Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 32

Miezaha ho Resy Lahatra Kokoa hoe Misy ny Mpamorona

Miezaha ho Resy Lahatra Kokoa hoe Misy ny Mpamorona

‘Ny finoana dia fanomezana porofo mazava momba ny zavatra tena misy izay tsy hita maso.’​—HEB. 11:1.

HIRA 11 Midera An’i Jehovah ny Zavaboary

HO HITANAO ATO a

1. Inona no nampianarina anao momba ny Mpamorona?

 NOTEZAINA tao amin’ny fahamarinana ve ianao? Raha izany, dia azo antoka hoe mbola kely ianao dia efa nianatra momba an’i Jehovah. Nampianarina anao hoe izy no Mpamorona, mahafinaritra be ny toetrany, ary hovany ho paradisa ny tany amin’ny hoavy.​—Gen. 1:1; Asa. 17:24-27.

2. Ahoana no fiheveran’ny olona sasany an’izay mino ny Mpamorona?

2 Be dia be anefa ny olona tsy mino hoe misy Andriamanitra, mainka moa fa hoe izy no Mpamorona. Lazain-dry zareo hoe kisendrasendra no nampisy an’izao rehetra izao. Zavamananaina tsotra kely, hono, no nivoatra miandalana ka lasa karazana zavamananaina be pitsiny kokoa. Manam-pahaizana be ny olona sasany mieritreritra hoatr’izany. Mety hilaza izy ireny hoe voaporofon’ny siansa fa diso ny Baiboly, ary ny olona tsy nahita fianarana sy tsy mahira-tsaina ary mora fitahina no mino ny Mpamorona.

3. Nahoana isika no mila miezaka ho resy lahatra kokoa hoe tena misy ny Mpamorona?

3 Mety hisy vokany aminao ve ny fomba fihevitr’ireny olona sasany avara-pianarana ireny, ka hahatonga anao hisalasala hoe misy Mpamorona be fitiavana? Tsy voatery, raha fantatrao tsara hoe nahoana ianao no mino fa i Jehovah no Mpamorona. Mino an’izany ve ianao satria izay no nasaina nataonao? Sa ianao naka fotoana mihitsy mba handinihana ny porofon’izany? (1 Kor. 3:12-15) Mila manatanjaka ny finoantsika foana isika rehetra, na efa ela aza isika no Vavolombelon’i Jehovah. Raha manao an’izany isika, dia tsy ho voataona hanaraka ny “filozofia sy ny famitahana poakaty” ampianarin’ireny olona manohitra ny Tenin’Andriamanitra ireny. (Kol. 2:8; Heb. 11:6) Mba hanampiana antsika amin’izany, dia horesahintsika ato hoe: 1) Fa maninona no be dia be no tsy mino ny Mpamorona? 2) Ahoana no hanatanjahanao ny finoanao an’i Jehovah, ilay Mpamorona anao? 3) Inona no azonao atao mba hatanjaka foana izany finoanao izany?

FA MANINONA NO BE DIA BE NO TSY MINO NY MPAMORONA?

4. Araka ny Hebreo 11:1, miorina amin’ny inona ny tena finoana?

4 Mieritreritra ny olona sasany fa ny hoe manam-pinoana, dia midika hoe mino na dia tsy misy porofo aza. Tsy hoatr’izany anefa ny tena finoana, raha ny Baiboly no jerena. (Vakio ny Hebreo 11:1.) Mariho fa miorina amin’ny porofo mazava ny finoantsika an’ireo zavatra tena misy nefa tsy hita maso, ohatra hoe i Jehovah sy Jesosy ary ilay Fanjakana any an-danitra. (Heb. 11:3) Izao no nolazain’ny mpahay siansa iray lasa Vavolombelon’i Jehovah: “Tsy minomino befahatany fotsiny izahay, ka hoe tsy miraharaha an’izay porofo efa asehon’ny siansa.”

