Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 32

Miezaha ho Be Fitiavana Kokoa

Miezaha ho Be Fitiavana Kokoa

“Izao foana no angatahiko amin’ny vavaka, dia ny hitomboan’ny fitiavanareo bebe kokoa hatrany.”—FIL. 1:9.

HIRA 106 Toetra Tena Ilaina ny Fitiavana

HO HITANAO ATO *

1. Ahoana no nampisy an’ilay fiangonana tany Filipy?

NANKANY Filipy ny apostoly Paoly, Silasy, Lioka, ary Timoty. Teo ambany fahefan’ny Romanina io tanàna io. Nazoto nitory izy efa-dahy tany, ary nahita olona be dia be liana tamin’ny vaovao tsara. Lasa nisy fiangonana àry tany Filipy, ary tao an-tranon’i Lydia angamba no natao ny fivoriana. Anabavy tena tia nandray vahiny izy.—Asa. 16:40.

2. Inona no olana natrehin’ilay fiangonana, tsy ela taorian’izay?

2 Niatrika olana ilay fiangonana vaovao, tsy ela taorian’izay. Nisy olona nankahala ny fahamarinana, dia nampirisihin’i Satana hanohitra ny fitoriana nataon’i Paoly sy ny namany. Nosamborina i Paoly sy Silasy, dia nokaravasina, ary nogadraina. Rehefa nafahana izy roa lahy, dia nandeha nitsidika an’ireo rahalahy sy anabavy vaovao ary nampahery an-dry zareo. Niala tao Filipy i Paoly sy Silasy ary Timoty taorian’izay, fa i Lioka kosa toa nijanona tao. Nanao ahoana ilay fiangonana vaovao tamin’izay? Nampian’ny fanahy masina ry zareo, dia nazoto nanompo an’i Jehovah foana. (Fil. 2:12) Ara-dalàna be raha faly tamin-dry zareo i Paoly!

3. Inona no vavaka nataon’i Paoly, araka ny Filipianina 1:9-11?

3 Nanoratra ho an’ny fiangonana tany Filipy i Paoly, folo taona teo ho eo tatỳ aoriana. Hita amin’ny zavatra nosoratany hoe tena tia an-dry zareo izy. Izao, ohatra, no nolazainy: “Manina anareo rehetra aho, sady tena tia anareo tahaka ny itiavan’i Kristy Jesosy anareo.” (Fil. 1:8) Nilaza koa izy hoe nivavaka ho an-dry zareo. Nangataka tamin’i Jehovah izy mba hanampy an-dry zareo hampitombo ny fitiavany, hamantatra tsara an’izay zava-dehibe kokoa, tsy hisy tsiny, tsy hampihemotra ny hafa, ary ho feno vokatry ny fahamarinana foana. Miana-javatra avy amin’ireo teniny ireo koa isika. (Vakio ny Filipianina 1:9-11.) Handinika an’ireo hevitra noresahiny ireo isika ato, ary hijery hoe ahoana no azo ampiharana an’izany.

AMPITOMBOY NY FITIAVANAREO

4. a) Araka ny 1 Jaona 4:9, 10, ahoana no nampisehoan’i Jehovah hoe tia antsika izy? b) Tokony ho hoatran’ny ahoana ny fitiavantsika an’i Jehovah?

4 Tena tia antsika i Jehovah, ka nirahiny ho faty noho ny fahotantsika ny Zanany. (Vakio ny 1 Jaona 4:9, 10.) Lasa tia an’i Jehovah isika, vokatr’izany. (Rom. 5:8) Tokony ho hoatran’ny ahoana ny fitiavantsika azy? Namaly an’izany i Jesosy tamin’izy niresaka tamin’ny Fariseo iray. Hoy izy: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.” (Mat. 22:36, 37) Tokony ho tia an’i Jehovah amin’ny fo manontolo àry isika, ary tokony hitombo foana izany isan’andro. Nilaza tamin’ny Filipianina i Paoly hoe tokony ‘hitombo bebe kokoa hatrany ny fitiavan’izy ireo.’ Inona no azontsika atao mba ho tia kokoa an’Andriamanitra isika?

