Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 31

“Tsy Kivy” Isika!

“Tsy Kivy” Isika!

“Tsy kivy izahay.”—2 KOR. 4:16.

HIRA 128 Miareta Hatramin’ny Farany

HO HITANAO ATO *

1. Inona no nampahatsiahivin’i Paoly ny Kristianina?

MANAO hazakazaka hahazoana fiainana ny Kristianina. Efa ela ve ianao no nanao azy io, sa vao nanomboka? Na ahoana na ahoana, dia tsy tokony hijanona mihitsy isika raha tsy vita ilay hazakazaka. Mandrisika antsika hamita azy io hatramin’ny farany ny torohevitra nomen’i Paoly ho an’ny Kristianina tany Filipy. Efa aman-taonany ny Kristianina sasany tao amin’io fiangonana io no nanompo an’i Jehovah, tamin-dry zareo nahazo ny taratasin’i Paoly. Tsy nivadika ry zareo, nefa mbola nampahatsiahivin’i Paoly hoe mila manam-paharetana dia manohy an’ilay hazakazaka. Tiany hanatratra an’ilay tanjona foana izy ireo, hoatran’ny nataony ihany.—Fil. 3:14.

2. Nahoana no tena nilain’ny Filipianina ny torohevitr’i Paoly?

2 Tena nilain’ny Filipianina ny torohevitr’i Paoly. Vao niforona mantsy ilay fiangonana nisy an-dry zareo dia efa nisy nanenjika. I Paoly sy Silasy no nitory voalohany tany Filipy tamin’ny taona 50 tany ho any, tamin’izy ireo nirahin’i Jehovah hankany Makedonia. (Asa. 16:9) Nahita vehivavy atao hoe Lydia ry zareo tao. “Nihaino” tsara izy dia “nanokatra tanteraka ny fony i Jehovah.” (Asa. 16:14) Natao batisa izy sy ny ankohonany, tsy ela taorian’izay. Tsy nipetra-potsiny anefa ny Devoly. Notaritaritin’ny olona tao an-tanàna tany amin’ny tompon’andraiki-panjakana i Paoly sy Silasy, ary nendrikendrehiny hoe nanakorontana. Nokapohina izy roa lahy vokatr’izany, dia nogadraina, ary avy eo nasaina niala tao an-tanàna. (Asa. 16:16-40) Kivy ve izy ireo? Tsy izany mihitsy! Ireo rahalahy sy anabavy tao amin’ilay fiangonana vaovao koa niaritra fa tsy kivy mihitsy, ka tena modely ho antsika. Azo antoka hoe tena nampahery an-dry zareo ny nataon’i Paoly sy Silasy.

3. Inona no fantatr’i Paoly, ary inona avy no fanontaniana hodinihintsika ato?

3 Tapa-kevitra i Paoly hoe hiaritra foana fa tsy ho kivy mihitsy. (2 Kor. 4:16) Fantany hoe tokony hifantoka amin’ny tanjony izy, raha te hamita an’ilay hazakazaka hatramin’ny farany. Inona no azontsika ianarana avy aminy? Inona no nataon’ny mpiara-manompo sasany, ka manaporofo fa afaka miaritra isika na dia manana olana aza? Ary nahoana ny fanantenantsika no manampy antsika ho tapa-kevitra ny hanohy foana?

INONA NO IANARANTSIKA AVY AMIN’I PAOLY?

4. Inona no nataon’i Paoly na dia nanana olana aza izy?

4 Nigadra tao amin’ny trano iray tany Roma i Paoly, tamin’izy nanoratra ho an’ny Filipianina. Tsy afaka nivoaka mba handeha hitory àry izy. Tsy nahasakana azy tsy hanohy ny fanompoany anefa izany. Nitory tamin’izay tonga tao aminy izy, ary nanoratra ho an’ny fiangonana maromaro tany amin’ny faritra lavitra teo. Misy Kristianina tsy afaka mivoaka ny trano koa amin’izao, satria angamba efa be taona na marary. Maro amin’izy ireny no manararaotra mitory ny vaovao tsara amin’izay olona rehetra tonga ao aminy. Manoratra taratasy mampahery ho an’ny olona tsy tratra an-trano koa izy ireny.

