Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 31

Vonona Hiandry An’i Jehovah ve Ianao?

Vonona Hiandry An’i Jehovah ve Ianao?

“Vonona hiandry ... aho.”—MIKA 7:7.

HIRA 128 Miareta Hatramin’ny Farany

HO HITANAO ATO a

1-2. Inona no hodinihintsika ato?

 AHOANA raha misy entana tena ilainao, nefa tsy tonga tamin’ny fotoana tokony hahatongavany ilay izy? Azo inoana fa ho diso fanantenana ianao. Ho tsapanao angamba izay voalazan’ny Ohabolana 13:12 hoe: “Marary ny fo raha mihemotra foana ny fahatanterahan’ny zavatra antenaina.” Ahoana anefa raha fantatrao hoe nisy antony tsara nahatonga an’ilay entana tsy ho tonga ara-potoana? Azo antoka hoe hanam-paharetana sy ho vonona hiandry ianao amin’izay.

2 Handinika toro lalan’ny Baiboly maromaro hanampy antsika ho “vonona hiandry” isika ato. (Mika 7:7) Hodinihintsika koa hoe rahoviana, ohatra, isika no tsy maintsy manam-paharetana dia miandry an’i Jehovah hanao zavatra. Horesahintsika amin’ny farany hoe inona no fitahiana ho azon’izay vonona hanao an’izany.

TORO LALANA MANAMPY ANTSIKA HANAM-PAHARETANA

3. Inona ny toro lalana ianarantsika ao amin’ny Ohabolana 13:11?

3 Nahoana isika no tokony hanam-paharetana? Mamaly an’izany ny Ohabolana 13:11. Izao no voalaza ao: “Mihena ny harena azoazo foana, fa izay manangona izany tsikelikely no mampitombo azy.” Inona ny toro lalana hitantsika eo? Hendry isika raha tsy maimaika rehefa manao zavatra, fa manam-paharetana sy mitandrina tsara.

4. Inona ny toro lalana hitantsika ao amin’ny Ohabolana 4:18?

4 Milaza ny Ohabolana 4:18 hoe: ‘Ny lalan’ny marina dia tahaka ny hazavan’ny maraina izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro.’ Asehon’io andinin-teny io mazava tsara fa ampahafantarin’i Jehovah tsikelikely amin’ny mpanompony ny fikasany. Manampy antsika koa anefa io andininy io mba hahita hoe mandeha tsikelikely ny fandrosoana ataon’ny Kristianina iray, fa tsy vita maimaika. Mila fotoana izy mba hiovana sy hifandraisana akaiky kokoa amin’Andriamanitra. Raha mianatra tsara sy mampihatra ny torohevitra omen’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fandaminana isika, dia hitovy tsikelikely amin’ny toetran’i Kristy ny toetrantsika. Hahafantatra kokoa an’Andriamanitra koa isika. Nilaza fanoharana momba an’izany i Jesosy.

Mitombo tsikelikely ny zavamaniry. Mandeha tsikelikely koa ny fandrosoan’ny olona manaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana (Fehintsoratra 5)

5. Inona ny fanoharana nampiasain’i Jesosy mba hampisehoana hoe miova tsikelikely ny olona iray?

5 Nilaza fanoharana momba ny voa madinika iray i Jesosy, mba hanazavana hoe mitombo tsikelikely ao am-pon’ny olona tso-po ny hafatra torintsika. Izao no nolazainy: “Maniry ilay voa ka mitombo, nefa tsy [fantatr’ilay mpamafy] hoe amin’ny fomba ahoana. Mamokatra tsikelikely amin’izao fotsiny ny tany: Voalohany, ny raviny toy ny ravin’ahitra, avy eo ny salohy, ary farany dia feno voa ny salohiny.” (Mar. 4:27, 28) Inona no tian’i Jesosy hotenenina? Nohazavainy hoe mitombo tsikelikely ny zavamaniry, dia mandroso tsikelikely hoatr’izany koa ny olona manaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana. Rehefa mihamifandray akaiky amin’i Jehovah, ohatra, ny olona ampianarintsika Baiboly dia lasa hitantsika ny fiovana be dia be ataony. (Efes. 4:22-24) Tsy maintsy mitadidy anefa isika hoe i Jehovah no mampitombo an’ilay voa.​—1 Kor. 3:7.

