Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 32

Manetre Tena Rehefa Manompo An’i Jehovah

Manetre Tena Rehefa Manompo An’i Jehovah

Manetre tena rehefa miara-mandeha amin’Andriamanitrao.MIKA 6:8.

HIRA 31 Miaraha Mandeha Amin’Andriamanitrao!

HO HITANAO ATO *

1. Inona no nolazain’i Davida momba ny fanetren-tenan’i Jehovah?

AFAKA milaza ve isika hoe manetry tena i Jehovah? Izany mihitsy! Hoy i Davida indray mandeha: “Hanome ahy ny ampinga famonjenao ianao, ary ny fanetren-tenanao no mampisandratra ahy.” (2 Sam. 22:36; Sal. 18:35) Inona no mety ho tao an-tsain’i Davida tamin’io? Angamba ilay tamin’i Samoela mpaminany tonga tao an-tranon’ny dadany mba hanosotra an’izay ho mpanjakan’ny Israely. I Davida no zandriny indrindra tamin’izy valo mirahalahy, nefa izy no nofidin’i Jehovah hisolo an’i Saoly Mpanjaka.—1 Sam. 16:1, 10-13.

2. Inona no hodinihintsika ato?

2 Izao no nolazain’ny mpanao salamo iray momba an’i Jehovah: “Miondrika hijery ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany izy, atsangany hiala amin’ny vovoka ny olona ambany, ary ny mahantra kosa asandrany ... mba hiara-mipetraka amin’ny olona ambony.” (Sal. 113:6-8) Azo antoka fa nitovy hevitra tamin’io mpanao salamo io i Davida. Fa oviana i Jehovah no nampiseho hoe manetry tena izy? Handinika an’izany isika ato satria misy lesona lehibe azontsika raisina avy amin’izany. Hodinihintsika avy eo hoe inona no azontsika ianarana avy amin’i Saoly Mpanjaka sy Daniela mpaminany ary Jesosy.

INONA NO AZO IANARANA AVY AMIN’I JEHOVAH?

3. Ahoana no itondran’i Jehovah antsika, ary manaporofo inona izany?

3 Hita amin’ny fomba itondran’i Jehovah ny mpanompony tsy lavorary hoe manetry tena izy. Tsy hoe avelany hanompo azy fotsiny isika, fa ekeny ho namany koa. (Sal. 25:14) Izy mihitsy no nanao zavatra, amin’izay isika afaka minamana aminy. Nafoiny ho sorona noho ny fahotantsika ny Zanany. Tena mangoraka sy mamindra fo mihitsy izy!

4. Inona no nomen’i Jehovah antsika, ary nahoana?

4 Misy porofo hafa koa mampiseho hoe manetry tena i Jehovah. Izy no Mpamorona, dia tsy voatery hanome safidy antsika izy. Nataony araka ny endriny anefa isika ary avelany hifidy izay tiantsika hatao. Na dia bitika sy tsy misy dikany aza isika raha oharina aminy, dia tena zava-dehibe aminy ny safidy ataontsika. Tiany raha mifidy ny hanompo azy isika satria tia azy sy miaiky hoe mahasoa ny mankatò azy. (Deot. 10:12; Isaia 48:17, 18) Soa ihany i Jehovah fa manetry tena!

Sary mampiseho an’i Jesosy any an-danitra. Mijoro eo akaikiny eo ny sasany amin’ireo mpiara-manjaka aminy. Mijery an’ireo anjely be dia be ry zareo. Misy anjely sasany manketỳ an-tany mba hamita ny iraka nampanaovina azy. Nanankinan’i Jehovah fahefana daholo ny rehetra eo amin’ilay sary (Fehintsoratra 5)

5. Ahoana no ampianaran’i Jehovah antsika mba hanetry tena? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

5 I Jehovah mihitsy no manome modely, mba hampianarana antsika hanetry tena. Tsy misy hendry noho izy eo amin’izao rehetra izao, nefa izy manaiky soso-kevitra avy amin’ny hafa. Navelany hanampy azy, ohatra, ny Zanany rehefa namorona ny zava-drehetra izy. (Ohab. 8:27-30; Kol. 1:15, 16) Mizara fahefana amin’ny hafa koa izy, na dia izy aza no mahery indrindra. Notendreny ho Mpanjakan’ilay Fanjakana, ohatra, i Jesosy ary misy olona 144 000 koa homeny fahefana ka hiara-manjaka aminy. (Lioka 12:32) Nampiofana an’i Jesosy mba ho Mpanjaka sy Mpisoronabe izy. (Heb. 5:8, 9) Mampiofana an’ireo hiara-manjaka amin’ny Zanany koa i Jehovah. Tsy hidikiditra be amin’io asan-dry zareo io anefa izy, rehefa tena ho eo am-perinasa ry zareo. Matoky mantsy izy hoe hanao ny sitrapony izy ireo.—Apok. 5:10.

