Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Toetra Faran’izay Tsara ny Fitiavana

Toetra Faran’izay Tsara ny Fitiavana

MISY toetra sivy antsoina hoe “vokatry ny fanahy” nasain’i Jehovah noresahin’ny apostoly Paoly. * (Gal. 5:22, 23) Manana an’ireo toetra mahafinaritra ireo ny olona rehefa miasa aminy ny fanahy masina. Anisan’ny “toetra vaovao” koa izy ireo. (Kol. 3:10) Mamokatra ny hazo iray rehefa voatondraka tsara. Hoatr’izany koa isika. Hamokatra toetra tsara isika rehefa miasa tsara ao amintsika ny fanahy masina.—Sal. 1:1-3.

Ny fitiavana no noresahin’i Paoly voalohany, tamin’izy niresaka ny vokatry ny fanahy. Nahoana izy io no tena ilaina? Nilaza i Paoly fa “tsinontsinona” izy raha tsy manam-pitiavana. (1 Kor. 13:2) Inona àry no atao hoe fitiavana? Inona no hanampy antsika hanana fitiavana sy haneho azy io isan’andro?

INONA NO ATAO HOE FITIAVANA?

Sarotra ny mahita teny mahalaza tsara ny atao hoe fitiavana. Resahin’ny Baiboly anefa ny fomba anehoana azy io. Hita ao, ohatra, fa “mahari-po sy tsara fanahy” ny olona manam-pitiavana. “Mifaly noho ny fahamarinana” koa izy, “mandefitra ny zava-drehetra, mino ny zava-drehetra, manantena ny zava-drehetra”, ary “miaritra ny zava-drehetra.” Tena miraiki-po amin’ny hafa sy miahy izay hahasoa azy ary tsy mivadika aminy ny olona manam-pitiavana. Be fialonana kosa ny olona tsy manam-pitiavana. Mirehareha izy, manao izay tsy mahamendrika, tia tena, mitana lolompo, ary tsy mamela heloka. Tsy ratsy toetra hoatr’izany ny olona manam-pitiavana. “Tsy mitady izay hahasoa ny tenany” izy, ary tena vokatry ny fony ny fitiavany.—1 Kor. 13:4-8.

NANOME MODELY I JEHOVAH SY JESOSY

“Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Hita amin’izay rehetra ataony hoe be fitiavana izy. Naniraka an’i Jesosy izy, ohatra, mba hijaly sy ho faty ho antsika. Izany no porofo lehibe indrindra hoe tia antsika izy. Hoy ny apostoly Jaona: “Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra tamintsika: Nirahiny ho amin’izao tontolo izao ny Zanany lahitokana mba hahazoantsika fiainana amin’ny alalany. Ary izany fitiavana izany dia tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika ka nanirahany ny Zanany ho sorona fampihavanana noho ny fahotantsika.” (1 Jaona 4:9, 10) Tena tia antsika i Jehovah ka afaka mahazo famelan-keloka isika, lasa manana fanantenana, ary afaka hiaina mandrakizay.

Tena tia antsika olombelona koa i Jesosy, ka nanaiky hamoy ny ainy ho antsika satria izay no sitrapon’Andriamanitra. Hoy izy: “Intỳ aho tonga mba hanao ny sitraponao.” Nilaza i Paoly fa “izany ‘sitrapony’ izany no nanamasinana antsika tamin’ny nanolorana ny vatan’i Jesosy Kristy indray mandeha monja.” (Heb. 10:9, 10) Tsy misy olona mahavita mihoatra noho izany. Hoy i Jesosy: “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny mahafoy ny ainy ho an’ny namany.” (Jaona 15:13) Afaka manahaka an’i Jehovah sy Jesosy isika, na dia tsy lavorary aza. Hojerentsika hoe ahoana no anaovana an’izany.

