Ahoana Raha Mijery Zavatra Vetaveta ny Vadinao?
-
“Hoatran’ny hoe nanitsakitsaka ahy imbetsaka ny vadiko.”
-
“Nahatsiaro ho afa-baraka sy tsy mahate ho tia ary tsy misy ilana azy aho.”
-
“Nokoboniko ho ahy irery ilay izy, satria tsy sahiko notantaraina tamin’olona.”
-
“Hoatran’ny hoe tsy niraharaha ahy i Jehovah.”
Hita amin’ireo hoe mijaly be ny vehivavy rehefa mijery zavatra vetaveta ny vadiny, mainka moa raha amam-bolana na aman-taonany izy no nanao an’izany sady niafina. Mety hieritreritra izy hoe tsy ho afaka hatoky azy intsony. Izao no nolazain’ny vehivavy iray: “Lasa saina aho hoe: ‘Iza àry ity lehilahy eto akaikiko ity. Sao dia misy zavatra hafa afeniny ahy koa àry?’”
Raha nijery zavatra vetaveta ny vadinao, dia natao ho anao ity lahatsoratra ity. a Miresaka torolalan’ny Baiboly hampionona anao izy ity, sy hanome toky anao hoe manampy anao i Jehovah, ary hanampy anao hifehy ny fihetseham-ponao sy hifandray tsara amin’i Jehovah foana. b
INONA NO AZONAO ATAO?
Marina hoe tsy afaka mifehy an’izay rehetra ataon’ny vadinao ianao. Misy azonao atao anefa mba hanamaivanana ny ratram-ponao, sy hahatonga anao hilamin-tsaina kokoa. Ireto misy ohatra:
Aza manamelo-tena. Mety hieritreritra ny vehivavy iray hoe misy fahadisoany ihany matoa mijery zavatra vetaveta ny vadiny. I Alice c izao mieritreritra hoe tsy mba tsara tarehy izy. Lasa saina izy hoe: ‘Fa maninona àry no vehivavy hafa no tianʼny vadiko hojerena fa tsy izaho?ʼ Manamelo-tena koa ny vehivavy sasany, satria mieritreritra ry zareo hoe vao mainka manasaro-javatra ny ataony. Hoy i Danielle: “Lasa tezi-dava aho, dia izany angamba no manimba ny tokantranonay.”
Raha mahatsapa hoatr’izany ianao, dia tadidio hoe amin’i Jehovah dia tsy ianao no tompon’andraikitra amin’izay ataon’ny vadinao. Izao mantsy no lazain’ny Jakoba 1:14: “Tsapaina ... ny tsirairay rehefa voasariky ny faniriany sy manaiky ho resin’izany.” (Rom. 14:12; Fil. 2:12) Tsy manameloka anao àry i Jehovah. Sarobidy aminy kosa rehefa tsy mivadika aminy ianao.—2 Tan. 16:9.
Tsara koa ny mitadidy fa tsy voatery hoe ratsy tarehy ilay vehivavy matoa ny vadiny mijery zavatra vetaveta. Milaza mantsy ny manam-pahaizana, fa mahatonga ny olona hanana faniriana tsy mety afa-po amin’ny resaka firaisana ny zavatra vetaveta, ary tsy misy vehivavy mahavita manome fahafaham-po azy amin’izany.
Aza manahy be loatra. Niady saina be tamin’ilay vadiny nijery zavatra vetaveta i Catherine, dia nilaza hoe lany tamin’izany ny androatokom-piainany. Hoy koa i Frances: “Mitebiteby be aho raha vao tsy hitako ny nalehan’ny vadiko. Miady saina foana aho tontolo andro.” Misy vehivavy indray milaza fa menatra be ry zareo rehefa misy mpiara-manompo mahalala an’izay nataon’ny vadiny eo. Ny hafa indray, hono, mahatsiaro ho manirery, satria mieritreritra izy hoe tsy misy mahazo ny manjo azy.
Ara-dalàna ireo fihetseham-po ireo. Vao mainka anefa ianao hitebiteby raha izany foana no eritreretinao. Mifantoha kosa amin’ny fifandraisanao amin’i Jehovah. Hanampy anao hatanja-tsaina izany.—Sal. 62:2; Efes. 6:10.