5. Inona no hanampy antsika ho tia kokoa an’Andriamanitra?

5 Mila mahafantatra an’Andriamanitra isika raha te ho tia azy. Hoy ny Baiboly: “Izay tsy tia ... dia mbola tsy mahalala an’Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Nohazavain’i Paoly hoe ho tia kokoa an’Andriamanitra isika, rehefa mahafantatra ny marina momba azy sy mahalala ny fomba fiheviny. (Fil. 1:9) Lasa tia an’i Jehovah isika tamin’ny vao nianatra Baiboly, na dia kely ihany aza ny zavatra fantatsika momba ny toetra tsarany. Vao mainka tia azy anefa isika tatỳ aoriana, rehefa nihabetsaka ny zavatra fantatsika momba azy. Izany no mahatonga antsika hianatra Baiboly tsy tapaka ary hisaintsaina an’izay novakintsika. Anisan’ny zava-dehibe indrindra amintsika ireo.—Fil. 2:16.

6. Araka ny 1 Jaona 4:11, 20, 21, iza koa no tokony ho tiantsika?

6 Ho tia an’ireo rahalahy sy anabavy isika, rehefa misaintsaina ny halehiben’ny fitiavan’i Jehovah antsika. (Vakio ny 1 Jaona 4:11, 20, 21.) Mety hieritreritra isika fa mandeha ho azy ny hoe tia ny mpiara-manompo. Manompo an’i Jehovah mantsy isika, ary miezaka manahaka ny toetrany. Manahaka an’i Jesosy koa isika. Tena tia antsika izy ka nanome ny ainy hanavotana antsika. Na izany aza, dia mety ho sarotra amintsika ny mankatò an’ilay didy hoe tokony hifankatia. Izany no nitranga tamin’ny olona sasany tao amin’ilay fiangonan’i Filipy.

7. Inona no azo ianarana avy amin’ny torohevitra nomen’i Paoly an’i Eodia sy Syntyke?

7 Anabavy be zotom-po tao amin’ny fiangonan’i Filipy i Eodia sy Syntyke, ary “niara-niasa” tamin’i Paoly. Lasa tsy mpinamana intsony anefa izy mirahavavy, satria angamba nisy tsy nifanarahany. Rehefa nanoratra ho an’ny fiangonan’i Filipy i Paoly, dia notononiny tao mihitsy i Eodia sy Syntyke ary nomeny torohevitra. Nasainy niezaka “hiray saina” izy ireo. (Fil. 4:2, 3) Ilay fiangonana manontolo mihitsy no hitan’i Paoly hoe nila nomena torohevitra. Nampirisihiny ry zareo hoe: “Izay rehetra ataonareo dia ataovy foana tsy misy fimenomenonana sy adihevitra.” (Fil. 2:14) Azo antoka fa tsy ireo anabavy tsy nivadika ireo ihany no lasa nifankatia kokoa vokatr’izany torohevitra mivantana izany, fa ilay fiangonana manontolo mihitsy.

Nahoana isika no mila mifantoka amin’ny toetra tsaran’ny mpiara-manompo? (Fehintsoratra 8) *

8. Inona no mety hahatonga antsika tsy ho tia an’ireo rahalahy sy anabavintsika? Inona no hanampy antsika ho tia azy ireo foana?

8 Mora mifantoka amin’izay tsy mety ataon’ny mpiara-manompo isika, hoatran’ny nataon’i Eodia sy Syntyke. Mety ho sarotra be amintsika ny ho tia an-dry zareo rehefa mitranga izany. Manao diso daholo isika isan’andro. Raha mieritreritra be foana an’izay tsy mety ataon’ny hafa isika, dia hihena ny fitiavantsika azy. Mety ho sosotra, ohatra, isika raha manadino manampy antsika amin’ny fanadiovana Efitrano Fanjakana ny rahalahy iray. Ahoana anefa raha mbola mieritreritra an’izay fahadisoana hafa rehetra efa nataony isika? Vao mainka ho sosotra isika ary hihamangatsiaka ny fitiavantsika azy. Eritrereto izao rehefa sendra an’izany ianao: Tsy ny fahadisoana ataon’ilay rahalahinao ihany no hitan’i Jehovah, fa ny anao koa. Mbola tia an’ilay rahalahinao anefa izy, ary mbola tia anao koa. Mila miezaka ho be fitiavana hoatran’i Jehovah àry isika, ary mifantoka amin’ny toetra tsaran’ny mpiara-manompo amintsika. Hiray saina kokoa isika raha miezaka mafy ho tia azy ireo.—Fil. 2:1, 2.

