Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 14

‘Tanterahinao Tsara’ ve ny Fanompoanao?

‘Tanterahinao Tsara’ ve ny Fanompoanao?

“Ataovy ny asan’ny mpitory ny vaovao tsara, ary tanteraho tsara ny fanompoanao.”—2 TIM. 4:5.

HIRA 57 Mitoria Amin’ny Karazan’olona Rehetra

HO HITANAO ATO *

Nihaona tamin’ny mpianany i Jesosy rehefa avy natsangana tamin’ny maty, ary nandidy azy ireo hoe: “Mandehana ... ataovy mpianatra ny olona” (Fehintsoratra 1)

1. Inona no tian’ny mpanompon’i Jehovah rehetra hatao, ary nahoana? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

NANDIDY ny mpanara-dia azy i Kristy Jesosy hoe: “Mandehana ... ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.” (Mat. 28:19) Tian’ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika rehetra ny hahalala hoe inona no azony atao mba ‘hanatanterahana tsara’ an’io fanompoana io. (2 Tim. 4:5) Raha oharina amin’ny asa hafa mantsy, dia izy io no lehibe sy maika ary mahafa-po indrindra. Mety ho sarotra anefa ny hoe hanompo betsaka araka izay tiantsika.

2. Inona avy no mety hisakana antsika tsy hahavita be amin’ny fanompoana?

2 Misy zava-dehibe hafa koa mitaky fotoana sy hery avy amintsika. Mila miasa be angamba isika isan’andro mba hahazoana an’izay ilaintsika sy ny fianakaviantsika. Manana andraikitra hafa eo amin’ny fianakaviana koa angamba isika, na marary, na kivy be, na mijaly satria mihantitra. Inona no azontsika atao mba ‘hanatanterahana tsara’ ny fanompoana, na eo aza izany rehetra izany?

3. Inona no hitantsika avy amin’ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 13:23?

3 Aza kivy raha tsy afaka manokana fotoana betsaka hanompoana an’i Jehovah ianao. Efa fantatr’i Jesosy mantsy fa tsy hitovy ny habetsahan’ny voa hovokarintsika, izany hoe ny fitoriana ho vitantsika. (Vakio ny Matio 13:23.) Tena sarobidy amin’i Jehovah izay rehetra ataontsika mba hanompoana azy, raha manao izay tsara indrindra vitantsika isika. (Heb. 6:10-12) Mety ho hitanao koa anefa hoe afaka manompo bebe kokoa ianao. Hodinihintsika ato hoe inona no hanampy antsika hanao loha laharana ny fanompoana, sy hanana fiainana tsotra foana, ary hahay hitory sy hampianatra kokoa. Horesahintsika anefa aloha ny dikan’ny hoe ‘manatanteraka tsara’ ny fanompoana.

4. Inona no dikan’ny hoe ‘manatanteraka tsara’ ny fanompoana?

4 Raha tsorina ny dikan’ny hoe ‘manatanteraka tsara’ ny fanompoana, dia hoe mandray anjara betsaka araka izay azo atao amin’ny fitoriana sy fampianarana. Tsy ny habetsahan’ny fotoana ihany anefa no tafiditra amin’izany. Zava-dehibe amin’i Jehovah koa ny antony anaovantsika an’ilay izy. Tia azy sy ny mpiara-belona amintsika isika, ka mampiasa ny ‘tenantsika manontolo’ mba hanompoana azy. * (Mar. 12:30, 31; Kol. 3:23) Ny hoe manompo an’i Jehovah amin’ny ‘tenantsika manontolo’, dia midika hoe mahafoy tena ka manao izay fara herintsika mba hanompoana azy. Hiezaka hiresaka ny vaovao tsara amin’ny olona betsaka araka izay azo atao isika, raha tsapantsika fa tombontsoa be ny mitory.

5-6. Afaka manao loha laharana ny fanompoana ve ny olona iray, na dia tery be aza ny fotoanany? Hazavao amin’ny ohatra.

5 Andao isika haka ohatra. Eritrereto hoe misy tovolahy tena tia mitendry gitara. Faly be izy isaky ny afaka mitendry. Voaray hitendry gitara miaraka amina tarika iray izy, rehefa faran’ny herinandro. Tsy mahasahana ny vola laniny anefa ny karama azony amin’ilay izy. Nitady asa fanampiny àry izy, dia lasa mpandray vola ao amina tsena iray mandritra ny herinandro. Marina fa io asa io no tena mandany ny fotoanany, nefa satriny hitendry gitara foana. Tena te hanatsara ny fahaizany izy, dia tiany koa raha tsy manao asa hafa ankoatra ny mitendry gitara. Ankafiziny foana anefa izay fotoana ahafahany mitendry, na dia vetivety aza.

