Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 31

Miandry An’ilay “Tanàna Manana Fototra Tena Izy” ve Ianao?

Miandry An’ilay “Tanàna Manana Fototra Tena Izy” ve Ianao?

Ilay tanàna manana fototra tena izy no nandrasany, ary Andriamanitra no mpanorina sy mpanao azy io.”HEB. 11:10.

HIRA 22 Efa Mitondra Ilay Fanjakana

HO HITANAO ATO *

1. Inona no sorona ataon’ny rahalahy sy anabavy maro, ary nahoana?

AN-TAPITRISANY ny mpanompon’i Jehovah manao sorona ho azy. Betsaka, ohatra, ny rahalahy sy anabavy mifidy ny tsy hanambady. Misy indray mpivady manapa-kevitra hoe aleo aloha tsy miteraka. Tsy vitsy koa ny fianakaviana miezaka hanana fiainana tsotra. Fa maninona izy rehetra ireo no manao an’izany? Noho izao antony lehibe izao: Te hanao izay fara heriny izy ireo mba hanompoana an’i Jehovah. Afa-po ry zareo sady matoky hoe hanome an’izay tena ilainy i Jehovah. Ho matiantoka ve ry zareo? Tsy izany mihitsy! Matoky an’izany isika satria i Jehovah nitahy an’i Abrahama, ilay “rain’izay rehetra manam-pinoana.”—Rom. 4:11.

2. a) Araka ny Hebreo 11:8-10, 16, nahoana i Abrahama no nanaiky hiala tany Ora? b) Inona no horesahintsika ato?

2 Nanaiky hiala tany Ora i Abrahama na dia niadana aza izy tany. Nahoana? Satria izy niandry an’ilay “tanàna manana fototra tena izy.” (Vakio ny Hebreo 11:8-10, 16.) Fa inona io “tanàna” io? Inona no olana natrehin’i Abrahama tamin’izy niandry ny hanorenana azy io? Ary ahoana no hanahafantsika azy sy ny olon-kafa nanao hoatr’azy?

INONA ILAY “TANÀNA MANANA FOTOTRA TENA IZY”?

3. Inona ilay tanàna nandrasan’i Abrahama?

3 Ny Fanjakan’Andriamanitra ilay tanàna nandrasan’i Abrahama. I Jesosy Kristy sy ireo Kristianina voahosotra 144 000 no mpanjakan’io Fanjakana io. Nantsoin’i Paoly hoe “tanànan’ilay Andriamanitra velona, izany hoe i Jerosalema any an-danitra”, izy io. (Heb. 12:22; Apok. 5:8-10; 14:1) Nampianarin’i Jesosy hivavaka momba an’io Fanjakana io ny mpianany. Nasainy nangataka ny hahatongavan’izy io ry zareo, amin’izay hatao etỳ an-tany ny sitrapon’Andriamanitra hoatran’ny any an-danitra.—Mat. 6:10.

4. Araka ny Genesisy 17:1, 2, 6, inona no fantatr’i Abrahama momba an’ilay tanàna, na Fanjakana, nampanantenain’Andriamanitra?

4 Tsy nahafantatra ny tsipiriany momba ny Fanjakan’Andriamanitra i Abrahama. “Zava-miafina masina” nandritra ny taonjato maro mantsy izany. (Efes. 1:8-10; Kol. 1:26, 27) Fantany kosa hoe hisy ho lasa mpanjaka ny taranany, satria efa nampanantena an’izany taminy i Jehovah. (Vakio ny Genesisy 17:1, 2, 6.) Tena nino ny fampanantenan’Andriamanitra i Abrahama, ka hoatran’ny hoe efa hitany sahady ilay Voahosotra, na Mesia, izay ho lasa Mpanjakan’ilay Fanjakana. Izany no nahatonga an’i Jesosy hilaza tamin’ny Jiosy hoe: “Ravoravo erỳ i Abrahama rainareo noho ny fanantenana hahita ny androko, ary nahita izy ka ravoravo.” (Jaona 8:56) Fantatr’i Abrahama àry fa ho Mpanjaka ao amin’ny Fanjakana iray haorin’i Jehovah ny taranany, ary vonona hiandry ny hanatanterahan’i Jehovah an’izany izy.

