Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsapanao ve hoe Ilaina ny Mampiofana ny Hafa?

Tsapanao ve hoe Ilaina ny Mampiofana ny Hafa?

“Tsara ny fampianarana homeko anareo.”​—OHAB. 4:2.

HIRA: 93, 96

1, 2. Nahoana isika no tokony hampiofana ny hafa?

NY NITORY ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana no tena asan’i Jesosy. Nanokana fotoana koa anefa izy mba hampiofanana ny hafa ho lasa mpampianatra sy mpiandry ny andian’ondry. (Mat. 10:5-7) Nazoto nitory koa i Filipo, sady nampiofana an’ireo zanany efa-bavy mba hahay hitory. (Asa. 21:8, 9) Mbola ilaina koa ve ny mampiofana ankehitriny?

2 Mihamaro ny olona mianatra Baiboly maneran-tany. Mila ampiana ireny olona mbola tsy vita batisa ireny mba hahatsapa hoe tena ilainy ny mianatra samirery ny Baiboly. Tsy maintsy ampianarina hitory ny vaovao tsara sy hampianatra koa izy ireo. Ireo rahalahy indray mila ampirisihina hiezaka mafy mba hahafeno fepetra ho mpanampy amin’ny fanompoana na anti-panahy. Ho afaka handroso ara-panahy tokoa ireo vaovao, raha misy ‘mampianatra tsara’ azy.​—Ohab. 4:2.

AMPIRISIHO HIANATRA IZY MBA HO BE HERIM-PO SY HANANA FAHENDRENA

3, 4. a) Araka ny tenin’i Paoly, nahoana no ilaina ny mianatra samirery? b) Inona no tsy maintsy ataontsika, izay isika vao tokony hampirisika ny hafa hianatra samirery?

3 Tena ilaina ny mianatra samirery ny Baiboly. Hoy mantsy ny apostoly Paoly tamin’ny Kristianina tany Kolosia: ‘Tsy nitsahatra nivavaka sy nangataka ho anareo izahay, mba hofenoina fahalalana marina tsara ny sitrapon’Andriamanitra ianareo.’ Nahoana izy ireo no tena nila namaky sy nianatra ny Soratra Masina? Amin’izay izy ireo hanana fahendrena sady ho afaka “handeha mendrika an’i Jehovah ... mba hankasitrahany tanteraka.” Hanampy azy ireo koa izany mba hahavita ny “asa tsara rehetra” tian’i Jehovah hataony, indrindra fa ny fitoriana ny vaovao tsara. (Kol. 1:9, 10) Tokony hataontsika azon’ny olona ampianarintsika àry fa mila mamaky sy mianatra tsy tapaka ny Baiboly izy, raha te hanompo tsara an’i Jehovah.

4 Isika mihitsy anefa aloha no mila resy lahatra hoe ilaina ny mianatra samirery, izay isika vao ho afaka hanampy ny hafa hianatra samirery. Tokony ho efa zatra mianatra tsara ny Baiboly isika. Mila misaintsaina isika hoe: ‘Haiko ve ny mampiasa ny Baiboly rehefa misy milaza hevitra mifanohitra amin’izay lazain’izy io, na mametraka fanontaniana sarotra? Rehefa mamaky ao amin’ny Baiboly aho hoe nikiry nitory foana i Jesosy sy Paoly ary ny olon-kafa, misaintsaina an’izany ve aho ka lasa vonona hitory foana koa?’ Mila ny fampianarana sy ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra isika rehetra. Tsara àry raha resahintsika amin’ny hafa ny hevitra nahasoa antsika tamin’ny fianarantsika azy io. Mety hazoto hianatra Baiboly koa izy ireo amin’izay, ka handray soa.

5. Inona no azo atao mba hanampiana ny vaovao ho zatra mianatra samirery?

5 Ahoana àry no hanampianao ny mpianatrao ho zatra mianatra samirery? Asehoy azy hoe ahoana no hanomanana ny fianaranareo. Ampirisiho koa izy hijery ny andinin-teny sy hamaky ny Fanazavana Fanampiny mifandray amin’ny toko ianaranareo, ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Ampio hanomana fivoriana izy, amin’izay afaka mamaly rehefa any. Ampirisiho izy hamaky an’izay Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! rehetra mivoaka. Atoroy azy ny fomba fampiasa ny Watchtower Library na ny FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny Internet, rehefa hikaroka valin’ny fanontaniana ara-baiboly izy. Azo inoana fa vetivety dia ho tiany be ny hianatra samirery ny Tenin’Andriamanitra, rehefa ampianao hoatr’izany izy.