“MANDEHANA MANDRAKARIVA AMIN’NY FITIAVANA”

Nampirisika antsika i Paoly hoe: “Aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo, amin’ny maha zanaka malala anareo. Ary mandehana mandrakariva amin’ny fitiavana, tahaka ny nitiavan’i Kristy anareo koa, ka nanolorany ny tenany ho anareo.” (Efes. 5:1, 2) ‘Mandeha mandrakariva amin’ny fitiavana’ isika, raha maneho fitiavana foana. Tsy am-bava fotsiny ny fitiavantsika, fa porofointsika amin’ny ataontsika. Hoy i Jaona: “Aoka isika, ry zanako malalako, tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela fotsiny, fa amin’ny atao sy amin’ny fahamarinana koa.” (1 Jaona 3:18) Hitory ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana”, ohatra, isika raha tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika. (Mat. 24:14; Lioka 10:27) Hanam-paharetana sy ho tsara fanahy koa isika, ary hamela heloka. Hoy ny Baiboly: “Namela tanteraka ny helokareo i Jehovah, koa aoka ianareo mba hifamela heloka koa.”—Kol. 3:13.

Tsy hoe mandefitra be foana anefa ny olona tena manam-pitiavana. Tena tia ny zanany ve, ohatra, ny ray aman-dreny raha ataony daholo izay sitrapon’ilay zaza mba hampanginana azy rehefa mitomany izy? Hentitra ny ray aman-dreny be fitiavana rehefa ilaina izany. Hoatr’izany i Jehovah. Be fitiavana izy nefa ‘manafay an’izay tiany.’ (Heb. 12:6) Hananatra na hanafay an’izay mila an’izany koa isika, raha manam-pitiavana. (Ohab. 3:11, 12) Tadidio anefa fa mpanota daholo isika, ka matetika isika no tsy maneho fitiavana. Mbola mila manatsara ny fomba anehoantsika fitiavana àry isika rehetra. Andeha isika handinika fomba telo azo anaovana an’izany.

AHOANA NO ANEHOANA FITIAVANA?

Voalohany, mangataha fanahy masina amin’i Jehovah. Nilaza mantsy i Jesosy fa hanome “ny fanahy masina ho an’izay mangataka aminy” i Jehovah. (Lioka 11:13) Ho lasa be fitiavana kokoa isika, raha mivavaka mba hahazo fanahy masina sady miezaka ‘handeha hatrany araka ny fanahy.’ (Gal. 5:16) Raha anti-panahy, ohatra, ianao dia mangataha fanahy masina mba hahatonga anao ho be fitiavana rehefa manome torohevitra avy ao amin’ny Baiboly. Raha manan-janaka indray ianao, dia mangataha fanahy masina mba hahaizanao hananatra ny zanakao amim-pitiavana fa tsy amin-katezerana.

Faharoa, saintsaino izay nataon’i Jesosy. Naneho fitiavana foana izy na dia rehefa nisy nanisy ratsy azy aza. (1 Pet. 2:21, 23) Mila manao an’izany isika, indrindra fa rehefa iharan’ny tsy rariny na nisy nanao zavatra nahasosotra antsika. Eritrereto hoe: ‘Inona no ho nataon’i Jesosy raha izy no niharan’izany?’ Nampihatra an’izany ny anabavy atao hoe Leigh. Hoy izy: “Nisy mpiara-miasa tamiko nandefa e-mail tany amin’ny mpiara-miasa hafa, dia nanaratsiratsy ahy sy ny asako. Narary mihitsy ny foko tamin’izay. Nieritreritra anefa aho hoe: ‘Inona re no tokony hataoko raha manahaka an’i Jesosy aho e?’ Nanapa-kevitra aho avy eo hoe aleo avela amin’izao fotsiny ilay izy. Henoko tatỳ aoriana hoe hay narary mafy izy, dia niady saina be. Dia nieritreritra aho hoe nanoratsoratra fotsiny izy izany tamin’ireny, fa tsy hoe te hampahatezitra ahy. Nahavita naneho fitiavana taminy aho, satria nisaintsaina an’izay nataon’i Jesosy rehefa nisy nanisy ratsy azy.” Hahavita haneho fitiavana foana koa isika raha manahaka an’i Jesosy.