Ahoana no nampisehoan’i Abrahama hoe nino ny fampanantenan’i Jehovah izy? (Fehintsoratra 5)

5. Inona no manaporofo fa niandry an’ilay tanàna haorin’Andriamanitra i Abrahama?

5 Ahoana no nampisehoan’i Abrahama hoe niandry an’ilay tanàna, na Fanjakana, haorin’Andriamanitra izy? Voalohany, tsy niandany tamin’ny fanjakana tetỳ an-tany mihitsy izy. Naleony nifindrafindra monina, toy izay hanorim-ponenana ao amin’ny toerana iray dia hanohana mpanjaka olombelona. Tsy nanorina fanjakana koa izy. Nankatò an’i Jehovah foana kosa izy, ary niandry ny hanatanterahany ny fampanantenany. Hita amin’izany hoe tena natoky an’i Jehovah i Abrahama. Andao hojerentsika ny olana sasany natrehiny sy izay azo ianarana avy aminy.

INONA NO OLANA NATREHIN’I ABRAHAMA?

6. Hoatran’ny ahoana ny tanànan’i Ora?

6 Hoatran’ny ahoana ilay tanàna nilaozan-dry Abrahama? Nandroso be izy io sady nampiadana be ny fiainana tany. Voaro tsara koa ilay tanàna, satria nisy manda mafy be sy lakandrano lalina be nanodidina azy. Nahay namaky teny sy nanoratra sady havanana tamin’ny resaka kajy ny mponina tao. Toa betsaka koa ny olona nanao raharaham-barotra tao Ora. Nisy taratasy be dia be mifandray amin’ny varotra mantsy hitan’ny mpikaroka tao amin’ilay toerana. Tsy izay ihany fa tsara be ny trano tany, satria vita tamin’ny biriky sady nolalorina ary nolokoana fotsy tamin’ny sokay. Nisy efitra 13 na 14 ny sasany, ary nisy tokotany vita rarivato teo afovoany.

7. Nahoana i Abrahama no nila natoky hoe hiaro azy sy ny fianakaviany i Jehovah?

7 Nila natoky i Abrahama hoe hiaro azy sy ny fianakaviany i Jehovah. Nahoana? Tadidio fa niala tao amin’ilay trano tsara be sy voaro tsara tany Ora i Abrahama sy Saraha, dia nipetraka tany anaty tranolay tany Kanana. Tsy nisy manda mafy be sy lakandrano lalina be intsony àry nanodidina an-dry zareo, ka lasa mora notafihin’ny fahavalo ry zareo.

8. Inona no olana natrehin’i Abrahama?

8 Nanao ny sitrapon’Andriamanitra i Abrahama. Nisy fotoana anefa izy sahirana namelona ny fianakaviany. Lasa nisy mosary mantsy tany amin’ilay tany nasain’i Jehovah nandehanan-dry zareo. Mafy be ilay mosary ka nanapa-kevitra i Abrahama hoe hifindra any Ejipta aloha izy mianakavy. Rehefa tonga tany anefa izy, dia naka ny vadiny i Farao, ilay mpitondra tao Ejipta. Mba eritrereto ange ny adin-tsainy e! Tsy tony mihitsy izao izy raha tsy efa nasain’i Jehovah naverin’i Farao ny vadiny.—Gen. 12:10-19.

9. Inona no nitranga tao an-tokantranon’i Abrahama?

9 Nisy olana be koa tao an-tokantranon’i Abrahama. Tsy afaka niteraka mantsy i Saraha, ilay vady malalany. Nahakivy be azy mivady izany nandritra ny taona maro. Mba hahazoan-dry zareo zanaka àry, dia nomen’i Saraha ho vadin’i Abrahama i Hagara mpanompovaviny. Inona anefa no nitranga rehefa bevohoka i Hagara? Nanao tsinontsinona an’i Saraha izy. Nihenjana be ny tady ka nitsoaka mihitsy i Hagara.—Gen. 16:1-6.