6. a) Inona no azonao atao mba ho lasa tena tia Baiboly ny olona ampianarinao? b) Inona no hataon’ny olona iray rehefa lasa tena tia ny Soratra Masina izy?

6 Tsy manery an’iza na iza hamaky sy hianatra Baiboly isika. Mampiasa ny fitaovana omen’ny fandaminan’i Jehovah anefa isika, mba hanampiana ny olona ampianarintsika ho tia kokoa azy io. Rehefa mandeha ny fotoana, dia mety hitovy hevitra amin’ny mpanao salamo izy hoe: “Ny manakaiky an’Andriamanitra no tsara amiko. I Jehovah Tompo Fara Tampony no ataoko fialofako.” (Sal. 73:28) Hanjary hazoto hianatra tsara ny Baiboly ilay olona, ary azo antoka fa hanampy azy ny fanahin’i Jehovah.

AMPIOFANO HITORY SY HAMPIANATRA IZY

7. Ahoana no nampiofanan’i Jesosy ny mpianany mba hitory? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

7 Resahin’ny Matio toko faha-⁠10 fa nomen’i Jesosy toromarika ny apostoly 12 mba hahay hitory. Voafaritra tsara ilay izy, fa tsy tamin’ny ankapobeny fotsiny. [1] Nihaino tsara an’i Jesosy ireo apostoly, ary nandeha nitory izy rehetra avy eo. Nahita ny nataon’i Jesosy izy ireo, ka tsy ela dia lasa tena nahay nampianatra ny fahamarinana. (Mat. 11:1) Azontsika ampiofanina hahay hitory koa ny olona ampianarintsika Baiboly. Handinika fomba roa anaovana an’izany isika.

8, 9. a) Ahoana no nataon’i Jesosy rehefa nitory? b) Inona no tokony hataontsika mba hanahaka an’i Jesosy ny olona ampianarintsika?

8 Ampianaro hahay hiresadresaka izy. Matetika i Jesosy no nitory ny vaovao tsara tamin’ny olona tsirairay. Niresadresaka tamin’ilay olona aloha izy vao nitory. Nahafinaritra, ohatra, ny resak’izy sy ny vehivavy iray teo amin’ny Fantsakan’i Jakoba, teo akaikin’ny tanànan’i Sykara. (Jaona 4:5-30) Niresaka tamin’i Matio Levy, mpamory hetra, koa izy. Tsy miresaka be momba izany ny Filazantsara, fa milaza fotsiny hoe nanaiky i Matio rehefa nantsoin’i Jesosy hanara-dia azy. Rehefa tao amin’ilay fanasambe tao an-tranon’i Matio koa i Jesosy, dia niresaka elaela taminy sy tamin’ny olona tao.​—Mat. 9:9; Lioka 5:27-39.

9 Nahafinaritra koa ny resadresaka nataon’i Jesosy tamin’i Natanaela, na dia nanakiana ny olona avy tao Nazareta aza i Natanaela. Avy tany Nazareta i Jesosy, nefa niova ny fiheveran’i Natanaela azy noho ilay resadresaka nifanaovan’izy ireo. Lasa te hahalala bebe kokoa ny fampianarany i Natanaela. (Jaona 1:46-51) Hitantsika amin’izany fa ilaina ny mampianatra an’ireo vaovao mba hanao resadresaka mahafinaritra amin’ny olona. [2] Ho hitany hoe mandray tsara ny olona tso-po rehefa miahy azy ireny sy tsara fanahy amin’izy ireny isika. Hahafaly azy kokoa ny fanompoana amin’izay.

10-12. a) Ahoana no nanampian’i Jesosy ny olona liana? b) Ahoana no azontsika anampiana ny mpitory vaovao hahay hampianatra kokoa?

