Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 36

Tia Fahamarinana ny Vahoakan’i Jehovah

Tia Fahamarinana ny Vahoakan’i Jehovah

“Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana.”​—MAT. 5:6.

HIRA 9 Jehovah no Mpanjakantsika!

HO HITANAO ATO *

1. Inona no fitsapana nahazo an’i Josefa, ary inona no nataony?

 TSY mora ny fitsapana nahazo an’i Josefa, zanak’i Jakoba. Niasa tao amin’i Potifara izy. Izao anefa no nolazain’ny vadin’i Potifara taminy: “Avia hanao firaisana amiko.” Tsy nanaiky i Josefa. Mety hisy hieritreritra hoe: ‘Fa maninona izy no tsy nanaiky?’ Tsy tao an-trano mantsy i Potifara tamin’izay. I Josefa koa andevon-dry zareo, dia tsy maintsy ho nataon’ilay vehivavy nahita faisana izy raha vao nanda azy. Tsy niova hevitra mihitsy anefa i Josefa, na dia nisisika foana aza ilay vehivavy. Nahoana? Izao no nolazainy: “Hataoko ahoana ny hanao an’izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?”​—Gen. 39:7-12.

2. Ahoana no nahafantaran’i Josefa hoe manota amin’Andriamanitra izy raha mangala-badin’olona?

2 Ahoana no nahafantaran’i Josefa hoe tena “ratsy” eo imason’ny Andriamaniny ny mangala-badin’olona? Mbola 200 taona teo ho eo tatỳ aoriana mantsy vao nosoratana ny Lalàn’i Mosesy, ary ao amin’izy io no misy an’ilay didy mazava hoe: “Aza manitsakitsa-bady.” (Eks. 20:14) Efa ampy anefa ny zavatra fantatr’i Josefa momba an’i Jehovah, dia azony avy amin’izany hoe ahoana no fiheveran’i Jehovah ny fijangajangana. Tsy maintsy ho fantany, ohatra, fa vehivavy iray ihany no nomen’i Jehovah ho vadin’ny lehilahy iray. Mety ho efa henony koa hoe indroa i Jehovah no niaro an’i Saraha, beben’ny dadany, mba hahatonga azy tsy hivadika amin’ny vadiny rehefa nisy olona nitady hanao firaisana taminy. Narovan’Andriamanitra hoatr’izany koa i Rebeka vadin’i Isaka. (Gen. 2:24; 12:14-20; 20:2-7; 26:6-11) Rehefa nisaintsaina an’ireny i Josefa, dia lasa hitany hoe inona no mety eo imason’Andriamanitra, ary inona no tsy mety. Tia an’ilay Andriamaniny i Josefa dia tiany koa ny fitsipiny, ka tapa-kevitra ny hanaraka an’izany izy.

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Tia fahamarinana * ve ianao? Azo antoka izany. Tsy lavorary anefa isika rehetra, dia mety hisy vokany amintsika ny fiheveran’izao tontolo izao ny atao hoe fahamarinana, raha tsy mitandrina isika. (Isaia 5:20; Rom. 12:2) Hodinihintsika àry ny atao hoe fahamarinana sy ny soa ho azontsika raha tia azy io isika. Horesahintsika koa ny dingana telo azontsika atao mba ho tiantsika kokoa ny fitsipik’i Jehovah.

INONA NO ATAO HOE FAHAMARINANA?

4. Inona no hevi-diso ananan’ny olona maro momba ny fahamarinana?

4 Nihevi-tena ho marina ny mpitondra fivavahana tamin’ny andron’i Jesosy. Nanakiana mafy an-dry zareo anefa i Jesosy, satria nitsaratsara ny hafa ry zareo sady izy ireo ihany no namaritra an’izay noheveriny fa marina. (Mpito. 7:16; Lioka 16:15) Hoatran’izany koa no ataon’ny olona maro amin’izao. Tsy manao ratsy, hono, ry zareo, nefa izy ireo ihany no mamaritra an’izay atao hoe ratsy na tsara. Matetika ry zareo no manambony tena, tia mitsaratsara, na mihevi-tena ho marina noho ny hafa. Tsy tian’Andriamanitra mihitsy anefa ireo toetra ireo. Tsy izay mihevi-tena ho marina noho ny olon-kafa mantsy no atao hoe tena olo-marina.