Manahaka an’i Jehovah isika raha mampiofana ny hafa sy manankina asa amin’izy ireo (Fehintsoratra 6-7) *

6-7. Inona no azontsika ianarana avy amin’ilay Raintsika?

6 Tsy mila ny fanampian’iza na iza ilay Raintsika any an-danitra. Raha izy aza anefa mizara fahefana amin’ny hafa, dia isika indray ve no tsy hanao an’izany? Loham-pianakaviana ve, ohatra, ianao na anti-panahy? Manahafa an’i Jehovah, ka anankino asa ny olon-kafa ary miezaha hifehy tena mba tsy hidikiditra be amin’ny fomba anaovany an’ilay asa. Sady ho vita ny asa amin’izay, no hampiofana ny hafa ianao ary hanampy azy hatoky tena. (Isaia 41:10) Inona koa no azon’ireo nomen’i Jehovah fahefana ianarana avy aminy?

7 Resahin’ny Baiboly hoe liana amin’ny hevitry ny zanany any an-danitra i Jehovah. (1 Mpanj. 22:19-22) Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anahafana azy? Raha azo atao, ohatra, dia anontanio ny zanakao hoe ahoana no hanaovana zavatra iray. Araho ny heviny avy eo rehefa hitanao hoe mety ilay izy.

8. Inona no porofo fa nanam-paharetana tamin’i Abrahama sy Saraha i Jehovah?

8 Hita koa hoe manetry tena i Jehovah satria manam-paharetana. Manam-paharetana izy rehefa misy mpanompony misalasala raha mety ny fanapahan-kevitra noraisiny. Nihaino tsara an’i Abrahama, ohatra, izy rehefa nilaza i Abrahama hoe sao dia mba tsy tokony horavana i Sodoma sy Gomora. (Gen. 18:22-33) Nanam-paharetana tamin’i Saraha, vadin’i Abrahama, koa izy. Efa antitra be i Saraha, ka nihomehy rehefa nilazany hoe ho bevohoka. Tsy tezitra taminy anefa i Jehovah. (Gen. 18:10-14) Nanaja an’i Saraha izy ary hita tamin’ny fomba nitondrany azy izany.

9. Inona no azon’ny ray aman-dreny sy ny anti-panahy ianarana avy amin’i Jehovah?

9 Inona no azon’ny ray aman-dreny sy ny anti-panahy ianarana avy amin’i Jehovah? Ahoana, ohatra, no ataonao rehefa tsy manaiky ny fanapahan-kevitrao ny zanakao na ny mpiara-manompo? Tonga dia te hanitsy azy ve ianao? Sa ianao miezaka hahazo ny heviny? Tena mandray soa ny fianakaviana sy ny fiangonana rehefa manahaka an’i Jehovah ny olona manana fahefana. Ny modely omen’i Jehovah no hitantsika hatreto. Misy lesona azontsika ianarana koa anefa avy amin’ny olona resahina ao amin’ny Baiboly. Izany indray izao no hodinihintsika.

INONA NO AZO IANARANA AVY AMIN’NY OLONA RESAHIN’NY BAIBOLY?

10. Ahoana no fomba ampianaran’i Jehovah antsika?

10 “Mpampianatra Be Voninahitra” i Jehovah, izany hoe tsy misy mahay mampianatra hoatr’azy. (Isaia 30:20, 21) Nasainy nosoratana ao amin’ny Baiboly àry ny tantaran’olona sasany mba hampianarana antsika. Nisy tamin’izy ireny nanana toetra tian’i Jehovah, anisan’izany ny fanetren-tena. Nisy indray anefa tsy nanana toetra hoatr’izany ka nizaka ny vokany. Handray lesona isika rehefa misaintsaina an’ireny tantara ireny.—Sal. 37:37; 1 Kor. 10:11.