6 Hoatr’izany koa angamba ianao. Tena tianao ny mitory, nefa kely ihany ny fotoana ahafahanao manao an’izany. Na izany aza, dia miezaka mafy ianao mba hahay hanohina kokoa ny fon’ny olona rehefa mitory. Inona àry no azonao atao mba ho loha laharana eo amin’ny fiainanao ny fitoriana, na dia tery be aza ny fotoananao?

INONA NO HANAMPY ANAO HANAO LOHA LAHARANA NY FANOMPOANA?

7-8. Ahoana no azontsika anahafana an’i Jesosy?

7 Tena modely ho antsika i Jesosy. Ny fitoriana momba ny Fanjakan’Andriamanitra no zava-dehibe indrindra taminy. (Jaona 4:34, 35) Nandeha an-tongotra an-jatony kilaometatra izy mba hitoriana tamin’ny olona betsaka araka izay azo atao. Nanararaotra nitory izy na tany an-tranon’olona na tany an-toeran-kafa. Ny fanompoana no nataony loha laharana teo amin’ny fiainana.

8 Afaka manao hoatran’i Jesosy isika ka mitady hirika hitoriana foana, na aiza na aiza azontsika anaovana an’izany. Vonona hamoy an’izay mampilamindamina ny fiainantsika isika mba hanaovana an’izany. (Mar. 6:31-34; 1 Pet. 2:21) Mpisava lalana manokana na maharitra na mpanampy ny sasany amintsika. Misy indray mianatra fiteny vahiny, na mandeha manitatra any amin’ny toerana ilana mpitory maro kokoa. Na dia tsy mahavita an’ireo aza ny ankamaroan’ny mpitory ao amin’ny fiangonana, dia ry zareo no manao ny ankamaroan’ny asa fitoriana ary izay tsara indrindra vitany no ataony. Na kely na be àry no vitantsika, dia tadidio fa tsy mangataka mihoatra an’izay azontsika omena i Jehovah. Mitory “ny vaovao tsara be voninahitr’ilay Andriamanitra falifaly” isika, ary tiany ho faly isika rehetra rehefa manao an’izany.—1 Tim. 1:11; Deot. 30:11.

9. a) Ahoana no ahitana hoe nanao loha laharana ny fitoriana i Paoly, na dia tamin’izy tsy maintsy niasa aza? b) Ahoana no fiheveran’i Paoly ny fanompoany, rehefa jerena ny Asan’ny Apostoly 28:16, 30, 31?

9 Modely ho antsika koa ny apostoly Paoly. Zara raha nanam-bola izy tamin’izy tany Korinto, nandritra an’ilay dia misionera faharoa nataony. Nanao tranolay àry izy mba hahazoany vola. Tsy nifantoka tamin’io asa io anefa izy, fa nataony mba hahafahana manompo fotsiny ilay izy. Afaka nitory “maimaim-poana” ny vaovao tsara tamin’ny Korintianina izy amin’izay, izany hoe tsy voatery niantoka an’izay nilainy ry zareo. (2 Kor. 11:7) Nanao loha laharana ny fanompoana foana izy ary nitory isaky ny Sabata, na dia tsy maintsy niasa aza. Nahazo fanampiana izy tatỳ aoriana, dia afaka nitory bebe kokoa. Lasa ‘nifantoka tanteraka tamin’ny tenin’Andriamanitra izy, ka nitory tamin’ny Jiosy mba hanaporofoana fa i Jesosy no Kristy.’ (Asa. 18:3-5; 2 Kor. 11:9) Nigadra roa taona tao amin’ny trano iray tany Roma izy tatỳ aoriana. Nitory tamin’izay nitsidika azy izy tao, ary nanoratra taratasy ho an’ny fiangonana. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 28:16, 30, 31.) Tapa-kevitra izy hoe tsy hamela na inona na inona hanakantsakana ny fanompoany. Izao no nosoratany: ‘Tsy kivy izahay satria manana an’izany fanompoana izany.’ (2 Kor. 4:1) Afaka manao hoatran’i Paoly koa isika, ka manao loha laharana ny fanompoana na dia tsy maintsy miasa aza.

Be dia be no azontsika atao raha te ‘hanatanteraka tsara’ ny fanompoana isika (Fehintsoratra 10-11)

10-11. Mbola afaka ‘manatanteraka tsara’ ny fanompoantsika ihany ve isika na dia marary aza? Hazavao.

