Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 33

Mampiharihary ny Toetran’i Jehovah ny Fananganana ny Maty

Mampiharihary ny Toetran’i Jehovah ny Fananganana ny Maty

“Hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.”—ASA. 24:15.

HIRA 151 Hiantso i Jehovah

HO HITANAO ATO *

1. Inona no nahatonga an’i Jehovah hamorona?

NISY fotoana tsy nisy afa-tsy i Jehovah teo amin’izao rehetra izao. Tsy nahatsiaro ho manirery anefa izy. Tsy nila an’iza na iza izy mba ho sambatra. Tiany hankafy fiainana anefa ny hafa. Fitiavana àry no nahatonga an’i Jehovah hamorona.—Sal. 36:9; 1 Jaona 4:19.

2. Inona no tsapan’i Jesosy sy ny anjely rehefa nahita ny zavatra noforonin’i Jehovah?

2 Namorona an’i Jesosy aloha i Jehovah mba hiara-miasa aminy. Nampiasa an’io Zanany io izy avy eo mba hamorona “ny zavatra hafa rehetra”, anisan’izany ny anjely be dia be. (Kol. 1:16) Faly be i Jesosy hoe niara-niasa tamin’ny Rainy, ary Mpiasa Tena Mahay izy. (Ohab. 8:30) Faly be koa ny anjely rehefa nahita an’i Jehovah sy Jesosy namorona. Hoatran’ny hoe nijery fampisehoana ry zareo rehefa noforonina ny lanitra sy ny tany, dia ry zareo no nipetraka teny aloha indrindra! “Nihoby” ny anjely rehefa vita ny tany. (Joba 38:7) Azo antoka fa vao mainka nidera an’i Jehovah ry zareo isaky ny nahavita namorona zavatra iray izy, ary ny olombelona no niavaka indrindra tamin’izany. (Ohab. 8:31) Hita tamin’ny zavaboary tsirairay noforonin’i Jehovah hoe be fitiavana sy hendry izy.—Sal. 104:24; Rom. 1:20.

3. Araka ny 1 Korintianina 15:21, 22, inona no vokatry ny sorom-panavotana?

3 Tian’i Jehovah hiaina mandrakizay eto amin’ity tany tsara tarehy noforoniny ity ny olombelona. Lasa nanjombona anefa ny hoavin’izy ireo. Nikomy tamin’ilay Rainy be fitiavana mantsy i Adama sy Eva, ka lasa mpanota sy mety maty ny taranany. (Rom. 5:12) Inona àry no nataon’i Jehovah? Tonga dia nolazainy hoe ahoana no hanavotany ny olombelona. (Gen. 3:15) Nikasa hanao sorona ny Zanany izy mba hanafahana ny taranak’i Adama sy Eva amin’ny ota sy ny fahafatesana. Lasa afaka manome fiainana mandrakizay ho an’izay mifidy ny hanompo azy àry izy.—Jaona 3:16; Rom. 6:23; vakio ny 1 Korintianina 15:21, 22.

4. Inona avy ny fanontaniana hodinihintsika ato?

4 Be dia be ny fanontaniana mety hoeritreretintsika momba ny fananganana ny maty. Ohatra hoe: Inona no mety hitranga rehefa hatsangana ny maty? Ho fantatsika ve ny havantsika na ny namantsika rehefa velona indray ry zareo? Nahoana no hahafaly antsika ny fananganana ny maty? Nahoana ny fisaintsainana an’izany no hahatonga antsika hiaiky fa be fitiavana sy hendry ary manam-paharetana i Jehovah? Andao isika handinika an’ireo.

INONA NO METY HITRANGA REHEFA HATSANGANA NY MATY?

5. Nahoana no azo inoana fa tsy hatsangana amin’ny fotoana iray ny maty rehetra?

5 Hampiasa an’i Jesosy i Jehovah mba hananganana olona an-tapitrisany amin’ny maty. Azo inoana anefa hoe tsy hiaraka hatsangana daholo ny maty rehetra. Fa maninona? Satria raha izany no mitranga, dia ho be dia be tampoka ny mponina eto an-tany ka hikorontana be eto. I Jehovah anefa tsy manao zavatra mikorontana mihitsy. Fantany hoe mba tsy hisian’ny korontana, dia tsy maintsy atao izay hisian’ny filaminana. (1 Kor. 14:33) Ahoana, ohatra, no nataony rehefa niara-niasa tamin’i Jesosy izy ka namorona ny tany mba hipetrahan’ny olombelona? Hendry sy nanam-paharetana izy ka noforoniny tsikelikely izy io. Hampiseho an’ireo toetra ireo koa i Jesosy mandritra ny Fanjakana Arivo Taona, rehefa hiara-miasa amin’ny olona ho tafavoaka velona amin’ny Hara-magedona. Hanomana ny tany ry zareo amin’izay, mba hitsenana an’ireo hatsangana amin’ny maty.

