Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 32

Ry Tanora, Miezaha Handroso Foana na dia Aorian’ny Batisa Aza

Ry Tanora, Miezaha Handroso Foana na dia Aorian’ny Batisa Aza

“Andao hitombo amin’ny lafiny rehetra noho ny fitiavana.”​—EFES. 4:15.

HIRA 56 Raiso Am-po ny Fahamarinana

HO HITANAO ATO *

1. Inona ny zavatra tsara efa vitan’ny tanora maro?

 AN’ARIVONY ny tanora vita batisa isan-taona. Anisan’izy ireo ve ianao? Raha izany, dia tena faly ny rahalahy sy anabavinao, ary hoatr’izany koa no tsapan’i Jehovah. (Ohab. 27:11) Eritrereto ange ny zavatra efa vitanao hatreto e! Nianatra tsara ny Baiboly ianao, angamba nandritra ny taona vitsivitsy. Rehefa nianatra ianao dia lasa resy lahatra hoe Tenin’Andriamanitra ny Baiboly. Tsy izay ihany, fa lasa fantatrao sy tianao ilay nampanoratra an’io boky masina io. Nitombo be ny fitiavanao an’i Jehovah, ka izao ianao lasa mpanompony nanokan-tena sy vita batisa. Tsara be izany!

2. Inona no hodinihintsika ato?

 2 Azo antoka hoe niatrika fitsapana maromaro ianao talohan’ny batisa. Hiatrika fitsapana vaovao anefa ianao rehefa mihalehibe. Hiezaka hampihena ny fitiavanao an’i Jehovah i Satana, ary hataony izay hahatonga anao tsy hanompo Azy intsony. (Efes. 4:14) Aza avela hitranga mihitsy anefa izany! Inona àry no hanampy anao tsy hivadika amin’i Jehovah sy hanaja an’ilay voady nataonao tamin’ianao nanokan-tena? Tsy maintsy ‘miezaka handroso haingana’ mba ho lasa Kristianina matotra ianao. (Heb. 6:1) Ahoana anefa no hanaovana an’izany? Inona no azonao atao mba ho lasa Kristianina matotra ianao?

INONA NO HANAMPY ANAO HO LASA KRISTIANINA MATOTRA?

3. Inona no fandrosoana tsy maintsy ataontsika rehetra aorian’ny batisa?

3 Mila manaraka ny torohevitra nomen’ny apostoly Paoly ho an’ny mpiara-manompo tany Efesosy isika rehetra aorian’ny batisa. Nampirisika an-dry zareo izy mba ho lasa “olon-dehibe.” (Efes. 4:13) Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia nasainy nandroso foana ry zareo. Azontsika ny tian’i Paoly hotenenina, rehefa nampitaha ny fandrosoana ara-panahy amin’ny fitomboan’ny ankizy izy. Faly sy mirehareha erỳ ny ray aman-dreny raha vao teraka ny zanany. Tsy afaka ny ho zazakely mandrakizay anefa io zaza io. Rehefa mandeha ny fotoana, dia tsy maintsy manala ny “toetran-jaza” izy. (1 Kor. 13:11) Hoatr’izany koa isika Kristianina. Tsy maintsy miezaka ny handroso foana isika, na dia aorian’ny batisa aza. Andao isika handinika soso-kevitra sasany hanampy antsika hanao an’izany.

4. Inona no hanampy anao handroso? Hazavao. (Filipianina 1:9)

4 Ampitomboy ny fitiavanao an’i Jehovah. Efa tia be an’i Jehovah ianao. Mbola afaka mitombo anefa izany. Miresaka fomba iray azo anaovana an’izany ny apostoly Paoly, ao amin’ny Filipianina 1:9. (Vakio.) Nivavaka ho an’ny Filipianina izy mba “hitombo foana” ny fitiavan-dry zareo. Azo ampitomboina izany ny fitiavana. Ahoana no hanaovana an’izany? Mila ‘mahafantatra tsara sy tena mahatakatra ny sitrapon’Andriamanitra’ ianao. Arakaraka ny ahafantaranao an’i Jehovah no vao mainka itiavanao azy sy hahatonga anao hankasitraka ny toetrany ary ny fomba fanaovany zavatra. Vao mainka ianao lasa te hampifaly azy sady tsy te hanao zavatra handiso fanantenana azy mihitsy. Miezaka mafy ianao mba hahalala ny sitrapony sy hanao an’izany.

