Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hananana Tokantrano Sambatra?

Ahoana no Hananana Tokantrano Sambatra?

Aoka ny lehilahy tsirairay avy ho tia ny vadiny tahaka ny tenany, ary aoka ny vehivavy hanaja fatratra ny vadiny.’​—EFES. 5:33.

HIRA: 87, 3

1. Inona no tokony hampoizin’izay manambady, na dia mahafinaritra aza matetika ny fiandohan’ny fanambadiany? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

ALAO sary an-tsaina ny olon-droa amin’ny andro fampakaram-badiny, amin’ilay izy vao mihaona iny. Faly erỳ ry zareo! Ny paoziny koa mahafinaritra be. Lasa nifankatia be ry zareo rehefa nampiaraka, ka vonona hanao voady hoe tsy hivadika mihitsy. Misy zavatra tsy maintsy ovany anefa, satria samy nanana ny fiainany izy taloha nefa hiara-miaina manomboka izao. Soa ihany fa manome torohevitra tena tsara ny Tenin’Andriamanitra. Tian’ilay Mpamorona ny fanambadiana ho sambatra mantsy ny mpivady. (Ohab. 18:22) Milaza mazava tsara koa anefa ny Baiboly fa “hanam-pahoriana amin’ny nofony” izay manambady, satria tsy lavorary izy ireo. (1 Kor. 7:28) Inona àry no azo atao mba ho zara raha misy izany fahoriana izany? Ahoana no hahasambatra ny mpivady?

2. Inona avy ny karazana fitiavana tokony hananan’ny mpivady?

2 Milaza ny Baiboly fa tena ilaina ny fitiavana. Misy karazany izy io. Ilain’ny mpivady, ohatra, ny maneho firaiketam-po (filia, amin’ny teny grika). Ilainy koa ny maneho an’ilay fitiavana ananan’ny mpifankatia (erôs). Tena ilaina koa ny fitiavana ny mpianakavy (stôrge) rehefa manan-janaka izy ireo. Ny fitiavana agape anefa no tena mahasambatra ny tokantrano. Manaraka ny toro lalan’i Jehovah ny olona maneho azy io. Hoy ny apostoly Paoly momba izany: ‘Aoka ny lehilahy tsirairay avy ho tia ny vadiny tahaka ny tenany, ary aoka kosa ny vehivavy hanaja fatratra ny vadiny.’​—Efes. 5:33.

NY ANDRAIKITRY NY TSIRAIRAY

3. Tokony hanao ahoana ny fifankatiavan’ny mpivady?

3 Hoy i Paoly: “Ry lehilahy, tiavo foana ny vadinareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana sy ny nanolorany ny tenany hamonjy azy.” (Efes. 5:25) Tokony hanahaka an’i Jesosy ny mpanara-dia azy, ka hifankatia toy ny nitiavany azy ireo. (Vakio ny Jaona 13:34, 35; 15:12, 13.) Tokony hifankatia be àry ny mpivady kristianina, ka ho vonona ho faty ho an’ny vadiny raha ilaina izany. Mety tsy ho vonona hanao an’izany mihitsy anefa ny mpivady, raha misy olana lehibe eo amin-dry zareo. Ilainy àry ny manana fitiavana agape. “Mandefitra ny zava-drehetra” mantsy izy io, “mino ny zava-drehetra, manantena ny zava-drehetra, miaritra ny zava-drehetra.” “Tsy ho levona mandrakizay” izy io. (1 Kor. 13:7, 8) Tokony hotadidin’ny mpivady foana ilay voady nifanaovany hoe hifankatia foana ary tsy hivadika mihitsy. Hanampy azy ireo izany mba samy hiezaka hampihatra ny fitsipik’i Jehovah, ka hiara-hamaha an’izay olana mitranga.

4, 5. a) Ahoana no tokony hiheveran’ny vehivavy ny fahefan’ny vadiny? b) Inona no tokony hataon’ny lehilahy manambady? d) Inona no fiovana tsy maintsy nataon’ny mpivady iray?

4 Hoy i Paoly rehefa niresaka ny andraikitry ny lehilahy sy vehivavy manambady: “Aoka ny vehivavy hanaiky ny vadiny, toy ny anekeny ny Tompo, satria ny lehilahy no lohan’ny vadiny, toa an’i Kristy izay lohan’ny fiangonana.” (Efes. 5:22, 23) Tsy mahatonga ny vehivavy ho ambany noho ny vadiny izany, fa manampy azy hahavita ny andraikitra nomen’i Jehovah azy. Hoy mantsy izy: “Tsy tsara raha irery foana ralehilahy [Adama]. Hanao mpanampy ho azy aho, ho famenony.” (Gen. 2:18) Ny lehilahy indray tokony hanahaka an’i Kristy, ilay “lohan’ny fiangonana”, ka haneho fitiavana rehefa mampihatra ny fahefany. Hahatsiaro ho sambatra ny vadiny amin’izay, sady ho mora kokoa aminy ny hanaja azy sy hanohana azy ary hanaiky ny fahefany.