10 Ampianaro hanampy ny olona liana izy. Voafetra ihany ny fotoana nahafahan’i Jesosy nitory. Rehefa nisy olona vonona hihaino anefa, dia naka fotoana izy hampianarana azy ireo. Nisy olona maro te hihaino azy, ohatra, indray mandeha, ka nampianatra azy ireo avy tao anaty sambo izy. Tian’i Jesosy ho azon’i Petera koa fa mbola betsaka ny olona liana mila ampiana. Nanao fahagagana àry izy, dia nahazo trondro be dia be i Petera. Hoy izy avy eo: “Manomboka izao dia olona velona no ho azonao.” Inona no vokatr’izany? Naverin’i Petera sy ny namany “teny an-tanety ny sambokely, ary nandao ny zava-drehetra” izy ireo, ka “lasa nanaraka” an’i Jesosy.​—Lioka 5:1-11.

11 Te hahafantatra an’izay nampianarin’i Jesosy i Nikodemosy, izay anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy. Natahotra anefa izy hoe inona no holazain’ny olona raha hitan’izy ireo miaraka aminy izy. Tamin’ny alina àry izy no nankany aminy. Tsy nandroaka azy i Jesosy fa nahafoy fotoana hampianarana azy. (Jaona 3:1, 2) Inona no ianarantsika avy amin’ireo fitantarana ireo? Nanokana fotoana mba hanampiana ny olona hanana finoana matanjaka ny Zanak’Andriamanitra. Tokony hazoto koa àry isika hitsidika ny olona liana sy hampianatra Baiboly azy ireny.

12 Hahay hampianatra Baiboly kokoa ny mpitory vaovao, raha entintsika manompo. Ento, ohatra, izy rehefa miverina mitsidika ianao, na mampianatra Baiboly. Ampianaro azy hoe ilaina tsidihina ny olona nitoriana, na dia liana kely fotsiny aza. Hazoto hitsidika ny olona liana sy hampianatra Baiboly izy, rehefa ampiofanina sy ampaherezina hoatr’izany. Tsy ho mora kivy koa izy amin’izay fa hahari-po, izany hoe hanam-paharetana.​—Gal. 5:22; jereo ilay efajoro hoe “ Ilaina ny Fikirizana.”

AMPIOFANO HANAMPY NY MPIARA-MANOMPO IZY

13, 14. a) Inona no tsapanao rehefa mieritreritra an’ireo olona lazain’ny Baiboly hoe niezaka be nanampy ny hafa? b) Ahoana no azo ampiofanana ny vaovao sy ny tanora mba haneho fitiavana?

13 Asongadin’ireo tantara ao amin’ny Baiboly fa tian’i Jehovah hiezaka haneho “fitiavan-drahalahy” sy hifanampy isika. (Vakio ny 1 Petera 1:22; Lioka 22:24-27.) Nahafoy ny zava-drehetra ny Zanak’Andriamanitra mba hanampiana ny hafa. Nafoiny hatramin’ny ainy aza. (Mat. 20:28) I Dorkasy indray nahavita asa soa be dia be sady tena niantra ny mahantra. (Asa. 9:36, 39) I Maria, anabavy tao Roma, kosa “nanao asa mafy” ho an’ny fiangonana. (Rom. 16:6) Inona àry no azontsika atao mba ho tsapan’ireo vaovao fa ilaina ny manampy an’ireo rahalahy sy anabavy?

Ampiofano ireo vaovao mba haneho fitiavana ny mpiara-manompo (Fehintsoratra 13, 14)

14 Azo atao ny mitondra an’ireo vaovao rehefa hitsidika marary na be taona isika. Afaka mitondra ny zanany ireo ray aman-dreny, raha azony atao. Afaka mitondra ny tanora sy ny vaovao koa ny anti-panahy rehefa manampy ny be taona, ohatra hoe rehefa manatitra sakafo na manamboatra ny simba amin’ny tranony. Hahay haneho hatsaram-panahy izy ireo amin’izay. Isaky ny nitory tany ambanivohitra ny anti-panahy iray, dia namangy kely an’ireo mpiara-manompo tao amin’ilay faritany. Lasa tsapan’ny rahalahy tanora iray mpiaraka taminy fa ny olona rehetra eo anivon’ny fiangonana mihitsy no tokony hatao mahatsapa hoe tiana.​—Rom. 12:10.

