Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Inona ilay “antoka” sy “tombo-kase” omen’Andriamanitra ny Kristianina voahosotra tsirairay?—2 Kor. 1:21, 22.

Nasiana tanimanga na savoka kely teo amin’izay taratasy tiana ho ara-dalàna, ary avy eo notombohina tamin’ny peratra fanombohan-kase

Antoka: Milaza ny boky iray fa “teny nampiasaina tamin’ny fifanarahana natao na tamin’ny resaka varotra” ilay teny grika nadika hoe “antoka” ao amin’ny 2 Korintianina 1:22. Hoy ilay boky: ‘Ny “antoka”, dia ampahana vola omenao mialoha mba hataonao porofo ara-dalàna hoe efa anao ny zavatra iray tianao hovidina. Manome antoka koa ny olona indraindray mba hampanan-kery ny fifanarahana ataony.’ Nampanantena an’ireo voahosotra i Jehovah fa ho any an-danitra izy ireo, izany hoe hahazo valisoa. Ny fanahy masina no antoka nomeny azy ireo. Rehefa lasa fanahy tsy mety maty any an-danitra anefa izy ireo vao azo lazaina hoe tena nahazo an’ilay valisoa.—2 Kor. 5:1-5; 1 Kor. 15:48-54.

Misy koa teny grika maoderina mitovitovy amin’ny hoe “antoka.” Midika hoe peratra fifamofoana izy io. Mety tsara àry raha milaza ny Baiboly hoe nomena “antoka” ny voahosotra, satria antsoina hoe fofombadin’i Kristy izy ireo, ary ho lasa vadiny.—2 Kor. 11:2; Apok. 21:2, 9.

Tombo-kase: Nampiasaina tamin’ny taratasy fifanekena ny tombo-kase fahiny. Natao hanaporofoana koa izy io hoe an’iza ny zavatra iray, na hoe tsy sandoka ilay izy. Toy ny hoe nasiana “tombo-kase” ny voahosotra rehefa nohosoran’i Jehovah fanahy masina, mba hanaporofoana fa fananany izy ireo. (Efes. 1:13, 14) Aloha kelin’ny fahoriana lehibe anefa vao tsy hesorina aminy intsony ilay tombo-kase, na aloha kelin’ny hahafatesany raha tsy mivadika mihitsy izy.—Efes. 4:30; Apok. 7:2-4.