Misy vehivavy tantarain’ny Baiboly hoe nahazo fampiononana rehefa nivavaka tamin’i Jehovah. Maninona raha mamaky sy misaintsaina an’ireny? Mety hanampy anao mantsy izany. Marina hoe tsy nalamin’i Jehovah ilay olana indraindray. Nataony niadan-tsaina anefa ry zareo. I Hana, ohatra, “nalahelo be mihitsy” tamin’ny zavatra niainany. Rehefa avy “nivavaka ela teo anatrehan’i Jehovah” anefa izy, dia lasa tony na dia mbola tsy fantany aza hoe ahoana no hiafaran’ilay olana.—1 Sam. 1:10, 12, 18; 2 Kor. 1:3, 4.
Mangataha fanampiana amin’ny anti-panahy ao amin’ny fiangonana. Afaka ny ho “fialokalofana amin’ny rivotra” mantsy ry zareo, sy “toerana hiafenana amin’ny oram-baratra.” (Isaia 32:2, f.a.p.) Mety hatorony anao aza hoe iza ny anabavy azonao amborahana ny ao am-ponao sy ho afaka hampionona anao.—Ohab. 17:17.
AFAKA MANAMPY AZY VE IANAO?
Afaka manampy ny vadinao handresy an’ilay fahazaran-dratsiny ve ianao? Angamba. Milaza mantsy ny Baiboly hoe “tsara ny roa noho ny iray” rehefa mamaha olana, na miezaka handresy fahavalo lehibe. (Mpito. 4:9-12) Asehon’ny fikarohana hoe matetika no tsara ny vokany, rehefa mifarimbona ny mpivady mba hahatonga an’ilay iray tsy ho andevozin’ny zavatra vetaveta intsony sy hahatonga azy roa hifampatoky indray.
Ho resiny ve ilay fahazaran-dratsy? Miankina aminy ihany izany amin’ny ankapobeny. Hahavita an’izany izy, raha tena maniry sy tapa-kevitra ny tsy hijery zavatra vetaveta intsony. Efa niangavy an’i Jehovah ve izy mba homeny hery sady nangataka fanampiana tamin’ny anti-panahy? (2 Kor. 4:7; Jak. 5:14, 15) Efa nitady hevitra ve izy mba hahatonga azy tsy ho tratran’ny fakam-panahy? Noferany ve, ohatra, ny fotoana ampiasany fitaovana elektronika? Tsy manaiky hanao zavatra sasany ve izy sao hahatonga azy ho resin’ny fakam-panahy izany? (Ohab. 27:12) Vonona hanaiky ny fanampianao ve izy sy hilaza ny marina rehetra aminao? Raha izany, dia mety ho afaka hanampy azy ianao.
Ahoana no hanaovana an’izany? Eritrereto i Felicia. I Ethan no vadiny, ary efa hatramin’ny mbola kely izy io no zatra nijery zavatra vetaveta. Niezaka anefa i Felicia mba ho mora tamin’i Ethan ny hiresaka aminy, isaky ny naniry mafy hijery an’ireny indray izy. Nanazava i Ethan hoe: “Tsoriko amin’ny vadiko ny zava-drehetra. Tia ahy izy, dia ampiany aho mba hametra ny zavatra sasany ataoko, sady anontaniany matetika hoe manao ahoana aho izao tato ho ato. Ampiany koa aho mba tsy hanao Internet be loatra sy hitandrina hoe rehefa aiza ihany no hampiasa an’izany.” Mazava ho azy fa malahelo i Felicia hoe tia mijery zavatra vetaveta i Ethan. Izao anefa no nolazainy: “Na malahelo sy tezitra aza aho, dia tsy hoe manampy azy hiala amin’ilay fahazaran-dratsy izany. Rehefa nandinika ny olana atrehiny izahay, dia vonona ny hiara-miasa amiko izy mba hanasitranana ny ratram-poko.”
Inona no vokany rehefa miresadresaka hoatr’izany ianareo roa? Hanampy azy tsy hijery zavatra vetaveta intsony izany sady hanampy anao hatoky azy indray. Tsy misy miafina aminao intsony mantsy, satria izy aza efa vonona ny hiresaka momba ny fahazarany, sy izay ataony isan’andro, ary ny toerana alehany.