5. Fa maninona no be dia be ny olona mino hoe tongatonga ho azy izao rehetra izao fa tsy nisy namorona?

5 Fa maninona no be dia be ny olona tsy mino hoe Andriamanitra no namorona an’izao rehetra izao, nefa efa misy porofo mazava momba an’izany? Mbola tsy nandinika an’ireny porofo ireny fotsiny ny olona sasany. Hoatr’izany i Robert. Efa Vavolombelon’i Jehovah izy izao. Hoy izy: “Tsy nino aho hoe nisy ny Mpamorona, satria tsy noresahina tany am-pianarana mihitsy izany. Tamin’izaho 22 taona vao tafaresaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nampisehoan-dry zareo porofo tao amin’ny Baiboly aho hoe tena misy ny Mpamorona, ary nitombina tsara sy nandresy lahatra ilay izy.” b​—Jereo ilay hoe “ Hafatra Lehibe ho An’ny Ray Aman-dreny.”

6. Fa maninona ny olona sasany no tsy mety mino ny Mpamorona?

6 Tsy mino ny olona sasany hoe misy ny Mpamorona satria, hono, izy tsy mino afa-tsy izay hitany. Misy zavatra sasany tsy hita maso anefa inoany ihany, ohatra hoe ny rivotra na ny hery misinton’ny tany. Manana porofo mantsy izy hoe tena misy izany. Miorina amin’ny porofo koa ilay finoana resahina ao amin’ny Baiboly, izany hoe porofo momba “ny zavatra tena misy izay tsy hita maso.” (Heb. 11:1) Be dia be no tsy mazoto mandinika an’ireny porofo ireny, satria mitaky fotoana sy ezaka izany. Rehefa tsy manao an’izany anefa ny olona iray, dia mety hieritreritra izy hoe tsy misy Andriamanitra.

7. Ny olona rehetra nahita fianarana ve no tsy mino ny Mpamorona? Hazavao.

7 Lasa resy lahatra ny mpahay siansa sasany hoe Andriamanitra no namorona an’izao rehetra izao, rehefa avy nandinika ny porofon’izany. c Fa maninona ry zareo no tsy nino ny Mpamorona taloha? Satria tsy nampianarina an-dry zareo tany amin’ny oniversite izany, hoatran’ny nitranga tamin’i Robert, ilay voaresaka teo aloha. Betsaka anefa ny mpahay siansa lasa nahafantatra an’i Jehovah sy tia azy. Tokony hanao hoatran’ireo mpahay siansa ireo koa isika rehetra ka hanatanjaka ny finoantsika an’Andriamanitra, na hoatran’ny ahoana na hoatran’ny ahoana ny fianarana vitantsika. Tsy misy olon-kafa afaka manao an’izany ho antsika.

INONA NO HANAMPY ANAO HO RESY LAHATRA KOKOA?

8-9. a) Inona no hodinihintsika izao? b) Inona no soa horaisinao raha mianatra momba ny zavaboary ianao?

8 Ahoana no hanatanjahanao ny finoanao hoe misy ny Mpamorona? Misy zavatra efatra azonao atao. Handinika an’izany isika izao.

9 Mianara momba ny zavaboary. Hatoky kokoa ianao hoe tena misy ny Mpamorona, raha mandinika ny biby sy ny zavamaniry ary ny kintana. (Sal. 19:1; Isaia 40:26) Arakaraka ny ianaranao momba an’ireny, no hahatonga anao ho resy lahatra kokoa hoe i Jehovah no Mpamorona. Matetika no misy lahatsoratra manazava tsipiriany momba ny zavaboary ao amin’ny bokintsika. Aza dinganina fotsiny ireny lahatsoratra ireny, raha sarotra aminao ny mahazo tsara an’ilay izy. Ataovy fotsiny izay hianarana zavatra betsaka araka izay azonao atao rehefa mamaky an’ilay lahatsoratra. Misy video tsara be momba ny zavaboary koa navoaka tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra faramparany, ary hita ao amin’ny jw.org. Maninona raha jerena indray izy ireny?

