Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Avelao Hamita ny Asany ny Fiaretana’

‘Avelao Hamita ny Asany ny Fiaretana’

Avelao hamita ny asany ny fiaretana, mba ho lavorary sy tsy hisy tsiny amin’ny lafiny rehetra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na amin’inona na amin’inona.’—JAK. 1:4.

HIRA: 135, 139

1, 2. a) Inona no ianarantsika avy amin’i Gideona sy ny miaramilany? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Nahoana isika no mila miaritra, araka ny Lioka 21:19?

NIADY tamin’ny Israelita ny Midianita sy ny namany. I Gideona Mpitsara no nitarika ny miaramila israelita. Tena mafy ilay ady! Efa nandritra ny alina tontolo ry Gideona no nanenjika an’ireo fahavalony ireo. Nahavita 32 kilaometatra teo ho eo izy ireo. Inona no nitranga avy eo? Hoy ny Baiboly: “Tonga teo amin’ny Reniranon’i Jordana i Gideona, ka niampita azy io izy sy ireo telonjato lahy niaraka taminy. Efa reraka izy ireo.” Mbola nisy 15000 teo ho eo anefa ny fahavalony. Fantatr’izy ireo fa mbola tokony hiady izy ireo, satria efa an-taonany maro ny Midianita no nampijaly azy. “Mbola nanenjika ny fahavalony ihany” àry izy ireo, ka nandresy tanteraka.—Mpits. 7:22; 8:4, 10, 28.

2 Manana fahavalo koa isika isan’andro. Tsy iza izany fa i Satana sy ny tontolony ary ny tenantsika tsy lavorary. Efa an-taonany maro ny sasany amintsika no niady mafy, ary imbetsaka no nandresy satria nampian’i Jehovah. Na izany aza, dia reraka isika indraindray ka tsy te hiady intsony, sady mitady tsy hahandry ny faran’ity tontolo ity. Mbola tsy tena naharesy anefa isika. Nilaza i Jesosy fa tsy maintsy hiaritra fitsapana faran’izay mafy isika sady hisy hampijaly. Nilaza koa anefa izy fa handresy isika raha miaritra. (Vakio ny Lioka 21:19.) Inona àry no atao hoe miaritra? Inona no hanampy antsika hiaritra? Inona no ianarantsika avy amin’ireo mpanompon’i Jehovah efa niaritra? Ary inona no tokony hataontsika raha tiantsika ‘hamita ny asany ny fiaretana’?—Jak. 1:4.

INONA NO ATAO HOE FIARETANA?

3. Inona no atao hoe miaritra?

3 Tsy hoe mizaka an’izay fitsapana na olana mitranga fotsiny no atao hoe miaritra, raha ny Baiboly no jerena. Manana toe-tsaina tsara koa ny olona miaritra. Tsy mety kivy izy fa mikiry amin’izay ataony, ary manam-paharetana. Milaza ny boky iray fa ny hoe miaritra, dia midika hoe ‘mihafy sady manantena mafy hoe hihatsara ilay toe-javatra. Ny fiaretana no manampy ny olona hitraka foana fa tsy hitanondrika. Mino mantsy izy fa handresy, na dia miatrika fitsapana faran’izay mafy aza. Fantany fa hisy vokany tsara raha miaritra izy.’

4. Nahoana isika no milaza fa ny fitiavana no mahatonga ny olona iray hiaritra?

4 Ny fitiavana no mahatonga ny Kristianina hiaritra. (Vakio ny 1 Korintianina 13:4, 7.) Hahavita hiaritra an’izay zava-drehetra avelan’i Jehovah hitranga, ohatra, isika raha tia azy. (Lioka 22:41, 42) Hiaritra ny zavatra tsy mety ataon’ny Kristianina hafa koa isika, raha tia azy ireo. (1 Pet. 4:8) Raha tena tia ny vadiny ny olona iray, dia hahavita hiaritra sy hanatsara ny tokantranony foana. ‘Manam-pahoriana’ mantsy ny mpivady, eny fa na dia ireo mpivady mifankatia be aza.—1 Kor. 7:28.

INONA NO HANAMPY ANAO HIARITRA?

5. Nahoana i Jehovah no tena afaka manampy antsika hiaritra?

5 Mangataha hery amin’i Jehovah. Izy mantsy “ilay Andriamanitra manome fiaretana sy fampiononana.” (Rom. 15:5) Izy no tena mahafantatra ny manjo antsika sy ny fihetseham-pontsika ary ny maha izy antsika. Izy irery àry no tena afaka manampy antsika hiaritra. Hoy ny Salamo 145:19: “Hotanterahiny ny fanirian’izay matahotra azy. Hohenoiny izy ireo rehefa miantso vonjy, ka hovonjeny.” Inona anefa no hataon’i Jehovah rehefa mangataka hery aminy isika mba hahavitana hiaritra?

