Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 33

Mitsinjo ny Vahoakany i Jehovah

Mitsinjo ny Vahoakany i Jehovah

“Ny mason’i Jehovah mitsinjo an’izay matahotra azy.”​—SAL. 33:18.

HIRA 4 “Jehovah no Mpiandry Ahy”

HO HITANAO ATO *

1. Nahoana i Jesosy no niangavy an’i Jehovah mba hiaro ny mpanara-dia azy?

 NY ALINA talohan’ny nahafatesan’i Jesosy tamin’izay. Nanao fangatahana manokana tamin’ilay Rainy any an-danitra izy. Niangavy azy i Jesosy mba hiaro ny mpanara-dia azy. (Jaona 17:15, 20) Mazava ho azy fa efa nitsinjo ny vahoakany foana i Jehovah hatramin’izay, izany hoe nikarakara sy niaro azy ireo. Fantatr’i Jesosy anefa hoe ho mafy noho ny hatramin’izay ny fanenjehan’i Satana ny mpanara-dia azy. Fantany koa hoe tsy hahavita hanohitra ny fanafihan’ny Devoly ry zareo, raha tsy eo i Jehovah.

2. Nahoana isika no tsy tokony hatahotra fitsapana? (Salamo 33:18-20)

2 Be dia be ny olana atrehin’ny tena Kristianina amin’izao, noho ny afitsoky ny tontolon’i Satana. Mety hahakivy antsika izy ireny, ary mety hisedra ny tsy fivadihantsika amin’i Jehovah mihitsy aza. Ho hitantsika ato anefa hoe tsy misy tokony hatahorantsika mihitsy. Mitsinjo antsika mantsy ny mason’i Jehovah, izany hoe hitany ny olana atrehintsika ary vonona hanampy antsika foana izy. Andao isika handinika ohatra roa avy ao amin’ny Baiboly, mba hahitana hoe ahoana no ataon’i Jehovah mba ‘hitsinjovana an’izay matahotra azy.’​—Vakio ny Salamo 33:18-20.

REHEFA MAHATSIARO HO IRERY

3. Rahoviana isika no mety hahatsiaro ho irery?

3 Mahatsiaro ho irery isika indraindray, na dia manana rahalahy sy anabavy be dia be aza ao amin’ny fiangonana. Mety hahatsapa hoatr’izany, ohatra, ny tanora rehefa manazava ny zavatra inoany eo anoloan’ny mpiara-mianatra aminy, na rehefa mifindra fiangonana. Mety halahelo na ho kivy koa ny sasany amintsika, rehefa mieritreritra hoe tsy maintsy miady irery amin’ny fihetseham-po hoatr’izany. Tsy sahy miresaka an’ilay izy amin’ny hafa angamba isika, satria manahy sao tsy ho azony izay tsapantsika. Mety ho lasa saina mihitsy aza isika indraindray raha mba misy miraharaha antsika. Tsy afa-manoatra sy miady saina isika rehefa mahatsiaro ho irery, na inona na inona antony. Tsy tian’i Jehovah hahatsapa hoatr’izany mihitsy anefa isika! Nahoana isika no milaza an’izany?

4. Nahoana i Elia mpaminany no nilaza hoe: “Izaho irery sisa no tavela”?

4 Andao isika handinika ny ohatr’ilay lehilahy manam-pinoana atao hoe Elia. Nandositra nandritra ny 40 andro mahery izy mba hamonjena ny ainy, satria nivoady hamono azy i Jezebela. (1 Mpanj. 19:1-9) Tonga tao anaty lava-bato iray izy tamin’ny farany. Tsy nisy afa-tsy izy tao. Nitaraina tamin’i Jehovah izy hoe: “Izaho irery sisa no [mpaminany] tavela.” (1 Mpanj. 19:10) Mbola nisy mpaminany hafa anefa tao amin’ilay tany. Nahavita namonjy mpaminany 100 mantsy i Obadia mba tsy hovonoin’i Jezebela. (1 Mpanj. 18:7, 13) Fa maninona izany i Elia no nahatsiaro ho irery? Nieritreritra ve izy hoe efa maty daholo izay ireo mpaminany novonjen’i Obadia ireo? Nahatsiaro ho irery koa ve izy satria tsy nisy nanompo an’i Jehovah niaraka taminy ny olona, na dia efa nanaporofo aza i Jehovah teo amin’ny Tendrombohitra Karmela hoe izy no tena Andriamanitra fa tsy i Bala? Nieritreritra ve i Elia fa tsy nisy nahalala mihitsy hoe tena nisy nifofo ny ainy? Sa lasa saina izy raha mba nisy niraharaha? Tsy manazava be momba ny fihetseham-pon’i Elia ilay fitantarana. Misy zavatra azontsika antoka anefa. Hain’i Jehovah tsara hoe naninona i Elia no nahatsiaro ho irery. Fantany tsara koa ny fomba hanampiana azy.

