nahatonga an’i Jesosy hilamin-tsaina foana. Hilamin-tsaina foana koa isika raha manao an’ireo, na dia miatrika ny mafy aza.