10. Nahoana i Abrahama no nila natoky an’i Jehovah, rehefa jerena ny nanjo an’i Ismaela sy Isaka?

10 Bevohoka ihany i Saraha tatỳ aoriana, dia niteraka lahikely. Isaka no nataon’i Abrahama anarany. Samy tian’i Abrahama i Isaka sy Ismaela, ilay zanany tamin’i Hagara. Nampahory an’i Isaka anefa i Ismaela, dia voatery nandroaka azy sy Hagara i Abrahama. (Gen. 21:9-14) Rehefa nandeha koa ny fotoana, dia nasain’i Jehovah natao sorona i Isaka. (Gen. 22:1, 2; Heb. 11:17-19) Na teo aza anefa izany rehetra izany, dia nila natoky i Abrahama hoe hataon’i Jehovah tsara fiafara ireo zanany roa lahy ireo.

11. Nahoana i Abrahama no tsy maintsy nanam-paharetana sy niandry an’i Jehovah?

11 Nianatra hanam-paharetana sy hiandry an’i Jehovah i Abrahama, nandritra an’izany fotoana rehetra izany. Toa 70 taona mahery izy rehefa niala tao Ora niaraka tamin’ny fianakaviany. (Gen. 11:31–12:4) Nivezivezy nanerana an’i Kanana izy nandritra ny 100 taona teo ho eo, sady nipetraka tany anaty tranolay. Tsy hitany anefa ny nanatanterahan’i Jehovah an’ilay fampanantenana hoe hanome an’ilay tany ho an’ny taranany. Maty ihany izy rehefa 175 taona nefa mbola tsy niorina ilay tanàna, izany hoe ny Fanjakan’Andriamanitra. Na izany aza, dia “ela niainana sy afa-po” i Abrahama. (Gen. 25:7, 8) Natanjaka tsara foana ny finoany sady faly izy niandry an’i Jehovah, na teo aza ny olana rehetra natrehiny. Fa maninona i Abrahama no nahavita niaritra nandritra ny androm-piainany? Satria niaro azy sy nandray azy ho namana foana i Jehovah.—Gen. 15:1; Isaia 41:8; Jak. 2:22, 23.

Ahoana no ampisehoan’ny mpanompon’i Jehovah hoe manam-pinoana sy manam-paharetana hoatran’i Abrahama sy Saraha ry zareo? (Fehintsoratra 12) *

12. Inona no andrasantsika? Inona no hodinihintsika?

12 Miandry an’ilay “tanàna manana fototra tena izy” koa isika, hoatran’i Abrahama. Tsy miandry ny hanorenana an’ilay izy anefa isika. Efa tamin’ny 1914 mantsy ny Fanjakan’Andriamanitra no niorina, ary efa manjaka tanteraka any an-danitra izy io izao. (Apok. 12:7-10) Mbola miandry azy io hanjaka tanteraka eto an-tany anefa isika. Mandra-pahatongan’izany, dia miatrika olana be dia be hoatran’ny an’i Abrahama sy Saraha isika. Nahavita nanahaka azy ve ny mpanompon’i Jehovah amin’izao andro izao? Izany mihitsy! Be dia be no manam-pinoana sy manam-paharetana hoatr’azy mivady, ary manaporofo an’izany ny tantaram-piainana ao amin’ny Tilikambo Fiambenana. Andao isika handinika vitsivitsy amin’izany, dia hijery hoe inona no azo ianarana avy amin-dry zareo.