Hampianarina momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy izay takin’i Jehovah ny olona hatsangana amin’ny maty, ary ny olona ho tafavoaka velona amin’ny Hara-magedona no hampianatra azy ireo (Fehintsoratra 6) *

6. Araka ny Asan’ny Apostoly 24:15, iza no hatsangana amin’ny maty?

6 Misy zava-dehibe hafa koa hataon’ireo olona ho tafavoaka velona amin’ny Hara-magedona. Ry zareo no hampianatra an’ireo hatsangana amin’ny maty momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy izay takin’i Jehovah. Anisan’ireo “tsy marina” mantsy ny ankamaroan’ireo hatsangana, ary betsaka ny fiovana tokony hataony mba handraisany soa avy amin’ny vidim-panavotana. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 24:15.) Eritrereto ange ny asa be hatao amin’izany e! Olona an-tapitrisany no hampianarina ny marina momba an’i Jehovah satria mbola tsy mahalala azy. Hampianarina tsirairay hoatran’ny amin’izao ve ry zareo? Samy hanana ny fiangonana hanendrena azy koa ve ry zareo, ary hampiofanina mba hampianatra an’izay hatsangana amin’ny maty aorianany? Ho hitantsika eo ihany izany. Ny fantatsika kosa dia hoe ho “feno fahalalana an’i Jehovah ny tany” rehefa mifarana ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. (Isaia 11:9) Ho be atao be àry isika mandritra an’io arivo taona io, nefa hahafinaritra be ny asantsika!

7. Nahoana isika no hangoraka an’ireo hatsangana amin’ny maty rehefa hampianatra azy ireo?

7 Mbola hiezaka hiova isika mandritra ny Fanjakana Arivo Taona, satria te hampifaly an’i Jehovah. Hangoraka an’ireo hatsangana amin’ny maty àry isika rehefa hanampy an-dry zareo mba tsy hieritreri-dratsy sy tsy hanao ratsy fa hanaraka ny fitsipik’i Jehovah. (1 Pet. 3:8) Azo antoka fa te hanompo an’i Jehovah miaraka amintsika ry zareo, satria ho hitany hoe manetry tena isika sady ‘miezaka mafy’ koa ‘mba hahazo famonjena.’—Fil. 2:12.

HO FANTATSIKA VE RY ZAREO REHEFA VELONA INDRAY?

8. Nahoana no azo inoana hoe ho fantatry ny havany sy ny namany ny olona hatsangana amin’ny maty?

8 Azo inoana hoe rehefa hitsena ny havantsika na ny namantsika isika, dia ho fantatsika ry zareo. Maromaro ny antony mahatonga antsika hieritreritra an’izany. Mety hataon’i Jehovah mitovy amin’ny taloha kelin’ny nahafatesan’ilay olona, ohatra, ny paoziny sy ny feony ary ny fomba fisainany. Manamarina an’izany ny fananganana ny maty efa nitranga. Tadidio fa nampitovin’i Jesosy tamin’ny torimaso ny fahafatesana, ary nilaza izy fa hoatran’ny hoe fohazina ilay olona rehefa atsangana amin’ny maty. (Mat. 9:18, 24; Jaona 11:11-13) Rehefa fohazina ny olona iray, dia mitovy amin’ny talohan’izy natory ihany ny paoziny sy ny feony ary ny zavatra tadidiny. Izany no nitranga tamin’i Lazarosy. Efatra andro izy no maty, ka azo antoka fa efa nanomboka lo ny vatany. Tonga dia fantatry ny anabaviny anefa izy rehefa natsangan’i Jesosy tamin’ny maty, ary azo inoana hoe izy koa nahatadidy an-dry zareo.—Jaona 11:38-44; 12:1, 2.

