Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Manohana An’ity Tontolo ity Mihitsy!

Aza Manohana An’ity Tontolo ity Mihitsy!

Aloavy amin’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.’MAT. 22:21.

HIRA: 33137

1. Inona no hataontsika raha mankatò an’Andriamanitra sy ny mpitondra isika?

MILAZA ny Tenin’Andriamanitra fa tokony hankatò ny mpitondra olombelona isika. Voalaza ao koa anefa hoe Andriamanitra no tsy maintsy ankatoavintsika, fa tsy olona. (Asa. 5:29; Tit. 3:1) Mifanohitra ve izany? Tsia. Hoy i Jesosy: ‘Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.’ [1] (Mat. 22:21) Inona no dikan’izany? Mankatò ny fitondram-panjakana ao amin’ny tany misy antsika isika, ka manaja ny manam-pahefana sy mankatò lalàna ary mandoa hetra. (Rom. 13:7) Tsy manaiky anefa isika raha asain’ny manam-pahefana manao zavatra tsy tian’Andriamanitra, saingy hajaintsika tsara foana izy ireo.

2. Ahoana no hahitana raha tsy midikiditra amin’ny politika isika?

2 Inona no dikan’ilay hoe manome an’Andriamanitra izay tokony ho azy? Manao izany isika raha tsy midikiditra amin’ny politika. (Isaia 2:4) Tsy mikomy amin’ny fitondrana àry isika, satria mbola avelan’i Jehovah hisy izy ireny. Tsy manindrahindra tanindrazana koa isika na mampirisika ny olona hanao izany. (Rom. 13:1, 2) Tsy mifidy na milatsaka hofidina isika. Tsy manongam-panjakana koa isika na mampirisika ny mpitondra hanao zavatra iray.

3. Nahoana isika no tsy tokony hanohana an’ity tontolo ity?

3 Nahoana isika no tsy manohana an’ity tontolo ity? Misy antony maromaro ao amin’ny Baiboly. Nilaza i Jesosy fa tokony hanahaka azy ny mpianany, ka tsy tokony ho “anisan’izao tontolo izao.” Tsy manao politika àry isika sady tsy mandeha miady. (Jaona 6:15; 17:16) Te hanohana ny Fanjakan’Andriamanitra foana koa isika. Isika mantsy mitory hoe io Fanjakana io ihany no mahavaha ny olana rehetra. Ho sahy hitory an’izany ve isika raha mbola manohana ny fitondran’olombelona? Lasa miray saina amin’ny vahoakan’i Jehovah eran-tany koa isika rehefa tsy manao politika. (1 Pet. 2:17) Ny fivavahan-diso kosa manao politika, ka lasa misara-bazana ny mpivavaka ao aminy.

4. a) Nahoana no mety hisy olona hanery antsika hanohana an’ity tontolo ity? b) Nahoana isika no tokony hanomana ny saintsika dieny izao hoe tsy hanao politika mihitsy?

4 Mbola tsy manenjika ny fivavahana marina angamba ny mpitondra ao amin’ny tany misy anao, sady tsy manery anao hanao politika. Mety hiova anefa izany, satria efa kely sisa dia ho rava ny tontolon’i Satana. ‘Tsy azo ifanarahana’ sy “be di-doha” ny ankamaroan’ny olona, ka vao mainka hisara-bazana ity tontolo ity. (2 Tim. 3:3, 4) Any amin’ny tany sasany aza efa mahita olana ny rahalahintsika, satria niova tampoka ny toe-draharaha politika ao amin’ilay tany. Dieny izao àry isika dia efa tokony hanomana ny saintsika hoe tsy hanao politika mihitsy. Raha miandry hoe teren’ny olona hanao politika mantsy isika vao manao an’izany, dia mety hanaiky lembenana. Inona àry no tokony hataontsika raha tsy te hivadika mihitsy isika? Handinika zavatra efatra isika ato.

MIEZAHA HITOVY HEVITRA AMIN’I JEHOVAH

5. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny fitondran’olombelona?

