NY TILIKAMBO FIAMBENANA—FIANARANA Aogositra 2019

Ho hitanao ao ny lahatsoratra hianarana manomboka ny herinandron’ny 30 Septambra ka hatramin’ny 27 Oktobra 2019.

“Tsy Kivy” Isika!

Nahoana ny fanantenantsika no hanampy antsika tsy ho kivy mihitsy fa hanohy an’ilay hazakazaka foana?

Miezaha ho Be Fitiavana Kokoa

Ahoana no hatao raha te ho be fitiavana foana na dia rehefa sarotra aza izany? Manampy antsika hahavita an’izany ny taratasy ho an’ny Filipianina.

Ho Voavonjy “Ireo Mihaino Anao”

Inona no azontsika atao mba hanampiana ny havantsika hahalala an’i Jehovah?

Inona no Hanampy Anao Raha Niova ny Fanendrena Anao?

Mafy amin’ny rahalahy sy anabavy maro ny hoe tsy manohy an’ilay asa nanendrena azy intsony, satria tena tiany ilay izy. Inona àry no hanampy azy ireo?

Finoana: Ilay Toetra Manome Hery

Miavaka ny hery azo avy amin’ny finoana. Manampy antsika hahavita hiatrika olana lehibe hoatran’ny tendrombohitra izy io.

Jaona Mpanao Batisa: Mianara Aminy mba ho Faly Foana

Inona no hanampy antsika ho faly foana manompo an’i Jehovah, na dia diso fanantenana aza?