5. Araka ny Filipianina 3:12-14, inona no nanampy an’i Paoly hifantoka tamin’ny tanjony?

5 Nifantoka tamin’ny fanompoany i Paoly, fa tsy variana tamin’ny zavatra tsara efa vitany, na ny fahotana nataony taloha. Nilaza mihitsy aza izy hoe ilaina ny “manadino ny zavatra any aoriana” raha te ‘hikely aina hanatratra ny eo aloha’, izany hoe hahavita an’ilay hazakazaka. (Vakio ny Filipianina 3:12-14.) Inona no nataon’i Paoly mba tsy ho variana? Voalohany, na dia nahavita zavatra niavaka be dia be aza izy tamin’izy mbola nanaraka ny Fivavahana Jiosy, dia noheveriny ho “fako miavosa” daholo ireny. (Fil. 3:3-8) Faharoa, na dia mety ho nanamelo-tena aza izy satria nanenjika ny Kristianina, dia tsy navelany hisakana azy tsy hanompo an’i Jehovah izany. Fahatelo, tsy nieritreritra izy hoe efa ampy ny fanompoana vitany. Efa nahavita be mantsy izy na dia niaritra ny mafy aza, ohatra hoe nogadraina, nokapohina, notoraham-bato, vaky sambo, ary tsy ampy sakafo sy akanjo. (2 Kor. 11:23-27) Fantany hoe nila niezaka nanompo an’i Jehovah foana izy, na inona na inona zavatra efa vitany teo amin’ny fanompoana na fahoriana efa niaretany. Hoatr’izany koa isika.

6. Inona avy ireo “zavatra any aoriana” mila hadinointsika?

6 Inona no azontsika atao raha te ‘hanadino ny zavatra any aoriana’ isika, hoatran’ny nataon’i Paoly? Misy amintsika angamba manamelo-tena noho ny fahotana vitantsika taloha. Maninona àry raha manao fikarohana momba ny sorom-panavotana? Raha mianatra sy misaintsaina momba ny soron’i Kristy ianao ary mangataka amin’i Jehovah mba hampiany hanaiky fa namela anao izy, dia mety tsy hanamelo-tena be loatra na tsy hanamelo-tena intsony mihitsy. I Jehovah aza efa namela ny fahotanao, dia tsy tokony hampijaly tena amin’izany intsony ianao. Inona koa no azontsika ianarana avy amin’i Paoly? Nanana asa tsara angamba ianao taloha ary mety ho lasa nanan-karena. Niala tamin’ilay izy anefa ianao, satria te hanompo an’i Jehovah bebe kokoa. Maninona àry raha “manadino ny zavatra any aoriana” hoatran’ny nataon’i Paoly, dia tsy malahelo ny zavatra mety ho azonao tamin’izany? (Nom. 11:4-6; Mpito. 7:10) Mety ho anisan’ireo “zavatra any aoriana” koa ny zavatra vitantsika teo amin’ny fanompoana na ny fitsapana efa niaretantsika. Marina aloha hoe manampy antsika ho akaiky kokoa an’i Jehovah ny misaintsaina ny fomba nanampiany sy nitahiany antsika. Tsy mety anefa raha mieritreritra isika hoe efa ampy izay ny vitantsika ho an’i Jehovah.—1 Kor. 15:58.

Tsy tokony ho varimbariana isika fa hifantoka amin’ny tanjontsika, rehefa manao an’ilay hazakazaka hahazoana ny fiainana (Fehintsoratra 7)

7. Araka ny 1 Korintianina 9:24-27, inona no tokony hataontsika raha te handresy amin’ilay hazakazaka hahazoana fiainana isika? Hazavao amin’ny ohatra.

7 Azon’i Paoly tsara ny tenin’i Jesosy hoe: “Miezaha mafy.” (Lioka 13:23, 24) Fantany hoe mila miezaka mafy hatramin’ny farany izy, hoatran’i Kristy. Izany no nahatonga azy hampitovy ny fiainantsika Kristianina amin’ny hazakazaka. (Vakio ny 1 Korintianina 9:24-27.) Tsy mieritreritra zavatra hafa mihitsy ny mpihazakazaka iray, fa mifantoka amin’ilay tsipika farany. Mety handalo tanàna ry zareo indraindray, dia hahita tsena sy zavatra hafa mety hahavariana azy. Ahoana raha mijanona izy, dia ilaozany mijerijery ny entana mivelatra eny amin’ireny tsena ireny? Tsy hanao an’izany mihitsy izy raha te handresy! Mila mitandrina koa isika rehefa manao an’ilay hazakazaka hahazoana fiainana, sao ho varimbariana hoatr’izany. Hahazo an’ilay loka isika raha mifantoka foana, sady miezaka mafy hoatran’ny nataon’i Paoly.

