LAHATSORATRA FIANARANA 34
Aza “Miala Amin’ny Fahamarinana Mihitsy”
“[Aza] miala amin’ny fahamarinana mihitsy.”—3 JAONA 4.
HIRA 111 Maro ny Antony Mahafaly Antsika
HO HITANAO ATO *
1. Nahoana no mahasoa antsika ny mitantara ny fomba nahalalantsika “ny fahamarinana”?
“AHOANA no nahalalanao ny fahamarinana?” Azo antoka fa efa im-be dia be ianao no namaly an’izany fanontaniana izany. Io no anisan’ny fanontaniana voalohany apetraky ny mpiara-manompo rehefa te hahafantatra antsika izy. Tiantsika ny maheno hoe ahoana no nahatonga an’ireo rahalahy sy anabavintsika hahalala an’i Jehovah sy ho tia azy. Mahafinaritra antsika koa ny mitantara hoe nahoana no tiantsika ny hoe anisan’ny Vavolombelon’i Jehovah. (Rom. 1:11) Mampahatsiahy antsika ny hasarobidin’ny fahamarinana ireny resadresaka ireny. Vao mainka koa isika lasa tapa-kevitra ny ‘tsy hiala amin’ny fahamarinana mihitsy’, izany hoe hanana fomba fiaina tsara foana, mba hotahin’i Jehovah sy hankasitrahany.—3 Jaona 4.
2. Inona no hodinihintsika ato?
2 Inona ny antony sasany itiavantsika ny fahamarinana? Ahoana no hampisehoantsika foana hoe tiantsika io fanomezana sarobidy io? Handinika an’ireo isika ato. Azo antoka fa hankasitraka kokoa an’i Jehovah isika amin’izay, noho izy nitaona antsika ho ao amin’ny fahamarinana. (Jaona 6:44) Vao mainka koa isika te hiresaka an’izany fahamarinana izany amin’ny olona.
NAHOANA NO TIANTSIKA “NY FAHAMARINANA”?
3. Inona no antony lehibe indrindra itiavantsika ny fahamarinana?
3 Be dia be ny antony itiavantsika ny fahamarinana. Ny antony lehibe indrindra anefa dia hoe tiantsika i Jehovah Andriamanitra, ilay Loharanon’ny fahamarinana. Nianarantsika tao amin’ny Teniny fa nanao ny lanitra sy ny tany izy sady mahery indrindra. Tsy izay ihany anefa, fa izy koa ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra, ary tena miahy antsika izy. (1 Pet. 5:7) Ankoatra izany, dia lasa fantatsika hoe “mamindra fo sy mangoraka” ilay Andriamanitsika, “tsy mora tezitra, tena be fitiavana sy tsy mivadika sady tena tia fahamarinana.” (Eks. 34:6) Tia rariny koa i Jehovah. (Isaia 61:8) Malahelo izy mahita antsika mijaly, ary vonona izy hamarana ny fijaliantsika rehetra amin’ny fotoana mety. Tsy andriny mihitsy aza ny hanao an’izany! (Jer. 29:11) Aiza indray no hisy hoatr’izany? Tsy mahagaga àry raha tia be an’i Jehovah isika!
4-5. Nahoana no noharin’ny apostoly Paoly tamin’ny vatofantsika ny fanantenantsika?
4 Misy antony hafa koa itiavantsika ny fahamarinana. Inona izany? Tena mahasoa antsika izy io. Anisan’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, ohatra, ny fanantenantsika amin’ny hoavy. Nasongadin’ny apostoly Paoly fa tena sarobidy io fanantenantsika io. Izao no nolazainy: “Izany fanantenana ananantsika izany no vatofantsiky ny aintsika. Sady azo antoka izy io no mafy orina.” (Heb. 6:19) Ny vatofantsika no mahatonga ny sambo tsy hihetsiketsika. Hoatr’izany koa fa ny fanantenantsika ao amin’ny Baiboly no mahatonga antsika ho tony rehefa miatrika fitsapana isika.
