Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 33

Ho Voavonjy “Ireo Mihaino Anao”

Ho Voavonjy “Ireo Mihaino Anao”

“Tandremo tsara foana ny tenanao sy ny fampianaranao. Ary mahareta amin’izany, fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy ireo mihaino anao.”—1 TIM. 4:16.

HIRA 67 “Torio ny Teny”

HO HITANAO ATO *

1. Inona no faniriantsika rehetra?

“TIAKO raha mba tafaraka amiko any amin’ny Paradisa ny fianakaviako rehetra. Vao nianatra ny fahamarinana aho dia efa naniry an’izany. Ny vadiko sy ny zanako lahy no tena tiako hanompo an’i Jehovah miaraka amiko.” Izany no nolazain’ny anabavy atao hoe Volana. * Mahery no anaran’ny vadiny. Manana havana mbola tsy manompo an’i Jehovah koa ve ianao? Raha izany, dia hoatran’ny tsapan’i Volana angamba no tsapanao.

2. Inona avy no hodinihina ato?

2 Tsy azontsika terena hanaiky ny vaovao tsara ny havantsika. Azontsika ampiana anefa izy ireo mba ho vonona kokoa hihaino an’izay lazain’ny Baiboly. (2 Tim. 3:14, 15) Nahoana isika no tokony hitory amin-dry zareo? Nahoana isika no tokony hiezaka hahazo ny fihetseham-pony? Inona no azo atao mba hanampiana azy ireo ho tia an’i Jehovah hoatr’antsika? Ary inona no azon’ny rehetra ao amin’ny fiangonana atao mba hanampiana antsika?

NAHOANA ISIKA NO TOKONY HITORY AMIN’NY HAVANTSIKA?

3. Araka ny 2 Petera 3:9, nahoana isika no tokony hitory amin’ny havantsika?

3 Tsy ho ela i Jehovah dia handringana an’ity tontolo ity. Izay ‘manana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay’ ihany no ho voavonjy amin’izay. (Asa. 13:48) Manokana fotoana sy hery be dia be isika mba hitoriana amin’ny olona tsy fantatsika akory, dia ny havantsika indray ve no tsy hitoriantsika? Tiantsika hanompo an’i Jehovah miaraka amintsika izy ireo. Be fitiavana ilay Raintsika any an-danitra, ka “tsy tiany hisy ho ringana” ny olona, fa “ho tonga amin’ny fibebahana.”—Vakio ny 2 Petera 3:9.

4. Inona no fahadisoana mety hataontsika rehefa mitory amin’ny havantsika isika?

4 Mizara hafatra mamonjy aina isika, nefa tokony hotadidintsika hoe misy fomba mety sy tsy mety iresahana an’izany. Mety hitandrintandrina tsara isika rehefa olona tsy fantatsika no itoriantsika, nefa mivantambatana be angamba rehefa mitory amin’ny havantsika.

5. Inona no tokony hotadidina rehefa hitory amin’ny havana?

5 Tadidinao ve tamin’ny ianao nanandrana nitory voalohany tamin’ny havanao? Maro amintsika angamba no manongo tena, satria tsy tena nety ny fomba niresahantsika tamin-dry zareo. Nanoro hevitra ny Kristianina ny apostoly Paoly hoe: “Aoka ho teny mahafinaritra sady mamy sira foana no holazainareo, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona tsirairay.” (Kol. 4:5, 6) Mila mitadidy an’izany isika rehefa miresaka amin’ny havantsika. Raha tsy izany, dia vao mainka izy mety ho tezitra fa tsy hihaino antsika.

AHOANA NO HANAMPIANTSIKA AZY IREO?

Miezaha hahazo ny fihetseham-pony sy hanao ny tsara, fa izany no tena hanampy azy ireo hanaiky ny fahamarinana (Fehintsoratra 6-8) *

6-7. Nahoana no tena ilaina ny miezaka hahazo ny fihetseham-pon’ny vady tsy Vavolombelona? Manomeza ohatra.

6 Miezaha hahazo ny fihetseham-pony. Hoy i Volana, ilay voaresaka tetsy aloha: “Satriko foana hiresaka amin’ny vadiko momba an’Andriamanitra sy ny Baiboly, tamin’ny voalohany. Tsy mba niresaka zavatra hafa mihitsy izahay!” I Mahery anefa zara raha nahalala momba ny Baiboly, dia tsy azony izay noresahin’i Volana. Hoatran’ny hoe adalana fivavahana no fahitany an’i Volana. Natahotra izy hoe nanaraka sekta mampidi-doza ny vadiny satria voafitaka.