TAHAFO I ABRAHAMA

Vonona hanao sorona i Bill Walden ka notahin’i Jehovah

13. Inona no ianaranao avy amin’ny Rahalahy Walden?

13 Miezaha ho vonona hanao sorona ho an’i Jehovah. Inona no tokony hataontsika raha te hanao loha laharana ny Fanjakan’Andriamanitra isika? Mila vonona hanao sorona isika mba hampifaliana an’i Jehovah, hoatran’ny nataon’i Abrahama. (Mat. 6:33; Mar. 10:28-30) Izany no nataon’ny Rahalahy Bill Walden. * Niofana ho injeniera tany amin’ny oniversite iray tany Etazonia izy, ary efa kely sisa dia hahazo diplaoma tamin’ny 1942. Tamin’izay izy no nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy mpampianatra efa nitady asa ho azy, ary tokony ho nanomboka niasa izy taorian’ny fizarana diplaoma. Tsy nanaiky anefa i Bill. Nohazavainy tamin’ilay mpampianatra hoe nanapa-kevitra hanompo an’Andriamanitra bebe kokoa izy fa tsy hanao asa be karama. Tsy ela taorian’izay indray dia voantso ho miaramila izy. Tsy nanaiky an’izany koa izy, ka nampandoavina lamandy 10 000 dolara ary voaheloka higadra dimy taona. Nafahana anefa izy rehefa afaka telo taona. Voasa hanao Sekolin’i Gileada izy tatỳ aoriana, ary lasa misionera tatsy Afrika. Nanambady an’i Eva izy, ary niara-nanompo tatsy Afrika ry zareo. Betsaka ny zavatra tsy maintsy nafoin’izy mivady mba hahavitana an’izany. Nila nikarakara ny maman’i Bill ry zareo tatỳ aoriana, dia niverina tany Etazonia. Nilaza i Bill fa tombontsoa be ho azy ny hoe nanompo an’i Jehovah nandritra ny 70 taona mahery, ary manganohano ny masony rehefa mieritreritra an’izany izy. Nisaotra an’i Jehovah matetika koa, hono, izy satria nampiany mba hampiasa ny fiainany hanompoana azy. Ary ianao? Maninona raha ampiasaina hanompoana an’i Jehovah koa ny fiainanao?

Tsapan’i Eleni sy Aristotelis Apostolidis hoe nomen’i Jehovah hery ry zareo

14-15. Inona no ianaranao avy amin’ny Rahalahy sy Ranabavy Apostolidis?

14 Aza manantena hoe hilamina be ny fiainanao. Hitantsika tamin’ny tantaran’i Abrahama hoe tsy maintsy miatrika olana isika, na dia efa nanokana ny fiainantsika mba hanompoana an’i Jehovah aza. (Jak. 1:2; 1 Pet. 5:9) Manamarina an’izany ny nanjo an’i Aristotelis Apostolidis. * Tamin’ny 1946 izy no natao batisa, tany Gresy. Nifamofo izy sy ny anabavy atao hoe Eleni tamin’ny 1952. Narary anefa i Eleni tatỳ aoriana. Nisy nivonto mantsy tao amin’ny atidohany. Nesorina ilay izy nefa niverina indray, taona vitsivitsy taorian’ny nivadian’izy ireo. Naverina nodidiana àry i Eleni, dia lasa nalemy ny ampahany tamin’ny vatany sady lasa tsy nahavita niteny tsara izy. Mbola nazoto nanompo foana izy na dia narary aza, ary na dia nanenjika aza ny fitondrana tamin’izany andro izany.

15 Nikarakara ny vadiny nandritra ny 30 taona i Aristotelis. Anti-panahy izy tamin’izany, sady anisan’ny komitin’ny fivoriambe, ary nanampy tamin’ny fanorenana Efitrano Fivoriambe. Nisy olana indray anefa tamin’ny 1987. Voadonan’ny varavarana vy be i Eleni teny am-pitoriana, dia naratra mafy. Tsy nahatsiaro tena nandritra ny telo taona izy taorian’izay, ary maty tamin’ny farany. Inona no vokatr’izany rehetra izany tamin’i Aristotelis? Hoy izy: “Nitaky faharetana sy fikirizana be tsy toy ny mahazatra ireo fisedrana sy zava-tsarotra ary zava-nitranga tsy nampoizina hitako nandritra ny taona maro. Nanome ahy foana ny tanjaka nilaiko mba handresena ireny zava-manahirana ireny anefa i Jehovah.” (Sal. 94:18, 19) Tena tian’i Jehovah ny mpanompony rehefa manao izay rehetra azo atao mba hanompoana azy na dia miatrika olana aza.

