Mba Andramo Izao
Mitadiava Vatosoa Ara-panahy Momba An’i Jehovah
Rehefa mamaky Baiboly ianao, dia afaka mampiasa fitaovana fianarana isan-karazany mba hazava kokoa aminao izay vakinao. Tsara anefa raha tsy mampitombo fahalalana fotsiny ianao. Tokony hikaroka vatosoa ara-panahy momba ny toetran’i Jehovah koa ianao, amin’izay tia azy kokoa. Ahoana no hanaovana an’izany? Eritrereto hoe: ‘Inona no ianarako momba an’i Jehovah avy amin’ity andininy ity?’
Afaka mitady porofo mampiseho ny toetra miavaka ananan’i Jehovah ianao, izany hoe ny fitiavany, ny fahendreny, ny fanaovany ny rariny, ary ny heriny. Tsy ireo ihany anefa ny toetrany, fa mbola manana toetra tsara hafa be dia be izy. Aiza no ahitanao fanazavana momba an’ireny?
Jereo ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah fa misy lisitra-na toetra 50 mahery ao. Jereo eo ambanin’ilay lohateny hoe “Jehovah”, dia avy eo ilay lohatenikely hoe “Lisitry ny Toetrany.” Tadiavo avy eo izay mifanaraka amin’ilay tantara ao amin’ny Baiboly vakinao. (Raha ny Fitaovana Fikarohana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no anananao, dia jereo ilay lohateny hoe “Jehovah Andriamanitra” dia avy eo ilay lohatenikely hoe “Toetran’i Jehovah.”)
Mba Andramo IzaoMba Andramo Izao—Aogositra 2023