9. Nahoana no tsy tonga dia ho lavorary ny saina sy ny vatan’ny olona hatsangana amin’ny maty?

9 Nampanantena i Jehovah hoe rehefa hanjaka i Kristy, dia tsy hisy olona hiteny hoe: “Marary aho.” (Isaia 33:24; Rom. 6:7) Hanana vatana salama tsara àry ny olona rehefa hatsangana amin’ny maty. Tsy tonga dia ho lavorary anefa ry zareo. Mety tsy ho fantatry ny havany sy ny namany mantsy ry zareo raha izany. Toa ho lavorary tsikelikely ny olombelona rehetra mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Rehefa mifarana ny arivo taona, dia hamerina an’ilay Fanjakana amin’ny Rainy i Jesosy. Efa vitan’io Fanjakana io tanteraka ny asany amin’izay, anisan’izany ny hoe nanampy ny olombelona mba ho lasa lavorary.—1 Kor. 15:24-28; Apok. 20:1-3.

MAHAFALY ANTSIKA NY FANANGANANA NY MATY

10. Inona no ho tsapanao rehefa hatsangana ny maty?

10 Eritrereto ange ny hafalianao rehefa hitsena ny havanao na ny namanao e! Ho latsa-dranomaso mihitsy ve ianao amin’izay sa hihomehy? Ho faly loatra ve ianao ka hanao hira fiderana an’i Jehovah? Azo antoka aloha fa ho feno fitiavana an’i Jehovah sy ny Zanany ny fonao. Tena miahy antsika mantsy ry zareo matoa hanangana ny maty.

11. Hanao ahoana ny hoavin’izay mankatò an’Andriamanitra, araka ny Jaona 5:28, 29?

11 Eritrereto koa ny hafalian’ireo hatsangana amin’ny maty, rehefa miezaka hiala amin’ny toetrany taloha izy dia manaraka ny fitsipik’i Jehovah. “Hatsangana ho amin’ny fiainana” izay miezaka hiova, izany hoe havela hiaina mandrakizay. Izay mikomy amin’i Jehovah kosa tsy havelany hiaina ao amin’ny Paradisa, ka hanelingelina ny fiadanana ao.—Isaia 65:20; vakio ny Jaona 5:28, 29.

12. Inona no fitahiana homen’i Jehovah ny olona rehetra eto an-tany?

12 Rehefa hitondra ny tany ilay Fanjakana, dia ho tanteraka amin’ny mpanompon’i Jehovah rehetra ny voalazan’ny Ohabolana 10:22 hoe: “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena ary tsy ampiany fahoriana izany.” Hanampy azy ireo ny fanahy masina ka hanan-karena ara-panahy izy ireo, izany hoe hitovy kokoa amin’i Kristy ary ho lasa lavorary tsikelikely. (Jaona 13:15-17; Efes. 4:23, 24) Hatanjaka kokoa ry zareo isan’andro sady ho lasa tsara toetra kokoa. Tena hahafinaritra ny fiainana amin’izany! (Joba 33:25) Dieny izao anefa isika dia efa mandray soa raha misaintsaina momba ny fitsanganana amin’ny maty. Nahoana?

LASA MIAIKY ISIKA HOE BE FITIAVANA I JEHOVAH

13. Nahoana ny Salamo 139:1-4 no manaporofo fa mahafantatra tsara antsika i Jehovah? Nahoana ny fananganana ny maty no manaporofo an’izany koa?

13 Hitantsika teo hoe rehefa hanangana ny maty i Jehovah, dia haveriny daholo ny fitadidian’izy ireo sy izay nampiavaka azy. Eritrereto ange ny dikan’izany e! Tena tia anao i Jehovah, ka jereny tsara sy tadidiny daholo ny eritreritrao sy ny fihetseham-ponao ary izay lazainao sy ataonao. Raha mila manangana anao amin’ny maty izy amin’izay, dia ho mora aminy ny hamerina ny fitadidianao sy ny fomba fisainanao ary ny toetra mampiavaka anao. Niaiky i Davida Mpanjaka hoe mahafantatra tsara antsika tsirairay i Jehovah. (Vakio ny Salamo 139:1-4.) Rehefa azontsika hoe fantatr’i Jehovah tsara isika, dia misy vokany amintsika dieny izao izany. Nahoana?