Nifantoka tamin’ny hoavy i Audrey Hyde ka tsy mora kivy

16. Inona no torohevitra tsara azon’ny Ranabavy Hyde?

16 Mifantoha amin’ny hoavy. Nifantoka tamin’ny valisoa homen’i Jehovah azy i Abrahama, ka nahavita niatrika olana. Izany koa no nataon’ny Ranabavy Audrey Hyde. Matin’ny kansera i Nathan Knorr, ilay vadiny voalohany, dia voan’ny Alzheimer i Glenn Hyde, ilay vadiny faharoa. * Inona no nanampy ny Ranabavy Audrey tsy ho kivy? Nilaza izy hoe nanampy azy hiatrika an’izany ny tenin’ny Rahalahy Knorr, herinandro vitsivitsy talohan’ny nahafatesany. Hoy izy: “Nampahatsiahy ahy i Nathan hoe: ‘Azo antoka ny fanantenantsika aorian’ny fahafatesana, ary tsy hijaly intsony mihitsy isika.’ Nampirisika ahy izy avy eo hoe: ‘Banjino ny hoavy....’ Hoy koa izy: ‘Mazotoa miasa, manaova zavatra ho an’ny hafa foana. Hanampy anao hahita fifaliana eo amin’ny fiainana izany.’” Tsy hitanao ve fa tena mahasoa ilay torohevitra hoe manaova zavatra tsara ho an’ny hafa foana sy hoe “mifalia amin’ny fanantenana”?—Rom. 12:12.

17. a) Nahoana isika no tokony hifantoka amin’ny hoavy? b) Inona no tokony hataontsika araka ny Mika 7:7, ary inona no ho vokatr’izany?

17 Vao mainka mila mifantoka amin’ny hoavy isika amin’izao. Porofoin’ny zava-mitranga eran-tany mantsy hoe tena miaina amin’ny tapany farany amin’ny andro farany isika. Kely sisa dia tsy hiandry intsony isika! Hanjaka tanteraka eto an-tany ilay tanàna manana fototra tena izy, ka hahazo fitahiana be dia be isika. Hatsangana amin’ny maty, ohatra, ny havantsika nodimandry. Hatsangan’i Jehovah amin’ny maty koa i Abrahama sy ny fianakaviany ka hiaina eto an-tany indray. Izay no valisoa homen’i Jehovah an’i Abrahama noho izy nanam-pinoana sy nanam-paharetana. Ho eo ve ianao amin’izay? Ho eo ianao raha manahaka an’i Abrahama ka vonona hanao sorona mba hanohanana ny Fanjakan’Andriamanitra, sy miezaka hanam-pinoana foana na dia misy olana aza, ary manam-paharetana ka miandry an’i Jehovah.—Vakio ny Mika 7:7.

HIRA 74 Andao Hihira Momba Ilay Fanjakana!

^ feh. 5 Mety tsy hanam-paharetana isika rehefa miandry ny zavatra nampanantenain’i Jehovah. Mety hihena mihitsy aza ny finoantsika. Inona no hanampy antsika mba ho tapa-kevitra kokoa hiandry ny hanatanterahan’i Jehovah ny fampanantenany? Misy lesona azontsika ianarana avy amin’i Abrahama. Handinika ny ohatra tsara navelan’ny mpanompon’i Jehovah sasany amin’izao andro izao koa isika.

^ feh. 13 Ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 2013, pejy 8-10, no misy ny tantaram-piainan’ny Rahalahy Walden.

^ feh. 14 Ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 2002, pejy 24-28, ny tantaram-piainan’ny Rahalahy Apostolidis.

^ feh. 16 Ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 2004, pejy 23-29, ny tantaram-piainan’ny Ranabavy Hyde.

^ feh. 56 SARY: Mpivady zokiolona manompo an’i Jehovah foana na dia miatrika olana aza. Mifantoka amin’ny hoavy ampanantenain’i Jehovah izy ireo, ka matanjaka foana ny finoany.