5 Niaiky i Cathy [1] hoe: “Tsy niankina tamin’iza na iza aho tamin’ny mbola tsy nanambady, sady izaho ihany no nikarakara ny tenako. Nila niova aho rehefa nanambady, dia nianatra niantehitra tamin’ny vadiko. Sarotra ilay izy indraindray. Lasa mifandray kokoa anefa izahay, satria manao izay asain’i Jehovah atao.” Hoy i Fred vadiny: “Efa sarotra tamiko foana ny nanapa-kevitra. Mainka moa fa hanapa-kevitra ho an’olona roa! Nangataka ny fanampian’i Jehovah anefa aho sady nihaino tsara an’izay nolazain’ny vadiko, dia lasa mihamora amiko ilay izy isan’andro. Tena mifameno izahay!”

6. Nahoana ny fitiavana no “fatorana mampiray tonga lafatra” eo amin’ny mpivady?

6 Mandeha tsara ny fiainana ao an-tokantrano rehefa mitadidy ny mpivady hoe samy tsy lavorary. ‘Mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka foana’ izy ireo. Tsy maintsy hanao fahadisoana mantsy na ilay lehilahy na ilay vehivavy. Afaka mandray lesona anefa izy ireo rehefa mitranga izany. Afaka mamela heloka koa izy ireo ary manao izay hanjakan’ny fitiavana. “Fatorana mampiray tonga lafatra” mantsy izy io. (Kol. 3:13, 14) “Mahari-po sy tsara fanahy” ary “tsy mitana lolompo” koa izy ireo raha manam-pitiavana. (1 Kor. 13:4, 5) Mila alamin’ny mpivady haingana ny olana eo amin’izy ireo mba tsy hitohy ny ampitso. (Efes. 4:26, 27) Ilaina ny miteny hoe: “Azafady fa nampalahelo anao ny nataoko.” Marina fa mila manetry tena sy tsy matahotahotra ny mpivady vao hahavita an’izany, nefa hamaha olana sy hampifandray am-po azy ireo izany.

TENA ILAINA NY HATSARAM-PANAHY

7, 8. a) Inona no torohevitry ny Baiboly momba ny firaisana? b) Nahoana ny olona manambady no tokony ho tsara fanahy amin’ny vadiny?

7 Miresaka momba ny adidy amin’ny vady ny Baiboly, ary manome torohevitra manampy ny mpivady hahay handanjalanja. (Vakio ny 1 Korintianina 7:3-5.) Mila mihevitra ny fihetseham-pon’ny vadiny sy izay ilainy ny lehilahy, ary tokony hanao hoatr’izany koa ny vehivavy. Mety tsy hahafinaritra ny vehivavy ny manao firaisana, raha tsy tsara fanahy aminy ny vadiny. Tokony hitondra ny vadiny “araka ny fahalalana” ny lehilahy. (1 Pet. 3:7) Tsy tokony hoterena na hotakina mihitsy ny hoe hanao firaisana, fa tokony ho tonga ho azy. Marina fa matetika ny lehilahy no tonga dia vonona hanao firaisana, fa tsy hoatr’izany ny vehivavy. Tokony hifampiahy anefa izy ireo, ka tokony ho samy efa vonona vao hanao firaisana.

8 Marina fa tsy resahin’ny Baiboly hoe inona avy no azon’ny mpivady atao na tsy azony atao rehefa mifaneho fitiavana izy mandritra ny firaisana. Miresaka fifanehoam-pitiavana ihany anefa izy io. (Tonon. 1:2; 2:6) Tokony ho tsara fanahy amin’ny vadiny foana ny Kristianina.