6. Inona no mety hataon’i Jehovah rehefa miatrika fitsapana isika?

6 Vakio ny 1 Korintianina 10:13. ‘Hanisy lalan-kivoahana’ i Jehovah, raha mivavaka aminy isika rehefa misy fitsapana. Midika ve izany fa hesoriny ilay fitsapana? Mety hanao an’izany izy. Matetika anefa no ataony fotsiny izay hahazakantsika an’ilay izy. Omeny hery isika mba hahavitantsika “hiaritra tanteraka sady haneho fahari-po amim-pifaliana.” (Kol. 1:11) Fantany tsara koa hoe inona no tsy zakan’ny saintsika sy ny fontsika ary ny vatantsika. Tsy avelany hisy fitsapana mafy loatra amintsika àry, ka hahatonga antsika hivadika aminy.

7. Nahoana isika no mila sakafo ara-panahy? Hazavao amin’ny ohatra.

7 Mazotoa mihinana sakafo ara-panahy mba hampahatanjaka ny finoanao. Ny Tendrombohitra Everest no tendrombohitra avo indrindra eran-tany. Tsy maintsy mihinana sakafo betsaka kokoa noho ny isan’andro ny olona iray, raha te ho tafakatra eny an-tampon’izy io. Tsy maintsy mihinana sakafo ara-panahy be dia be foana koa isika, raha te hahavita hiaritra mandra-pahatratrantsika ny tanjontsika. Mila mifehy tena isika ka hanokana fotoana hamakiana sy hianarana Baiboly ary hivoriana. ‘Hahazo sakafo maharitra izay mitondra fiainana mandrakizay’ isika amin’izay, ka hatanjaka ny finoantsika.—Jaona 6:27.

8, 9. a) Inona no mila porofointsika rehefa miaritra fitsapana isika, araka ny Joba 2:4, 5? b) Inona no azonao atao rehefa miaritra ny mafy ianao?

8 Tadidio fa manohana an’i Jehovah ianao raha tsy mivadika. Marina fa mijaly isika rehefa iharam-pitsapana. Amin’izay indrindra anefa isika no tokony hanaporofo fa ekentsika hoe i Jehovah no Mpanjakan’izao Rehetra Izao. Tokony ho hita amin’ny zavatra ataontsika izany. I Satana kosa tsy manaiky hoe manana zo ho mpitondra i Jehovah, ary izao no teniny tamin’i Jehovah: “Izay rehetra ananan’ny olona dia homeny hiarovana ny ainy. Fa ahinjiro kosa ny tananao, azafady, ary kasiho hatramin’ny taolany sy ny nofony, dia jereo raha tsy hanozona anao eo imasonao izy.” (Joba 2:4, 5) Nilaza izy fa tsy tena tia an’i Jehovah ny olona fa te hahazo tombony fotsiny matoa manompo azy. Efa niova hevitra ve i Satana? Tsia! Noroahina avy tany an-danitra izy, taonjato maro tatỳ aoriana, ary mbola ‘miampanga ny rahalahintsika andro aman’alina eo anatrehan’Andriamanitsika.’ (Apok. 12:10) Tiany hivadika isika rehefa misy fitsapana, ka tsy hanohana an’i Jehovah intsony.

9 Inona no azonao atao rehefa miaritra ny mafy ianao? Eritrereto hoe io i Satana sy ny demoniany mitazana anao, sady milaza hoe tsy hahavita hiaritra ianao fa ho kivy dia hivadika. Eritrereto koa hoe mijery anao i Jehovah, Jesosy Kristy Mpanjaka, ireo voahosotra efa natsangana tamin’ny maty, ary ireo anjely maro be. Mampahery anao izy ireo, satria faly fa miaritra foana ianao ary manohana ny fitondran’i Jehovah. Ataovy hoatran’ny hoe ianao mihitsy àry no ilazan’i Jehovah hoe: “Hendre, anaka, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako an’ilay manaratsy ahy.”—Ohab. 27:11.

