Fanontanian’ny Mpamaky
Nahoana ilay lahatsoratra tao amin’ny Tilikambo Fiambenana Jona 2020 hoe “Hohamasinina Anie ny Anaranao” no manazava kokoa an’izay inoantsika momba ny anaran’i Jehovah sy ny zony hitondra?
Nianarantsika tao hoe iray ihany, raha ny marina, ilay adihevitra mahakasika ny olombelona sy ny anjely. Inona izany? Ny fanamasinana ny anarana lehiben’i Jehovah. Tafiditra amin’izany ilay fanaporofoana hoe manana zo hitondra izy, izany hoe ny fomba fitondrany no tsara indrindra. Tafiditra amin’ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah koa ilay adihevitra hoe hivadika ve ny olombelona sa tsia.
Nahoana isika izao no manasongadina hoe momba ny anaran’i Jehovah sy ny fanamasinana azy io no adihevitra lehibe indrindra? Ireto misy antony telo:
Voalohany, nanoso-potaka ny anaran’i Jehovah, na ny lazany, i Satana tao Edena. Rehefa nanontany an’i Eva i Satana, dia te hilaza an-kolaka hoe Andriamanitra tsy malala-tanana i Jehovah sady mifehifehy be ny mpanompony. Nanohitra an-kitsirano ny tenin’i Jehovah izy avy eo, ka hoatran’ny nilaza hoe mpandainga Andriamanitra. Nanendrikendrika ny anaran’i Jehovah àry izy. Lasa ny “Devoly” izy, izay midika hoe “mpanendrikendrika.” (Jaona 8:44) Nino ny laingan’i Satana i Eva, ka tsy nankatò an’Andriamanitra. Nasehony tamin’izany hoe tsy tiany ho mpitondra azy i Jehovah. (Gen. 3:1-6) Mbola manaratsy ny anaran’Andriamanitra ihany i Satana hatramin’izao, ka manely lainga momba an’i Jehovah. Azo inoana hoe tsy hankatò an’i Jehovah izay mino ny lainga hoatr’izany. Ny fanaratsiana ny anarana masin’i Jehovah àry no tsy rariny lehibe indrindra amin’ny vahoakan’Andriamanitra. Izay no fototry ny fijaliana sy ny faharatsiana rehetra eo amin’izao tontolo izao.
Faharoa, mba hahasoa ny zavaboary rehetra, dia tapa-kevitra ny hanamarina ny anarany i Jehovah, izany hoe hanaporofo fa diso daholo ny fanendrikendrehana azy. Izany no zava-dehibe indrindra aminy, ka nilaza izy hoe: “Tsy maintsy hohamasiniko ny anarako be voninahitra.” (Ezek. 36:23) Notenenin’i Jesosy koa hoe inona no tokony ho zava-dehibe indrindra amin’ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika rehefa mivavaka. Hoy izy: “Hohamasinina anie ny anaranao!” (Mat. 6:9) Imbetsaka ny Baiboly no manasongadina fa zava-dehibe ny manome voninahitra ny anaran’i Jehovah. Ireto misy ohatra: “Omeo voninahitra i Jehovah fa mendrika an’izany ny anarany.” (1 Tan. 16:29; Sal. 96:8) “Manaova hira fiderana ho an’ny anarany be voninahitra.” (Sal. 66:2) “Homeko voninahitra mandrakizay ny anaranao.” (Sal. 86:12) Nisy fotoana koa i Jehovah niteny avy any an-danitra. Tao amin’ny tempolin’i Jerosalema i Jesosy tamin’izay, dia nilaza hoe: “Ray ô, omeo voninahitra ny anaranao.” Namaly azy i Jehovah hoe: “Efa nanome voninahitra azy aho, ary mbola hanome voninahitra azy indray.”—Jaona 12:28. a
Fahatelo, mifandray amin’ny anaran’i Jehovah na ny lazany foana ny fikasany. Eritrereto izao: Inona no hitranga rehefa vita ilay fitsapana farany, aorian’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy? Mbola hisara-bazana ve ny olombelona sy ny anjely
momba an’ilay adihevitra lehibe, izany hoe ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah? Mba hamaliana an’izany, dia andao hotadidintsika ilay adihevitra roa tafiditra amin’izany: Ny tsy fivadihan’ny olombelona sy ny zon’i Jehovah hitondra. Mbola ho sarotra amin’ny olombelona ve amin’izay ny hanaporofo hoe tsy mivadika amin’i Jehovah izy? Tsia! Efa lavorary mantsy izy sady efa hita hoe tena tsy mivadika. Efa afaka ny hiaina mandrakizay amin’izay ry zareo. Tsy ilaina intsony koa ny manaporofo hoe ny fomba fitondran’i Jehovah no tsara indrindra. Hiray saina mantsy ny any an-danitra sy etỳ an-tany amin’izay, ka samy hanohana ny fitondran’i Jehovah. Ary ahoana ny amin’ny anarany?Efa nohamasinina tanteraka ny anaran’i Jehovah mandra-pahatongan’izany, ka voaporofo hoe diso daholo ny fanendrikendrehana azy. Mbola ho liana amin’io anarana io anefa izay rehetra tsy mivadika, na ny any an-danitra na ny eto an-tany. Fa maninona? Satria ho hitany hoe mbola manao zavatra mahavariana foana i Jehovah. Diniho izao: Hanetry tena i Jesosy dia hamerina ny fitondrana rehetra amin’i Jehovah, ka ho Andriamanitra no “zava-drehetra ho an’ny rehetra.” (1 Kor. 15:28) Ho faly be ny olona eto an-tany aorian’izay, fa “hahazo an’ilay fahafahana miavaka ananan’ny zanak’Andriamanitra.” (Rom. 8:21) Hotanterahin’i Jehovah an-tsakany sy an-davany ilay fikasany hoe hataony miray saina ka ho lasa fianakaviana iray ny zanany any an-danitra sy etỳ an-tany.—Efes. 1:10.
Inona no ho tsapan’ny fianakavian’i Jehovah any an-danitra sy etỳ an-tany aorian’izay? Azo antoka fa hiredareda ao am-pontsika ny faniriana hidera foana ny anarana kanton’i Jehovah. Nahazo fanahy masina i Davida mpanao salamo ka nanoratra hoe: “Hoderaina anie i Jehovah Andriamanitra. ... Hoderaina mandrakizay anie ny anarany be voninahitra!” (Sal. 72:18, 19) Hahita antony vaovao sy tsara be hanaovana an’izany foana isika mandrakizay.
Ilazana an’izay rehetra mombamomba an’i Jehovah ny anarany. Fa ny tena lehibe anefa, dia hoe mampahatsiahy antsika ny fitiavany izy io. (1 Jaona 4:8) Hotadidintsika foana hoe fitiavana no nahatonga an’i Jehovah hamorona antsika, fitiavana no nahatonga azy hanome ny vidim-panavotana, ary mbola tamim-pitiavana no nampisehoany hoe mety ny fomba fitondrany. Tsy izay ihany, fa mbola ho hitantsika foana hoe ataon’i Jehovah heniky ny fitiavany ny zavaboariny. Ho lasa te hinamana akaiky amin’ilay Raintsika isika mandrakizay, sady te hihira fiderana ho an’ny anarany be voninahitra.—Sal. 73:28.