Inona no lesona mampahery ianarantsika avy amin’ny fomba nanampian’i Jehovah an’i Elia, rehefa mahatsiaro ho irery isika? (Fehintsoratra 5-6)

5. Inona no nataon’i Jehovah mba hahazo toky i Elia hoe tsy irery izy?

5 Be dia be ny fomba nanampian’i Jehovah an’i Elia. Nampirisihiny hiresaka, ohatra, izy. Indroa i Jehovah no nanontany azy hoe: “Inona no ataonao atỳ?” (1 Mpanj. 19:9, 13) Nihaino foana izy isaky ny namboraka ny tao am-pony i Elia. Ahoana no namalian’i Jehovah azy? Naharihariny tamin’i Elia hoe teo foana izy sady tena mahery. Nomeny toky koa izy hoe mbola be dia be ny Israelita nanompo azy. (1 Mpanj. 19:11, 12, 18) Azo inoana hoe maivamaivana erỳ i Elia rehefa avy namboraka ny tao am-pony tamin’i Jehovah sady naheno ny valin-teniny! Notendren’i Jehovah hanao asa lehibe maromaro koa i Elia. Nasainy nohosorana ho mpanjakan’i Syria, ohatra, i Hazaela, ho mpanjakan’ny Israely i Jeho, ary ho mpaminany i Elisa. (1 Mpanj. 19:15, 16) Nomen’i Jehovah an’ireo fanendrena ireo i Elia, amin’izay izy mifantoka amin’ny zavatra tsara. Nomeny an’i Elisa koa izy mba ho namany akaiky. Ary ianao? Ahoana no anampian’i Jehovah anao rehefa mahatsiaro ho irery ianao?

6. Inona no azonao resahina amin’ny vavaka rehefa mahatsiaro ho irery ianao? (Salamo 62:8)

6 Asain’i Jehovah hivavaka aminy ianao. Hitany ny olana mahazo anao, dia manome toky izy hoe hihaino ny vavaka ataonao foana izy, na rahoviana na rahoviana. (1 Tes. 5:17) Mahafinaritra azy mantsy ny mihaino ny mpanompony. (Ohab. 15:8) Inona no azonao resahina amin’ny vavaka rehefa mahatsiaro ho irery ianao? Aborahy amin’i Jehovah daholo izay ao am-ponao, hoatran’ny nataon’i Elia. (Vakio ny Salamo 62:8.) Teneno aminy izay mampanahy anao, dia hazavao aminy hoe inona no tsapanao vokatr’izany. Angataho izy mba hanampy anao hahita an’izay tokony hatao. Ahoana, ohatra, raha mahatsiaro ho irery ianao sady matahotra rehefa hitory any am-pianarana? Iangavio i Jehovah mba hanampy anao ho be herim-po. Afaka mangataka fahendrena aminy mihitsy aza ianao, mba hahaizanao handanjalanja rehefa manazava an’izay inoanao. (Lioka 21:14, 15) Ahoana indray raha kivy ianao? Iangavio i Jehovah hanampy anao hahavita hiresaka an’ilay izy amin’ny Kristianina matotra. Afaka mangataka aminy koa ianao mba hanampy an’ilay olona hahazo an’izay tsapanao. Aborahy amin’i Jehovah daholo izao ao am-ponao, dia jereo hoe ahoana no amaliany ny vavaka ataonao. Ekeo koa ny fanampian’ny hafa. Tsy dia hahatsiaro ho manirery ianao amin’izay.