5. Inona no atao hoe fahamarinana, araka ny Baiboly? Manomeza ohatra.

5 Toetra tsara ny fahamarinana. Raha tsorina, dia midika izy io hoe manao izay marina eo imason’i Jehovah Andriamanitra. Manana heviny hoe manaraka ny fitsipik’i Jehovah, izany hoe ny fitsipika ambony indrindra, ilay teny hoe “fahamarinana” ao amin’ny Baiboly. Nanome didy, ohatra, i Jehovah fa tsy maintsy mampiasa ‘vatomizana tsy mandainga’ ny mpivarotra. (Deot. 25:15) Ilay teny hebreo nadika hoe “tsy mandainga” dia azo adika koa hoe “marina.” Raha te ho marina eo imason’Andriamanitra àry ny Kristianina iray, dia tsy tokony handainga mihitsy izy na hamitaka rehefa manao ny asany. Tia rariny koa ny olo-marina. Halany ny mahita olona iharan’ny tsy rariny. Te ‘hampifaly tanteraka an’i Jehovah’ koa ny tena olo-marina, dia dinihiny hoe hoatran’ny ahoana ny fiheveran’i Jehovah ny fanapahan-kevitra raisiny.​—Kol. 1:10.

6. Nahoana isika no afaka matoky hoe mahasoa antsika izay lazain’i Jehovah hoe mety na tsy mety? (Isaia 55:8, 9)

6 Resahin’ny Baiboly hoe i Jehovah no Loharanon’ny fahamarinana. Izany no mahatonga azy hantsoina hoe “fonenan’ny fahamarinana.” (Jer. 50:7, f.a.p.) Mpamorona izy, ka izy ihany no manan-jo hamaritra an’izay mety sy tsy mety. Lavorary i Jehovah, dia ambony lavitra noho ny antsika ny fiheverany ny atao hoe mety sy tsy mety. Isika mantsy tsy lavorary sady mpanota, dia matetika izany no misy vokany amin’ny fomba fijerintsika. (Ohab. 14:12; vakio ny Isaia 55:8, 9.) Noforonina hitovy endrika amin’Andriamanitra anefa isika, ka ho vitantsika ny hanaraka an’izay lazainy fa mety. (Gen. 1:27) Tiantsika koa ny manao an’izany. Te hanao an’izay fara herintsika isika mba hanahafana an’ilay Raintsika, satria tiantsika izy.​—Efes. 5:1.

7. Fa maninona isika no mila fitsipika tsy miovaova? Manomeza ohatra.

7 Mandray soa isika rehefa manaraka ny fitsipik’i Jehovah momba an’izay mety sy tsy mety. Fa maninona? Eritrereto hoe inona no mety hitranga raha samy manana ny refy ampiasainy ny mpanao trano. Tsy hisy zavatra handeha amin’ny laoniny. Ahoana indray raha tsy manaraka fitsipika mitovy ny dokotera rehefa mitsabo? Mety ho faty ny marary sasany. Tena miaro àry ny fitsipika rehefa tsy miovaova. Miaro antsika koa ny fitsipik’Andriamanitra momba an’izay mety sy tsy mety.

8. Inona no fitahiana miandry ny olona tia manao an’izay lazain’i Jehovah hoe mety?

8 Mitahy an’izay miezaka manaraka ny fitsipiny i Jehovah. Mampanantena izy hoe: “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.” (Sal. 37:29) Azonao sary an-tsaina ve hoe hanao ahoana ny fiainana rehefa samy manaraka ny fitsipik’i Jehovah ny olona tsirairay? Hiray saina sy hiadana ary ho sambatra ny olombelona. Hoatr’izany ny fiainana tian’i Jehovah ho anao! Betsaka àry ny antony mahatonga antsika ho tia fahamarinana. Inona anefa no azontsika atao mba ho tia kokoa an’io toetra io isika? Andeha isika handinika dingana telo.

