LAHATSORATRA FIANARANA 35
Miezaha Foana Hanam-paharetana
“Mitafia ... faharetana.”—KOL. 3:12.
HIRA 114 Miezaha Hanam-paharetana
HO HITANAO ATO a
1. Nahoana no tianao ny olona manam-paharetana?
TIANTSIKA rehetra rehefa manam-paharetana ny olona. Nahoana? Hajaintsika ny olona hoatr’izany satria tsy sorena izy rehefa mila miandry. Faly koa isika hoe manam-paharetana amintsika ny hafa rehefa manao fahadisoana isika. Soa ihany fa nanam-paharetana ny olona nampianatra Baiboly antsika, rehefa sarotra tamintsika ny nianatra sy nanaiky ary nampihatra zavatra iray. I Jehovah Andriamanitra anefa no tena isaorantsika satria manam-paharetana amintsika izy!—Rom. 2:4.
2. Rahoviana no mety ho sarotra amintsika ny hanam-paharetana?
2 Na tiantsika aza anefa hoe manam-paharetana ny hafa, dia mety tsy ho mora amintsika foana ny haneho an’io toetra io. Mety ho sarotra amintsika, ohatra, ny ho tony foana rehefa mitohana ny fifamoivoizana, indrindra raha tara isika. Mety ho tezitra be koa isika rehefa misy olona mahasosotra antsika. Ary indraindray mety ho mafy amintsika ny miandry an’ilay tontolo vaovao ampanantenain’i Jehovah. Tianao ve raha manam-paharetana kokoa ianao? Hodinihintsika ato hoe inona no dikan’ny hoe manam-paharetana ary nahoana no tena ilaina io toetra io. Hojerentsika koa izay azontsika atao mba hahatonga antsika hanam-paharetana kokoa.
INONA NO DIKAN’NY HOE MANAM-PAHARETANA?
3. Ahoana no ataon’ny olona manam-paharetana rehefa misy mampahatezitra azy?
3 Andao isika handinika fomba efatra ampisehoantsika hoe manam-paharetana isika. Voalohany, tsy mora tezitra ny olona manam-paharetana. Miezaka ho tony foana sy tsy hamaly faty izy rehefa misy mampahatezitra azy. Tsy kizitina koa izy rehefa miady saina. Oviana no nipoitra voalohany tao amin’ny Baiboly ilay teny hoe “tsy mora tezitra”? Tamin’i Jehovah nolazaina hoe “Andriamanitra mamindra fo sy mangoraka, tsy mora tezitra, tena be fitiavana sy tsy mivadika sady tena tia fahamarinana.”—Eks. 34:6.
4. Inona no ataon’ny olona manam-paharetana rehefa mila miandry izy?
4 Faharoa, tony ny olona manam-paharetana rehefa mila miandry. Ahoana raha ela kokoa noho ny nieritreretany azy ny zavatra iray? Tsy sosotra izy na hoe tsy mahatombina. (Mat. 18:26, 27) Betsaka ny toe-javatra mila ampisehoantsika hoe mahay miandry isika. Rehefa miresaka, ohatra, ny olona iray, dia mila manam-paharetana isika mihaino azy fa tsy manapaka ny teniny. (Joba 36:2) Mila manam-paharetana koa isika rehefa manampy mpianatra Baiboly hahazo tsara hevitra iray na hiala amin’ny fahazaran-dratsy.
5. Ahoana koa no ampisehoantsika hoe manam-paharetana isika?
5 Fahatelo, tsy maimaika hanao zavatra ny olona manam-paharetana. Marina aloha hoe mila manao zavatra haingana isika indraindray. Rehefa misy zavatra lehibe mila atao anefa, dia tsy maika hanomboka an’ilay izy ny olona manam-paharetana na mamita an’ilay izy maimaika fotsiny. Manokana fotoana ampy tsara kosa izy mba hanomanana an’izay ataony, dia avy eo maka fotoana ampy tsara hamitana an’ilay izy.