10 Ahoana raha tsy dia afaka mitory isan-trano isika satria mihantitra na marary mafy? Mbola misy karazana fanompoana hafa azontsika atao. Nitory teny amin’izay toerana nahitany olona ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Nanararaotra niresaka momba ny fahamarinana tamin’izay olona “sendra hitany”, ohatra, ry zareo, na isan-trano izany na teny amin’ny toerana be olona na tany an-toeran-kafa. (Asa. 17:17; 20:20) Raha tsy afaka mandeha an-tongotra firy ianao, dia afaka mipetraka eo amin’ny toerana be mpandalo, dia eo no mitory. Azo atao koa ny mitory tsy ara-potoana, na mitory an-taratasy, na mitory an-telefaonina. Maro amin’ireo mpitory tsy afaka mitory isan-trano no faly sy afa-po, rehefa manao an’ireo karazana fanompoana ireo.

11 Afaka ‘manatanteraka tsara’ ny fanompoana foana ianao na dia marary aza. Nahavita an’izany i Paoly. Hoy izy: “Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.” (Fil. 4:13) Nila an’io hery io i Paoly tamin’izy narary, nandritra ny dia misionera iray nataony. Nanazava tamin’ireo Galatianina izy hoe: “Noho ny tsy fahasalaman’ny nofoko no nitoriako ny vaovao tsara taminareo tamin’ny voalohany.” (Gal. 4:13) Afaka manararaotra miresaka momba ny vaovao tsara koa ianao rehefa marary. Azonao atao, ohatra, ny mitory amin’ny dokotera sy ny mpitsabo mpanampy ary ny olon-kafa mikarakara anao. Any am-piasana mantsy ny ankamaroan’ireny olona ireny rehefa mitory any an-tranony isika.

INONA NO HANAMPY ANTSIKA HANANA FIAINANA TSOTRA FOANA?

12. Ahoana izany hoe manana maso “tsotra”?

12 Hoy i Jesosy: “Ny maso no jiron’ny vatana. Koa raha tsotra [na “mifantoka amin-javatra iray”, f.a.p.] ny masonao, dia hazava tsara ny tenanao manontolo.” (Mat. 6:22) Inona no tiany holazaina? Hoe mila manana fiainana tsotra foana isika, izany hoe mifantoka amin’ny tanjona iray fa tsy variana amin’ny zavatra hafa. I Jesosy no modely amin’izany, satria nifantoka tamin’ny fanompoana izy. Nampianariny koa ny mpianany hoe mila mifantoka amin’ny fanompoana an’i Jehovah sy ny Fanjakany foana izy ireo. Manahaka azy isika raha ny fitoriana no zava-dehibe indrindra amintsika. Raha manao an’izany isika, dia mankatò an’ilay didy hoe: ‘Katsaho foana aloha ny [Fanjakan’Andriamanitra] sy ny fahamarinany.’—Mat. 6:33.

13. Inona no azonao atao raha te hifantoka amin’ny fanompoana ianao?

13 Ho afaka hifantoka amin’ny fanompoana ianao raha manatsotra fiainana. Hanam-potoana kokoa ianao amin’izay mba hanampiana ny hafa hahalala an’i Jehovah sy ho tia azy. * Azonao amboarina ve, ohatra, ny ora iasanao, amin’izay ianao afaka manompo bebe kokoa amin’ny andavanandro? Maninona raha ahena ny fotoana anaovanao fialam-boly sasany, raha mandany fotoana be izany?

14. Inona no nataon’ny mpivady iray mba hahafahany manompo bebe kokoa?

14 Izany no nataon’ny anti-panahy atao hoe Elias sy ny vadiny. Hoy i Elias: “Tsy afaka tonga dia nanao mpisava lalana izahay, nefa nisy zavatra azonay natao ihany. Nanao fanovana kely izahay mba ho afaka hanompo bebe kokoa. Niezaka tsy dia nandany vola, ohatra, izahay. Nahenanay koa ny fialam-boly nataonay, satria hitanay hoe nandany fotoana be tamin’izany izahay. Dia nangataka tamin’ny mpampiasa izahay hoe aleo ovana ny ora iasanay. Lasa afaka nitory takariva izahay, dia nahazo mpianatra betsaka kokoa. Afaka nitory andavanandro indroa isam-bolana mihitsy aza izahay. Tena faly be izahay!”

INONA NO HANAMPY ANTSIKA HAHAY HITORY SY HAMPIANATRA KOKOA?