MIEZAHA HO TIA KOKOA NY FITSIPIK’I JEHOVAH

9. Inona no hanampy antsika ho tia fahamarinana?

9 Dingana 1: Tiavo ilay nanome fitsipika. Mila tia kokoa an’ilay nametraka ny fitsipika momba an’izay mety sy tsy mety isika, raha tiantsika ny ho tia fahamarinana. Vao mainka isika te hanaraka ny fitsipik’i Jehovah, arakaraka ny itiavantsika azy. Eritrereto i Adama sy Eva. Ara-drariny ny lalàna nomen’i Jehovah an-dry zareo. Tsy ho nandika an’izany mihitsy izy mivady raha tia an’i Jehovah.​—Gen. 3:1-6, 16-19.

10. Inona no nataon’i Abrahama mba hahafantarany tsara kokoa ny fomba fihevitr’i Jehovah?

10 Mazava ho azy fa tsy te hamerina ny fahadisoan’i Adama sy Eva isika. Ahoana no azontsika isorohana an’izany? Mila miezaka foana isika hianatra momba an’i Jehovah sy hankasitraka ny toetrany ary hahazo ny fomba fiheviny. Azo antoka hoe ho tia kokoa an’i Jehovah isika raha manao an’izany. Diniho ny ohatr’i Abrahama. Tena tia an’i Jehovah izy. Tsy nikomy mihitsy izy, na dia rehefa tsy azony aza ny antony nandraisan’i Jehovah fanapahan-kevitra sasany. Niezaka kosa izy hahafantatra kokoa Azy. Ahoana, ohatra, rehefa fantany hoe nanapa-kevitra handringana an’i Sodoma sy Gomora i Jehovah? Nanahy i Abrahama tamin’ny voalohany, sao horinganin’ilay “Mpitsara ny tany manontolo” miaraka amin’ny ratsy fanahy ny olo-marina. Tsy neken’ny sainy mihitsy izany! Nanetry tena àry izy, dia nametraka fanontaniana maromaro tamin’i Jehovah. Nanam-paharetana i Jehovah namaly azy. Takatr’i Abrahama tamin’ny farany hoe mandinika ny fon’ny olona tsirairay i Jehovah, ary tsy izy mihitsy no hanasazy ny tsy manan-tsiny miaraka amin’ny meloka.​—Gen. 18:20-32.

11. Ahoana no nampisehoan’i Abrahama hoe tia sy natoky an’i Jehovah izy?

11 Nisy vokany be tamin’i Abrahama ilay resany tamin’i Jehovah momba an’i Sodoma sy Gomora. Azo inoana hoe vao mainka lasa tia sy nanaja an’ilay Rainy mihoatra noho ny hatramin’izay izy. Niharam-pitsapana mafy i Abrahama taona maro tatỳ aoriana, ka tena sarotra taminy ny nitoky tamin’i Jehovah. Nasain’i Jehovah nanao sorona an’i Isaka zanany malala mantsy izy. Efa nahafantatra kokoa an’ilay Andriamaniny anefa i Abrahama tamin’io, dia tsy nanontany intsony izy fa tonga dia nankatò. Na izany aza, dia nila ho vaky mihitsy angamba ny fony rehefa niomana hanao an’ilay zavatra nasaina nataony izy. Tsy maintsy ho nieritreritra be an’izay nianarany momba an’i Jehovah izy tamin’izay. Hainy hoe tsy hanao zavatra tsy ara-drariny na tsy amim-pitiavana mihitsy i Jehovah. Resahin’ny apostoly Paoly hoe fantatr’i Abrahama fa vitan’i Jehovah ny hanangana ny zanany malala amin’ny maty. (Heb. 11:17-19) I Jehovah rahateo efa nampanantena hoe hisy firenena avy amin’i Isaka, nefa i Isaka aza mbola tsy nanan-janaka akory tamin’io. Tia an’i Jehovah i Abrahama, dia natoky hoe tsy hanao zavatra tsy ara-drariny mihitsy ilay Rainy. Nanam-pinoana àry izy dia nankatò, na dia tena sarotra taminy aza izany.​—Gen. 22:1-12.