9. Nahoana no tena tsy mety raha maniry hanao firaisana amin’olona tsy vadiny ny olona iray?

9 Raha tena tia an’Andriamanitra sy ny vadiny ny Kristianina, dia tsy havelany hisy na inona na inona ary na iza na iza hanimba ny fifandraisany amin’ny vadiny. Lasa zatra nijery sary vetaveta ny olona sasany, ka tsy nifandray tsara tamin’ny vadiny intsony na rava ny tokantranony. Ilaina àry ny miady mafy raha mitady hijery sary vetaveta ianao, na te hanao firaisana amin’olona tsy vadinao. Mila tandremanao koa ny zavatra ataonao, sao dia hahatonga anao ho hoatran’ny hoe taratara amin’ny olona tsy vadinao. Tsy maneho fitiavana ny vadinao mantsy ianao raha manao an’izany. Ho tapa-kevitra kokoa ny hampifaly an’i Jehovah sy hadio fitondran-tena ianao, raha mitadidy fa hainy daholo izay eritreretinao sy ataonao.​—Vakio ny Matio 5:27, 28; Hebreo 4:13.

AHOANA NO HANDAMINANA OLANA?

10, 11. a) Inona no manaporofo fa betsaka ny misara-panambadiana? b) Inona no lazain’ny Baiboly momba ny hoe misintaka? d) Inona no hanampy ny olona manambady tsy ho maika hisintaka?

10 Mety ho te hisintaka na hisaraka ny iray amin’ny mpivady na izy roa, rehefa misy olana lehibe tsy mety voalamina. Misara-panambadiana ny antsasany mahery amin’ny mpivady, any amin’ny tany sasany. Marina fa tsy betsaka an’izany eo anivon’ny mpanompon’i Jehovah, kanefa mihamaro ihany ny mpivady manana olana ka mampanahy.

11 Hoy ny Baiboly: “Tsy tokony hiala amin’ny vadiny ny vehivavy. Raha tena miala tokoa anefa izy, dia aoka hitoetra ho tsy manambady na aoka hody amin’ny vadiny. Ary tsy tokony hiala amin’ny vadiny ny lehilahy.” (1 Kor. 7:10, 11) Tsy tokony hieritreritra ny mpivady hoe tsy dia mampaninona ny misintaka. Hoatran’ny hoe vahaolana izany rehefa misy olana lehibe. Matetika anefa no vao mainka mitatra ilay izy. Nilaza i Jehovah hoe handao ny rainy sy ny reniny ny lehilahy ka hikambana amin’ny vadiny. Namerina niteny an’izany i Jesosy, ary nilaza hoe: ‘Aoka izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.’ (Mat. 19:3-6; Gen. 2:24) Midika koa izany hoe na ny mpivady aza tsy tokony handrava ny fanambadiany. Maharitra mandra-maty ny fanambadiana, amin’i Jehovah. (1 Kor. 7:39) Mbola hotsarainy koa isika rehetra. Raha mitadidy an’izany ny mpivady, dia hiezaka mafy handamina haingana an’izay olana mitranga, dieny mbola tsy mitatra ilay izy.

12. Inona no mety hahatonga ny mpivady hieritreritra ny hisintaka?

12 Mety ho nanonofy ny olona iray hoe ho sambatra be izy rehefa manambady. Ahoana anefa raha tsy tanteraka izany? Mety hampisy olana izany satria lasa tsy afa-po izy, na mahatsiaro ho voafitaka, na tezitra. Tsy mitovy koa ny fihetseham-pon’ny mpivady sy ny fomba nitaizana azy, ka mety hiteraka olana. Mety tsy hampifanaraka azy ireo koa ny resaka vola sy fifandraisana amin’ny havam-bady ary ny fitaizana. Mahafinaritra anefa fa mahita marimaritra iraisana ny ankamaroan’ny mpivady mpanompon’i Jehovah, rehefa mipoitra ireny olana ireny. Manaraka ny tari-dalan’i Jehovah mantsy izy ireo.

13. Inona avy no antony ara-drariny mahatonga ny olona hisintaka?

13 Rariny indraindray raha misintaka ny olona iray. Angamba tsy mety mamelona ny ankohonany mihitsy ilay lehilahy, na faran’izay mahery setra, na misakana azy tsy hanompo an’i Jehovah mihitsy. Tokony hangataka fanampiana amin’ny anti-panahy ny mpivady rehefa manana olana lehibe. Efa manana traikefa izy ireny, ka afaka manampy azy ireo hampihatra ny torohevitry ny Baiboly. Ilaina koa ny mivavaka mba homen’i Jehovah fanahy masina. Angataho izy hanampy anareo mivady hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly sy haneho vokatry ny fanahy.​—Gal. 5:22, 23. [2]