Mitady fomba hampitomboana ny fanompoana sy hiarahana manompo amin’ny hafa ve ianao? (Fehintsoratra 7)

7. Inona no ianaranao avy amin’i Mauricio?

7 Omen’i Jehovah asa mahafa-po daholo isika. Afaka matoky ianao hoe hitany sady ankasitrahany izay rehetra ataonao, na ao amin’ny fiangonana na eny amin’ny fanompoana. (Sal. 110:3) Nahoana ianao no tsy hahatsiaro ho manirery intsony rehefa be atao amin’ny fanompoana? Diniho ny tantaran’ilay rahalahy tanora atao hoe Mauricio. * Vao vita batisa kelikely izy, dia nanomboka niala tsikelikely tamin’ny fahamarinana ny iray tamin’ny namany akaiky. Izao no nolazain’i Mauricio: “Tsy natoky tena intsony aho rehefa nahita azy niala tamin’i Jehovah. Lasa saina aho raha mba ho vitako ihany ny hiaraka amin’ny fianakavian’i Jehovah foana, sy hitana ny voady nataoko tamin’izaho nanokan-tena. Nahatsiaro ho manirery aho, dia nieritreritra aho hoe tsy hisy hahatakatra ny fihetseham-poko mihitsy.” Inona no nanampy an’i Mauricio? Izao no noteneniny: “Nampitombo ny fanompoako aho. Izany no nanampy ahy tsy hifantoka be tamin’ny tenako sy ny fihetseham-poko. Faly koa aho sady tsy dia nahatsiaro ho irery rehefa niara-nanompo tamin’ny hafa.” Tena marina izany! Na tsy afaka mitory mivantana miaraka amin’ny mpiara-manompo aza isika, dia mbola mampahery antsika foana ny manompo miaraka amin-dry zareo, ohatra hoe mitory an-taratasy na an-telefaonina. Inona koa no nanampy an’i Mauricio? Hoy ihany izy: “Niezaka ho be atao aho tao amin’ny fiangonana. Nanao izay tsara indrindra vitako aho rehefa nanomana sy nanao ny anjarako. Ireny fanendrena ireny no nanampy ahy hahatsapa hoe sarobidy amin’i Jehovah sy ny olon-kafa aho.”

REHEFA MAHATSIARO HO KIVY NOHO NY FITSAPANA MAFY

8. Inona no mety ho tsapantsika rehefa tratran’ny fitsapana mafy isika?

8 Efa ampoizintsika hoe hiatrika fitsapana isika amin’izao andro farany izao. (2 Tim. 3:1) Mety tsy hampoizintsika anefa ny fotoana hitrangan’ilay izy sy ny karazana fitsapana hahazo antsika. Mety hanana olana ara-bola tampoka, ohatra, isika, na lasa fantatra hoe marary mafy, na maty ny olona akaiky antsika. Mety halahelo sy ho kivy isika amin’ireny fotoana ireny, indrindra moa raha misesisesy ny olana na indray mitontona daholo. Tadidio anefa hoe mitsinjo antsika i Jehovah. Afaka matoky isika fa hahavita hiatrika an’izay fitsapana rehetra mahazo antsika rehefa ampiany.

9. Inona no fitsapana sasany nahazo an’i Joba?

9 Diniho ny fomba nanampian’i Jehovah an’i Joba. Niatrika fitsapana maromaro nahakivy io lehilahy tsy nivadika io, tao anatin’ny fotoana fohy. Nolazaina taminy, ohatra, hoe nisy zavatra nahatsiravina nitranga ka ripaka ny biby fiompiny, namoy ny ainy ny mpanompony, ary maty hatramin’ny sombinainy. Tao anatin’ny iray andro no nitrangan’izany rehetra izany! (Joba 1:13-19) Mbola tsy nisinda akory ny alahelon’i Joba, dia voan’ny aretina mampanaintaina izy ka lasa tsy nisy endriny intsony. (Joba 2:7) Tena nizaka ny tsy eran’ny aina i Joba matoa izy tafateny hoe: “Maharikoriko ahy ny fiainako. Tsy te ho velona intsony aho.”​—Joba 7:16.

Te hanome toky an’i Joba i Jehovah hoe tia sy mikarakara azy izy. Nolazain’i Jehovah taminy àry ny fomba maro hikarakarany ny zavaboariny (Fehintsoratra 10)

10. Ahoana no nanampian’i Jehovah an’i Joba mba hahavitany hiaritra? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