6-7. Inona no ianarantsika avy amin’ny fomba nanamboaran’i Jehovah ny tany?

6 Na inona na inona ataon’i Jehovah, dia maka fotoana tsara foana izy mba hamitana an’izany. Fa maninona? Mba ho voninahitry ny anarany sy mba hahasoa ny hafa. Nomaniny tsikelikely, ohatra, ny tany mba ho azon’ny olombelona ipetrahana.

7 Ahoana no namoronan’i Jehovah ny tany? Milaza ny Baiboly hoe ‘nametraka ny refin’ny tany’ izy, ‘nandatsaka ny fototr’izy io, ary nametraka ny vato fehizorony.’ (Joba 38:5, 6) Naka fotoana mihitsy aza izy mba handinihana ny asa vitany. (Gen. 1:10, 12) Azonao sary an-tsaina ve hoe ahoana ny fihetseham-pon’ny anjely isaky ny nahita ny zavatra vaovao noforonin’i Jehovah? Azo antoka hoe faly be ry zareo, satria lazain’ny Baiboly hoe “nihoby ... ny zanak’Andriamanitra.” (Joba 38:7) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Marina fa an’arivony taona vao vita ny famoronana. Nokalin’i Jehovah tsara mantsy ny asany. Rehefa nijery ny zavatra rehetra nataony anefa izy, dia nilaza hoe: “Tena tsara izany.”​—Gen. 1:31.

8. Inona indray no hodinihintsika izao?

8 Hitantsika teo hoe misy toro lalana be dia be ao amin’ny Baiboly mampiseho fa tena ilaina ny manam-paharetana. Hodinihintsika izao hoe rahoviana, ohatra, isika no tsy maintsy manam-paharetana dia miandry an’i Jehovah.

RAHOVIANA ISIKA NO MILA MIANDRY AN’I JEHOVAH?

9. Rahoviana, ohatra, isika no mila miandry an’i Jehovah?

9 Mila miandry angamba isika raha mbola tsy nivaly ny vavaka nataontsika. Mety ho nangataka hery tamin’i Jehovah isika, mba hahafahantsika hiaritra ny olana mahazo antsika. Na isika mety ho nangataka fanampiana taminy mba handresena ny fahalementsika. Nieritreritra angamba isika hoe hanampy antsika haingana i Jehovah, nefa hoatran’ny tsy arakaraka izay no nitranga. Fa maninona no tsy tonga dia valian’i Jehovah daholo ny vavaka ataontsika?

10. Fa maninona isika no mila manam-paharetana rehefa mivavaka?

10 Mihaino tsara ny vavaka ataontsika i Jehovah. (Sal. 65:2) Hitany hoe manam-pinoana isika rehefa mivavaka amin’ny fo. (Heb. 11:6) Tiany ho hita koa raha tena te hanao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka ataontsika isika, ary tena te hanao ny sitrapony. (1 Jaona 3:22) Inona àry no tokony hataontsika rehefa mangataka amin’i Jehovah isika mba hanampy antsika hiala amin’ny fahazaran-dratsy? Mila manam-paharetana isika dia miezaka mafy mba hiova. Hita amin’ny tenin’i Jesosy koa fa mety tsy hivaly eo no ho eo ny vavaka sasany ataontsika. Izao no nolazainy: “Mangataha foana, dia homena ianareo. Mitadiava foana, dia hahita ianareo. Dondòny foana, dia hovohana ianareo. Fa izay mangataka no mahazo, ary izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no hovohana.” (Mat. 7:7, 8) Matokia fa hihaino anao ilay Rainao any an-danitra ary hamaly ny vavaka ataonao, rehefa manaraka an’io torohevitra io ianao ka ‘maharitra amin’ny vavaka.’​—Kol. 4:2.