11. Inona no ianarantsika avy amin’i Saoly?

11 Eritrereto izay nitranga tamin’i Saoly Mpanjaka. Nanetry tena izy tamin’izy mbola tanora. Fantany hoe voafetra ihany ny azony natao, ary nisalasala mihitsy aza izy rehefa nahazo andraikitra fanampiny. (1 Sam. 9:21; 10:20-22) Lasa nanambony tena anefa izy, ka nanao zavatra tsy nananany fahefana. Nanomboka nanana an’io toetra ratsy io izy, taoriana kelin’izy lasa mpanjaka. Tsy nahandry an’i Samoela mpaminany izy, indray mandeha. Tokony ho nanetry tena izy tamin’izay dia natoky hoe hanao zavatra ho an’ny vahoakany i Jehovah. Inona anefa no nataony? Nanolotra fanatitra dorana izy, nefa tsy izy no tokony hanao an’izany. Lasa tsy tian’i Jehovah intsony izy, ary nesoriny tsy ho mpanjaka tatỳ aoriana. (1 Sam. 13:8-14) Hendry isika raha mandray lesona avy amin’i Saoly, ka mitandrina mba tsy hanao zavatra tsy ananantsika fahefana.

12. Inona no porofo fa nanetry tena i Daniela?

12 Ohatra tsara ho antsika i Daniela mpaminany, fa tsy hoatran’i Saoly. Nanetry tena foana izy teo amin’ny fiainany, sady nangataka tari-dalana tamin’i Jehovah foana. Nisy fotoana, ohatra, izy nampiasain’i Jehovah mba hanazava ny nofin’i Nebokadnezara. Tsy nilaza izy tamin’izay hoe izy no nahavita nanazava an’ilay nofy. Niaiky kosa izy hoe i Jehovah no nanampy azy, ary izy no nomeny voninahitra. (Dan. 2:26-28) Misy lesona azontsika ianarana avy amin’izany. Ahoana, ohatra, raha tian’ny mpiara-manompo ny lahatenintsika, na nahita vokatra tsara isika teny amin’ny fanompoana? I Jehovah foana no tokony homentsika voninahitra. Tokony hanetry tena isika ka hiaiky fa tsy ho nahavita an’ireny raha tsy nampiany. (Fil. 4:13) Manahaka ny ohatra tsara navelan’i Jesosy isika raha manao an’izany. Fa ahoana no nataony?

13. Inona no ianarantsika avy amin’ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 5:19, 30?

13 Zanak’Andriamanitra i Jesosy sady lavorary. Na izany aza dia niantehitra tamin’i Jehovah foana izy. (Vakio ny Jaona 5:19, 30.) Tsy nanandrana naka ny fahefan’ny Rainy izy. Tsy nieritreritra handrombaka fahefana akory aza izy, ka hoe hitovy amin’Andriamanitra. (Fil. 2:6) Zanaka mankatò i Jesosy ka nekeny hoe inona no azony atao sy tsy azony atao, ary nanaja ny fahefan’ny Rainy izy.

Fantatr’i Jesosy hoe voafetra ny fahefany ary nanaja an’izany izy (Fehintsoratra 14)

14. Inona no nataon’i Jesosy rehefa nasaina nanao zavatra tsy nananany fahefana izy?

14 Nangataka tombontsoa tamin’i Jesosy i Jakoba sy Jaona ary ny maman-dry zareo indray mandeha. Tian’izy roa lahy mantsy hoe hipetraka eo ankavanan’i Jesosy sy eo ankaviany ry zareo rehefa ao amin’ny Fanjakana. Tsy niankina tamin’i Jesosy anefa izany, ka tonga izy dia namaly hoe ny Rainy any an-danitra ihany no manapa-kevitra ny amin’izany. (Mat. 20:20-23) Hita hoe neken’i Jesosy fa voafetra ny fahefany. Nanetry tena izy ka tsy nanao zavatra tsy nasain’i Jehovah nataony. (Jaona 12:49) Inona no ianarantsika avy amin’i Jesosy?

Ahoana no hampisehoantsika hoe manetry tena hoatran’i Jesosy isika? (Fehintsoratra 15-16) *

15-16. Ahoana no azontsika ampiharana ny torohevitra ao amin’ny 1 Korintianina 4:6?

15 Manetry tena hoatran’i Jesosy isika raha manaraka ny voalazan’ny 1 Korintianina 4:6 hoe: “Aza mihoatra noho izay voasoratra.” Ahoana àry raha misy mangataka torohevitra amintsika? Tsy tokony hanery azy hanaraka ny hevitsika mihitsy isika. Tsy mety koa raha izay tonga voalohany ao an-tsaintsika fotsiny no lazaintsika aminy. Ny torohevitra ao amin’ny Baiboly sy ao amin’ny boky sy gazetintsika kosa no tokony hatorontsika azy. Manetry tena isika raha manao an’izany. Miaiky mantsy isika hoe tsy mahalala ny zava-drehetra, ary ny torohevitr’i Jehovah foana no tsara kokoa noho ny antsika.—Apok. 15:3, 4.