7 Niaiky i Volana hoe nisy fotoana izy niaraka be tamin’ny mpiara-manompo rehefa hariva sy rehefa faran’ny herinandro, ohatra hoe nivory, na nitory, na niara-nikorana. Hoy izy: “Nanirery i Mahery indraindray, satria tsy nisy olona tao an-trano rehefa nody izy.” Ara-dalàna raha nalahelo ny vady aman-janany i Mahery. Tsy hainy mantsy hoe iza no niaraka tamin-dry zareo, sady hoatran’ny hoe tian’i Volana kokoa ny namany vaovao noho izy. Nandrahona ny hisaraka àry i Mahery. Tokony ho niezaka hahazo ny fihetseham-pon’ny vadiny i Volana. Hitanao ve hoe inona, ohatra, no azony natao?

8. Inona no misy vokany kokoa amin’ny havantsika, araka ny 1 Petera 3:1, 2?

8 Misy vokany kokoa noho ny teny ny atao. Izay ataontsika no tena tsikaritry ny havantsika matetika, fa tsy izay lazaintsika. (Vakio ny 1 Petera 3:1, 2.) Azon’i Volana ihany izany tatỳ aoriana. Hoy izy: “Haiko hoe tia anay i Mahery sady tsy tena te hisaraka. Rehefa nandrahona ny hisaraka anefa izy, dia tonga saina aho hoe mila miova sy manaraka an’izay atoron’i Jehovah. Hitako hoe aleo miezaka manao ny tsara foana, fa tsy mitory lava aminy.” Tsy nanery ny vadiny hiresaka momba ny Baiboly intsony àry i Volana, fa niezaka niresaka zavatra hafa. Hitan’i Mahery hoe lasa tsy mora tezitra intsony ny vadiny, dia ny zanany indray lasa hendry kokoa. (Ohab. 31:18, 27, 28) Lasa vonona hihaino an’izay resahin’ny Baiboly izy, rehefa hitany hoe nisy vokany tsara tamin’ny fianakaviany izany.—1 Kor. 7:12-14, 16.

9. Nahoana isika no tokony hanampy ny havantsika foana?

9 Ampio foana ny havanao. Modely ho antsika i Jehovah. Ataony “foana” izay hahatonga ny olona ho afaka haheno ny vaovao tsara, amin’izay ry zareo afaka miaina mandrakizay. (Jer. 7:25) Nampirisika an’i Timoty koa ny apostoly Paoly mba hanampy ny hafa foana. Fa maninona? Satria hamonjy ny tenany sy izay mihaino azy izy, raha manao an’izany. (1 Tim. 4:16) Tena tiantsika ny havantsika, ka te hanampy azy ireo hahalala ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra isika. Nisy vokany tsara ihany ny zavatra nolazain’i Volana sy nataony tamin’ny farany. Faly izy satria lasa mpanompon’i Jehovah ny vadiny. Samy mpisava lalana izy roa izao, ary anti-panahy i Mahery.

10. Nahoana isika no mila manam-paharetana?

10 Manàna faharetana. Lasa miova ny fomba fiainantsika sy ny zavatra inoantsika, rehefa manapa-kevitra isika hoe hankatò ny fitsipik’Andriamanitra. Mety ho sarotra amin’ny havantsika ny hanaiky an’ireny fiovana ireny. Inona matetika no zavatra voalohany hitan’izy ireo? Hoe lasa tsy miara-manao fety ara-pivavahana amin-dry zareo intsony isika sady tsy manao politika intsony. Mety ho tezitra ny sasany amin’ny voalohany. (Mat. 10:35, 36) Tsy tokony hieritreritra anefa isika hoe tsy hiova intsony ry zareo. Mila ampiantsika foana izy ireo mba hahazo ny zavatra inoantsika. Raha tsy manao an’izany mantsy isika, dia hoatran’ny hoe isika no mitsara hoe tsy mendrika ny hiaina mandrakizay ry zareo. I Jesosy anefa no nomen’i Jehovah fahefana hitsara fa tsy isika. (Jaona 5:22) Mety hihaino ny hafatra torintsika ihany ny havantsika indray andro any, raha manam-paharetana isika.—Jereo ilay hoe “ Ampiasao ny Tranonkalantsika.”

11-13. Inona no ianaranao avy amin’ny nataon’i Alice?

11 Miezaha ho tsara fanahy nefa aza milefitra. (Ohab. 15:2) Eritrereto ny nataon’i Alice. Nipetraka lavitra ny ray aman-dreniny izy, dia tany no nahalala momba an’i Jehovah. Mpanao politika be izy mivady sady tsy nino an’Andriamanitra. Fantatr’i Alice hoe mila miresaka haingana amin’izy ireo momba ny zavatra tsara nianarany izy. Hoy izy: “Vao mainka ho tezitra ny fianakavianao, raha miandry ela ianao vao miresaka amin’izy ireo momba ny zavatra vaovao inoanao sy ataonao.” Nanoratra tany amin’ny dadany sy mamany àry izy, dia nanontany azy ireo ny heviny momba an’izay voalazan’ny Baiboly. Izay hevitra noeritreretiny hoe hahaliana an-dry zareo no noresahiny, ohatra hoe ny fitiavana. (1 Kor. 13:1-13) Nisaotra azy mivady izy hoe nitaiza sy nikarakara azy tsara, dia nandefasany fanomezana ry zareo. Rehefa nitsidika azy ireo koa izy, dia niezaka be nanampy ny mamany hanao raharaha. Tsy faly anefa izy ireo tamin’ny voalohany, rehefa niresahan’i Alice momba ny zavatra inoany.

12 Namaky Baiboly isan’andro foana i Alice, na dia tamin’izy tany amin’ny ray aman-dreniny aza. Izao no nolazainy: “Lasa hitan’i Neny hoe zava-dehibe amiko ny Baiboly.” Nanapa-kevitra handinika ny Baiboly koa ny dadan’i Alice, satria tiany ho azo hoe inona no nahatonga ny zanany hiova. Te hahita zavatra hokianina amin’ny Baiboly koa izy. Hoy i Alice: “Nomeko Baiboly izy dia nasiako soratra kely ho an’azy tao amin’ilay izy.” Inona no vokany? Tsy nahita hokianina izy, fa vao mainka aza nanohina ny fony ny zavatra novakiny tao amin’ny Tenin’Andriamanitra.

13 Mila miezaka ho tsara fanahy isika nefa tsy milefitra, na dia tsy maintsy miaritra fitsapana aza. (1 Kor. 4:12b) Nanohitra, ohatra, ny maman’i Alice. Nolazainy fa “zaza maditra” izy rehefa vita batisa. Ahoana no nataon’i Alice? Hoy izy: “Tsy nangina fotsiny aho fa nohazavaiko moramora tamin’i Neny hoe efa tapa-kevitra ny ho Vavolombelon’i Jehovah aho, dia tsy hiova hevitra intsony. Nomeko toky koa izy hoe tena tiako. Niara-nitomany izahay avy eo, dia nanaovako sakafo matsiro be izy. Hitan’i Neny nanomboka tamin’izay hoe manampy ahy ho tsara toetra kokoa ny Baiboly.”

14. Nahoana isika no tsy tokony hilefitra mihitsy?

14 Mety ho elaela vao ho azon’ny havantsika tsara hoe zava-dehibe amintsika ny fanompoana an’i Jehovah. Rehefa nanapa-kevitra ny hanao mpisava lalana, ohatra, i Alice dia nitomany indray ny mamany satria tsy hanao an’ilay asa tian’izy mivady hataony izy. Tsy nilefitra anefa i Alice. Hoy izy: “Raha milefitra indray mandeha ianao, dia mety hanandrana hampiova hevitra anao indray ny fianakavianao any aoriana any. Raha hentitra sy tsara fanahy anefa ianao, dia mety hihaino anao ny sasany amin-dry zareo.” Hoatr’izany no nitranga tamin’ny ray aman-drenin’i Alice. Mpisava lalana ry zareo izao, ary anti-panahy ny dadany.

AHOANA NO AZON’NY REHETRA ANAMPIANA?

Ahoana no azon’ny mpiara-manompo anampiana ny havantsika? (Fehintsoratra 15-16) *

15. Araka ny Matio 5:14-16 sy ny 1 Petera 2:12, inona no mety ho vokatry ny “asa tsara” ataon’ny mpiara-manompo?

15 Mitaona ny olona hanompo azy i Jehovah amin’izao. Mampiasa ny “asa tsara” ataon’ny fiangonana kristianina izy mba hanaovana an’izany. (Vakio ny Matio 5:14-16; 1 Petera 2:12.) Raha tsy Vavolombelon’i Jehovah ny vadinao, dia eritrereto hoe efa mba nihaona tamin’ny mpiara-mivory aminao ve izy? Nanasa rahalahy sy anabavy tany an-tranony i Volana, ilay voaresaka teo. Tiany hahafantatra mpiara-manompo mantsy ny vadiny. Notantarain’i Mahery hoe nisy zavatra nataon’ny rahalahy iray nahatonga azy hiova hevitra momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy izy: “Naka andro tsy hiasana mihitsy izy mba hiarahana mijery baolina amiko. Dia nieritreritra aho hoe: ‘Hay hoatran’ny olona rehetra ihany izy!’”

16. Nahoana isika no tokony hanasa ny havantsika hanatrika fivoriana?

16 Azonao asaina hivory koa ny havanao. Anisan’ny fomba tena tsara hanampiana azy ireo mantsy izany. (1 Kor. 14:24, 25) Nanatrika Fahatsiarovana i Mahery, ary io ny fivoriana voalohany natrehiny. Ao aorian’ny ora fiasana mantsy izy io sady tsy lava be. Hoy izy: “Tsy nisy azoko ilay lahateny, fa ny olona no tena tadidiko. Nanatona an’ahy ry zareo dia noarahabainy tsara aho. Hitako hoe tena avy amin’ny fony ilay izy.” Nisy mpivady iray koa tsara fanahy be tamin’i Volana. Nanampy azy hikarakara ny zanany ry zareo teny am-pitoriana sy tany am-pivoriana. Rehefa tapa-kevitra ny hahafantatra ny zavatra inoan’i Volana àry i Mahery tatỳ aoriana, dia ilay rahalahy no nangatahiny hampianatra Baiboly azy.

17. Inona no tsy tokony hahakivy antsika? Nahoana anefa isika no tokony hanantena foana hoe mety hiova ny havantsika?

17 Manantena isika hoe hiaraka hanompo an’i Jehovah amintsika ny havantsika rehetra. Mety tsy hanaiky ny fahamarinana anefa izy ireo izao, na dia miezaka be aza isika. Tsy tokony hanamelo-tena isika raha izay no fanapahan-keviny. Tsy afaka manery an’iza na iza hanaiky ny zavatra inoantsika mantsy isika. Tadidio anefa hoe rehefa mahita anao falifaly manompo an’i Jehovah ny havanao, dia mety hisy vokany tsara eo amin-dry zareo izany any aoriana any. Mivavaha àry ho azy ireo. Miezaha ho tsara fanahy rehefa miresaka aminy. Ampio foana ry zareo fa aza miahotra. (Asa. 20:20) Matokia fa hotahin’i Jehovah ny ezaka ataonao. Ho voavonjy ny havanao raha mihaino anao!

HIRA 57 Mitoria Amin’ny Karazan’olona Rehetra

^ feh. 5 Tiantsika raha lasa mahafantatra an’i Jehovah ny havantsika. Ry zareo ihany anefa no tsy maintsy manapa-kevitra hoe hanompo azy sa tsia. Horesahina ato hoe inona no azontsika atao mba ho vonona kokoa hihaino antsika ny havantsika.

^ feh. 1 Novana ny anarana sasany. Izay fianakaviantsika sy havantsika mbola tsy manompo an’i Jehovah no antsoina hoe “havana” ato amin’ity lahatsoratra ity.

^ feh. 53 SARY: Rahalahy tanora manampy ny dadany manamboatra aotomobilina. Tsy Vavolombelon’i Jehovah ilay dadany. Mifidy fotoana mety tsara ilay rahalahy, dia mampiseho aminy video ao amin’ny jw.org®.

^ feh. 55 SARY: Anabavy iray miaraka amin’ny vadiny tsy Vavolombelona. Mitantara aminy an’izay nitranga nandritra ny andro ilay vadiny, dia mihaino tsara izy. Miara-miala voly amin’ny vadiny sy ny zanany izy avy eo.

^ feh. 57 SARY: Nanasa mpiara-manompo ao amin’ny fiangonany ilay anabavy, dia miezaka hahafantatra an’ilay vadiny izy ireo. Manatrika Fahatsiarovana miaraka amin’ilay anabavy ny vadiny atỳ aoriana.