5-6. Ahoana no azonao ampitomboana ny fitiavanao an’i Jehovah? Hazavao.

5 Hitombo ny fitiavanao an’i Jehovah, raha miezaka ny hahafantatra kokoa ny Zanany ianao. Mitovy tanteraka mantsy ny toetran’izy mianaka. (Heb. 1:3) Raha te hahalala momba an’i Jesosy ianao, dia tsy misy fomba tsara noho ny hoe mianatra ny Filazantsara efatra. Ahoana anefa raha mbola tsy zatra mamaky Baiboly isan’andro ianao? Maninona raha atomboka amin’izay? Mariho ny toetra tsaran’i Jesosy rehefa mamaky ny tantarany ianao. Izy izao mora hatonina. Tsy nisalasala nanatona azy, ohatra, ny ankizy dia notrotroiny. (Mar. 10:13-16) Nataony nahazo aina tsara koa ny mpianany, dia sahy nilaza ny heviny teo imason’i Jesosy ry zareo. (Mat. 16:22) Nanahaka an’ilay Rainy any an-danitra i Jesosy amin’izany. Tena mora hatonina koa mantsy i Jehovah. Afaka mivavaka aminy, ohatra, isika dia mamboraka aminy an’izay ao am-pontsika. Matoky isika hoe tsy hanameloka antsika izy. Tia antsika kosa izy sady miahy antsika.​—1 Pet. 5:7.

6 Nangoraka ny olona koa i Jesosy. Izao no nolazain’ny apostoly Matio momba azy: “Rehefa nahita ny vahoaka izy, dia nangoraka an’ireo, satria hitany fa nampijalina izy ireo sady tsy nisy niraharaha hoatran’ny ondry tsy misy mpiandry.” (Mat. 9:36) Ary hoatran’ny ahoana i Jehovah? Hoy i Jesosy: “Tsy tian’ilay Raiko any an-danitra hisy ho very, na dia ny iray amin’ireny madinika ireny aza.” (Mat. 18:14) Mampahery be izany! Rehefa mahafantatra kokoa an’i Jesosy àry isika, dia hitombo ny fitiavantsika an’i Jehovah.

7. Nahoana no mahasoa anao ny mifanerasera amin’ny Kristianina matotra?

7 Mianatra ny ho be fitiavana sy handroso koa ianao, rehefa mifanerasera amin’ny Kristianina matotra ao amin’ny fiangonanareo. Jereo hoe hoatran’ny ahoana ny fifaliana tsapany. Tsy manenina mihitsy izy nanapa-kevitra hanompo an’i Jehovah. Anontanio koa izy hoe inona ny zavatra efa niainany teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Ary rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe ianao, dia mangataha torohevitra aminy. ‘Hahomby [mantsy] izay atao raha maro ny mpanolo-tsaina.’​—Ohab. 11:14.

Inona no azonao atao mba ho vonona ianao rehefa miresaka momba ny evolisiona ny any am-pianarana? (Fehintsoratra 8-9)

8. Inona no azonao atao raha misy mampisalasala anao izay lazain’ny Baiboly?

8 Aza avela amin’izao izay mampisalasala anao. Hitantsika teo amin’ny  fehintsoratra faharoa hoe hiezaka hisakana anao tsy handroso i Satana. Inona no fomba iray anaovany an’izany? Ataony izay hahatonga anao hisalasala momba ny fampianarana sasany ao amin’ny Baiboly. Na ho ela na ho haingana, ohatra, dia tsy maintsy haheno resaka momba ny evolisiona ianao. Manala baraka an’Andriamanitra io fampianarana io. Mety ho zara raha nieritreritra an’izany ianao tamin’ny mbola kely na tsy nieritreritra mihitsy, nefa ampianarina an’izany angamba ianareo izao any am-pianarana. Hoatran’ny hoe mitombina sy maharesy lahatra be ny zavatra lazain’ny mpampianatra anareo momba an’ilay izy. Mety ho mbola tsy nodinihin-dry zareo tsara anefa ny porofo hoe tena misy ny Mpamorona. Tadidio ilay toro lalana ao amin’ny Ohabolana 18:17. Izao no voalaza ao: “Hoatran’ny hoe izay miteny voalohany no marina, mandra-pahatongan’ny ankilany, izay manadihady tsara azy.” Aza mino an-jambany an’izay lazaina any am-pianarana àry, fa aleo kosa mandinika tsara ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Manaova koa fikarohana ao amin’ny boky sy gazetintsika. Miresaha amin’izay rahalahy sy anabavy nino ny evolisiona taloha. Anontanio an-dry zareo hoe inona no nahatonga azy ho resy lahatra hoe tena misy Mpamorona tia antsika. Manampy anao hiaiky ireny resadresaka ireny hoe tena misy ny Mpamorona.