AZA ATAO SAKANA NY OLANA!

8. Inona avy no olana hodinihintsika ato?

8 Hoatran’ny hoe ela loatra ve vao tanteraka ny zavatra antenainao? Sa ianao mihamarary? Sa tsy mety milamina ny olana mahazo anao? Mety hahatonga antsika tsy hazoto hanompo an’i Jehovah ireo. Hodinihintsika àry hoe inona no nanampy ny rahalahy sy anabavy sasany mba hiaritra an’ireo zava-tsarotra ireo.—Fil. 3:17.

9. Inona no mety hitranga rehefa tsy tanteraka izay antenaintsika?

9 Ahoana raha hoatran’ny hoe ela loatra vao tanteraka ny zavatra antenainao? Efa tsy andrintsika ny hahatanterahan’ny zavatra tsara ampanantenain’i Jehovah. Izany no tsapan’i Habakoka mpaminany. Tena tiany hofaranan’i Jehovah ny faharatsiana tao Joda. Nilaza taminy anefa i Jehovah hoe: “Andraso ihany.” (Hab. 2:3) Mety tsy hafana fo amin’ny fanompoana intsony isika, raha hoatran’ny hoe ela be vao tanteraka ny zavatra antenaintsika. Mety ho kivy mihitsy aza isika. (Ohab. 13:12) Izany no nanjo ny rahalahy sy anabavy sasany tamin’ny 1914 tany ho any. Be dia be ny Kristianina voahosotra nanantena ny hiakatra any an-danitra tamin’io taona io, nefa tsy izany no nitranga. Ahoana àry no nataon’ireo Kristianina tsy nivadika?

Tsy tanteraka tamin’ny 1914 ny fanantenan’i Royal sy Pearl Spatz. Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy anefa izy ireo (Fehintsoratra 10)

10. Ahoana no nataon’ny mpivady iray rehefa tsy tanteraka tamin’ny fotoana noeritreretiny izay nantenainy?

10 Diniho ny nataon’ny Kristianina roa tsy nivadika. Natao batisa ny Rahalahy Royal Spatz tamin’izy 20 taona, tamin’ny 1908. Tena nino izy hoe kely sisa dia ho any an-danitra. Rehefa nangataka an’i Pearl ho vadiny àry izy tamin’ny 1911, dia niteny hoe: “Raha hivady ihany isika, dia aleo atao haingana araka izay azo atao! Hainao tsara mantsy hoe inona no hitranga amin’ny 1914.” Tsy nankany an-danitra anefa ry zareo tamin’ny 1914. Tsy nanohy an’ilay hazakazaka intsony ve izy mivady? Tsy izany mihitsy! Nanompo an’i Jehovah foana ry zareo, satria ny hanao ny sitrapon’i Jehovah no tena nifantohany fa tsy ny ho any an-danitra. Tapa-kevitra ny hiaritra ry zareo dia nanohy an’ilay hazakazaka. Tsy nivadika izy mivady sady nazoto foana mandra-pahatapitry ny fiainany teto an-tany, taona maro tatỳ aoriana. Azo antoka fa efa tsy andrinao hoe hanamarina ny anarany sy ny zony hitondra i Jehovah ary hanatanteraka an’izay rehetra nampanantenainy. Matokia fa tena hitranga izany amin’ny fotoana hitan’i Jehovah hoe mety. Mandra-pahatongan’izany anefa, dia mazotoa manompo azy foana. Aza kivy mihitsy na dia hoatran’ny ela be aza vao tanteraka ny zavatra antenainao.

Niezaka hanome izay tsara indrindra ho an’i Jehovah foana i Arthur Secord, na dia efa antitra aza (Fehintsoratra 11)

11-12. Nahoana isika no mbola afaka manohy an’ilay hazakazaka na dia tsy salama aza? Manomeza ohatra.

