Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Johannes Rauthe tamin’izy nitory, tamin’ny 1925 tany ho any

FANTARO NY TANTARANTSIKA

“Mahita Vokatra Aho ka Midera An’i Jehovah”

“Mahita Vokatra Aho ka Midera An’i Jehovah”

IZAO no voalaza tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 1915 momba ny Ady Lehibe I: ‘Tsy misy dikany ny ady rehetra taloha, raha ampitahaina amin’ny ady lehibe mitranga any Eoropa.’ Firenena 30 teo ho eo no nandray anjara tamin’izy io. Voalaza tao koa fa lasa ‘voasakantsakana ny fitoriana, indrindra fa tany Alemaina sy Frantsa.’

Nafotaka ny ady. Nisy Mpianatra ny Baiboly nanao miaramila, satria tsy tena azon’izy ireo ilay hoe tsy momba ny atsy na ny aroa. Nitory ny vaovao tsara foana anefa izy ireo. Nanafatra an’ilay hoe Ny Gazetin’ny Mpianatra ny Baiboly Mivoaka Isam-bolana tamin’ny teny frantsay, ohatra, i Wilhelm Hildebrandt. Alemà izy ary tany Frantsa tamin’izay. Tsy hanao mpisava lalana anefa no anton-diany tany, fa hanao miaramila. Nanao akanjona miaramila izy ary nitory hoe hanjaka ny fiadanana amin’ny hoavy. Gaga ny Frantsay satria fahavalon’izy ireo ny Alemà.

Hita tamin’ireo taratasy navoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana fa nisy rahalahy alemà hafa nazoto nitory, na dia tamin-dry zareo nanao miaramila aza. Tao amin’ny tafika an-dranomasina, ohatra, ny Rahalahy Lemke. Nilaza izy fa dimy tamin’ny mpiara-miasa taminy no liana tamin’ny fahamarinana. Hoy izy: “Mahita vokatra aho ka midera an’i Jehovah, na dia etỳ ambony sambo aza.”

I Georg Kayser indray nandray anjara tamin’ny ady mihitsy tamin’izy miaramila. Efa lasa mpanompon’i Jehovah anefa izy rehefa nody. Nahazo boky navoakan’ny Mpianatra ny Baiboly mantsy izy, dia lasa tia fahamarinana. Tsy nety nampiasa fitaovam-piadiana intsony izy, fa asa tsy mifandray amin’ny ady no nataony. Mpisava lalana nafana fo nandritra ny taona maro izy, taorian’ny ady.

Tena tsy nitovy tamin’ny an’ireo nankasitraka ny ady ny toe-tsain’ny Mpianatra ny Baiboly sy ny nataony, na dia mbola tsy azony tsara aza ny hoe tsy momba ny atsy na ny aroa. Nanohana ny ady ny mpanao politika sy ny mpitondra fivavahana, fa ry zareo kosa nanohana an’ilay “Andrianan’ny Fiadanana.” (Isaia 9:6) Marina fa tsy hentitra tsara ny sasany taminy. Nitovy hevitra tamin’ny Rahalahy Konrad Mörtter anefa izy ireo. Hoy izy: “Tena manaiky aho, rehefa mijery ny Tenin’Andriamanitra, fa tsy tokony hamono olona ny Kristianina.”​—Eks. 20:13. *

Hans Hölterhoff, nampahafantatra an’ilay gazety Fotoam-pahasambarana

Tsy nisy lalàna tany Alemaina hoe mahazo tsy manao miaramila ny olona raha tsy eken’ny feon’ny fieritreretany izany. Mpianatra ny Baiboly 20 mahery anefa no tsy nety nanao miaramila na zavatra hafa mifandray amin’izany. Nolazaina fa marary saina ny sasany, anisan’izany i Gustav Kujath. Nalefa tany amin’ny trano fitsaboana adala izy, ary nomena fanafody ho an’ny marary saina. Tsy nety nanao miaramila koa i Hans Hölterhoff, ka nogadraina. Tsy nety nanao asa nifandray tamin’ny ady koa izy tany. Nofatoran’ireo mpiambina faran’izay mafy àry ny tanany sy ny tongony, ary tsy navelany raha tsy ngoly. Tsy nety niova hevitra izy, dia mody nataon-dry zareo hoe hovonoina ho faty. Tsy nivadika mihitsy anefa i Hans nandritra ny ady.

Tsy nety nitondra fitaovam-piadiana ny rahalahy hafa voantso hanao miaramila, fa nangataka hanao zavatra hafa. * Anisan’izany i Johannes Rauthe. Nalefa niasa teny amin’ny lalamby àry izy. I Konrad Mörtter sy Reinhold Weber kosa nasaina nanampy tamin’ny resaka fitsaboana. I August Krafzig indray faly satria tsy anisan’ireo nalefa niady. Te hanompo an’i Jehovah foana ireo rahalahy ireo sy ny hafa, ka arakaraka izay fahazoany ny dikan’ny hoe tia an’i Jehovah sy ny hoe tsy mivadika no nataony.

Lasa nanara-maso ny Mpianatra ny Baiboly ny manam-pahefana, noho izy ireo tsy nanohana ny ady. Nandritra ny taona maromaro taorian’ny ady, dia inarivony ry zareo tany Alemaina no niakatra fitsarana satria nitory ny vaovao tsara. Nanangana Sampan-draharaha Momba ny Lalàna tany amin’ny Betelan’i Magdebourg àry ny biraon’ny sampan’i Alemaina, mba hanampiana azy ireo.

Nihanazava tsikelikely tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny tena dikan’ilay hoe tsy momba ny atsy na ny aroa. Rehefa nipoaka àry ny Ady Lehibe II, dia tsy nety nanao miaramila mihitsy izy ireo sady tsy nety nanao zavatra misy ifandraisana amin’izany. Noheverina ho fahavalon’ny Fitondrana Alemà àry izy ireo, ka nampijalijalina. Tantara hafa mihitsy anefa izany, ka horesahintsika amin’ny manaraka, ato amin’ity andian-dahatsoratra ity.​—Avy any amin’ny tahirintsika any Eoropa Afovoany.

^ feh. 7 Jereo ny tantaran’ny Mpianatra ny Baiboly tany Grande-Bretagne, nandritra ny Ady Lehibe I, ao amin’ilay hoe “Fantaro ny Tantarantsika”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 2013.

^ feh. 9 Izany no soso-kevitra nomena tao amin’ny Boky Faha-6 tamin’ilay hoe Fiandohan’ny Arivo Taona (anglisy, 1904) sy Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona Aogositra 1906 (alemà). Voalaza tao amin’ny Tilikambo Fiambenana Septambra 1915 anefa fa tsara kokoa raha tsy manao miaramila mihitsy ny Mpianatra ny Baiboly. Tsy nisy tamin’ny teny alemà io lahatsoratra io.