5 Voalohany, tokony hitovy hevitra amin’i Jehovah isika raha tsy te hanao politika mihitsy. Marina fa manao ny rariny ny mpitondra sasany. Tsy nataon’i Jehovah hifampitondra anefa isika. (Jer. 10:23) Mampirisika ny olona hanindrahindra tanindrazana ny fitondran’olombelona, ka mampisara-bazana azy ireo. Na ny mpitondra mahay indrindra aza tsy mahavaha ny olana rehetra. Lasa fahavalon’ny Fanjakan’Andriamanitra koa ny fitondran’olombelona, nanomboka tamin’ny 1914. Kely sisa dia haringan’izy io ny fitondrana rehetra eto an-tany.—Vakio ny Salamo 2:2, 7-9.

6. Inona no tokony hataontsika amin’ny manam-pahefana?

6 Mbola avelan’i Jehovah hisy ny fitondran’olombelona, satria mampisy filaminana izany ka lasa afaka mitory ny vaovao tsara isika. (Rom. 13:3, 4) Asain’i Jehovah hivavaka ho an’ny manam-pahefana mihitsy aza isika, indrindra raha mitady hisy vokany amin’ny fanompoantsika ny zavatra hataony. (1 Tim. 2:1, 2) Raha hiharan’ny tsy rariny isika, dia miangavy azy ireo hanampy antsika, toy ny nataon’ny apostoly Paoly. (Asa. 25:11) Marina fa milaza ny Baiboly hoe mifehy ny fitondran’olombelona i Satana, ilay fahavalon’i Jehovah. (Lioka 4:5, 6) Tsy midika anefa izany hoe izy no mifehy ny mpitondra tsirairay. Tsy tokony hilaza mihitsy àry isika hoe fehezin’ny Devoly ny manam-pahefana iray. Tsy ‘manaratsy olona’ isika, anisan’izany ny “fanjakana sy ny manam-pahefana mpitondra.”—Tit. 3:1, 2.

7. Inona no tsy tokony hataontsika?

7 Mankatò an’i Jehovah isika ka tsy manohana kandidà na antoko politika, na dia mety hahasoa antsika aza izany. Ahoana anefa raha manao ny tsy rariny ny mpitondra, ary mampijaly ny vahoakan’i Jehovah mihitsy aza? Mety hidina an-dalambe ny vahoaka mba hanonganana azy. Marina fa tsy hanao an’izany ianao. Manohana azy ireo ihany ve anefa ianao any an-tsainao any? (Efes. 2:2) Tsy tokony hitsabaka amin’ny politika mihitsy isika, na amin’izay lazaintsika na ataontsika, na amin’ny zavatra eritreretintsika.

MIEZAHA “HO MALINA” NEFA “TSY HANAN-TSINY”

8. Inona no dikan’ilay hoe “malina” nefa ‘tsy manan-tsiny’ rehefa misy manery antsika hanohana an’ity tontolo ity?

8 Faharoa, tokony “ho malina tahaka ny bibilava” isika, nefa “tsy hanan-tsiny tahaka ny voromailala”, raha tsy te hanohana an’ity tontolo ity mihitsy. (Vakio ny Matio 10:16, 17.) Malina isika raha mitsinjo mialoha ny olana mety hitranga. Tsy hanan-tsiny mihitsy koa isika raha tsy manaiky lembenana rehefa mipoitra tokoa ilay olana. Inona avy àry ny olana mety hitranga, ary inona no tokony hataontsika?

9. Inona no tokony hotandremantsika rehefa miresaka isika?

9 Rehefa miresaka. Mila mitandrina isika rehefa misy olona mitady hanao adihevitra politika. Rehefa mitory, ohatra, dia aza manakiana na mandokadoka ny zavatra ataon’ny mpanao politika. Mitadiava marimaritra iraisana, ka ilay olana resahina fa tsy ny soso-kevitry ny mpanao politika. Asehoy avy ao amin’ny Baiboly izay hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra mba hamahana tanteraka an’ilay olana. Ary raha miresaka zavatra mampiady hevitra ilay olona, ohatra hoe momba ny lehilahy manambady lehilahy na ny fanalana zaza? Resaho aminy ny fitsipik’i Jehovah ary hazavao hoe miezaka mankatò an’izany isika. Aza miresaka momba ny hevitry mpanao politika mihitsy. Tsy tokony hilaza isika hoe mila foanana na ovana ny lalàna na hoe ahoana no tokony hampiharana azy. Tsy manery ny hafa hanaraka ny hevitsika koa isika.