9. Inona no ianaranao avy amin’i Melissa?

9 Nandray soa be ny anabavy antsoina hoe Melissa, * rehefa nikaroka momba ny famoronana. Izao no nolazainy: “Hoatran’ny hoe mitombina be ny fomba anazavan’ny any am-pianarana an’ilay resaka evolisiona. Nisalasala ny hikaroka aho tamin’ny voalohany, satria natahotra sao dia ho hitako hoe ny an-dry zareo no marina. Nieritreritra anefa aho hoe tsy tian’i Jehovah hanompo azy an-jambany fotsiny isika, dia nanao fikarohana aho. Novakiko ilay boky hoe Misy Mpamorona Iray Miahy Anao Ve? (frantsay) sy ilay bokikely hoe Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao? ary ilay hoe Ahoana no Nampisy Antsika? Fanontaniana Dimy Mila Dinihina. Izany mihitsy no nilaiko. Tiako aza raha mba nanao an’izany aloha kokoa aho.”

10-11. Inona no hanampy anao hadio fitondran-tena foana? (1 Tesalonianina 4:3, 4)

10 Aza manaiky haloto fitondran-tena. Mahery be ny faniriana hanao firaisana rehefa tanora, sady mety hanery anao hanao an’izany ny hafa. Tian’i Satana hanatanteraka an’izany fanirianao izany koa ianao. Inona anefa no hanampy anao hadio fitondran-tena foana? (Vakio ny 1 Tesalonianina 4:3, 4.) Rehefa mivavaka mitokana ianao, dia tantarao amin’i Jehovah ny fihetseham-ponao. Lazao azy izay tena tsapanao, dia angataho izy mba hanatanjaka anao. (Mat. 6:13) Tadidio hoe te hanampy anao i Jehovah fa tsy te hanameloka anao akory. (Sal. 103:13, 14) Afaka manampy anao koa ny Tenin’Andriamanitra. Niady mafy mba tsy hieritreritra zavatra vetaveta, ohatra, i Melissa, ilay voaresaka tetsy aloha. Izao no nolazainy: “Mamaky Baiboly isan’andro aho, dia izay no nanampy ahy tsy hilavo lefona. Nampahatsiahy ahy mantsy izany hoe an’i Jehovah aho, ary koa hoe tiako hisy azy eo amin’ny fiainako.”​—Sal. 119:9.

11 Aza miady irery rehefa misy olana, fa miresaha amin’ny ray aman-dreninao. Marina hoe tsy mora ny miresaka zavatra hoatr’izany, nefa tena ilaina. Izao no nolazain’i Melissa: “Nivavaka tamin’i Jehovah aho mba homeny herim-po, dia avy eo aho niresaka tamin’i Dada momba an’ilay olana. Maivamaivana erỳ aho taorian’izay. Fantatro koa hoe nirehareha kely tamiko i Jehovah.”