Eo am-piandrasana an’i Jehovah, dia tsy mitsahatra mivavaka isika sady matoky hoe hamaly antsika izy (Fehintsoratra 11) b

11. Nahoana no manampy antsika ny Hebreo 4:16, rehefa hoatran’ny hoe elaela vao mivaly ny vavaka nataontsika?

11 Na dia hoatran’ny hoe elaela aza vao mivaly ny vavaka nataontsika, dia mampanantena i Jehovah hoe hamaly an’izany “amin’ny fotoana mety.” (Vakio ny Hebreo 4:16.) Tsy tokony hanome tsiny azy mihitsy àry isika raha tsy mivaly haingana araka izay noeritreretintsika ny zavatra nangatahintsika. Betsaka, ohatra, no nivavaka nandritra ny taona maro mba ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra, ary handringana an’ity tontolo ity. Na i Jesosy aza nilaza hoe tokony hivavaka momba an’izany isika. (Mat. 6:10) Hadalana anefa raha tsy mino an’Andriamanitra intsony isika, satria hoe tsy tonga tamin’ny fotoana noeritreretintsika ny farany. (Hab. 2:3; Mat. 24:44) Hendry isika raha miandry an’i Jehovah foana sy tsy mitsahatra mivavaka aminy, ary matoky hoe hamaly antsika izy. Tena ho tonga ara-potoana ny farany, satria i Jehovah efa nifidy ny “andro sy ora” hahatongavan’izany. Amin’ny fotoana mety indrindra amin’ny olona rehetra tia an’i Jehovah izany no ho tonga.​—Mat. 24:36; 2 Pet. 3:15.

Nanam-paharetana i Josefa. Inona no ianarantsika avy amin’izany? (Fehintsoratra 12-14)

12. Rahoviana no tena mety ho sarotra ny manam-paharetana?

12 Mila manam-paharetana isika indraindray rehefa miandry ny rariny. Matetika ny olona eto amin’ity tontolo ity no mampijaly an’izay tsy mitovy firenena, na foko, na fiaviana aminy. Misy koa lehilahy mampijaly vehivavy na vehivavy mampijaly lehilahy. Ny hafa indray misy mampahory noho izy manana kilema na sembana ara-tsaina. Betsaka koa ny mpanompon’i Jehovah iharan’ny tsy rariny, satria mino an’izay lazain’ny Baiboly. Rehefa miaritra ny mafy hoatr’izany isika, dia tsy maintsy mitadidy ny tenin’i Jesosy hoe: “Izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena.” (Mat. 24:13) Mety hitranga koa anefa ny hoe olona ao amin’ny fiangonana no manao zavatra faran’izay ratsy. Ahoana raha mahalala olona hoatr’izany ianao? Havelanao handamina an’izany ve ny anti-panahy, rehefa avy nampahafantarina an-dry zareo ilay zava-nitranga? Hanam-paharetana ve ianao, ka hiandry an-dry zareo hikarakara an’izany araka ny itiavan’i Jehovah azy? Fa inona no mety hataon’ny anti-panahy rehefa misy olana hoatr’izany?