10. Nahoana ny zavaboary no manaporofo hoe tena misy ny Mpamorona? Manomeza ohatra. (Romanina 1:20)

10 Eritrereto tsara hoe inona no azonao ianarana momba ny Mpamorona, rehefa mandinika ny zavaboary ianao. (Vakio ny Romanina 1:20.) Diniho, ohatra, ny masoandro. Manome hafanana sy hazavana izy io, ary tena ilain’ny zavaboary eto an-tany izany. Mandefa taratra koa anefa ny masoandro, ary mety hisy vokany ratsy amintsika izy ireny. Soa ihany fa voaro amin’izany isika. Misy gazy antsoina hoe ôzônina mantsy manodidina ny tany. Miaro antsika amin’ireny taratra manimba ireny izy io. Rehefa mihamahery ilay taratra, dia mitombo koa ny habetsahan’ny ôzônina. Tsy miaiky ve ianao hoe nisy namorona izany, ary azo antoka fa be fitiavana sy tena mahay izy?

11. Aiza no misy fanazavana hanampy anao hino kokoa hoe tena misy ny Mpamorona? (Jereo ilay hoe “ Fanazavana Hanatanjaka ny Finoanao.”)

11 Hahita fanazavana be dia be momba ny zavaboary ianao, raha mikaroka ao amin’ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, sy ao amin’ny jw.org. Hanatanjaka ny finoanao izany. Maninona raha ilay lahatsoratra sy video hoe “Nisy Namorona Ve?” no hanombohana azy? Fohy izy ireny nefa misy hevitra tena mahaliana momba ny biby sy ny zavaboary hafa. Resahina ao koa hoe ahoana no ataon’ny mpahay siansa mba hakana tahaka ny zavaboary.

12. Inona ny zavatra sasany tokony homarihintsika rehefa mianatra Baiboly?

12 Mianara Baiboly. Tsy nino ny Mpamorona ilay mpahay siansa noresahintsika terỳ aloha. Niova anefa izy tatỳ aoriana. Izao no nolazainy: “Tsy izay nianarako avy tamin’ny siansa fotsiny no nahatonga ahy hino ny Mpamorona. Lasa nino azy koa aho, satria nianatra tsara ny Baiboly.” Ary ianao? Efa mahafantatra tsara an’izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra angamba ianao. Mbola mila mianatra azy io foana anefa ianao, raha te hanatanjaka ny finoanao an’ilay Mpamorona. (Jos. 1:8; Sal. 119:97) Mariho, ohatra, fa marina tsara ny tsipiriany resahin’ny Baiboly momba ny zava-nitranga taloha. Diniho koa ny faminaniana ao sy ny firindran’ny hevitra resahina ao. Raha manao an’izany ianao, dia hatoky kokoa hoe misy Mpamorona mahay sy be fitiavana nanao antsika, ary avy aminy ny Baiboly. d​—2 Tim. 3:14; 2 Pet. 1:21.

13. Inona, ohatra, ny torohevitra feno fahendrena hitantsika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra?

13 Rehefa mianatra ny Tenin’Andriamanitra ianao, dia mariho hoe nahoana no tena manampy antsika ny torohevitra omena ao. Efa ela, ohatra, ny Baiboly no nampitandrina hoe manimba ny fitiavam-bola ary mahatonga ‘fanaintainana maro.’ (1 Tim. 6:9, 10; Ohab. 28:20; Mat. 6:24) Mbola marina ve izany amin’izao? Mariho izay lazain’ilay boky hoe Mihanaka toy ny Aretina ny Fitiavan-tena (anglisy): “Misy olona tsy misaina afa-tsy vola. Izy ireny no tena mora kivy sy tsy faly amin’ny fiainana, amin’ny ankapobeny. Na dia ny olona vao mitsiriritra te hanan-karena koa aza anefa, dia matetika no mikorontan-tsaina. Maro no lasa farofy.” Tena tsara àry ilay torohevitry ny Baiboly hoe aza tia vola. Misy toro lalana hafa hitanao hoe nahasoa anao ve tao amin’izy io? Inona no ho vokany raha mankasitraka kokoa ny torohevitra ao amin’ny Baiboly isika? Vao mainka isika hatoky hoe feno fahendrena ny torohevitra omen’ilay Mpamorona be fitiavana, ary azo ampiharina foana. (Jak. 1:5) Hahafinaritra kokoa ny fiainantsika amin’izay!​—Isaia 48:17, 18.