11 Ahoana raha mihaosa ianao? Tsy hoatran’ny amin’ny hazakazaka ara-bakiteny ny hazakazaka ataon’ny Kristianina. Mbola afaka manohy azy io foana mantsy ianao, na dia tsy matanjaka ara-batana aza. Betsaka ny Kristianina efa mihaosa nefa mbola tapa-kevitra ny hanome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah foana. (2 Kor. 4:16) Hoatr’izany ny Rahalahy Arthur Secord. Efa nanompo tao amin’ny Betela nandritra ny 55 taona izy tamin’izy 88 taona, ary efa osa. Tonga hikarakara azy ny anabavy iray mpitsabo mpanampy indray mandeha, dia nankeo akaikin’ny fandrianany. Nijery azy izy sady niteny hoe: “Tena nahavita be teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah ianao Ranadahy Secord a!” Tsy nifantoka tamin’ny lasa anefa io rahalahintsika io. Nijery an’ilay anabavy izy sady nitsiky, dia namaly hoe: “Ie, marina izany. Fa tsy izay no zava-dehibe, fa izay ataontsika manomboka izao.”

12 Efa nanompo an’i Jehovah nandritra ny taona maro angamba ianao, nefa lasa tsy dia salama izao ka tsy mahavita manompo be hoatran’ny taloha intsony. Aza kivy raha izany no mahazo anao. Matokia fa sarobidy amin’i Jehovah ny fanompoana nataonao ho azy hatramin’izay. (Heb. 6:10) Tadidio koa fa tsy ny habetsahan’ny fanompoana vitantsika no manaporofo hoe tia an’i Jehovah isika na tsia. Porofointsika kosa hoe tia azy isika raha miezaka ny ho faly foana sady manao izay rehetra azontsika atao. (Kol. 3:23) Fantatr’i Jehovah hoe voafetra ihany ny vitantsika, ary tsy mitaky mihoatra noho izay azontsika omena izy.—Mar. 12:43, 44.

Niaritra foana koa i Anatoly sy Lidiya Melnik na dia niatrika olana maro aza (Fehintsoratra 13)

13. Inona no nahazo an’i Anatoly sy Lidiya? Nahoana izany no mandrisika antsika hanompo an’i Jehovah na dia tsy mety milamina aza ny olana mahazo antsika?

13 Ahoana raha tsy mety milamina ny olana mahazo anao? Efa an-taonany maro ny mpanompon’i Jehovah sasany no niaritra fitsapana sy fanenjehana. Izany no nanjo an’i Anatoly Melnik. * Nosamborina sy nogadraina ny dadany ary nalefa sesitany tany Siberia, tany amin’ny 7000 kilaometatra niala ny nisy an-dry zareo tany Moldavia. I Anatoly anefa vao 12 taona tamin’izany. Nalefa sesitany tany Siberia koa izy sy ny mamany ary ny dadabeny sy bebeny, herintaona taorian’izay. Afaka nivory tany amin’ny tanàna hafa ry zareo tatỳ aoriana, nefa tsy maintsy nandeha an-tongotra 30 kilaometatra tao anaty lanezy. Ny andro amin’io faran’izay mangatsiaka! Nisy fotoana koa i Anatoly nigadra telo taona, ka tafasaraka tamin’i Lidiya vadiny sy ny zanany vavikely vao herintaona. Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy anefa izy sy ny fianakaviany, na dia niatrika zava-tsarotra aza. Efa 82 taona izao i Anatoly ary anisan’ny Komitin’ny Sampana any Azia Afovoany. Tena tsara raha manao hoatr’azy mivady isika, ka manao izay rehetra azo atao eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah ary miaritra foana, hoatran’ny efa nataontsika hatramin’izay.—Gal. 6:9.

TADIDIO FOANA NY FANANTENANAO

14. Inona no fantatr’i Paoly hoe tokony hataony mba hanatratrarana ny tanjony?

14 Natoky i Paoly hoe ho vitany ilay hazakazaka ary ho tratrany ny tanjony. Voahosotra izy ka nanantena ny hahazo an’ilay “lokan’ny fiantsoana avy any ambony.” Fantany anefa fa tsy maintsy miezaka foana izy raha te hahazo an’izany. (Fil. 3:14) Nilaza fampitahana iray mahaliana izy, mba hanampiana ny Filipianina hifantoka amin’ny tanjon’izy ireo.