10. Inona no nataon’i Jesosy ka azonao tahafina?

10 Saintsaino hoe inona no ho vokany raha miaritra ianao. Eritrereto hoe manao dia lavitra ianao, ary mandeha ao anaty tionelina lava be. Mijanona kely ianao rehefa tonga eo antenatenany. Maizina be daholo izay jerenao. Matoky anefa ianao fa raha mbola mandeha ihany, dia ho tonga any amin’ny faran’ilay tionelina ka hahita hazavana indray. Toy ny hoe ao anaty haizina koa ianao indraindray rehefa be loatra ny olana mahazo anao. Na i Jesosy aza mety ho nahatsapa hoatr’izany. Tsy maintsy nizaka ny “teny fanoheran’ny mpanota” izy, nalam-baraka, ary nampijalina sy novonoina teo amin’ny “hazo fijaliana” mihitsy aza. Toy ny hoe maizina taminy ny tany aman-danitra tamin’izay. Niaritra anefa izy “noho ilay fifaliana natao teo anoloany.” (Heb. 12:2, 3) Nosaintsaininy hoe inona no ho vokany raha miaritra izy. Ho voaporofo, ohatra, fa manana zo hitondra i Jehovah, ary hohamasinina ny anarany. Toy ny haizina mihelina fotsiny ny fitsapana nahazo an’i Jesosy. Toy ny hazavana mamiratra kosa ny valisoa azony any an-danitra, sady maharitra mandrakizay. Miaritra fitsapana mafy be angamba ianao izao, ary mila hamoy fo mihitsy. Tadidio anefa fa mandeha eo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay ianao, ary mihelina ihany ny fahorianao.

“IREO EFA NIARITRA”

11. Nahoana isika no tokony handinika ny tantaran’ireo olona “efa niaritra”?

11 Tsy miady irery isika. Nampirisihin’ny apostoly Petera isika Kristianina mba hiaritra ny fitsapana misesisesy alefan’i Satana. Hoy izy: ‘Tohero izy ka manàna finoana matanjaka, satria fantatrareo fa ampitondraina fijaliana toy izany koa ny rahalahinareo rehetra ao amin’ny finoana, eran’izao tontolo izao.’ (1 Pet. 5:9) Tsara raha mandinika ny tantaran’ireo olona “efa niaritra” isika. Amin’izay ho haintsika ny tokony hatao raha tsy te hivadika mihitsy isika. Mampahatsiahy antsika koa izy ireny fa ho vitantsika ny hiaritra, ary hahazo valisoa isika raha manao izany. (Jak. 5:11) Andeha isika handinika ohatra vitsivitsy. [1]

12. Inona no ianarantsika avy amin’ireo kerobima tany Edena?

12 Ny kerobima. Izy ireo no anjely voalohany hitan’ny olombelona. Nisy tamin’izy ireo mantsy nirahin’i Jehovah hanketỳ an-tany. Nasian’i Jehovah ‘kerobima sy lelan-tsabatra mirehitra sady mihodinkodina teo amin’ny ilany atsinanan’ny zaridainan’i Edena, mba hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina.’ [2] (Gen. 3:24) Tsy izany anefa no antony namoronana ny kerobima. Tsy nataon’Andriamanitra hanota sy hikomy mantsy ny olombelona. Manana toerana ambony be koa ny kerobima, nefa tsy nitaraina mihitsy hoe tsy izy ireo no tokony hiambina an’ilay zaridaina. Tsy leo mihitsy izy ireo ka hoe niala teo. Angamba tamin’ny Safodrano vao vita ilay asa nanendrena azy ireo, izany hoe naharitra 1600 taona mahery. Nankatò foana anefa izy ireo, ka namita an’ilay asa. Modely ho anao àry ny kerobima, raha sarotra be aminao ny asa nanendrena anao.

13. Nahoana i Joba no nahavita niaritra fitsapana mafy?

13 Joba. Nisy namanao na havanao niteny zavatra nahakivy anao ve? Sa marary ianao, na malahelo be fa nisy havanao na namanao maty? Hampahery anao ny tantaran’i Joba. (Joba 1:18, 19; 2:7, 9; 19:1-3) Tsy kivy mihitsy izy na dia tsy fantany aza hoe nahoana izy no nijaly. “Natahotra an’Andriamanitra” mantsy izy, ka te hampifaly azy foana na tamin’ny mora na tamin’ny sarotra. (Joba 1:1) Nampian’i Jehovah koa izy, ka nahita hoe efa be dia be ny zavatra mahagaga vitan’i Jehovah tamin’ny alalan’ny fanahy masina. Vao mainka àry i Joba natoky fa hofaranany ny fijaliany, amin’ny fotoana hitany hoe mety amin’izany. (Joba 42:1, 2) Izany tokoa no nitranga! “Natsahatr’i Jehovah ny fahorian’i Joba”, ary ‘nomeny avo roa heny noho izay nananany taloha izy.’ Ela velona koa izy sady sambatra.—Joba 42:10, 17.