14. Inona no ho fantatrao momba an’i Jehovah rehefa mianatra Baiboly ianao?

14 Rehefa mianatra Baiboly ianao, dia manàna tanjona tsara, izany hoe ny hahafantatra an’i Jehovah. (Jaona 17:3) Ho hitanao hoe Andriamanitra manao ahoana izy. Ho voamarikao fa mitovy amin’ny toetrany hitanao tamin’ianao nandinika ny zavaboary ny toetrany resahin’ny Baiboly. Inona no ho vokatr’izany? Ho resy lahatra ianao hoe tena misy Andriamanitra, fa tsy hoe noforomporonin’ny saina fotsiny akory. (Eks. 34:6, 7; Sal. 145:8, 9) Vao mainka ianao hino an’i Jehovah rehefa mihamahafantatra azy. Hitombo koa ny fitiavanao azy ary hinamana kokoa ianareo.

15. Inona no soa horaisinao raha miresaka momba ny zavatra inoanao ianao?

15 Resaho amin’ny olon-kafa hoe mino an’Andriamanitra ianao. Hihamatanjaka ny finoanao amin’izay. Ahoana anefa raha misy olona itorianao milaza hoe misalasala izy raha tena misy Andriamanitra? Ahoana raha tsy hainao ny mamaly azy? Manaova fikarohana ao amin’ny bokintsika mba hahitana valiny avy ao amin’ny Baiboly. (1 Pet. 3:15) Resaho amin’ilay olona izany avy eo. Afaka mangataka fanampiana amin’ny mpiara-manompo koa ianao. Na manaiky ny fanazavana avy ao amin’ny Baiboly ilay olona na tsia, dia handray soa ianao rehefa nanao fikarohana. Hihamatanjaka mantsy ny finoanao ka tsy ho mora voataonan’ny olona tsy mino ny Mpamorona ianao, na dia heverina ho hendry sy manam-pahaizana aza izy ireny.

ATAOVY FOANA IZAY HAMPAHATANJAKA NY FINOANAO

16. Inona no mety hitranga raha tsy miezaka foana isika mba hanatanjaka ny finoantsika?

16 Tsy maintsy miezaka manatanjaka ny finoantsika an’i Jehovah foana isika, na dia efa ela aza no nanompo azy. Fa maninona? Satria mety hihena ny finoantsika raha tsy mitandrina isika. Tadidio fa ny finoana dia miorina amin’ny zavatra tsy hita maso nefa tena misy. Mety ho mora manadino an’izay tsy hitantsika anefa isika. Izay no nahatonga an’i Paoly hilaza hoe ‘ota mora mamatopatotra antsika’ ny tsy fahampiam-pinoana. (Heb. 12:1) Inona àry no azo atao mba tsy ho tratran’izany fandrika izany?​—2 Tes. 1:3.

17. Inona no afaka manampy antsika mba hanana finoana matanjaka foana?

17 Voalohany, mitalahoa amin’i Jehovah mba homeny fanahy masina ary manaova an’izany matetika. Anisan’ny vokatry ny fanahy mantsy ny finoana. (Gal. 5:22, 23) Tsy ho afaka hino ny Mpamorona sy hino azy foana ianao, raha tsy ampian’ny fanahy masina. Omen’i Jehovah ny fanahiny ianao rehefa tsy mitsahatra mangataka an’izany aminy. (Lioka 11:13) Afaka mivavaka mihitsy ianao hoe: ‘Ampitomboy ny finoako.’​—Lioka 17:5.