6. Ahoana no ataon’ny olona manam-paharetana rehefa miatrika fitsapana na zava-tsarotra izy?
6 Fahefatra, miezaka mafy ny olona manam-paharetana mba hiaritra fitsapana nefa tsy mitaraina. Mifandray akaiky àry ny faharetana sy ny fiaretana. Marina aloha hoe tsy diso isika raha miresaka amin’ny namana akaiky, ka mamboraka aminy an’izay tsapantsika momba an’ilay fitsapana. Ny olona manam-paharetana anefa manao izay tsara indrindra vitany mba hiaretana, sady miezaka hanana toe-tsaina tsara foana. (Kol. 1:11) Mila maneho an’ireo karazana faharetana rehetra ireo isika Kristianina. Nahoana? Andao handinika antony vitsivitsy.
NAHOANA NO TENA ILAINA NY FAHARETANA?
7. Nahoana no tena ilaina ny manam-paharetana, araka ny Jakoba 5:7, 8? (Jereo koa ny sary.)
7 Tena mila manam-paharetana isika mba ho voavonjy. Ilaina io toetra io rehefa miandry an’Andriamanitra hanatanteraka ny fampanantenany isika, hoatran’ny nataon’ny mpanompony tsy nivadika taloha. (Heb. 6:11, 12) Ampitahain’ny Baiboly amin’ny mpamboly isika. (Vakio ny Jakoba 5:7, 8.) Miasa mafy izy mamboly sy manondraka, fa tsy fantany hoe rahoviana marina ilay zavatra namboleny no haniry. Miandry sy manam-paharetana àry ilay mpamboly, ary matoky hoe hijinja vokatra izy indray andro any. Hoatr’izany koa isika. Miezaka ny ho be atao koa isika ka manao zavatra ara-panahy foana, na dia ‘tsy fantatsika [aza] ny andro hiavian’ny Tompontsika.’ (Mat. 24:42) Miandry sy manam-paharetana isika, ary matoky fa hanatanteraka ny fampanantenany rehetra i Jehovah amin’ny fotoana mety aminy. Raha tsy manam-paharetana mantsy isika, dia mety ho leo miandry ary hiala tsikelikely amin’ny fahamarinana. Mety hanomboka hitady zavatra ahazoantsika fahafinaretana eo no ho eo koa isika. Raha manam-paharetana anefa isika, dia hahavita hiaritra hatramin’ny farany ary ho voavonjy.—Mika 7:7; Mat. 24:13.
8. Nahoana no manampy antsika hifandray tsara amin’ny hafa ny faharetana? (Kolosianina 3:12, 13)
8 Manampy antsika hifandray tsara amin’ny hafa ny faharetana. Hihaino tsara, ohatra, isika rehefa misy miresaka. (Jak. 1:19) Manampy antsika ho tsara fihavanana amin’ny olona koa izy io. Miaro antsika io toetra io mba tsy hanao zavatra maimaika sy tsy hanao teny maharary rehefa miady saina. Tsy ho mora tezitra koa isika rehefa misy mandratra ny fontsika. Tsy hamaly faty isika fa hiezaka ‘foana hifandefitra sy hifamela heloka tanteraka.’—Vakio ny Kolosianina 3:12, 13.
9. Nahoana no manampy antsika hanapa-kevitra ny faharetana? (Ohabolana 21:5)
9 Manampy antsika hahay hanapa-kevitra koa ny faharetana. Tsy ho maimaika na ho taitaitra isika, fa haka fotoana tsara hanaovana fikarohana sy handinihana an’izay safidy ananantsika. (Vakio ny Ohabolana 21:5.) Raha mitady asa, ohatra, isika dia mety ho te hanaiky an’izay asa voalohany hitantsika eo, na dia hanelingelina ny fanompoantsika an’i Jehovah aza ilay izy. Raha manam-paharetana kosa isika, dia haka fotoana tsara mba handinihana hoe aiza ilay toerana iasana, adiny firy no miasa, inona no ho vokatr’ilay izy amin’ny fianakaviantsika sy ny fifandraisantsika amin’i Jehovah, sy ny sisa. Mety tsy handray fanapahan-kevitra ratsy isika raha manam-paharetana.
AHOANA NO ATAO MBA HANANANA FAHARETANA KOKOA?