12. Ahoana no anahafantsika an’i Abrahama? (Salamo 73:28)

12 Ahoana no anahafantsika an’i Abrahama? Mila mianatra foana momba an’i Jehovah isika. Ho akaiky kokoa azy isika amin’izay sady vao mainka ho tia azy. (Vakio ny Salamo 73:28.) Ho voaofana ny feon’ny fieritreretantsika, dia hifanaraka kokoa amin’ny fomba fisainan’Andriamanitra. (Heb. 5:14) Inona no ho vokatr’izany? Tsy hanaiky isika raha vao misy olona miezaka hitaona antsika hanao ratsy. Ho halantsika na dia ny mieritreritra fotsiny aza hoe hanao zavatra handratra ny fon’ilay Raintsika isika sady hanimba ny fifandraisantsika aminy. Ahoana koa no ampisehoantsika hoe tia fahamarinana isika?

13. Ahoana no hampisehoantsika hoe miezaka manao ny marina foana isika? (Ohabolana 15:9)

13 Dingana 2: Miezaha isan’andro mba ho tia fahamarinana kokoa. Tsy maintsy manao fanazaran-tena tsy tapaka isika raha te hanatanjaka hozatra. Mila miezaka mafy hoatr’izany koa isika mba ho tia an’izay lazain’i Jehovah hoe marina. Azo atao isan’andro izany! Mahay mandanjalanja i Jehovah, dia tsy hitaky amintsika an’izay tsy ho vitantsika mihitsy izy. (Sal. 103:14) Manome toky kosa izy hoe ‘tiany izay miezaka manao ny marina foana.’ (Vakio ny Ohabolana 15:9.) Ahoana, ohatra, raha misy tanjona tiantsika hotratrarina eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah? Mila miezaka foana isika mba hanatratrarana an’izany. Hoatr’izany koa no tokony hataontsika raha te hanao ny marina foana isika. Hanampy antsika tsikelikely i Jehovah, mba hahafahantsika mihatsara foana.​—Sal. 84:5, 7.

14. Inona ilay “fiarovan-tratra”, ary nahoana isika no mila azy io?

14 Mampahatsiahy antsika amim-pitiavana i Jehovah fa tsy mavesatra ny manao an’izay lazainy fa marina. (1 Jaona 5:3) Miaro antsika kosa aza izany, ary ilaintsika izany fiarovana izany isan’andro. Tadidinao ve ilay fiadiana noresahin’ny apostoly Paoly? (Efes. 6:14-18, f.a.p.) Iza amin’ireo no miaro ny fon’ny miaramila? Ny “fiarovan-tratra.” Hoatr’izany koa “ny fanaovana ny marina”, izany hoe ny fitsipik’i Jehovah momba ny mety sy tsy mety. Miaro ny fontsika an’ohatra izy io, anisan’izany ny faniriantsika sy ny fihetseham-pontsika ary ny eritreritsika. Ataovy àry izay rehetra azonao atao mba ho azo antoka hoe anisan’ny fiadianao ny fiarovan-tratra!​—Ohab. 4:23.

15. Ahoana no azonao ampiharana an’ilay hoe “ataovy fiarovan-tratra ny fanaovana ny marina”?

15 Ahoana no azonao ampiharana an’ilay hoe “ataovy fiarovan-tratra ny fanaovana ny marina”? Manao an’izany ianao rehefa misaintsaina ny fitsipik’i Jehovah amin’ny safidy ataonao isan’andro. Rehefa hanapa-kevitra, ohatra, ianao hoe inona no holazainao, ny hira hohenoinao, ny fandaharana hojerenao, na ny boky hovakinao, dia eritrereto aloha izao: ‘Inona no ataoko mameno ny foko? Ankasitrahan’i Jehovah ve ity zavatra eritreretiko hatao ity? Sa ilay izy mampirisika ahy haloto fitondran-tena, hahery setra, tsy hety ho afa-po, ary ho tia tena, nefa tsy mety no fahitan’i Jehovah an’ireo?’ (Fil. 4:8) Mamela ny fitsipik’i Jehovah hiaro ny fonao ianao, raha mifanaraka amin’ny sitrapony ny fanapahan-kevitra raisinao.