18. Inona no tombontsoa ananantsika, raha jerena ny Salamo 1:2, 3?

18 Ankoatra izany, dia tohizo foana ny fianaranao samirery ny Tenin’Andriamanitra. (Vakio ny Salamo 1:2, 3.) Vitsy ny Israelita nanana ny Lalàn’Andriamanitra iray manontolo, tamin’ny fotoana nanoratana an’io salamo io. Nanana an’izany kosa ny mpanjaka sy ny mpisorona, ary novakina tamin’ny vahoaka izany isaky ny fito taona. Novorina daholo “ny lehilahy sy ny vehivavy sy ny ankizy madinika ary ny vahiny” mba hihaino an’ilay izy. (Deot. 31:10-12) Ary ahoana ny tamin’ny andron’i Jesosy? Vitsy ihany no nanana horonana nisy ny Soratra Masina, ankoatra ny tany amin’ny synagoga. Tsy hoatr’izany anefa amin’izao fa afaka mamaky ampahany amin’ny Tenin’Andriamanitra ny ankamaroan’ny olona. Ahoana no hampisehoantsika hoe mankasitraka an’izany tombontsoa be izany isika?

19. Inona no tokony hataontsika raha te hanana finoana matanjaka foana?

19 Asehontsika hoe mankasitraka ny Tenin’Andriamanitra isika, raha mamaky azy io isan’andro. Tsy mety raha hoe rehefa sendra afaka isika vao mamaky sy mianatra Baiboly. Tokony hampidirintsika ao amin’ny fandaharam-potoanantsika mihitsy izany, ary harahintsika tsara. Tsy hihena mihitsy ny finoantsika amin’izay.

20. Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?

20 Tsy mitovy amin’ny “hendry sy ny mahira-tsaina” eto amin’ity tontolo ity isika. (Mat. 11:25, 26) Isika mantsy manana finoana matanjaka miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra. Nianarantsika tao amin’izy io hoe nahoana no miharatsy ny fiainana, ary ahoana no handaminan’i Jehovah an’izany. Tokony ho tapa-kevitra àry isika hoe hanatanjaka ny finoantsika, ary hanampy olona betsaka araka izay azo atao mba hino ny Mpamorona. (1 Tim. 2:3, 4) Andao koa isika hibanjina ny hoavy foana. Hidera an’i Jehovah ny olona rehetra eto an-tany amin’izany, ka hamerina ny voalazan’ny Apokalypsy 4:11 hoe: ‘Mendrika handray ny voninahitra ianao Jehovah ô, satria namorona ny zava-drehetra.’

HIRA 2 Jehovah no Anaranao

a Voaresaka mazava tsara ao amin’ny Soratra Masina hoe i Jehovah Andriamanitra no Mpamorona. Be dia be anefa ny olona tsy mino an’izany. Tongatonga ho azy, hono, izao rehetra izao. Mety hahatonga antsika hisalasala ve ny zavatra tenenin’ireny olona ireny? Tsy hitranga izany raha miezaka mafy isika mba hanatanjaka ny finoantsika an’Andriamanitra sy ny Baiboly. Hohazavaina ato hoe ahoana no hanaovana an’izany.

b Tsy resahina akory any amin’ny sekoly maro hoe mety ho nisy namorona izao rehetra izao. Milaza ny mpampianatra sasany hoe mety hahatonga ny mpianatra ho voatery hino an’Andriamanitra izany, nefa tokony havela hisafidy ry zareo.

c Misy fanazavana avy amin’ny manam-pahaizana maromaro mino ny Mpamorona ao amin’ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Jereo ao amin’ilay hoe “Siansa”, dia eo amin’ilay lohatenikely hoe “mpahay siansa milaza fa mino ny famoronana.” Hita ao amin’ny Fitaovana Fikarohana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah koa ny sasany amin’izany. Jereo ilay foto-kevitra hoe “Siansa sy Teknolojia”, dia tadiavo ilay lohateny hoe “‘Fanadinadinana’ (Andian-dahatsoratra ao amin’ny Mifohaza!).”

d Jereo, ohatra, ilay lahatsoratra hoe “Mifanaraka ve ny Baiboly sy ny Siansa?”, ao amin’ny Mifohaza! Febroary 2011; sy ilay lahatsoratra hoe “Tanteraka ny Faminanian’i Jehovah”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 2008.