5 Niresaka ny fanantenan’ny Kristianina voahosotra ho any an-danitra i Paoly eo. Mihatra amin’ny Kristianina manantena ny hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany koa anefa ireo teniny ireo. (Jaona 3:16) Azo antoka fa lasa nisy heviny ny fiainantsika, rehefa nianarantsika hoe afaka manantena ny hiaina mandrakizay isika.
6-7. Inona ny soa noraisin’i Yvonne rehefa nianatra ny marina momba ny hoavy izy?
6 Diniho ny tantaran’ny anabavy iray atao hoe Yvonne. Efa lehibe izy vao nahalala ny fahamarinana. Natahotra ny ho faty izy tamin’ny mbola kely. Nisy fotoana mantsy izy namaky boky, dia nahita an’ilay fehezanteny hoe: “Tsy hahita ny ampitso intsony ianao indray andro any.” Tsy afaka tao an-tsainy mihitsy izany! Izao no nolazainy: “Lasa tsy nahita tory aho fa nieritreritra ny hoavy. ... Tsy mino aho hoe izao fotsiny ny fiainana. Maninona anefa aho no nisy? Tsy te ho faty aho!”
7 Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Yvonne, tatỳ aoriana. Mbola tanora izy tamin’izany. Izao no notantarainy: “Lasa nino aho hoe azoko atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany.” Nahoana no nahasoa an’io anabavintsika io ny nahalala ny marina? Hoy ihany izy: “Lasa matory tsara aho, fa tsy manahy momba ny hoavy intsony na matahotra ny ho faty.” Hitanao amin’izany angamba fa tena sarobidy amin’i Yvonne ny fahamarinana. Afa-po be koa izy miresaka an’izany fanantenany izany amin’ny olona.—1 Tim. 4:16.
8-9. a) Ahoana no nampisehoan’ny lehilahy iray tao amin’ny fanoharan’i Jesosy fa tena sarobidy taminy ilay harena hitany? b) Sarobidy aminao ve ny fahamarinana? Hazavao.
8 Anisan’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly koa ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Noharin’i Jesosy tamin’ny harena nafenina ny marina momba an’io Fanjakana io. Izao no nolazainy ao amin’ny Matio 13:44: “Ny Fanjakan’ny lanitra dia hoatran’ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan’olona ka nafeniny indray. Faly be izy ka lasa nivarotra an’izay nananany rehetra, dia nividy an’ilay saha.” Mariho fa tsy nitady an’ilay harena akory ilay olona. Rehefa hitany anefa izy io, dia nanao sorona be izy mba hahazoana azy. Ny fananany rehetra mihitsy raha ny marina no namidiny. Fa maninona? Satria fantany ny hasarobidin’io harena io. Sarobidy lavitra izy io noho izay rehetra tsy maintsy nafoiny, na inona izany na inona.
9 Azo antoka fa izany koa no tsapanao momba ny fahamarinana. Faly isika hoe afaka manompo an’i Jehovah izao, sady manantena ny hiaina mandrakizay rehefa mitondra ilay Fanjakana. Tsy misy mahafaly antsika hoatr’izany mihitsy ny zavatra atolotr’izao tontolo izao, na inona izany na inona. Tombontsoa be koa ny hoe minamana amin’i Jehovah, ary tsy ho matiantoka mihitsy isika na inona na inona tsy maintsy afointsika mba hifandraisana akaiky aminy. Ny “hampifaly azy tanteraka” no mahafaly antsika indrindra.—Kol. 1:10.
10-11. Inona no nahatonga an’i Michael hanao fiovana lehibe teo amin’ny fiainany?