Afaka ny “ho lasa hoatran’ny onjan-dranomasina” ny fahamarinanao (Fehintsoratra 16-17)

16-17. Nahoana ny Isaia 48:18 no manome toky antsika hoe hahavita hankatò ny fitsipik’i Jehovah isika mandrakizay?

16 Nisy fotoana ve ianao nanahy hoe tsy ho vitanao ny hankatò ny fitsipik’i Jehovah, rehefa mandeha ny andro sy ny volana ary ny taona? Diniho ny ohatra nampiasain’i Jehovah ao amin’ny Isaia 48:18. (Vakio.) Mampanantena i Jehovah hoe afaka ny “ho lasa hoatran’ny onjan-dranomasina” ny fahamarinantsika. Eritrereto hoe mijoro eo amoron’ny ranomasina iray midadasika ianao, ary mitazana ny onja mitopatopa tsy an-kijanona. Milamina erỳ ny manodidina anao. Hanahy ve ianao hoe tsy ho tody eo intsony ireo onja ireo indray andro any? Mazava ho azy fa tsia. Fantatrao hoe efa nidona teo amin’io torapasika io foana ireo onja ireo nandritra ny an’arivony taona, ary mbola ho tonga eo foana.

17 Afaka ny ho lasa hoatran’ny onjan-dranomasina mihitsy ny fahamarinanao! Amin’ny fomba ahoana? Rehefa handray fanapahan-kevitra ianao, dia diniho aloha hoe inona no tian’i Jehovah hataonao, dia izay mihitsy atao! Na sarotra hoatran’ny inona aza ilay izy, dia ho eo foana ilay Rainao be fitiavana mba hanampy anao tsy hiova fa hanaraka ny fitsipiny foana isan’andro isan’andro.​—Isa. 40:29-31.

18. Nahoana isika no tsy maintsy mitandrina mba tsy hitsara ny hafa araka izay heverintsika fa mety?

18 Dingana 3: Avelao i Jehovah no hitsara. Miezaka mafy isika mba hanaraka an’izay lazain’i Jehovah fa marina, nefa tsy maintsy mitandrina koa mba tsy hitsara ny hafa ka hanjary hihevi-tena ho marina noho ry zareo. Tsy tokony hanambany ny hafa isika, ka hoatran’ny hoe manan-jo hitsara an-dry zareo araka izay heverintsika fa mety. Mila mitadidy kosa isika fa i Jehovah no “Mpitsara ny tany manontolo.” (Gen. 18:25) Tsy nomen’i Jehovah alalana hitsara hoatr’izany mihitsy isika! Na i Jesosy aza nandidy hoe: “Aza mitsara intsony mba tsy hotsaraina.”​—Mat. 7:1. *

19. Ahoana no nampisehoan’i Josefa hoe natoky ny fitsaran’i Jehovah izy?

19 Andao indray isika handinika ny ohatr’i Josefa. Tsy nitsaratsara ny hafa io olo-marina io, na dia izay nanao ny tsy rariny taminy aza. Ny rahalahiny izao mihitsy no nampijaly azy, nivarotra azy ho andevo, ary nandresy lahatra ny dadan-dry zareo hoe maty izy. Tafaraka tamin’ny fianakaviany indray i Josefa taona maro tatỳ aoriana. Efa manam-pahefana ambony izy tamin’izay, ka afaka nitsara sy namaly faty an’ireo rahalahiny. Natahotra ny rahalahin’i Josefa hoe tena hanao an’izany izy, na dia efa nanenina tongotra aman-tanana aza ry zareo. Nanome toky an-dry zareo anefa i Josefa hoe: “Aza matahotra fa izaho angaha Andriamanitra no hitsara anareo?” (Gen. 37:18-20, 27, 28, 31-35; 50:15-21) Nanetry tena i Josefa, dia i Jehovah no navelany hitsara.

