Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitadiava Zava-tsarobidy Noho ny Volamena

Mitadiava Zava-tsarobidy Noho ny Volamena

Efa nitrandraka volamena ve ianao dia nahita? Vitsy ny olona nahita hoatr’izany. Misy olona an-tapitrisany nahita zava-tsarobidy noho ny volamena anefa. Tsy inona izany fa ny fahendrena avy amin’Andriamanitra. Tsy azo atakalo azy io “na ny volamena tsy misy fangarony aza.”​—Joba 28:12, 15.

TOY ny mpitrandraka volamena ny olona mianatra Baiboly. Mila miezaka mafy sy mikaroka foana ao amin’ny Soratra Masina izy raha te hahazo fahendrena. Sarobidy be mantsy izy io. Azony tahafina ny zavatra telo ataon’ny mpitrandraka volamena.

NAHITA PITINY KELY

Eritrereto hoe mandeha eny amoron-drano ianao dia mahita piti-javatra kely manjelanjelatra. Miondrika maka an’ilay izy ianao ary faly be satria hay volamena ilay izy! Kely noho ny lohana afokasoka ilay izy, ary tsy fahita firy hoatran’ny diamondra faran’izay tsara. Mijerijery ny manodidina ianao sao dia mbola mahita.

Tsaroanao tsara angamba fa hoatr’izany koa no tsapanao rehefa nisy mpanompon’i Jehovah tonga tany aminao ary niresaka ny fampanantenan’ny Baiboly. Angamba toy ny nahita piti-bolamena ianao tamin’ianao vao nahita tao amin’ny Baiboly hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra, na tamin’ianao nahalala hoe afaka ny ho namany ianao. (Sal. 83:18; Jak. 2:23) Tonga dia resy lahatra ianao hoe nahita zava-tsarobidy noho ny volamena, ka mbola te hikaroka mafy hoatran’ilay izy indray.

MBOLA NAHITA INDRAY

Eny amin’ny renirano na sakelidrano matetika no ahitana takela-bolamena kely. Raha mazoto mitrandraka eny amin’ireny toerana ireny ny mpitrandraka, dia hahita volamena betsaka mitentina an-tapitrisany ariary, ao anatin’ny volana vitsivitsy monja.

Angamba ianao nahatsapa hoe toy ny olona manivana volamena eny amin’ny toerana be volamena, rehefa nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nitombo ny zavatra fantatrao rehefa niezaka nisaintsaina andinin-teny maro ianao. Lasa nahafantatra kokoa an’i Jehovah ianao. Nazoto nisaintsaina an’izay nianaranao ianao, ka lasa fantatrao hoe inona no hanampy anao hifandray aminy sy ho tiany foana ary hiaina mandrakizay.​—Jak. 4:8; Joda 20, 21.

Miezaka mafy toy ny mpitrandraka volamena ve ianao mba hianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly?

Miezaka mitady toerana be volamena ny mpitrandraka azy io. Angamba koa ianao niezaka mafy mba hahita harena ara-panahy. Nianatra ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly aloha ianao. Lasa te hanokan-tena sy hatao batisa ianao avy eo, ka niezaka niova.​—Mat. 28:19, 20.

MITADIAVA FOANA!

Mety hisy potipotika volamena ny karazana vato sasany. Mety ho betsaka ny volamena ao amin’ireny vato ireny rehefa atambatra, ka hadina mihitsy ilay toerana misy azy mba hakana an’ilay vato. Potipotehina ilay vato avy eo mba hakana an’ilay volamena. Tsy tonga dia hita ilay volamena, satria mety ho volamena 10 grama eo ho eo monja no ao amin’ny vato iray taonina, raha be indrindra. Trandrahin’ny mpitrandraka ihany anefa ilay izy satria sarobidy aminy.

Mbola mila miezaka koa ianao rehefa avy nahalala an’ireo “fampianarana fototra momba an’i Kristy.” (Heb. 6:1, 2) Miezaha mafy hahita hevitra vaovao sy lesona azo ampiharina rehefa mianatra. Inona àry no azonao atao mba hisy zavatra azonao ianarana foana, na dia efa imbetsaka aza ianao no nianatra Baiboly?

Mazotoa foana mianatra, dia hahazo fahendrena sy tari-dalana avy amin’Andriamanitra ianao. (Rom. 11:33) Diniho ny tsipirian’ilay zavatra ianaranao. Ampiasao tsara izay fitaovana fikarohana efa misy amin’ny fiteninao, amin’izay hahay Baiboly kokoa ianao. Manàna faharetana ka tadiavo izay tari-dalana ilainao sy ny valin’ny fanontanianao momba ny Baiboly. Anontanio an’ireo mpiara-manompo izay andinin-teny na lahatsoratra hitany fa tena manampy sy mampahery. Zarao koa ny hevitra mahaliana nianaranao.

Mazava ho azy fa tsy ny hampitombo ny fahalalanao fotsiny no tanjonao. Nilaza mantsy ny apostoly Paoly fa ‘mampirehareha ny fahalalana.’ (1 Kor. 8:1) Miezaha mafy àry hanetry tena sy hanana finoana matanjaka. Ataovy tsy tapaka ny fotoam-pivavahan’ny fianakaviana sy ny fianarana samirery, amin’izay ianao hankatò ny fitsipik’i Jehovah foana sady hazoto hanampy ny hafa. Ho faly koa ianao satria hahita zava-tsarobidy noho ny volamena.​—Ohab. 3:13, 14.