FANTARO “IZAY ZAVA-DEHIBE KOKOA”

9. Inona no sasany amin’ireo “zava-dehibe kokoa” tian’i Paoly horesahina?

9 Nasain’i Jehovah nampirisika ny Kristianina tany Filipy i Paoly mba ‘hamantatra an’izay zava-dehibe kokoa.’ (Fil. 1:10) Tokony hanao an’izany koa isika amin’izao. Anisan’ireo zava-dehibe kokoa ny hoe hohamasinina ny anaran’i Jehovah, ho tanteraka ny fikasany, ary miray saina sy mihavana tsara ny fiangonana. (Mat. 6:9, 10; Jaona 13:35) Hita eo amin’ny fiainanao ve fa zava-dehibe aminao ireo? Porofoinao amin’izany hoe tena tia an’i Jehovah ianao.

10. Inona no tsy maintsy ataontsika, raha tsy te hisy tsiny eo imason’i Jehovah isika?

10 Nilaza koa i Paoly hoe tokony “tsy hisy tsiny” isika. Tsy midika akory izany hoe tokony ho lavorary isika. Tsy afaka ny hitovy tanteraka amin’i Jehovah mantsy isika. Izy ihany no tsy misy tsiny mihitsy. Raha manao izay rehetra azo atao anefa isika mba ho be fitiavana kokoa sy hamantatra an’izay zava-dehibe kokoa, dia hihevitra antsika ho tsy misy tsiny i Jehovah. Mampiseho fitiavana, ohatra, isika raha miezaka mafy mba tsy hampihemotra ny hafa, izany hoe tsy hanao izay hahatonga azy tsy hifandray tsara amin’i Jehovah intsony.

11. Nahoana isika no mila mitandrina mba tsy hampihemotra ny hafa?

11 Nampitandreman’i Paoly koa isika mba tsy hampihemotra ny hafa. Tsy azo hamaivanina mihitsy izany fampitandremany izany. Inona no mety hahatonga antsika hampihemotra ny hafa? Mety ho ny fialam-boly, na ny akanjo, na ny asa fidintsika izany. Tsy voatery ho ratsy ny safidy ataontsika. Tena ratsy anefa ilay izy raha manelingelina ny feon’ny fieritreretan’ny hafa ka mahatonga azy tsy hifandray tsara amin’i Jehovah intsony. Nilaza i Jesosy hoe raha misy olona manafintohina ny iray amin’ny ondriny, dia tsara kokoa ho azy ny hanantonana vato lehibe eo amin’ny vozony ka hatsipy any an-dranomasina izy.—Mat. 18:6.

12. Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’ny mpivady mpisava lalana iray?

12 Nampihatra an’io fampitandreman’i Jesosy io ny mpivady mpisava lalana iray. Nisy mpivady vao vita batisa tao amin’ny fiangonan-dry zareo. Hentitra be ny fomba nitaizana an’ireo mpivady ireo, dia nieritreritra ry zareo hoe tsy tokony hijery filma any amin’ny sinema mihitsy ny Kristianina, na dia tsy ratsy aza ilay filma. Tezitra be ry zareo raha vao naheno hoe nankany amin’ny sinema ilay mpivady mpisava lalana. Tsy nankany amin’ny sinema intsony àry ireo mpisava lalana ireo taorian’izay, raha tsy hitany hoe nampiofana tsara ny feon’ny fieritreretany ilay mpivady vao vita batisa ka lasa nahay nandanjalanja kokoa. (Heb. 5:14) Tsy tia tena ireo mpisava lalana ireo, ka nanaporofo hoe tia amin’ny atao fa tsy amin’ny teny fotsiny.—Rom. 14:19-21; 1 Jaona 3:18.