15. Nampahatsiahy an’ireo Filipianina i Paoly hoe “olom-pirenen’ny lanitra” izy ireo. Nahoana?

15 Nampahatsiahy an’ireo Filipianina i Paoly hoe “olom-pirenen’ny lanitra” izy ireo. (Fil. 3:20) Nahoana izany no tokony hotadidin’izy ireo? Tena te hahazo ny zom-pirenena romanina ny olona tamin’izany, satria be dia be ny soa azo avy amin’izy io. * Tsy misy dikany anefa izany raha oharina amin’ireo soa be dia be ho azon’ny Kristianina voahosotra, noho izy ireo olom-pirenen’ny lanitra. Izany no nahatonga an’i Paoly hampirisika an’ireo Filipianina mba “hitondra tena mendrika ny vaovao tsara momba an’i Kristy.” (Fil. 1:27) Ilay teny nadika hoe “hitondra tena” eo amin’io andininy io dia midika hoe “hitondra tena toy ny olom-pirenena.” Mbola miezaka foana ny voahosotra amin’izao mba hanatratra ny tanjony, izany hoe ny fiainana mandrakizay any an-danitra. Tena modely ho antsika izy ireo!

16. Araka ny Filipianina 4:6, 7, inona no tsy maintsy ataontsika foana, na ho any an-danitra isika na ho eto an-tany?

16 Na ho any an-danitra isika na ho ao amin’ny Paradisa eto an-tany, dia tsy maintsy miezaka foana mba hanatratra an’izany tanjona izany. Tsy tokony hieritreritra ny “zavatra any aoriana” isika, na manao ahoana na manao ahoana ny fiainantsika amin’izao. Aza avela hisy na inona na inona hisakana anao tsy hanompo an’i Jehovah. (Fil. 3:16) Hoatran’ny elaela vao tanteraka ny zavatra antenaintsika indraindray, na isika mihamarary. Mety ho efa aman-taonany koa isika no niaritra fitsapana sy fanenjehana. “Aza manahy na amin’inona na amin’inona” mihitsy anefa. Ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanao ary mitalahoa aminy, na inona na inona mahazo anao. Homeny fiadanana mihoatra lavitra noho izay eritreretinao ianao amin’izay.—Vakio ny Filipianina 4:6, 7.

17. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

17 Vao mainka mifantoka tsara ny mpihazakazaka rehefa akaiky ho tonga. Manezakezaka erỳ izy amin’ilay tapany farany iny. Hoatr’izany koa isika. Efa kely sisa izao dia ho vita ilay hazakazaka hahazoana fiainana. Enga anie àry isika ka hiezaka mafy, arakaraka izay hery ananantsika sy izay zavatra iainantsika, ka hanao izay hahazoana an’ilay hoavy tsara miandry antsika. Inona anefa no hanampy antsika hiaritra sy hahavita hanohy an’ilay hazakazaka hatramin’ny farany? Mila fantarintsika “izay zava-dehibe kokoa” ka tokony hatao loha laharana. (Fil. 1:9, 10) Hiresaka an’izany isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

HIRA 79 Ampianaro Izy Ireo mba Handroso Hatrany

^ feh. 5 Te ho matotra kokoa sy hanatsara ny fanompoantsika an’i Jehovah foana isika, na efa ela no nanompo azy na vao haingana. Nampirisika ny Kristianina ny apostoly Paoly mba tsy ho kivy fa hiezaka foana. Izany, ohatra, no nampirisihiny rehefa nanoratra taratasy ho an’ny Filipianina izy. Manampy antsika io taratasy io mba hanohy foana an’ilay hazakazaka hahazoana fiainana. Hodinihintsika ato hoe ahoana no azo ampiharana ny toroheviny.

^ feh. 13 Jereo ny tantaram-piainan’ny Rahalahy Melnik, ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Mbola Kely dia Nampianarina ho Tia An’Andriamanitra”, ao amin’ny Mifohaza! 8 Novambra 2004.

^ feh. 15 Nampiasa fanoharana azon’ny mpihaino tsara i Paoly tamin’izay. Zanatany romanina mantsy i Filipy, dia nanana ny zo sasany nananan’ny olom-pirenena romanina ny mponina tao.