16 Tsy hoe te hanome voninahitra an’i Jehovah fotsiny isika matoa miezaka hanetry tena. Manampy antsika ho falifaly sy hifandray tsara amin’ny hafa koa io toetra io. Andao indray isika handinika an’izany.

MANDRAY SOA ISIKA REHEFA MANETRY TENA

17. Nahoana no faly ny olona manetry tena?

17 Azo antoka kokoa hoe ho faly isika rehefa manetry tena. Fa maninona? Satria mankasitraka an’izay fanampiana rehetra omena azy ny olona manetry tena. Miaiky mantsy izy hoe voafetra ny zavatra hainy sy azony atao. Tadidinao ve, ohatra, tamin’i Jesosy nanasitrana boka folo? Ny iray tamin-dry zareo ihany no niverina nisaotra an’i Jesosy. Aretina ratsy be no nahazo azy, ary tsy ho sitrana mihitsy izy raha tsy nampian’i Jesosy. Nanetry tena io lehilahy io ka nankasitraka ny fanampiana nomena azy, ary nanome voninahitra an’Andriamanitra.—Lioka 17:11-19.

18. Nahoana no lasa mifandray tsara amin’ny hafa isika rehefa manetry tena? (Romanina 12:10)

18 Matetika ny olona manetry tena no mifandray tsara amin’ny olon-kafa sy mora minamana be amin’ny olona. Nahoana? Satria faly izy hoe manana toetra tsara ny hafa dia matoky an-dry zareo izy. Faly koa izy rehefa mahavita tsara ny asa ampanaovina an-dry zareo ny hafa. Mazoto midera azy ireo sy manome voninahitra an-dry zareo izy.—Vakio ny Romanina 12:10.

19. Hoatran’ny ahoana ny olona manambony tena?

19 Sarotra amin’ny olona manambony tena kosa ny midera ny hafa. Tiany kokoa raha izy no deraina. Matetika ny olona hoatr’izany no mampitaha ny tenany amin’ny hafa sady tia mifaninana. Tsy mampiofana ny hafa izy sady tsy manome fahefana azy ireo. Matetika izy no mieritreritra hoe: “Raha tianao ho vita tsara ny zavatra iray, dia aleo ianao ihany no manao an’ilay izy.” Mihevitra mantsy izy hoe ny fomba fanaovany zavatra ihany no mety. Matetika ny olona manambony tena no be fialonana sy te hisongona ny hafa. (Gal. 5:26) Na mana-namana aza ny olona hoatr’izany, dia matetika no tsy maharitra ny fifandraisan-dry zareo. Inona àry no azonao atao raha tsapanao hoe manambony tena ianao? Mivavaha mafy amin’i Jehovah. Angataho izy mba hanampy anao ‘hanavao ny sainao’, amin’izay tsy ho latsa-paka ao aminao io toetra ratsy io.—Rom. 12:2.

20. Nahoana isika no tokony hanetry tena?

20 Tena faly isika hoe modely ho antsika i Jehovah! Hita amin’ny fomba ifandraisany amin’ny mpanompony hoe manetry tena izy, ary tokony hanahaka azy isika. Tokony hanahaka ny olona manetry tena resahin’ny Baiboly koa isika. Hiezaka foana àry isika mba hanome an’i Jehovah ny voninahitra tokony ho azy. (Apok. 4:11) Ho naman’i Jehovah mandrakizay isika raha manao an’izany, satria tena tiany ny olona manetry tena.

HIRA 123 Ekeo Foana ny Fahefan’i Jehovah

^ feh. 5 Mangoraka sy mamindra fo ny olona manetry tena. Afaka milaza àry isika hoe manetry tena i Jehovah. Andao isika handinika an’izay ataony, dia ho hitantsika hoe ahoana izany manetry tena izany. Handinika ny ohatr’i Saoly Mpanjaka sy Daniela mpaminany ary Jesosy koa isika.

^ feh. 58 SARY: Anti-panahy manokana fotoana hampiofanana rahalahy tanora iray mba hikarakara ny faritanin’ny fiangonana. Avelany hanao irery an’ilay andraikitra ilay rahalahy avy eo, ary tsy midikiditra be amin’izany izy.

^ feh. 62 SARY: Anabavy manontany anti-panahy iray hoe mety ve ny manaiky fanasana hanatrika mariazy any am-piangonana. Tsy milaza ny heviny ilay anti-panahy fa mandinika toro lalan’ny Baiboly vitsivitsy miaraka aminy.