Hihatsara foana ny fahaizantsika mitory sy mampianatra, raha mampihatra an’izay ianarantsika amin’ny fivoriana andavanandro isika (Fehintsoratra 15-16) *

15-16. Araka ny 1 Timoty 4:13, 15, inona no azo atao raha te hanatsara foana ny fahaizantsika mitory sy mampianatra isika? (Jereo koa ilay hoe “ Tanjona Ahafahako Manatsara ny Fanompoako.”)

15 Ho afaka ‘hanatanteraka tsara’ kokoa ny fanompoana isika, raha manatsara ny fahaizantsika mitory. Tsy maintsy miofana foana ny olona manao karazana asa sasany, amin’izay izy mihamahay sady mahavita asa tsara kokoa. Hoatr’izany koa isika mpitory. Mila mianatra foana isika mba hahay hitory sy hampianatra kokoa.—Ohab. 1:5; vakio ny 1 Timoty 4:13, 15.

16 Inona àry no azontsika atao mba hanatsarana foana ny fahaizantsika? Ilaina ny manaraka tsara ny fampianarana omena antsika isan-kerinandro mandritra ny Fivoriana Momba ny Fiainantsika sy ny Fanompoana. Manampy antsika hampitombo tsikelikely ny fahaizantsika mitory sy mampianatra io fiofanana io, ka tena sarobidy. Rehefa manoro hevitra an’ireo nahavita anjara, ohatra, ny mpitari-draharaha, dia eritrereto hoe inona amin’izay nolazainy no mety hanampy anao hanatsara ny fanompoanao. Azonao ampiharina ireny soso-kevitra ireny rehefa mitory ianao aorian’izay. Afaka mangataka fanampiana amin’ny mpiandraikitra ny andia-mpitory koa ianao, na mangataka hiara-manompo aminy, na amin’ny mpitory efa za-draharaha, na mpisava lalana, na mpiandraikitra ny faritra. Tsara koa ny mizatra mampiasa ny tsirairay amin’ireo Fitaovana Fampianarana. Hahafinaritra anao kokoa amin’izay ny mitory sy mampianatra.

17. Inona no ho vokany raha ‘manatanteraka tsara’ ny fanompoanao ianao?

17 Voninahitra lehibe ny hoe avelan’i Jehovah ‘hiara-miasa’ aminy! (1 Kor. 3:9) Hanompo azy “amim-pifaliana” ianao, raha ‘mamantatra tsara an’izay zava-dehibe kokoa’ sy mifantoka amin’ny fanompoana. (Sal. 100:2; Fil. 1:10) Matokia fa homen’i Jehovah hery hanaovana ny fanompoana ianao, na inona na inona olana atrehinao ary na dia voafetra aza ny vitanao. (2 Kor. 4:1, 7; 6:4) Na betsaka na kely no azonao atao, dia ho faly ianao rehefa manompo an’i Jehovah amin’ny tenanao manontolo. (Gal. 6:4) Raha ‘manatanteraka tsara’ ny fanompoanao ianao, dia hampiseho hoe tia an’i Jehovah sy ny mpiara-belona, ary “hamonjy ny tenanao sy ireo mihaino anao.”—1 Tim. 4:16.

HIRA 58 Tadiavo Ireo Zanaky ny Fiadanana

^ feh. 5 Nirahina hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana sy hanao mpianatra isika. Horesahina ato hoe inona no hanampy antsika ‘hanatanteraka tsara’ ny fanompoana, na dia manana olana maro aza isika. Hatoro antsika ato koa hoe inona no azo atao mba hahay hitory kokoa sy ho faly kokoa rehefa manompo.

^ feh. 4 FANAZAVANA: Anisan’ny fanompoana an’i Jehovah ny fitoriana sy fampianarana, fanorenana sy fikojakojana an’ireo tranon’ny fandaminana, ary ny fanampiana tra-boina.—Asa. 11:29; 2 Kor. 5:18, 19.

^ feh. 13 Jereo ny hevitra fito ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Jolay 2016, pejy 10, eo amin’ilay hoe “Ahoana no Hatao Raha Te Hanana Fiainana Tsotra?

^ feh. 62 SARY: Anabavy manao anjara amin’ny fivoriana andavanandro. Fiverenana mitsidika ilay anjarany. Omen’ny mpitari-draharaha torohevitra izy avy eo, dia mandray an-tsoratra ao amin’ilay bokikely Miezaha. Mampihatra an’izay nianarany izy rehefa manompo amin’ny faran’ny herinandro.