10. Inona no hanampy ny Kristianina hanam-paharetana sy hanana azy io foana?
10 Mivavaha mba hanam-paharetana kokoa. Anisan’ny vokatry ny fanahy ny faharetana. (Gal. 5:22, 23) Mivavaha àry mba hahazo fanahy masina, ary angataho i Jehovah mba hanampy anao hanana ny vokatry ny fanahy. Rehefa sarotra amintsika ny hanam-paharetana, dia “mangataha foana” fanahy masina mba hanampy antsika. (Lioka 11:9, 13) Afaka mangataka amin’i Jehovah koa isika mba hitovy amin’ny azy ny fomba fahitantsika ny zava-mitranga. Rehefa avy mivavaka isika, dia mila manao izay tsara indrindra vitantsika mba hanam-paharetana isan’andro. Arakaraka ny ivavahantsika sy iezahantsika hanam-paharetana no hahatonga an’io toetra io hamaka ao am-pontsika, ka ho lasa maha izy antsika mihitsy.
11-12. Ahoana no ampisehoan’i Jehovah hoe manam-paharetana izy?
11 Saintsaino ireo ohatra ao amin’ny Baiboly. Miresaka olona be dia be nanam-paharetana ny Baiboly. Hahita fomba anehoana an’io toetra io isika raha misaintsaina an’ireny tantara ireny. Alohan’ny handinihantsika ny sasany amin’ireny anefa, dia andao isika hijery ny ohatr’i Jehovah. Izy mantsy no manam-paharetana indrindra.
12 Nanendrikendrika ny anaran’i Jehovah i Satana tao amin’ny zaridainan’i Edena. Nataony mantsy izay hahatonga an’i Eva hisalasala raha Mpitondra manao ny rariny sy be fitiavana i Jehovah. Tsy tonga dia nandringana an’ilay mpanendrikendrika anefa i Jehovah, fa nanam-paharetana sy nifehy tena. Fantany mantsy fa mitaky fotoana vao ho voaporofo hoe ny fitondrany no tsara indrindra. Sady miandry izy no miaritra ny fanalam-baraka ny anarany. Ankoatra izany, dia miandry sy manam-paharetana i Jehovah, amin’izay betsaka kokoa ny olona ho afaka hahazo fiainana mandrakizay. (2 Pet. 3:9, 15) An-tapitrisany àry no lasa mahafantatra azy. Raha mifantoka amin’ny soa azo avy amin’ny faharetan’i Jehovah isika, dia mety ho mora kokoa amintsika ny hiandry an’ilay fotoana hamaranany an’ity tontolo ity.
13. Ahoana no ahitana hoe nanam-paharetana hoatran’ny Rainy i Jesosy? (Jereo koa ny sary.)
13 Manahaka tanteraka ny Rainy i Jesosy, ka nanam-paharetana tamin’izy teto an-tany. Mety tsy ho mora taminy ny naneho an’io toetra io indraindray, indrindra tamin’ireo Fariseo sy mpanora-dalàna nihatsaravelatsihy. (Jaona 8:25-27) Nanahaka ny Rainy anefa izy ka tsy mora tezitra. Tsy namaly faty koa izy rehefa nisy nanambanimbany na nila vaniny taminy. (1 Pet. 2:23) Naneho faharetana izy rehefa niaritra fitsapana ary tsy nitaraina. Tsy mahagaga ny Baiboly raha mampirisika antsika ‘handinika tsara an’ilay niaritra ny teny feno fankahalana nolazain’ny mpanota’! (Heb. 12:2, 3) Ho vitantsika koa ny hanam-paharetana sy hiaritra an’izay fitsapana mahazo antsika, satria manampy antsika i Jehovah.