Mety ho afaka hanampy ny vadinao hoatr’izany ve ianao? Raha izany, dia maninona raha miara-mamaky sy mandinika an’ity lahatsoratra ity ianareo? Ny tanjony amin’izay hoe tsy hijery sary vetaveta intsony, dia hanampy anao hatoky azy. Tsy ho tezitra izy rehefa miresaka an’izay mampanahy anao ianao, fa hiezaka kosa hahazo hoe misy vokany aminao ilay olana. Ary ny tanjonao? Ny hanampy azy hiezaka kokoa sy hamela azy hanampy anao hatoky azy indray. Samy mila mianatra ianareo roa hoe inona no mety hahatonga ny olona hijery sary vetaveta, ary ahoana no handresena an’izany. d
Raha matahotra ianao sao hifamaly ianareo rehefa miresaka an’ilay olana, dia azonareo atao ny miantso anti-panahy iray efa mahazatra anareo. Hanoro hevitra anareo eo izy mandritra an’ilay resadresaka. Tadidio fa na dia efa tsy mijery zavatra vetaveta intsony aza ny olona iray, dia mety ho elaela vao hatoky azy indray ny vadiny. Aza kivy anefa! Izay fivoarana eo amin’ny fifandraisanareo ifantohana, na dia kely aza izany. Afaka manantena foana ianao hoe hifankatia be indray ianareo rehefa mandeha ny fotoana, raha samy manam-paharetana.—AHOANA RAHA MBOLA MIKIRY IHANY IZY?
Ahoana raha efa niezaka ny vadinao, nefa nijery zavatra vetaveta indray? Midika ve izany hoe tsy nibebaka izy, na tsy avotra intsony? Tsy voatery. Raha efa ela izy no nanana an’io fahazaran-dratsy io, dia mety ho mandritra ny androm-piainany mihitsy izy no mila miady amin’izy io. Mety ho resy indray àry izy, na dia efa an-taonany maro aza no tsy nijery intsony. Inona no azony atao raha tsy tiany hiverina intsony izany? Mila manao zavatra hentitra kokoa izy. Angamba izy mila manohy an’izay ezaka efa nataony, na dia hoatran’ny hoe efa resiny aza ilay fahazaran-dratsy. (Ohab. 28:14; Mat. 5:29; 1 Kor. 10:12) Mila manavao ny ‘toe-tsainy’ izy, ary mila mianatra ‘hankahala ny ratsy.’ Tafiditra amin’izany ny zavatra vetaveta sy ny fanao maloto rehetra mifandray amin’izany, ohatra hoe mikasikasika ny filahiana. (Efes. 4:23; Sal. 97:10; Rom. 12:9) Vonona hanao an’ireo ezaka ireo ve izy? Raha izany, dia misy azo antenaina ihany ny aminy. e
Ahoana anefa raha tsy te hiezaka tsotra izao ny vadinao? Azo inoana hoe imbetsaka ianao no ho diso fanantenana sy ho tezitra ary ho voafitaka. Apetraho amin’i Jehovah ilay izy mba hilamin-tsaina indray ianao. (1 Pet. 5:7) Miezaha hanatona kokoa an’i Jehovah, ka mazotoa mianatra sy mivavaka ary misaintsaina. Matokia fa hanatona anao koa izy rehefa manao an’izany ianao. Milaza mantsy ny Isaia 57:15 fa mipetraka eo amin’izay “torotoro fo sy manetry tena” izy, ka manampy an-dry zareo ho falifaly indray. Miezaha mba ho tsara toetra araka izay tratranao sy tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy. Mitadiava fanampiana amin’ny anti-panahy. Aza manary toky fa mety hiova ihany ny vadinao indray andro any!—Rom. 2:4; 2 Pet. 3:9.
a Tafiditra amin’ilay hoe zavatra vetaveta ny sary, video, boky, raki-peo, na izay zavatra natao hanaitaitra ny faniriana hanao firaisana. Betsaka amin’ny torolalana resahina ato no mahasoa foana na ilay lehilahy na ilay vehivavy no mijery zavatra vetaveta.
b Na mijery zavatra vetaveta aza ny vadinao, dia tsy milaza ny Soratra Masina hoe antony azo isarahana izany.—Mat. 19:9.
c Novana ireo anarana.
d Misy fanazavana mety hanampy anao ao amin’ny jw.org/mg sy ao amin’ireo boky sy gazetintsika. Jereo ao amin’ny jw.org/mg, ohatra, ilay hoe “Mety Hanimba ny Tokantranonao ny Fijerena Sary Vetaveta.” Jereo koa ilay hoe “Ho Vitanao ny Hanohitra Fakam-panahy” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 2014, p. 10-12, ary ilay hoe “Tena Manimba ve ny Sary Vetaveta?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 2013, p. 3-7.
e Manandevo ny mijery zavatra vetaveta, ka nisy mpivady nanapa-kevitra hoe hangataka fanampiana amin’ny mpitsabo matihanina, ankoatra ny fanampiana omen’ny anti-panahy.