13. Inona no tian’i Jehovah hataon’ny anti-panahy rehefa misy olona nanao fahotana lehibe?

13 Inona no ataon’ny anti-panahy, rehefa fantany hoe nanao fahotana lehibe ny olona iray anisan’ny fiangonana? Mivavaka ry zareo mba hahazoana “ny fahendrena avy any ambony.” (Jak. 3:17) Hanampy azy ireo izany mba hahafantatra hoe ahoana no fomba fihevitr’i Jehovah an’ilay zava-nitranga. Ny tanjon’izy ireo dia ny hanampy an’ilay olona “hiala amin’ny lalan’ny fahadisoany”, raha azo atao. (Jak. 5:19, 20) Manao izay rehetra azo atao koa ny anti-panahy, mba hiarovana ny fiangonana sy hampaherezana an’izay mizaka ny vokatry ny nataon’ilay olona nanota. (2 Kor. 1:3, 4) Rehefa nisy olona nanao fahotana lehibe, dia tsy maintsy mamantatra an’izay tena nitranga rehetra aloha ny anti-panahy. Mety haka fotoana izany. Mivavaka izy ireo avy eo ary mampiasa Baiboly mba hanomezana torohevitra an’ilay olona. Mitandrina tsara izy ireo rehefa manao an’izany, ary manitsy azy “araka ny antonony.” (Jer. 30:11) Marina hoe tsy mangataka andro ry zareo, nefa tsy maimaika hanapa-kevitra koa. Handray soa faran’izay betsaka ny olona rehetra ao amin’ny fiangonana, raha manaraka ny tari-dalan’i Jehovah ny anti-panahy. Na dia nety tsara aza anefa ny fomba nandaminana an’ilay olana, dia mety mbola halahelo ihany ilay olona tsy manan-tsiny. Raha izany no mahazo anao, dia inona no azonao atao mba tsy halahelo be loatra?

14. Ny tantaran’iza no hampahery anao raha nisy Kristianina nandratra mafy ny fonao?

14 Efa nisy olona nandratra mafy ny fonao ve, angamba mpiara-manompo mihitsy? Ahoana no hatao mba hiandrasana an’i Jehovah handamina an’ilay tsy rariny? Misy ohatra tsara afaka manampy anao ao amin’ny Baiboly. Eritrereto i Josefa. Ny rahalahiny mihitsy no nanao ny tsy rariny taminy. Tsy tezitra na nitana lolompo anefa izy. Nifantoka tamin’ny fanompoany an’i Jehovah foana izy, dia namaly soa azy i Jehovah noho izy nanam-paharetana sy niaritra. (Gen. 39:21) Rehefa nandeha ny fotoana, dia nahavita nanadino an’ilay zavatra nandratra ny fony izy. Hitany koa hoe notahin’i Jehovah izy. (Gen. 45:5) Raha manahaka an’i Josefa isika ka mifandray akaiky amin’i Jehovah sy miandry azy hanao ny rariny, dia hampahery antsika izany.​—Sal. 7:17; 73:28.

15. Inona no nanampy ny anabavy iray hiaritra ny tsy rariny sy ho tony?

15 Mazava ho azy fa tsy mafy be hoatran’ny an’i Josefa daholo izay tsy rariny rehetra mitranga. Malahelo foana anefa isika rehefa misy mampijaly, na inona na inona nataon’ilay olona antsika. Ahoana àry no azo atao rehefa manana olana aman’olona isika, anisan’izany ny olona tsy manompo an’i Jehovah? Handray soa isika raha mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. (Fil. 2:3, 4) Nalahelo be, ohatra, ny anabavy iray rehefa fantany fa nisy mpiara-miasa taminy nanaparitaka lainga momba azy. Tsy maimaika hanao zavatra anefa izy, fa naka fotoana hisaintsainana ny ohatra navelan’i Jesosy. Tsy mba nanevateva i Jesosy rehefa nisy nanevateva. (1 Pet. 2:21, 23) Nisaintsaina an’izany ilay anabavy, dia nanapa-kevitra hoe havelany amin’izao fotsiny ilay zava-nitranga. Henony tatỳ aoriana hoe hay narary mafy ilay mpiara-miasa taminy ary niady saina be. Nieritreritra àry izy hoe vava lasalasa fotsiny angamba ireny nataony ireny fa tsy ratsy fanahy izy. Tena faly ilay anabavy hoe niaritra sady nanam-paharetana, dia lasa tony.

16. Inona no hampahery anao raha miaritra ny tsy rariny ianao? (1 Petera 3:12)

16 Miaritra ny tsy rariny ve ianao izao, na misy olana hafa mampalahelo anao? Raha izany, dia tadidio hoe manakaiky an’izay “torotoro fo” i Jehovah. (Sal. 34:18) Tia anao izy noho ianao manam-paharetana sy noho ianao mametraka an’izay manavesatra anao aminy. (Sal. 55:22) Mpitsara ny tany manontolo izy, ka tsy misy na inona na inona miafina aminy. (Vakio ny 1 Petera 3:12.) Ahoana àry raha tsy hitanao ny fomba hamahana an’ilay olana? Vonona hiandry an’i Jehovah ve ianao?