14. Inona no tokony ho vokany rehefa mieritreritra isika hoe mahafantatra tsara antsika i Jehovah?

14 Tsy tokony hampatahotra anao ny mieritreritra hoe fantatr’i Jehovah tsara ianao. Fa maninona? Satria tena miahy anao izy. Sarobidy aminy ny toetra mampiavaka anao. Dinihiny tsara izay rehetra mitranga eo amin’ny fiainanao, ka fantany hoe inona nahatonga anao ho lasa hoatr’izao. Tsy hitanao hoe mampahery be ve izany? Tsy tokony hahatsiaro mihitsy ianao hoe irery. Eo akaikinao foana mantsy i Jehovah isa-minitra mandritra ny andro tsirairay, sady mitady fomba hanampiana anao.—2 Tan. 16:9.

LASA MIAIKY ISIKA HOE HENDRY I JEHOVAH

15. Nahoana ny fananganana ny maty no manaporofo fa hendry i Jehovah?

15 Ahoana raha matahotra ny ho faty ny olona iray? Rehefa terena hanao zavatra tsy fanaony izy, dia mety hanaiky raha rahonana hoe hovonoina. Mampiasa an’io tetika io koa ny olona fehezin’i Satana. Teren’izy ireo hivadika amin’ny namantsika isika na hanao zavatra efa fantatsika hoe tsy mety, dia rahonany hoe hovonoina raha tsy manaiky. Tsy mandaitra amintsika anefa izany. Fantatsika mantsy hoe hanangana antsika amin’ny maty i Jehovah raha mamono antsika ny fahavalo. (Apok. 2:10) Resy lahatra koa isika hoe na inona na inona hataon-dry zareo, dia tsy hahasakana antsika tsy ho naman’i Jehovah izany. (Rom. 8:35-39) Anisan’ny fiadiana mandaitra indrindra ampiasain’i Satana ny fampitahorana ny olona ho faty, nefa tsy mandaitra amintsika izy io satria isika manantena ny ho velona indray. Mahatonga antsika ho be herim-po io fanantenana io, ka tsy mivadika amin’i Jehovah mihitsy isika. Tsy hitanao hoe tena hendry ve i Jehovah, matoa izy nampanantena hoe mbola hanangana antsika amin’ny maty?

Hita amin’ny fanapahan-kevitra raisiko ve fa matoky aho hoe hitana ny teniny i Jehovah, ka hanome ahy izay ilaiko? (Fehintsoratra 16) *

16. Inona ny fanontaniana tokony hoeritreretinao? Nahoana?

16 Andao hatao hoe mandrahona hamono anao ny fahavalon’i Jehovah. Hatoky an’i Jehovah ve ianao ka hankininao aminy ny ainao? Ahoana no hahalalanao hoe ho vitanao izany? Eritrereto izao: ‘Hita amin’ny fanapahan-kevitra madinidinika raisiko isan’andro ve fa matoky an’i Jehovah aho?’ (Lioka 16:10) ‘Hita amin’ny fomba fiainako ve fa matoky aho hoe hitana ny teniny i Jehovah, ka hanome ahy izay ilaiko raha hataoko loha laharana ny Fanjakany?’ (Mat. 6:31-33) Raha eny no valin’ireo, dia midika izany hoe efa matoky an’i Jehovah ianao, ka vonona hiatrika an’izay fitsapana ho avy.—Ohab. 3:5, 6.

LASA MIAIKY ISIKA HOE MANAM-PAHARETANA I JEHOVAH

17. a) Nahoana ny fananganana ny maty no manaporofo fa manam-paharetana i Jehovah? b) Ahoana no hampisehoantsika hoe mankasitraka an’i Jehovah isika noho izy manam-paharetana?

17 Efa misy andro sy ora nofidin’i Jehovah mba handringanana an’ity tontolo ratsy ity. (Mat. 24:36) Mety tsy hahandry an’io fotoana io ve izy ka hanao zavatra alohan’izay? Tsy hitranga mihitsy izany! Manam-paharetana foana izy na dia maniry mafy hanangana ny maty aza. (Joba 14:14, 15) Miandry ny fotoana mety tsara amin’izany izy. (Jaona 5:28) Soa ihany i Jehovah fa manam-paharetana. Eritrereto ange e! Noho izy manam-paharetana, dia betsaka ny olona nanam-potoana hibebahana, anisan’izany isika. (2 Pet. 3:9) Tian’i Jehovah ho betsaka araka izay azo atao ny olona hiaina mandrakizay. Ahoana àry no hampisehoantsika hoe mankasitraka azy isika noho izy manam-paharetana? Mila mazoto mitady an’ireo ‘manana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay’ isika, ary manampy azy ireny ho tia an’i Jehovah sy hanompo azy. (Asa. 13:48) Handray soa amin’ny faharetan’i Jehovah izy ireo amin’izay, hoatr’antsika ihany.