Fahatelo, tokony handrisika antsika hahafoy tena ho an’ny hafa ny fitiavana. Izany mantsy no mampiavaka ny tena Kristianina. (Jaona 13:34, 35) Modely ho antsika i Jesosy, satria nahafoy “ny zava-drehetra” ho antsika izy rehefa nanketỳ an-tany. Nafoiny hatramin’ny ainy mihitsy aza. (Fil. 2:5-8) Hitovy kokoa amin’ny an’i Jesosy ny fomba fisainantsika sy ny fihetseham-pontsika, raha miezaka hahafoy tena toa azy isika. Izay hahasoa ny hafa amin’izay no ho zava-dehibe kokoa amintsika noho ny tombontsoantsika. Inona no soa ho azontsika raha maneho fitiavana isika?

INONA NO SOA HO AZONTSIKA?

Mandray soa be dia be isika rehefa maneho fitiavana. Misy vitsivitsy amin’izany ireto:

Inona no soa ho azontsika raha maneho fitiavana isika?

  • LASA MANANA FIANAKAVIANA ERAN-TANY: Mifankatia isika Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, ka matoky isika hoe handray antsika tsara ireo rahalahy sy anabavintsika, na aiza na aiza fiangonana halehantsika. Tena mahatsiaro ho sambatra isika satria tia antsika ny ‘rahalahintsika rehetra ao amin’ny finoana, eran’izao tontolo izao.’ (1 Pet. 5:9) Ny mpanompon’i Jehovah ihany no mifankatia hoatr’izany.

  • MIHAVANA TSARA AMIN’NY HAFA: Mihavana tsara isika rehefa miezaka “hifampizaka amim-pitiavana”, ary ‘fatorana mampiray ny fihavanana.’ (Efes. 4:2, 3) Mahatsapa an’izany isika any am-pivoriana sy any amin’ny fivoriambe. (Sal. 119:165; Isaia 54:13) Tsy hitanao hoe miavaka ve izany? Misara-bazana mantsy ity tontolo ity. Tena tiantsika ny mpiara-manompo amintsika, raha miezaka isika hihavana aminy foana. Mahafaly an’i Jehovah koa izany.—Sal. 133:1-3; Mat. 5:9.

‘MAMPAHERY NY FITIAVANA’

Nilaza i Paoly hoe ‘mampahery ny fitiavana.’ (1 Kor. 8:1) Inona no tiany holazaina? Manazava an’izany izy ao amin’ny 1 Korintianina toko faha-⁠13, izay antsoin’ny olona sasany hoe “Tononkalom-pitiavana.” Voalaza ao, ohatra, fa mitady izay hahasoa ny hafa ny olona manam-pitiavana. (1 Kor. 10:24; 13:5) Tsara fanahy sy manam-paharetana koa izy. Tsy mahagaga àry raha mahatonga ny fianakaviana hifandray am-po ny fitiavana sady mampiray saina ny fiangonana.—Kol. 3:14.

Tena tsara tokoa ny maneho fitiavana. Raha tia an’Andriamanitra anefa isika, dia izay no tsara indrindra sy mampahery indrindra. Lasa miray saina mantsy isika rehetra rehefa samy tia azy. Manompo an’i Jehovah “amim-piraisan-kina” isika, na dia samy hafa fiaviana sy fiteny aza. (Zef. 3:9) Aoka àry isika ho tapa-kevitra haneho an’io vokatry ny fanahin’Andriamanitra io, isan’andro.

^ feh. 2 Ity no voalohany amin’ny lahatsoratra sivy hamelabelatra ny vokatry ny fanahy tsirairay.