13. Inona no mety hataontsika ka hahatonga ny olona hanota?

13 Mampihemotra ny hafa koa isika raha ny ataontsika no mahatonga azy hanota. Eritrereto, ohatra, hoe afaka amin’ny toaka ihany ny mpianatra Baiboly iray, rehefa avy niady mafy nandritra ny taona maro. Hitany hoe tsy tokony hikitika toaka intsony izy. Nandroso haingana izy ary natao batisa. Misy rahalahy manasa azy indray andro, dia mampirisika azy hisotro kely. Miteny aminy ilay rahalahy hoe: “Efa Kristianina ange ianao izao e! Efa manana ny fanahy masin’i Jehovah amin’izay, dia afaka mifehy tena. Vokatry ny fanahy tsinona izany. Hahavita tsy hisotro be ianao raha mifehy tena.” Tsy ratsy saina izy nefa diso ny torohevitra nomeny, ary ho ratsy be ny vokany raha manaraka ny teniny ilay rahalahy vao vita batisa.

14. Nahoana ny fivoriana no manampy antsika hampihatra ny Filipianina 1:10?

14 Manampy antsika hampihatra ny torohevitra ao amin’ny Filipianina 1:10 ny fivoriana. Voalohany, mampahatsiahy antsika an’izay heverin’i Jehovah ho tena zava-dehibe ny zavatra resahina any. Faharoa, atoro antsika any hoe ahoana no hampiharana an’izay nianarantsika mba hahatonga antsika tsy hisy tsiny. Fahatelo, mandrisika antsika ho amin’ny “fitiavana sy ny asa tsara” ny fivoriana. (Heb. 10:24, 25) Rehefa mahazo fampaherezana avy amin’ny mpiara-manompo isika, dia vao mainka ho tia azy ireny sy ho tia an’Andriamanitra. Ary rehefa tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-manompo amin’ny fo manontolo isika, dia hitandrina mafy mba tsy hampihemotra an’iza na iza.

MIEZAHA MBA HO “FENO VOKATRY NY FAHAMARINANA” FOANA

15. Inona no dikan’ny hoe “feno vokatry ny fahamarinana”?

15 Nivavaka mafy i Paoly mba ho “feno vokatry ny fahamarinana” ny Filipianina. (Fil. 1:11) Azo antoka hoe anisan’io “vokatry ny fahamarinana” io ny fitiavan’izy ireo an’i Jehovah sy ny mpanompony. Anisan’izany koa ny hoe miresaka momba ny fanantenany sy ny finoany an’i Jesosy. Izany no mahatonga ny Kristianina hoharina amin’ny “mpanazava eo amin’izao tontolo izao”, ao amin’ny Filipianina 2:15. Mety tsara izany satria nantsoin’i Jesosy hoe “fahazavan’izao tontolo izao” ny mpianany. (Mat. 5:14-16) Nandidy ny mpanara-dia azy koa i Jesosy mba ‘hanao mpianatra’, ary nilaza fa ‘ho vavolombelony any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany’ izy ireo. (Mat. 28:18-20; Asa. 1:8) Io no asa lehibe indrindra, ary mamoa ny “vokatry ny fahamarinana” isika rehefa mazoto manao azy io.