20-21. Inona no hanampy antsika tsy hihevi-tena ho marina noho ny hafa?

20 Manao hoatran’i Josefa isika, ka i Jehovah no avelantsika hitsara. Tsy hieritreritra, ohatra, isika hoe mahafantatra ny antony anaovan’ireo rahalahy sy anabavy zavatra. Tsy mahay mamantatra ny any am-po mantsy isika. I Jehovah ihany no mandinika ny antony anaovan’ny olona zavatra. (Ohab. 16:2) Tiantsika ny karazan’olona rehetra, na inona na inona fiaviany na kolontsainy. Ampirisihin’i Jehovah koa isika mba ‘hanokatra ny fontsika hidanadana.’ (2 Kor. 6:13) Miezaka isika mba ho tia ny mpiara-manompo rehetra, fa tsy hitsara an-dry zareo.

21 Midika koa izany hoe tsy tokony hitsara ny olona tsy Vavolombelon’i Jehovah isika. (1 Tim. 2:3, 4) Isika ve dia hitsara ny havantsika ka hiteny hoe “raha iny indray dia tsy ho lasa Vavolombelon’i Jehovah izany mihitsy”? Sahisahy ratsy isika raha manao an’izany, sady mihevi-tena ho marina noho ny hafa. Mbola omen’i Jehovah fotoana hibebahana mantsy ny “olombelona rehetra, na aiza na aiza.” (Asa. 17:30) Tadidio foana hoe tsy heverin’i Jehovah ho anisan’ny olo-marina isika, raha mihevi-tena ho marina noho ny hafa.

22. Nahoana ianao no tapa-kevitra ho tia fahamarinana?

22 Enga anie ka hampifaly anao sy ho modely ho an’ny hafa ny fitiavanao an’izay lazain’i Jehovah fa marina, ka hahatonga an-dry zareo hifandray kokoa aminao sy amin’Andriamanitra. Enga anie koa ianao ho ‘noana sy hangetaheta ny fahamarinana’ foana. (Mat. 5:6) Matokia fa mahita ny ezaka ataonao i Jehovah sady mahafaly azy foana ny fandrosoanao. Aza kivy na dia vao mainka tsy manao ny marina aza ny olona eto amin’izao tontolo izao. Tadidio foana hoe “tia an’ireo olo-marina i Jehovah.”​—Sal. 146:8.

HIRA 139 Saintsaino ny Fiainanao ao Amin’ny Tontolo Vaovao

^ Sarotra ny mahita olona miezaka manao an’izay lazain’i Jehovah hoe marina eto amin’ity tontolo ratsy ity. An-tapitrisany anefa no manao an’izany. Azo inoana hoe anisan’izy ireny ianao. Miezaka manao an’izany ianao satria tia an’i Jehovah, moa i Jehovah koa tia fahamarinana. Inona no hanampy anao ho tia kokoa an’io toetra tsara io? Hodinihintsika ato ny atao hoe fahamarinana sy ny soa horaisinao raha tia azy io ianao. Horesahintsika koa hoe inona avy ny dingana tokony hataonao mba ho tia fahamarinana kokoa.

^ Toetra ilay hoe “fahamarinana” ato amin’ity lahatsoratra ity, araka ny hazavaina eo amin’ny fehintsoratra faha-5. Tsy mitovy amin’ilay fahamarinana, izay ilazana ny zavatra inoantsika avy ao amin’ny Baiboly, izy io.

^ Tsy maintsy mitsara ny anti-panahy ao amin’ny fiangonana indraindray, rehefa misy olona manao fahotana lehibe sy mibebaka. (1 Kor. 5:11; 6:5; Jak. 5:14, 15) Manetry tena anefa ry zareo dia mitadidy hoe mitsara ho an’i Jehovah izy, ary tsy mahay mamantatra ny any am-pon’ny olona. (Ampitahao amin’ny 2 Tantara 19:6.) Mitandrina tsara ry zareo mba hanaraka ny fitsipik’Andriamanitra, ka miezaka ny hahay handanjalanja sy hamindra fo ary hanao ny rariny hoatr’azy.