15. Nahoana ny anti-panahy no tena tokony hanampy an’ireo lehilahy eo anivon’ny fiangonana mba handroso?

15 Lehilahy no ampiasain’i Jehovah mba hampianatra ny fiangonana, ka tena mila miezaka hahay hampianatra ny rahalahy. Raha anti-panahy àry ianao, dia mety ho azonao atao ny mihaino mpanampy amin’ny fanompoana iray mamerina ny lahateniny. Mety ho hainy kokoa ny mampianatra ny Tenin’Andriamanitra, rehefa ampianao izy.—Neh. 8:8. [3]

16, 17. a) Inona no nataon’i Paoly mba hampiofanana an’i Timoty? b) Inona no azon’ny anti-panahy atao mba hampiofanana an’ireo rahalahy ho lasa mpiandraikitra?

16 Mila mpiandry betsaka kokoa ny fiangonana, ary ilaina foana ny mampiofana rahalahy hanao an’izany asa izany. Nampiofana an’i Timoty i Paoly ary nampirisika azy hampiofana ny hafa. Hoy izy: “Aoka ianao, anaka, hihamahery amin’ny alalan’ilay hatsaram-panahy tsy manam-paharoa, izay azonao noho ianao tafaray amin’i Kristy Jesosy. Ary izay renao tamiko sady nohamafisin’ny vavolombelona maro, dia atolory an’ireo lehilahy mendri-pitokisana, izay hahay hampianatra ny hafa kosa avy eo.” (2 Tim. 2:1, 2) Apostoly sady anti-panahy i Paoly, ka niana-javatra betsaka taminy i Timoty. Nanahaka ny fomba fiasan’i Paoly izy, rehefa nanompo sy nanampy ny fiangonana.​—2 Tim. 3:10-12.

17 Tsy hoe navelan’i Paoly hahay ho azy teny fotsiny i Timoty, fa nentiny niaraka taminy. (Asa. 16:1-5) Afaka manahaka an’i Paoly ny anti-panahy. Afaka mitondra mpanampy amin’ny fanompoana, ohatra, izy raha azo atao, rehefa mitsidika ondry. Amin’izay dia ho hitan’izy ireny ny tokony hataon’ny mpiandraikitra rehefa mampianatra. Ho hitany koa hoe mila miantehitra amin’i Jehovah ny mpiandraikitra rehefa mikarakara ny ondry, ary mila maneho fitiavana sy manam-paharetana. Fampiofanana tsara ho an’ireo lehilahy hiandry “ny andian’ondrin’Andriamanitra” izany.​—1 Pet. 5:2.

TENA ILAINA NY MAMPIOFANA

18. Nahoana no tokony ho zava-dehibe amintsika ny mampiofana ny hafa?

18 Nampiofana ny hafa i Jesosy sy Paoly, ary mbola azo arahina ny modely nomeny. Betsaka mantsy ny vaovao mila ampiana mba hahay hitory. Betsaka koa ny rahalahy mila ampianarina hikarakara ny fiangonana. Tian’i Jehovah ho tsara ofana mantsy ny mpanompony, amin’izay mahavita tsara an’izay asaina ataony. Omeny tombontsoa hanampy an’ireo vaovao isika, mba hahatonga azy ireny hahay an’izay asa ampanaovina azy. Vao mainka ilaina maika izany fampiofanana izany izao, satria kely sisa dia ho tonga ny farany ka betsaka ny olona tokony hitoriana.

19. Nahoana ianao no afaka matoky fa hahomby ny ezaka mafy ataonao rehefa mampiofana?

19 Maka fotoana ny mampiofana sady mitaky ezaka. Hanampy antsika anefa i Jehovah sy Jesosy, ka ho haintsika ny mampiofana ny hafa. Ho faly isika rehefa mahita hoe ‘miasa mafy sy mikely aina’ ireo olona nampiofanintsika. (1 Tim. 4:10) Enga anie isika rehetra ka samy hiezaka handroso foana rehefa manompo an’i Jehovah.

^ [1] (fehintsoratra 7) Nilaza, ohatra, i Jesosy hoe: 1) Torio ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. 2) Mahaiza mianina amin’izay omen’Andriamanitra. 3) Aza mifanditra amin’ny olona itoriana. 4) Matokia an’Andriamanitra rehefa misy manohitra. 5) Aza matahotra.

^ [2] (fehintsoratra 9) Misy soso-kevitra tena tsara mba hahaizana miresaka amin’ny olona itoriana, ao amin’ny boky Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, pejy 62-64.

^ [3] (fehintsoratra 15) Miresaka momba an’izay tokony hatao mba hahaizana mandaha-teny ny boky Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, pejy 52-61.