Nanoratra taratasy ho an’ny fiangonana tany Filipy i Paoly, tamin’izy nigadra tao amin’ny trano iray tany Roma. Nanararaotra nitory tamin’ny mpiambina sy tamin’ny mpitsidika azy koa izy tany (Fehintsoratra 16)

16. Nahoana ny Filipianina 1:12-14 no manaporofo fa afaka ny ho “mpanazava” foana isika, na dia miatrika zava-tsarotra aza? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

16 Afaka ny ho “mpanazava” foana isika, na inona na inona mahazo antsika. Indraindray hoatran’ny hoe misy sakana tsy ahafahana mitory, nefa iny sakana iny mihitsy no lasa hirika ahafahana manao an’izany. Nigadra tao amin’ny trano iray tany Roma, ohatra, i Paoly tamin’izy nanoratra ho an’ny Filipianina. Tsy nahasakana azy tsy hitory tamin’ny mpiambina sy tamin’ny mpitsidika anefa izany. Nazoto nitory izy na dia tsy mora aza ny nahazo azy. Nanampy an’ireo mpiara-manompo mba ho be herim-po izany, ka tsy natahotra izy ireo fa ‘vao mainka sahy nitory ny tenin’Andriamanitra.’—Vakio ny Filipianina 1:12-14; 4:22.

Mitadiava foana fomba hitoriana ny vaovao tsara (Fehintsoratra 17) *

17. Ahoana no ataon’ny mpiara-manompo sasany mba hitoriana, na dia miatrika zava-tsarotra aza ry zareo?

17 Betsaka amin’ireo rahalahy sy anabavintsika no be herim-po hoatran’i Paoly. Voasakantsakana ny fitoriana any amin-dry zareo, na tsy azo atao ny mitory isan-trano, dia mitady fomba hafa ry zareo mba hiresahana ny vaovao tsara. (Mat. 10:16-20) Nilaza ny mpiandraikitra ny faritra iray tao amin’ny firenena hoatr’izany hoe ny havana, mpiray tanàna, mpiara-mianatra, mpiara-miasa, ary ny olom-pantatra no faritanin’ny mpitory tsirairay. Nampirisihiny àry ny mpitory mba samy hamita ny “faritaniny.” Inona no vokany? Nitombo be ny isan’ny fiangonana tao amin’io faritra io, tao anatin’ny roa taona. Mbola azo atao tsara angamba ny mitory any amin’ny tany misy anao. Afaka mianatra avy amin’ireny rahalahy sy anabavy mahay mitady hevitra ireny anefa ianao. Mitadiava foana fomba hitoriana ny vaovao tsara, ary matokia fa homen’i Jehovah hery handresena an’izay sakana mety hiseho ianao.—Fil. 2:13.

18. Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?

18 Izao mihitsy isika no vao mainka tokony ho tapa-kevitra hanaraka ny torohevitr’i Jehovah, ao amin’ny taratasy ho an’ny Filipianina. Fantaro àry izay zava-dehibe kokoa, miezaha mba tsy hisy tsiny, aza manao izay hampihemotra ny hafa, ary miezaha hamoa ny vokatry ny fahamarinana. Hitombo be ny fitiavantsika amin’izay ka hanome voninahitra an’i Jehovah, ilay Raintsika be fitiavana.

HIRA 17 “Sitrako Tokoa”

^ feh. 5 Izao mihitsy isika no vao mainka tokony ho tia an’ireo rahalahy sy anabavintsika. Resahina ao amin’ny taratasy ho an’ny Filipianina hoe inona no hanampy antsika ho be fitiavana foana, na dia rehefa sarotra aza izany.

^ feh. 54 SARY: Miresaka amin’ny rahalahy iray sy ny zanany i Fano mandritra ny fanadiovana Efitrano Fanjakana, ka lasa mijanona manadio. I Mika anefa mbola manadio dia sosotra izy mahita ny ataon’i Fano. Mieritreritra i Mika hoe: ‘Tokony hiasa izao i Fano fa tsy ilaozany miresaka fotsiny!’ Hitany manampy anabavy be taona anefa i Fano avy eo. Mampahery azy izany sady mampahatsiahy azy hoe mila mifantoka kokoa amin’ny toetra tsaran’ilay rahalahiny izy.

^ feh. 58 SARY: Rahalahy iray any amin’ny tany anakantsakanana ny asantsika. Mihaona amin’ny olom-pantany izy dia mitory aminy, fa mitandrina izy mba tsy hisarika mason’olona. Mitory amin’ny mpiara-miasa aminy izy avy eo rehefa any am-piasana, mandritra ny fiatoana.