12. Inona no hanampy anao handray fanapahan-kevitra tsara?

12 Araho ny toro lalan’ny Baiboly. Rehefa mihalehibe ianao, dia hamela tsikelikely anao handray fanapahan-kevitra irery ny ray aman-dreninao. Mbola tsy dia nahita fiainana anefa ianao. Inona àry no hanampy anao tsy hanao fahadisoana mety hisy fiantraikany amin’ny fifandraisanao amin’i Jehovah? (Ohab. 22:3) Nohazavain’ny anabavy antsoina hoe Karine izay nanampy azy handray fanapahan-kevitra tsara kokoa. Tonga saina izy hoe tsy mila fitsipika isak’izay mihetsika ny Kristianina matotra. Izao no nolazainy: “Nila nahazo ny toro lalana ao amin’ny Baiboly aho, fa tsy ny fitsipika fotsiny.” Rehefa mamaky Baiboly àry ianao, dia eritrereto izao: ‘Hoatran’ny ahoana ny fomba fisainan’i Jehovah raha io andininy io no jerena? Misy toro lalana azoko arahina ve ao amin’izy io? Inona ny soa horaisiko raha manaraka an’izany aho?’ (Sal. 19:7; Isaia 48:17, 18) Rehefa mamaky sy misaintsaina ny toro lalan’ny Baiboly ianao, dia ho mora kokoa aminao ny handray fanapahan-kevitra mampifaly an’i Jehovah. Arakaraka ny androsoanao no hahitanao hoe tsy mila fitsipika ianao isaky ny hanao zavatra, satria azonao ny fomba fisainan’i Jehovah.

Namana hoatran’ny ahoana no nofidin’ny anabavy tanora iray, ary inona ny tanjona ezahiny tratrarina? (Fehintsoratra 13)

13. Inona no vokany rehefa miaraka amin’ny namana tsara ianao? (Ohabolana 13:20)

13 Namana tia an’i Jehovah fidina. Hitantsika teo hoe hisy vokany be amin’ny fandrosoanao ny namana fidinao. (Vakio ny Ohabolana 13:20.) Lasa tsy faly intsony, ohatra, ny anabavy antsoina hoe Sara. Inona no nanampy azy? Izao no nolazainy: “Lasa nahazo namana tsara aho, ary tamin’ny fotoana nilako azy mihitsy izany. Nisy rahavavy tanora izay, ohatra, niaraka nanomana Ny Tilikambo Fiambenana tamiko isan-kerinandro. Nisy namako hafa indray nanampy ahy hanomboka hanome valin-teny. Ireny namako ireny no nahatonga ahy hihevitra ny fianarana samirery sy ny vavaka ho zava-dehibe. Lasa nifandray akaiky kokoa tamin’i Jehovah aho, dia nanomboka faly indray.”

14. Ahoana no nataon’i Julien mba hahazoana namana tsara?

14 Inona no azonao atao mba hahazoanao namana hanampy anao handroso? Eritrereto ny nataon’i Julien. Efa anti-panahy izy izao. Hoy izy: “Lasa nahazo namana tsara aho tamin’izaho tanora, rehefa nanompo niaraka tamin-dry zareo. Nazoto be ry zareo sady nanampy ahy hahita hoe azo ankafizina tsara kay ny fanompoana. Lasa te hanompo manontolo andro aho. Tonga saina koa aho hoe maty antoka satria izay nitovy taona tamiko ihany no nataoko namana. Mahafinaritra be koa mantsy ny minamana amin’ny zokinao na zandrinao. Lasa ninamana be tamin’ny mpiara-manompo ato amin’ny Betela aho tatỳ aoriana. Nanampy ahy hanatsara ny fialam-boly fidiko ny modelin-dry zareo, dia lasa nifandray akaiky kokoa tamin’i Jehovah aho.”

15. Inona no nampitandreman’i Paoly an’i Timoty momba ny namana? (2 Timoty 2:20-22)

15 Ahoana raha hitanao hoe tsy namana tsara ho anao ny olona iray ao amin’ny fiangonana? Fantatr’i Paoly hoe tsy ara-panahy tsara ny olona sasany tao amin’ny fiangonana kristianina tamin’ny taonjato voalohany, dia nampitandrina an’i Timoty izy mba tsy hiaraka amin’izy ireny. (Vakio ny 2 Timoty 2:20-22.) Sarobidy ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Efa ezaka be vao nahavita ninamana tsara tamin’ilay Raintsika any an-danitra isika, ka tsy tokony hisy olona havelantsika hanimba an’izany fifandraisana izany.​—Sal. 26:4.