14. Inona no ianarantsika avy amin’ny faharetan’i Abrahama? (Hebreo 6:15) (Jereo koa ny sary.)
14 Ahoana raha tsy araka ny nieritreretantsika azy ny fotoana ahatongavan’ny farany? Efa ela angamba isika no nanantena hoe ho tonga izy io. Mety hatahotra isika sao ho faty ihany nefa mbola tsy tonga ny farany. Inona no hanampy antsika hiandry sy hanam-paharetana foana? Eritrereto i Abrahama. Efa 75 taona izy sady mbola tsy nanan-janaka tamin’i Jehovah nampanantena azy hoe: “Hataoko lasa firenena lehibe ianao.” (Gen. 12:1-4) Tsy tena nahita ny fahatanterahan’io fampanantenana io i Abrahama. Marina hoe hitany ihany ny nahaterahan’i Isaka zanany noho ny fahagagana nataon’i Jehovah, rehefa avy niampita ny Reniranon’i Eofrata sy niandry 25 taona izy. Hitany koa ny nahaterahan’i Esao sy Jakoba zafikeliny, 60 taona taorian’izay. (Vakio ny Hebreo 6:15.) Tsy hitany mihitsy anefa ilay hoe lasa firenena lehibe sy nandova ny Tany Nampanantenaina ny taranany. Na izany aza, dia mpinamana be tamin’ny Mpamorona azy io lehilahy nanam-pinoana io, ary tena nankafy an’izany izy. (Jak. 2:23) Ho faly be izao i Abrahama rehefa hatsangana amin’ny maty, ka mahafantatra hoe nahazo fitahiana ny firenena rehetra noho izy nanam-pinoana sy nanam-paharetana! (Gen. 22:18) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Mety tsy ho hitantsika amin’izao daholo ny fahatanterahan’ny fampanantenan’i Jehovah. Raha manam-paharetana hoatran’i Abrahama anefa isika, dia hatoky fa hamaly soa antsika i Jehovah dieny izao, ary mbola hanao mihoatra noho izany aza ao amin’ilay tontolo vaovao ampanantenainy.—Mar. 10:29, 30.
15. Inona no mety ho azontsika atao fianarana samirery?
15 Misy olon-kafa be dia be koa resahin’ny Baiboly hoe nanam-paharetana. (Jak. 5:10) Maninona raha mianatra momba an’ireny? b Mbola kely, ohatra, i Davida dia efa nohosorana ho mpanjakan’ny Israely. Tsy maintsy niandry taona maro anefa izy vao tena lasa mpanjaka. Tsy nivadika tamin’i Jehovah koa i Simeona sy Ana rehefa niandry an’ilay Mesia nampanantenaina. (Lioka 2:25, 36-38) Rehefa mianatra an’ireny tantara ireny ianao, dia tadiavo ny valin’ireto: ‘Inona no mety ho nanampy an’io olona io hanam-paharetana? Inona ny soa noraisiny noho izy nanam-paharetana? Ahoana no anahafako azy?’ Mety hahasoa anao koa ny mianatra momba an’ireo olona tsy nanam-paharetana. (1 Sam. 13:8-14) Saintsaino izao: ‘Inona no mety ho nahatonga azy tsy hanam-paharetana? Dia inona ny vokatr’izany?’
16. Inona, ohatra, ny soa raisintsika raha manam-paharetana isika?
16 Diniho ny soa azontsika raha manam-paharetana isika. Vao mainka ho faly sy ho tony isika, ka ho salama kokoa ny saintsika sy ny vatantsika. Raha manam-paharetana amin’ny hafa koa isika, dia hihatsara ny fifandraisantsika amin-dry zareo ary hiray saina kokoa ny fiangonana. Ary ahoana raha misy mahasosotra antsika? Tsy ho mora tezitra isika ka tsy hitatra ilay olana. (Sal. 37:8, f.a.p.; Ohab. 14:29) Ny tena zava-dehibe anefa dia hoe hanahaka an’ilay Raintsika any an-danitra isika sady hifandray akaiky kokoa aminy, raha manam-paharetana.
17. Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?
17 Tena toetra tsara sy mahasoa tokoa ny faharetana! Marina aloha hoe tsy mora amintsika ny maneho an’io toetra io indraindray. Hahavita hiezaka foana hanana azy io anefa isika rehefa ampian’i Jehovah. Mandra-piandry ny tontolo vaovao, dia matoky isika hoe “ny mason’i Jehovah mitsinjo an’izay matahotra azy, dia ireo miandry ny hanehoany fitiavana sy tsy fivadihana.” (Sal. 33:18) Enga anie isika rehetra ho tapa-kevitra ny ‘hitafy faharetana’ foana!
HIRA 41 Mba Henoy ny Vavaka Ataoko
a Tsy manam-paharetana ny ankamaroan’ny olona eto amin’ny tontolon’i Satana. Mampirisika antsika hitafy faharetana anefa ny Baiboly. Ho hitantsika ato hoe nahoana no tena ilaina io toetra io, ary inona no hanampy antsika hanam-paharetana kokoa.
b Misy tantaran’olona resahin’ny Baiboly hoe nanam-paharetana ao amin’ilay lohateny hoe “Faharetana”, ao amin’ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah.