Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jaona Mpanao Batisa: Mianara Aminy mba ho Faly Foana

Jaona Mpanao Batisa: Mianara Aminy mba ho Faly Foana

MISY andraikitra na tombontsoam-panompoana irinao mafy ve? Olon-kafa angamba no manao an’ilay izy, na ilay izy efa nataonao taloha. Mety ho efa be taona ianao, na tsy salama, na sahirana ara-bola, na mikarakara fianakaviana, dia tsy mahavita firy intsony. Na mety hoe nisy fiovana teo anivon’ny fandaminana, dia tsy maintsy nijanona tamin’ny fanendrena anao ianao, na dia efa ela aza no nanao an’ilay izy. Na ahoana na ahoana, dia mety hahatsapa ianao hoe tsy ampy ny ataonao ho an’i Jehovah. Ara-dalàna àry raha diso fanantenana ianao. Inona anefa no hanampy anao mba tsy ho tezitra na ho kivy lava? Ahoana no hahatonga anao ho faly foana?

Tena afaka manampy antsika ny ohatr’i Jaona Mpanao Batisa. Nanana tombontsoa niavaka izy ary mety ho tsy nampoiziny hoe hiova be ny fiainany. Tsy nieritreritra mihitsy angamba izy hoe ny fotoana igadrany no ho betsaka kokoa noho ny fotoana laniny tamin’ny fanompoana. Mbola faly ihany anefa izy, ary hoatr’izany foana izy teo amin’ny fiainany. Inona no nanampy azy? Ary ahoana no hahatonga antsika ho faly foana na dia diso fanantenana aza?

NAHAFALY AZY NY FANOMPOANY

Nirahin’i Jehovah hanampy ny olona mba ho vonona handray ny Mesia i Jaona, ary nanomboka an’izany izy tamin’ny taona 29, tamin’ny volana Aprily tany ho any. Nampirisika ny olona izy hoe: “Mibebaha, fa efa manakaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Mat. 3:2; Lioka 1:12-17) Betsaka no nandray tsara an’ilay hafatra notoriny. Tonga avy lavitra mihitsy ny olona maro mba hihaino azy, ary be dia be no nibebaka sy natao batisa. Sahy nampitandrina an’ireo mpitondra fivavahana niseho ho marina koa i Jaona, hoe tsy maintsy hiharan’ny didim-pitsarana izy ireo raha tsy miova. (Mat. 3:5-12) Nanao batisa an’i Jesosy izy tamin’ny taona 29, tamin’ny volana Oktobra tany ho any. Io no niavaka indrindra teo amin’ny fanompoany. Nampirisika ny olona izy nanomboka tamin’izay mba hanara-dia an’i Jesosy, ilay Mesia nampanantenaina.—Jaona 1:32-37.

Niavaka ny anjara asan’i Jaona, ka niteny i Jesosy hoe: “Amin’izay natera-behivavy, dia mbola tsy nisy lehibe noho i Jaona Mpanao Batisa.” (Mat. 11:11) Azo antoka fa faly i Jaona nanao ny asa nampanaovin’i Jehovah azy, ary notahin’i Jehovah izy vokatr’izany. Maro koa no hoatr’izany amin’izao. Eritrereto i Terry sy Sandra. Efa 50 taona mahery izy mivady no nanompo manontolo andro. Hoy i Terry: “Betsaka ny tombontsoam-panompoana azoko. Efa mpisava lalana aho, Betelita, mpisava lalana manokana, mpiandraikitra ny faritra, mpiandraikitra ny vondrom-paritra, dia izao aho mpisava lalana manokana indray.” Mahafaly ny mahazo tombontsoam-panompoana. Ho hitantsika amin’ny tantaran’i Jaona anefa hoe mila miezaka isika vao ho faly foana rehefa miova ny fiainantsika.

MIEZAHA HAHAY HANKASITRAKA FOANA

Nahoana i Jaona no faly foana? Satria nankasitrahany foana ny tombontsoa nananany. Eritrereto, ohatra, izay nitranga taorian’ny batisan’i Jesosy. Lasa nihabetsaka ny mpanara-dia an’i Jesosy, fa nihena ny an’i Jaona. Nampanahy ny mpianatr’i Jaona izany, ka niteny taminy izy ireo hoe: “Manao batisa [i Jesosy] ary mankany aminy daholo ny olona.” (Jaona 3:26) Namaly i Jaona hoe: “Izay manana ny ampakarina no mpampakatra. Na izany aza, dia faly be ny naman’ny mpampakatra rehefa mitsangana ka mandre ny feon’ny mpampakatra. Ary efa feno ankehitriny izany fifaliako izany.” (Jaona 3:29) Tsy nifaninana tamin’i Jesosy i Jaona. Tsy nieritreritra koa izy hoe lasa tsy misy dikany ny asany satria zava-dehibe kokoa ny andraikitr’i Jesosy. Faly foana kosa izy satria “naman’ny mpampakatra”, ary tena tiany izany.

Nanana toe-tsaina tsara i Jaona, ka faly foana na dia tsy mora aza ny andraikiny. Vao teraka, ohatra, izy dia efa Nazirita ka tsy nahazo nisotro divay. (Lioka 1:15) Nilaza i Jesosy hoe “tsy nihinana na nisotro” i Jaona, ka hita amin’izany hoe tso-piaina izy. I Jesosy sy ny mpianany kosa tsy Nazirita, ka afaka niaina hoatran’ny olon-drehetra ihany. (Mat. 11:18, 19) Fantatr’i Jaona koa hoe nanao fahagagana ny mpianatr’i Jesosy, ary mpianany taloha ny sasany tamin’izy ireny. Izy anefa tsy nahavita fahagagana. (Mat. 10:1; Jaona 10:41) Na izany aza, dia tsy niasa saina be tamin’ireny izy, fa nazoto nanao ny asa nampanaovin’i Jehovah azy foana.

Raha sarobidy amintsika koa ny andraikitra na tombontsoam-panompoana ananantsika, dia tsy ho lefy mihitsy ny fifaliantsika. Hoy i Terry: “Izay tombontsoam-panompoana nananako no nifantohako.” Izao no nolazainy rehefa mieritreritra ny fanompoana manontolo andro nataony izy: “Fahatsiarovana mamy ho ahy ireny fotoana ireny. Tsy manenina mihitsy aho!”

Tadidio fa ‘miara-miasa amin’Andriamanitra’ ianao, ary izay no tena maha sarobidy an’ilay andraikitra na fanompoana ataonao. (1 Kor. 3:9) Vao mainka ianao ho faly raha misaintsaina an’izany. Ahoana izao raha nahazo lova sarobidy ianao, ohatra hoe firavaka volamena tsara tarehy? Tsy hodiovinao matetika ve ilay izy mba tsy ho vasoka mihitsy? Hoatr’izay koa no tokony hataonao mba ho faly foana. Mila saintsaininao matetika hoe voninahitra lehibe ny miara-miasa amin’Andriamanitra. Tsy ho lefy mihitsy ny fifalianao amin’izay. Tsy hampitaha ny sorona na ezaka ataonao amin’ny ataon’ny olon-kafa koa ianao, sady tsy hieritreritra hoe tsy dia misy dikany ny asa asain’i Jehovah ataonao raha oharina amin’ny asainy ataon-dry zareo.—Gal. 6:4.

IZAY ZAVA-DEHIBE AMIN’I JEHOVAH IFANTOHANA

Efa fantatr’i Jaona angamba hoe tsy haharitra ela ny fanompoany. Mety ho tampoka be taminy ihany anefa ny nifaranan’ilay izy. (Jaona 3:30) Nogadrain’i Heroda Mpanjaka mantsy izy tamin’ny taona 30, enim-bolana teo ho eo taorian’ny nanaovany batisa an’i Jesosy. Mbola nanao izay vitany ihany anefa i Jaona mba hampianarana ny marina. (Mar. 6:17-20) Inona no nanampy azy ho faly foana na dia niova aza ny fiainany? Nifantoka tamin’ny fanompoana an’i Jehovah foana izy.

Naheno tatitra momba ny fandrosoan’ny fanompoan’i Jesosy i Jaona tany am-ponja. (Mat. 11:2; Lioka 7:18) Resy lahatra izy hoe i Jesosy no Mesia. Mety ho lasa saina koa anefa izy hoe ahoana no hahavitan’i Jesosy an’izay rehetra nolazain’ny Soratra Masina fa hataon’ny Mesia. Fantany, ohatra, fa ho lasa mpanjaka ny Mesia, dia mety ho nieritreritra izy hoe: ‘Kely sisa ve dia hanjaka i Jesosy? Hafahany ato am-ponja ve aho?’ Tena te hahafantatra bebe kokoa momba ny asan’i Jesosy izy, ka naniraka roa tamin’ny mpianany mba hanontany azy hoe: “Ianao ve Ilay ho avy, sa hafa no tokony handrasanay?” (Lioka 7:19) Azo antoka hoe nihaino tsara azy roa lahy i Jaona rehefa niverina ry zareo. Notantarain-dry zareo azy ny fomba nanasitranan’i Jesosy ny olona. Nasain’i Jesosy nilaza tamin’i Jaona koa ry zareo hoe: “Mahiratra ny jamba, mandeha ny malemy, voadio ny boka, mandre ny marenina, atsangana ny maty, ary itoriana ny vaovao tsara ny mahantra.”—Lioka 7:20-22.

Azo antoka hoe nampahery an’i Jaona ilay tatitra. Voaporofo tamin’ilay izy mantsy hoe nanatanteraka ny faminaniana momba ny Mesia i Jesosy. Marina fa tsy hanafaka azy ao am-ponja i Jesosy, na dia lasa Mesia aza. Natoky anefa i Jaona fa tsy very maina ny fanompoany. Nanana antony hifaliana àry izy na dia tsy mora aza ny nahazo azy.

Ho faly foana isika raha mifantoka amin’ny tatitra momba ny asa fitoriana maneran-tany

Raha mifantoka amin’ny fanompoana an’i Jehovah hoatran’ny nataon’i Jaona isika, dia hahavita hiaritra sady hanam-paharetana ary ho faly foana. (Kol. 1:9-11) Ahoana no hanaovana an’izany? Vakio isan’andro ny Baiboly ary saintsaino izay vakinao. Hampahatsiahy anao izany hoe tsy very maina mihitsy izay ataonao ho an’i Jehovah. (1 Kor. 15:58) Hoy i Sandra: “Mamaky toko iray ao amin’ny Baiboly aho isan’andro, dia hitako hoe manampy ahy ho akaiky kokoa an’i Jehovah izany. Lasa i Jehovah mantsy no tena eritreretiko, fa tsy izaho.” Azo atao koa ny mifantoka amin’ny zava-bitan’ny fandaminana. Manampy antsika izany mba tsy hiady saina momba an’izay mahazo antsika, fa hifantoka amin’izay ataon’i Jehovah. Hoy ihany i Sandra: “Lasa akaiky kokoa ny fandaminana izahay, rehefa mijery ny fandaharana mivoaka isam-bolana ao amin’ny Tele JW. Manampy anay koa izany mba ho faly foana amin’ny asa nanendrena anay.”

Misy itovizany amin’i Elia i Jaona Mpanao Batisa. Nazoto sy nafana fo hoatr’azy izy, na dia vetivety ihany aza izy no nanao ny fanompoany. Izy koa anefa nanana fihetseham-po hoatran’ny tsapantsika rehetra ihany. (Lioka 1:17; Jak. 5:17) Raha mahay mankasitraka sy mifantoka amin’ny fanompoana an’i Jehovah hoatran’i Jaona àry isika, dia ho faly foana koa na inona na inona mitranga.