10 Betsaka amintsika no efa nanao sorona lehibe mba hankasitrahan’i Jehovah. Nisy, ohatra, niala tamin’ny asa tsara karama. Ny sasany kosa tsy nikatsaka vola be intsony. Ny hafa indray nanova tanteraka ny fiainany rehefa nianatra momba an’i Jehovah. Izany no nataon’i Michael. Efa lehibe izy vao nahalala ny fahamarinana. Nanao karate izy tamin’ny mbola tanora, dia izao no notantarainy: “Nirehareha erỳ aho [fa salama sy natanjaka tsara.] Nisy fotoana aho nahatsapa hoe tsy hisy haharesy mihitsy.” Rehefa nianatra Baiboly anefa i Michael, dia lasa fantany ny fomba fijerin’i Jehovah ny herisetra. (Sal. 11:5) Izao no nolazainy momba an’ilay mpivady Vavolombelona nampianatra azy: “Tsy nilaza mihitsy izy ireo hoe tsy tokony hanao haiady intsony aho. Nanohy nampianatra ahy ny fahamarinana tao amin’ny Baiboly fotsiny izy ireo.”
11 Vao mainka lasa tia an’i Jehovah i Michael, arakaraka ny nianarany momba azy. Tena nanohina ny fony ny nahalala hoe mangoraka ny mpanompony i Jehovah. Rehefa nandeha ny fotoana, dia tonga saina izy hoe nila nandray fanapahan-kevitra lehibe. Izao no nolazainy: “Fantatro fa ny hiala amin’ny karate no ho mafy indrindra amiko. Fantatro koa [anefa] fa hampifaly an’i Jehovah izany, ary resy lahatra aho fa mendrika hamoizana ny zava-drehetra izy.” Takatr’i Michael ny hasarobidin’ny fahamarinana, ka vonona hanao fiovana lehibe teo amin’ny fiainany izy.—Jak. 1:25.
12-13. Nahoana no hoatran’ny hoe nanazava an’i Mayli ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly?
12 Oharin’ny Baiboly amin’ny jiro manazava ao anaty haizina koa ny fahamarinana, mba hanasongadinana hoe sarobidy be izy io. (Sal. 119:105; Efes. 5:8) Tena nankasitraka ny fanazavana azony avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra i Mayli, avy any Azerbaïdjan. Tsy nitovy ny fivavahan’ny ray aman-dreniny. Silamo mantsy ny dadany ary Jiosy ny mamany. Izao no nolazainy: “Nino aho hoe misy Andriamanitra nefa betsaka ny zavatra tsy nazava tamiko. Nieritreritra aho hoe: ‘Maninona Andriamanitra no namorona antsika, ary maninona no misy olona mijaly mandritra ny androm-piainany nefa mbola hijaly mandrakizay koa any amin’ny afobe?’ Milaza ny olona hoe sitrapon’Andriamanitra izay rehetra mitranga. Lasa saina àry aho hoe: ‘Ataon’Andriamanitra [hoatran’ny saribakoly ve izany ny olombelona], dia avy eo izy faly erỳ mijery an-dry zareo mijaly?’”
13 Mbola nikaroka ny valin’ireo fanontaniana nanitikitika azy ihany i Mayli. Nianatra Baiboly izy rehefa nandeha ny fotoana, dia lasa Vavolombelon’i Jehovah. Izao no nolazainy: “Nandresy lahatra ahy ny fanazavan’ny Baiboly, ka niova tanteraka ny fahitako ny fiainana.” Nitombina be, hono, ny hevitra hitany tao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia lasa nilamin-tsaina izy. Manao hoatran’i Mayli isika rehetra ka midera an’i Jehovah, ‘Ilay niantso antsika hiala tamin’ny haizina ho amin’ny hazavany mahagaga.’—1 Pet. 2:9.
14. Inona no hanampy antsika ho tia kokoa ny fahamarinana? (Jereo ilay hoe “ Fampitahana Hafa.”)
14 Vao fampitahana vitsivitsy manasongadina ny hasarobidin’ny fahamarinana ireo. Azo antoka fa mbola mahita betsaka ianao. Maninona àry raha mitady antony hafa tokony hitiavantsika ny fahamarinana rehefa mianatra samirery? Vao mainka ianao hahita fomba hampisehoana hoe tianao ny fahamarinana, arakaraka ny itiavanao azy io.
AHOANA NO AMPISEHOANTSIKA HOE TIANTSIKA NY FAHAMARINANA?