14. Inona no vokany rehefa nahita an’i Paoly niaritra ny mpiara-manompo taminy, araka ny 2 Korintianina 1:6?

14 Ny apostoly Paoly. Miaritra fanenjehana mafy ve ianao izao? Sa ianao anti-panahy na mpiandraikitra ny faritra, ary mahatsapa hoe be loatra ny andraikitrao? Saintsaino ny tantaran’i Paoly. Imbetsaka izy no niaritra fanenjehana mafy. Nampiady saina azy koa isan’andro ny zava-nitranga teo anivon’ny fiangonana. (2 Kor. 11:23-29) Tsy kivy mihitsy anefa izy, ary nampahery ny hafa izany. (Vakio ny 2 Korintianina 1:6.) Tadidio fa modely ho an’ny hafa ianao raha miaritra rehefa misy fitsapana.

‘AVELANAO HAMITA NY ASANY’ VE NY FIARETANA?

15, 16. a) Inona no dikan’ilay hoe ‘avelao hamita ny asany ny fiaretana’? b) Rahoviana avy no tokony ‘havelantsika hamita ny asany ny fiaretana’?

15 Hoy ny Jakoba 1:4: ‘Avelao hamita ny asany ny fiaretana, mba ho lavorary sy tsy hisy tsiny amin’ny lafiny rehetra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na amin’inona na amin’inona.’ Inona no dikan’izany? Rehefa iharam-pitsapana isika matetika vao mahita hoe misy toetra mila hatsaraintsika. Raha miaritra anefa isika, dia vao mainka “ho lavorary sy tsy hisy tsiny”, izany hoe ho lasa tsara toetra kokoa. Vao mainka, ohatra, isika hanam-paharetana, na hahay hankasitraka, na hahay hangoraka.

Ho lasa tsara toetra kokoa isika raha miaritra rehefa misy fitsapana (Fehintsoratra 15, 16)

16 Aza mandika ny toro lalan’i Jehovah mihitsy àry, na dia mafy be aza ny fitsapana mahazo anao. Miareta satria hanampy anao hihamatotra izany. Ahoana, ohatra, raha mitady hieritreri-dratsy foana ianao? Aza manaiky ho resy fa mivavaha mba handresy an’ilay izy. Hahay hifehy tena kokoa ianao amin’izay. Ary raha enjehin’ny fianakavianao ianao satria manompo an’i Jehovah? Aza manaiky lembenana mihitsy fa manompoa foana azy amin’ny fo manontolo. Vao mainka ianao amin’izay hatoky azy. Tadidio fa izay miaritra ihany no hahazo sitraka amin’i Jehovah.—Rom. 5:3-5; Jak. 1:12.

17, 18. a) Nahoana isika no mila miaritra hatramin’ny farany? Hazavao amin’ny ohatra. b) Inona no atokisantsika?

17 Mila miaritra hatramin’ny farany isika fa tsy hoe vetivety fotsiny. Eritrereto hoe misy sambo rendrika. Tsy maintsy milomano hatreny an-tanety ny olona tao anatin’ilay izy, raha tsy te ho faty. Ahoana anefa raha vao milomano kelikely ny sasany dia efa mijanona? Ary ahoana indray raha misy efa akaiky ho tonga nefa mijanona? Azo antoka fa samy ho faty izy rehetra. Mila miaritra koa àry isika mandra-pahatonga any amin’ny tontolo vaovao. Tsy ho voavonjy isika raha tsy izany. Hanahaka an’i Paoly isika ka hilaza hoe: “Tsy kivy izahay.”—2 Kor. 4:1, 16.

18 Matoky tanteraka isika fa hanampy antsika hiaritra hatramin’ny farany i Jehovah. Ekentsika ity tenin’i Paoly ity: “Mivoaka ho mpandresy tanteraka isika amin’izany rehetra izany, amin’ny alalan’ilay tia antsika. Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na fitondram-panjakana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na zavaboary hafa, dia tsy hisy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra, izay aseho amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika.” (Rom. 8:37-39) Niaritra hatramin’ny farany i Gideona sy ny miaramilany, ka “mbola nanenjika ny fahavalony ihany” na dia efa reraka aza. (Mpits. 8:4) Mety ho reraka koa isika indraindray. Hiezaka mafy hanahaka azy ireo anefa isika, ka hiaritra hatramin’ny farany.

^ [1] (fehintsoratra 11) Mety hampahery sy hanatanjaka ny finoanao koa ny tantaran’ireo mpanompon’i Jehovah ankehitriny. Hita ao amin’ny Diary 1992 sy 1999 ary 2008, ohatra, fa niaritra ny mafy ireo rahalahy tany Etiopia sy Malawi ary Rosia.

^ [2] (fehintsoratra 12) Tsy resahin’ny Baiboly hoe firy ny kerobima niambina an’ilay saha.