HANAMPY ANAO HANDROSO NY TANJONA ARA-PANAHY

16. Hoatran’ny ahoana ny tanjona tokony hofidinao?

16 Tanjona mahasoa tratrarina. Rehefa mifidy tanjona ianao, dia izay hanatanjaka ny finoanao sy hanampy anao hihamatotra fidina. (Efes. 3:16) Mety hanapa-kevitra, ohatra, ianao hoe hanatsara ny fahazaranao mianatra samirery sy mamaky Baiboly. (Sal. 1:2, 3) Na mety ho hitanao hoe mila manatsara ny vavaka ataonao ianao, sady mila mivavaka matetika kokoa. Na mila mifehy tena kokoa angamba ianao rehefa mifidy fialam-boly sy mampiasa ny fotoananao. (Efes. 5:15, 16) Ho faly i Jehovah rehefa hitany hoe miezaka mafy handroso ianao.

Namana hoatran’ny ahoana no nofidin’ny anabavy tanora iray, ary inona ny tanjona ezahiny tratrarina? (Fehintsoratra 17)

17. Nahoana no ho afa-po ianao raha manampy olona?

17 Hihamatotra ianao rehefa manampy olona. Nilaza i Jesosy hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asa. 20:35) Handray soa be mihitsy ianao, raha manokana fotoana sy hery hanampiana ny hafa amin’izao ianao mbola tanora izao. Azonao atao tanjona, ohatra, ny manampy ny be taona sy ny marary ao amin’ny fiangonanareo. Maninona raha miantsena ho an-dry zareo, na manampy azy hahay hampiasa ny fitaovana elektronikany? Raha rahalahy ianao, dia ataovy tanjona ny ho lasa mpikarakara fiangonana, amin’izay ianao afaka manampy ny mpiara-manompo. (Fil. 2:4) Mampiseho fitiavana amin’ny olon-kafa tsy anisan’ny fiangonana koa ianao, raha mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana amin-dry zareo. (Mat. 9:36, 37) Raha azo atao dia ataovy tanjona ny fanompoana manontolo andro.

18. Nahoana ny fanompoana manontolo andro no hanampy anao handroso?

18 Hahita fomba be dia be handrosoana ianao, raha manompo manontolo andro. Raha manao mpisava lalana, ohatra, ianao dia mety ho afaka hanatrika ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana. Mety ho afaka hanompo ao amin’ny Betela koa ianao, na handray anjara amina tetikasa fanorenana. Izao no nolazain’ny mpisava lalana tanora antsoina hoe Kaitlyn: “Niara-nanompo tamina ranadahy sy rahavavy za-draharaha aho, dia izany no tena nanampy ahy handroso taorian’ny batisako. Ny modelin-dry zareo no nahatonga ahy ho lasa te handalina ny Baiboly sy hanatsara ny fahaizako mampianatra.”

19. Inona ny fitahiana ho azonao rehefa mandroso foana ianao?

19 Hahazo fitahiana be dia be ianao rehefa mandroso foana. Tsy ho lanilany amin’ny tanjona tsy misy dikany, ohatra, ny fahatanoranao. (1 Jaona 2:17) Hisoroka ratram-po vokatry ny fanapahan-kevitra ratsy koa ianao. Tena hahomby sy ho sambatra kosa ianao. (Ohab. 16:3) Hampahery ny mpiara-manompo ny ohatra tsara omenao, na tanora ry zareo na antitra. (1 Tim. 4:12) Ny tena zava-dehibe anefa dia hoe hilamin-tsaina sy ho afa-po ianao, satria mampifaly an’i Jehovah sy minamana be aminy.​—Ohab. 23:15, 16.

HIRA 88 Ampahafantaro Ahy ny Lalanao

^ Faly ny mpanompon’i Jehovah rehetra rehefa misy tanora atao batisa. Mazava ho azy anefa fa tsy maintsy miezaka ny handroso foana ireny mpianatra vaovao ireny, na dia aorian’ny batisany aza. Horesahintsika ato amin’ity lahatsoratra ity hoe inona no azon’ny tanora kristianina vao vita batisa atao, mba handroso foana izy ka ho lasa Kristianina matotra. Hahasoa ny rehetra ao amin’ny fiangonana mantsy izany.

^ Novana ny anarana sasany.