10 Nitsinjo an’i Joba i Jehovah. Tiany i Joba, dia nomeny azy izay nilainy mba hahavitany hiaritra. Niresaka tamin’i Joba i Jehovah ka nampahatsiahy azy hoe faran’izay hendry Izy ary tia sy mikarakara ny zavaboariny. Niresaka biby mahavariana maro, ohatra, izy. (Joba 38:1, 2; 39:9, 13, 19, 27; 40:15; 41:1, 2) Nampiasa tovolahy manam-pinoana atao hoe Eliho koa i Jehovah mba hampaherezana sy hampiononana an’i Joba. Nanome toky an’i Joba i Eliho fa mamaly soa ny mpanompony foana i Jehovah rehefa miaritra izy ireo. Nampiasa an’i Eliho koa anefa izy mba hanomezana torohevitra feno fitiavana an’i Joba. Nampian’i Eliho i Joba mba tsy hifantoka be loatra amin’ny tenany intsony, fa hitadidy hoe tena kely izy raha oharina amin’i Jehovah, ilay Mpamorona an’izao rehetra izao. (Joba 37:14) Ankoatra izay, dia nahazo fanendrena avy amin’i Jehovah i Joba. Nasainy nivavaka ho an’ireo namany telo nanota izy. (Joba 42:8-10) Ary ahoana no anampian’i Jehovah antsika amin’izao rehefa miatrika ny mafy isika?

11. Inona no fampiononana omen’ny Baiboly antsika rehefa miatrika fitsapana isika?

11 Marina aloha hoe tsy miresaka amintsika mivantana hoatran’ny nataony tamin’i Joba i Jehovah. Miresaka amintsika amin’ny alalan’ny Teniny anefa izy. (Rom. 15:4) Mampionona sy manome fanantenana antsika izy. Ireto misy hevitra vitsivitsy avy ao amin’ny Baiboly hampionona antsika rehefa miatrika fitsapana isika: Manome toky antsika i Jehovah fa tsy hisy na inona na inona, eny fa na dia ny fitsapana faran’izay mafy aza, ‘hahavita hampisaraka antsika aminy ka hahatonga azy tsy ho tia antsika intsony.’ (Rom. 8:38, 39) Mampanantena antsika koa izy hoe “akaiky an’izay rehetra miantso azy” amin’ny alalan’ny vavaka. (Sal. 145:18) Raha miantehitra aminy, hono, isika, dia hahavita hiaritra an’izay fitsapana mahazo antsika ary ho faly na dia mijaly aza. (1 Kor. 10:13; Jak. 1:2, 12) Mampahatsiahy antsika koa ny Teniny fa vetivety sady mandalo ihany ny fitsapana mahazo antsika, raha oharina amin’ilay valisoa mandrakizay ampanantenainy. (2 Kor. 4:16-18) Azo antoka ilay fampanantenan’i Jehovah hoe hofoanany ilay tena mahatonga ny fitsapana rehetra mahazo antsika. Tsy iza izany fa i Satana Devoly sy izay ratsy fanahy hoatr’azy. (Sal. 37:10) Efa mahatadidy andinin-teny mampahery hanampy anao hiaritra fitsapana amin’ny hoavy ve ianao?

12. Inona no tian’i Jehovah hataontsika mba tena handray soa avy amin’ny Teniny isika?

12 Tian’i Jehovah isika raha manokana fotoana hianarana Baiboly tsy tapaka sy hisaintsainana tsara an’izay vakintsika. Raha mampihatra an’izay ianarantsika isika, dia hihamatanjaka ny finoantsika ary ho akaiky kokoa an’ilay Raintsika any an-danitra isika. Hahazo hery hiaretana fitsapana isika amin’izay. Omen’i Jehovah ny fanahiny masina koa izay miantehitra amin’ny Teniny. Afaka manome antsika “hery mihoatra noho ny an’ny olombelona” io fanahy io, mba hahavitantsika hiaritra an’izay fitsapana mahazo antsika.​—2 Kor. 4:7-10.

13. Nahoana no manampy antsika hiaritra ny sakafo ara-panahy avy amin’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina”?

13 Mamoaka lahatsoratra sy video ary hira be dia be ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” noho ny fanampian’i Jehovah. Manampy antsika hanana finoana matanjaka sy ho akaiky an’i Jehovah foana izy ireny. (Mat. 24:45) Mila mahay manararaotra an’ireny sakafo ara-panahy tonga ara-potoana ireny isika. Tena nankasitraka azy ireny ny anabavy iray avy any Etazonia. Izao no nolazainy vao haingana: “Voasedra imbetsaka ny finoako nandritra an’izay 40 taona nanompoako an’i Jehovah izay.” Niaritra ny mafy io anabavy io. Maty nodonin’ny aotomobilina, ohatra, ny dadabeny satria mamo ilay saofera. Narary be koa ny ray aman-dreniny dia namoy ny ainy, ary indroa izy no niady mafy tamin’ny kansera. Inona no nanampy azy hiaritra? Nanazava izy hoe: “Nikarakara ahy foana i Jehovah. Nanampy ahy hiaritra ny sakafo ara-panahy nomeny tamin’ny alalan’ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina. Noho ireny sakafo ireny, dia afaka milaza hoatran’i Joba aho hoe: ‘Tsy hanaiky hivadika mihitsy aho mandra-pahafatiko.’”​—Joba 27:5.