18. Nahoana isika no tokony hanam-paharetana?

18 Tsy manantena i Jehovah hoe ho lavorary isika raha tsy efa any amin’ny faran’ny arivo taona. Manam-paharetana mantsy izy. Mandra-pahatongan’izany dia vonona hamela ny fahotantsika izy. Tsy tokony hanam-paharetana amin’ny hafa koa àry ve isika, ka hifantoka amin’ny toetra tsaran’izy ireo? Diniho ny ohatry ny anabavy iray. Lasa tsy nivory intsony ny vadiny satria mitebiteby be tampoka ary efa aretina mihitsy ilay izy. Izao no nolazain’ilay anabavy: “Nangidy tamiko ilay izy! Foana tampoka teo ny zavatra rehetra noeritreretinay mianakavy hatao amin’ny hoavy.” Nampiseho fitiavana sy nanam-paharetana tamin’ny vadiny foana anefa io anabavy io. Niantehitra tamin’i Jehovah izy ary niezaka nanampy ny vadiny foana. Tsy nieritreritra be an’ilay olana izy fa nifantoka tamin’izay tsara hitany tamin’ny vadiny. Hoy izy: “Manana toetra tena mahafinaritra ny vadiko, ary efa miezaka mafy izy mba tsy hitebiteby be intsony.” Raha miady mafy amin’ny olana mahazo azy àry ny mpianakavinao na ny mpiara-manompo aminao, dia tena ilaina ny manam-paharetana aminy.

19. Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?

19 Faly i Jesosy sy ny anjely rehefa avy namorona ny tany i Jehovah. Mba eritrereto anefa ny hafalian’izy ireo amin’ny hoavy! Ho feno olona lavorary sy tia an’i Jehovah ary manompo azy mantsy eto an-tany. Eritrereto koa ireo olona nalaina tetỳ an-tany mba hanjaka any an-danitra miaraka amin’i Kristy. Ho faly erỳ izao ry zareo rehefa mahita hoe mandray soa amin’ny asany ny olombelona! (Apok. 4:4, 9-11; 5:9, 10) Ary ny hafaliantsika? Ranomasom-pifaliana sisa no hisy amin’izany fotoana izany! Tsy hisy intsony mandrakizay ny aretina sy ny alahelo ary ny fahafatesana. (Apok. 21:4) Mandra-pahatongan’izany, dia tokony ho tapa-kevitra ianao hoe haneho fitiavana sy ho hendry ary hanam-paharetana hoatran’ilay Raintsika. Ho faly foana ianao amin’izay na inona na inona olana atrehinao. (Jak. 1:2-4) Soa ihany i Jehovah fa nampanantena hoe hanangana ny maty!—Asa. 24:15.

HIRA 141 Sarobidy ny Fiainana

^ feh. 5 Ray be fitiavana sy hendry ary manam-paharetana i Jehovah. Hita amin’ny fomba namoronany ny zava-drehetra ireo toetrany ireo. Miharihary koa izany rehefa jerena ny fampanantenany hoe hanangana ny maty izy. Hodinihintsika ato ny fanontaniana sasany mety hanitikitika ny saintsika momba ny fananganana ny maty. Horesahina ato koa hoe ahoana no hampisehoantsika fa mankasitraka an’i Jehovah isika noho izy be fitiavana sy hendry ary manam-paharetana.

^ feh. 59 SARY: Lehilahy iray maty an-jatony taona lasa, dia atsangana amin’ny maty mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Misy rahalahy iray tafavoaka velona tamin’ny Hara-magedona mampianatra azy an’izay tokony hatao mba handraisany soa avy amin’ny vidim-panavotana.

^ feh. 61 SARY: Milaza amin’ny mpampiasa azy ny rahalahy iray hoe tsy afaka manao asa fanampiny izy amin’ny hariva mandritra ny andro sasany ao anatin’ny herinandro. Hazavainy hoe manao zavatra mifandray amin’ny fanompoany an’i Jehovah izy amin’ireo fotoana ireo. Resahiny aminy koa anefa hoe vonona hanao asa fanampiny izy raha tena ilaina izany, amin’ny fotoana hafa ankoatra an’ireo.