14. Inona no lazain’ny Baiboly amin’ny Kristianina manambady tsy Vavolombelona?

14 Mety ho mbola tsy mpanompon’i Jehovah ny vadin’ny Kristianina iray. Milaza ny Baiboly fa tsy tokony hisaraka izy ireo, ary resahina ao koa ny anton’izany. (Vakio ny 1 Korintianina 7:12-14.) Voalaza ao hoe “hamasinina” ilay vady tsy Vavolombelona, satria manambady mpanompon’i Jehovah. Azo lazaina koa hoe “masina” na madio eo anatrehan’Andriamanitra ny zanak’izy ireo raha mbola kely. Hoy i Paoly: “Tsy fantatrao angaha ravehivavy fa mety ho voavonjinao ny vadinao? Ary tsy fantatrao angaha ralehilahy fa mety ho voavonjinao ny vadinao?” (1 Kor. 7:16) Maro tokoa ny Kristianina nanampy ny vadiny ho lasa mpanompon’i Jehovah, ka toy ny hoe namonjy azy.

15, 16. a) Inona no lazain’ny Baiboly amin’ny vehivavy manambady tsy Vavolombelona? b) Ahoana raha mifidy ny “hiala” ilay vady tsy Vavolombelona?

15 Nampirisika ny vehivavy kristianina ny apostoly Petera hoe: “Maneke ny vadinareo mba ho voataonanareo tsy amin’ny teny izy, raha misy tsy mankatò ny teny masina, fa amin’ny fitondran-tena kosa, noho izy mahita ny fitondran-tena madio anananareo, sy ny fanajana lalina asehonareo.” Tsara kokoa raha tsy mafana fo be loatra ny vehivavy, rehefa miresaka momba ny zavatra inoany amin’ny vadiny. Mety hanampy kokoa ny vadiny hanaiky ny fahamarinana izy, raha miezaka hanana “toetra tony sy malemy paika, izay tena sarobidy eo imason’Andriamanitra.”​—1 Pet. 3:1-4.

16 Ahoana anefa raha te hisaraka ilay vady tsy Vavolombelona? Hoy ny Baiboly: ‘Raha ilay tsy mino no te hiala, dia avelao izy hiala. Tsy voageja ny rahalahy na ny anabavy ao anatin’ny toe-javatra toy izany, fa Andriamanitra efa niantso anareo ho amin’ny fihavanana.’ (1 Kor. 7:15) Na misintaka aza anefa ilay vady tsy Vavolombelona, dia tsy afaka manambady olon-kafa ilay Kristianina, raha ny Baiboly no jerena. Tsy azony terena hijanona koa ilay vadiny. Mety hampilamina olana ilay fisintahana. Afaka manantena anefa ilay Kristianina hoe hiverina ilay vadiny ka ho vonona hanatsara ny tokantranony. Mety ho lasa mpanompon’i Jehovah koa aza izy.

INONA NO TOKONY HO ZAVA-DEHIBE INDRINDRA?

Ho sambatra kokoa ny mpivady raha ny fanompoana an’i Jehovah no zava-dehibe indrindra amin’izy ireo (Fehintsoratra 17)

17. Inona no tokony ho zava-dehibe indrindra amin’ny mpivady kristianina?

17 Efa tena ao anatin’ny “andro farany” isika, ka miaina amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina.” (2 Tim. 3:1-5) Mila miezaka mifandray akaiky amin’i Jehovah foana àry isika, mba tsy ho voataonan’ity tontolo ity. Hoy i Paoly: “Efa kely sisa ny fotoana tavela. Manomboka izao, dia aoka izay manambady ho toy ny tsy manana, . . . ary izay mampiasa an’izao tontolo izao, ho toy ireo tsy revo tanteraka aminy.” (1 Kor. 7:29-31) Tsy te hilaza akory i Paoly hoe tsy tokony hiraharaha ny vadiny ny Kristianina. Efa kely anefa sisa ny fotoana, ka ny fanompoana an’i Jehovah no tokony ho zava-dehibe indrindra amin’izy ireo.​—Mat. 6:33.

18. Nahoana ny Kristianina no afaka manana tokantrano sambatra?

18 Marina fa tena sarotra ny fiainana ary be dia be ny tokantrano mikorontana. Ho sambatra anefa ny mpivady kristianina raha miaraka foana amin’ny mpanompon’i Jehovah, mampihatra ny torohevitry ny Baiboly, ary manaiky ny tari-dalan’ny fanahy masina. Tsy hampisaraka an’izay “nampiraisin’Andriamanitra zioga” izy ireo amin’izay.​—Mar. 10:9.

^ [1] (fehintsoratra 5) Novana ireo anarana.

^ [2] (fehintsoratra 13) Jereo ny boky “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”, ao amin’ilay hoe “Azo Atao ve ny Misaraka na Misintaka?”, pejy 219-221.