15. Ahoana, ohatra, no ampisehoantsika hoe tiantsika ny fahamarinana?
15 Asehontsika hoe tiantsika ny fahamarinana rehefa mianatra tsy tapaka ny Baiboly sy ny boky ary ny gazety isika. Misy zavatra azontsika ianarana foana mantsy, na firy taona isika na firy taona no efa tao amin’ny fahamarinana. Nilaza ny laharana voalohany tamin’ity gazety ity fa hoatran’ny voninkazo kely iray mitady ho saron’ny ahidratsy mandrobona be ny fahamarinana. Tsy hahita an’io voninkazo io ny olona iray raha tsy mikaroka tsara. Rehefa hitany anefa ilay izy, dia tsy tokony hianina amin’io iray io izy fa mbola tokony hitady hafa. Hita amin’izany hoe tsy mora ny mianatra, kanefa tsy ho very maina ny ezaka ataontsika.
16. Inona no fomba fianatra hitanao hoe mandaitra? (Ohabolana 2:4-6)
16 Tsy isika rehetra aloha no tia mamaky teny sy mianatra e! Mampirisika antsika anefa i Jehovah mba ‘hitady foana’ sy ‘hikaroka foana’, amin’izay ho azontsika kokoa ny fahamarinana. (Vakio ny Ohabolana 2:4-6.) Mandray soa foana isika rehefa miezaka hoatr’izany. Nilaza, ohatra, ny Rahalahy Corey hoe andinin-teny iray no ifantohany isaky ny mamaky Baiboly izy. Izao no nohazavainy: ‘Vakiko daholo ny fanamarihana ambany pejy sy ny andinin-teny [rehetra eo amin’ny fanondroana andininy hafa]. Mbola manao fikarohana koa aho avy eo. Be dia be ny soa noraisiko avy amin’izany!’ Hoatran’io fomba fianatr’i Corey io ve no ataonao sa hafa mihitsy? Na ahoana na ahoana, dia asehontsika hoe mankasitraka ny fahamarinana isika rehefa manokana fotoana hianarana sady miezaka mafy manao an’izany.—Sal. 1:1-3.
17. Inona no dikan’ny hoe mampihatra ny fahamarinana? (Jakoba 1:25)
17 Mazava ho azy fa tsy ampy fotsiny ny hoe mianatra ny fahamarinana. Raha te handray soa faran’izay betsaka isika, dia tsy maintsy ampiharintsika eo amin’ny fiainantsika koa ny fahamarinana. Rehefa manao an’izany ihany isika vao tena ho sambatra. (Vakio ny Jakoba 1:25.) Ahoana no hahazoantsika antoka hoe mampihatra ny fahamarinana isika? Nilaza ny rahalahy iray fa ilaina ny mandini-tena, dia mijery hoe inona no tsara efa vitanao sy izay mbola azonao hatsaraina. Izao no nolazain’ny apostoly Paoly momba an’izany: “Efa misy fandrosoana vitantsika ... ka andao isika hiezaka handroso hoatr’izany foana.”—Fil. 3:16.
18. Nahoana isika no manao izay rehetra azontsika atao mba ‘tsy hialana amin’ny fahamarinana mihitsy’?
18 Eritrereto fotsiny ny soa azonao, noho ianao manao izay rehetra azonao atao mba ‘tsy hialana amin’ny fahamarinana mihitsy.’ Tsy hoe mihatsara fotsiny ny fiainanao, fa mampifaly an’i Jehovah sy ny mpiara-manompo koa ianao. (Ohab. 27:11; 3 Jaona 4) Misy antony tsara kokoa noho izany ve itiavanao ny fahamarinana sy ampiharanao azy io eo amin’ny fiainanao?
HIRA 144 Banjino Ilay Lokanao!
^ “Ny fahamarinana” matetika no iantsoantsika ny zavatra inoantsika sy ny fomba fiainantsika. Vao haingana ve ianao no nahalala ny fahamarinana sa efa hatramin’izay? Na ahoana na ahoana, dia tena hahasoa antsika ny mandinika ny antony itiavantsika ny fahamarinana. Raha manao an’izany ianao, dia vao mainka ho tapa-kevitra hanao izay azo atao mba hahazoana sitraka amin’i Jehovah.