FITAHIANA MANDRAKIZAY NO HO AZON’IZAY MIANDRY AN’I JEHOVAH

17. Inona no toky omen’i Jehovah antsika ao amin’ny Isaia 30:18?

17 Kely sisa dia hampiasa ny Fanjakany ilay Raintsika any an-danitra, mba hanomezana fitahiana be dia be ho antsika. Izao no resahin’ny Isaia 30:18: ‘Mbola manantena ny hiantra anareo i Jehovah, ka hitsangana mba hamindra fo aminareo. Fa Andriamanitry ny rariny i Jehovah, ka sambatra izay rehetra miandry azy.’ Hahazo fitahiana be dia be izay miandry an’i Jehovah, ary tsy amin’izao ihany fa ao amin’ny tontolo vaovao koa.

18. Inona ny fitahiana miandry antsika?

18 Inona no hitranga rehefa tonga ao amin’ny tontolo vaovao ny vahoakan’Andriamanitra? Tsy hiatrika ny olana sy adin-tsaina tsy maintsy iaretany amin’izao intsony izy ireo. Ho tapitra hatreo na ny tsy rariny na ny alahelo. (Apok. 21:4) Tsy hitaintaina intsony isika hoe sao dia tsy hahazo an’izay ilaina, satria hanana ny ampy ny olona rehetra. (Sal. 72:16; Isaia 54:13) Tena hahafinaritra izany!

19. Manampy antsika tsikelikely mba ho vonona amin’ny inona i Jehovah?

19 Mandra-pahatongan’ny tontolo vaovao, dia ampian’i Jehovah tsikelikely isika mba ho vonona hiaina eo ambany fitondrany. Ahoana no anaovany an’izany? Ampiany isika mba handresy ny fahazaran-dratsintsika sy hanana toetra mampifaly azy. Aza kivy àry fa manompoa an’i Jehovah foana. Fiainana tsara be no miandry antsika, ka enga anie isika hanam-paharetana sy ho vonona hiandry an’i Jehovah hanatanteraka an’izay nampanantenainy.

HIRA 118 “Ampitomboy ny Finoanay”

a ‘Tsy nampoiziko hoe ho antitra eto amin’ity tontolo ity aho!’ Efa naheno mpiara-manompo niteny hoatr’izany ve ianao? Efa ela angamba izy no nanompo an’i Jehovah. Tena tiantsika rehetra raha ringanin’i Jehovah amin’izay ity tontolo ity, indrindra amin’izao andro sarotra izao. Tsy maintsy mianatra ny hanam-paharetana anefa isika. Hahita toro lalana avy ao amin’ny Baiboly hanampy antsika hiandry isika ato. Hodinihintsika koa hoe rahoviana, ohatra, isika no tsy maintsy manam-paharetana dia miandry an’i Jehovah. Hojerentsika amin’ny farany hoe inona no fitahiana ho azon’izay vonona hiandry.

b SARY: Efa hatramin’ny mbola kely ny anabavy iray no mivavaka matetika amin’i Jehovah. Nampianarin’ny ray aman-dreniny hivavaka mantsy izy. Nanomboka nanao mpisava lalana izy tamin’izy tanora, dia nivavaka matetika mba hotahin’i Jehovah ny fanompoany. Narary be ny vadiny tatỳ aoriana, dia nitalaho tamin’i Jehovah izy mba homeny hery hiaretana an’ilay olana. Efa maty ny vadiny amin’izao, nefa mbola tsy mitsahatra mivavaka izy. Matoky mantsy izy hoe hamaly ny vavaka ataony ilay Rainy any an-danitra, hoatran’ny hatramin’izay.