Ahoana no azontsika anampiana ny olona ao amin’ny fiangonantsika? (Fehintsoratra 14)

14. Ahoana no ampiasan’i Jehovah ny mpiara-manompo mba hanampiana antsika hiatrika fitsapana? (1 Tesalonianina 4:9)

14 Ampiofanin’i Jehovah ny vahoakany mba hahaizan’izy ireo mifankatia sy mifampionona rehefa ao anatin’ny sarotra. (2 Kor. 1:3, 4; vakio ny 1 Tesalonianina 4:9.) Manahaka an’i Eliho ireo rahalahy sy anabavintsika, ka vonona hanampy antsika tsy hivadika rehefa miatrika zava-tsarotra isika. (Asa. 14:22) Diniho, ohatra, ny nahazo an’i Diane. Nampahery azy sy nanampy azy ho akaiky an’i Jehovah foana ny fiangonana, rehefa narary mafy ny vadiny. Izao no nolazainy: “Tsy mora ireny fotoana ireny. Tsapanay anefa hoe tena mahery ny sandrin’i Jehovah sady tia be anay izy, nandritra an’ireny volana niaretanay ny mangidy ireny. Nanao zavatra be dia be ny fiangonanay. Nitsidika anay ry zareo, niantso an-telefaonina, ary namihina anay, dia ireny no nanampy anay hiaritra. Tsy mahay mitondra aotomobilina koa aho, dia ny mpiara-manompo no nanao izay hahatongavako tany am-pivoriana sy teny amin’ny fanompoana rehefa afaka aho.” Fitahiana be mihitsy ny hoe anisan’izany fianakaviana be fitiavana izany!

FALY ISIKA FA TIA SY MIKARAKARA ANTSIKA I JEHOVAH

15. Nahoana isika no resy lahatra fa ho vitantsika ny hiaritra fitsapana?

15 Hiatrika fitsapana daholo isika. Hitantsika teo anefa hoe tsy voatery hiady irery mihitsy isika. Hoatran’ny ray be fitiavana i Jehovah, dia mitsinjo antsika foana izy. Eo akaikintsika izy, dia vonona hihaino ny fitalahoantsika sady te hanohana antsika. (Isaia 43:2) Resy lahatra àry isika hoe ho vitantsika ny hiaritra fitsapana, satria malala-tanana amintsika i Jehovah ka manome an’izay rehetra ilaintsika mba hahafahantsika hiaritra. Anisan’izany ny vavaka, Baiboly, sakafo ara-panahy tondraka, ary ny mpiara-manompo be fitiavana vonona hanampy ao anatin’ny sarotra.

16. Inona no tokony hataontsika mba ho tia sy hikarakara antsika foana i Jehovah?

16 Soa ihany isika fa manana Ray any an-danitra mitsinjo antsika! “Faly ny fontsika noho ny zavatra ataony.” (Sal. 33:21) Asehontsika hoe mankasitraka azy isika noho izy tia sy mikarakara antsika, raha manararaotra ny fandaharana rehetra omeny mba hanampiana antsika. Mila manao ny anjarantsika koa isika, raha tiantsika ny hokarakarainy foana. Tokony hankatò an’i Jehovah sy hanao izay mahitsy eo imasony isika. Raha manao izay fara herintsika isika mba hahavitana an’izany, dia hitsinjo antsika mandrakizay izy!​—1 Pet. 3:12.

HIRA 30 Jehovah no Raiko sy Namako

^ Mila ny fanampian’i Jehovah isika vao hahavita hiatrika ny olana mahazo antsika amin’izao. Manome toky antsika ity lahatsoratra ity hoe mitsinjo ny vahoakany i Jehovah. Hitany ny olana mahazo antsika tsirairay, ary manome an’izay ilaintsika izy mba hahafahantsika hiatrika an’izany.

^ Novana ny anarana sasany.