10. Inona no tokony hotandremantsika rehefa mihaino na mijery vaovao?

10 Rehefa mihaino vaovao. Manohitra na manohana ny fitondrana ny haino aman-jery sasany, ka manova kely an’izay vaovao resahiny. Misy koa ataon’ny mpanao politika fitaovana, na fehezin’ny fitondrana. Tsy toy izany kosa ny any an-tany hafa. Mitandrema foana anefa, satria mety hilaza ny heviny momba ny politika ny mpanao gazety ka mety ho lasa manohana azy isika. Eritrereto izao: ‘Tia mihaino mpanao gazety iray ve aho satria mitovy hevitra aminy?’ Angamba tokony hitady radio na tele na gazety tsy manohana na iza na iza ianao. Tsara foana anefa raha tsy liana be loatra amin’ny vaovao avoakan’ny haino aman-jery iray ianao, raha efa hita hoe manohana firehan-kevitra politika iray ilay izy. Diniho koa sao dia efa tsy mifanaraka amin’ny “modelin’ny teny mahasoa” ao amin’ny Baiboly ilay vaovao.—2 Tim. 1:13.

11. Nahoana isika no mety hivadika amin’i Jehovah raha miraiki-po be amin’ny fananantsika?

11 Fitiavan-karena. Mety hanaiky lembenana isika rehefa misy fitsapana, raha miraiki-po be amin’ny fananantsika. Nilaza i Ruth, any Malawi, fa maro ny Vavolombelona nivadika rehefa nisy fanenjehana tany, teo anelanelan’ny 1970 sy 1980. Hoy izy: “Nankany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana niaraka taminay ihany ny sasany. Nalahelo ny fiainany taloha anefa ry zareo, ka lasa niditra tao amin’ny antoko politika ary avy eo niverina nody. Mafy mantsy ny fiainana tao amin’ilay toby ka tsy te hiaritra ry zareo.” Tsy nanaiky lembenana kosa ny ankamaroan’ny vahoakan’i Jehovah, na dia sarotra aza ny fiainana ary na dia namoy ny fananany rehetra aza izy ireo.—Heb. 10:34.

12, 13. a) Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny olombelona rehetra? b) Ahoana no ahitana raha lasa manambonimbony ny tany niaviantsika isika?

12 Manambony tena. Matetika ny olona no manambonimbony ny fireneny, kolontsainy, tanànany, na ny firazanany. Lasa tsy mitovy hevitra amin’i Jehovah anefa isika raha manao toy izany. Mitovy daholo mantsy ny olona aminy fa tsy misy ambony sy ambany. (Rom. 10:12) Tsy midika anefa izany hoe tsy ankasitrahany isika raha manaraka ny kolontsaintsika. Nataon’i Jehovah isan-karazany mantsy isika, sady mahafinaritra ny mahita kolontsaina samihafa.

13 Mety hanindrahindra tanindrazana koa ny olona iray, raha manambonimbony ny tany niaviany. Na ny Kristianina aza mety hanao an’izany. Nanavakavaka ny mpiara-manompo taminy, ohatra, ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany. (Asa. 6:1) Ahoana àry no ahitana hoe efa manambony tena isika? Andeha hatao hoe misy mpiara-manompo avy any an-tany hafa manome soso-kevitra anao. Tonga dia hanohitra an’ilay izy ve ianao ka hieritreritra hoe: ‘Ny anay mbola tsara kokoa noho izany’? Tokony hanetry tena isika ka hampihatra ny Filipianina 2:3 hoe: “Aoka samy hanao ny hafa ho ambony noho ny tenany.”

AVELAO HANAMPY ANAO I JEHOVAH

14. Nahoana no mahasoa ny mivavaka, ary inona ny fitantarana ao amin’ny Baiboly manaporofo an’izany?

14 Fahatelo, tsy hanohana an’ity tontolo ity mihitsy isika raha manaiky hampian’i Jehovah. Mangataha fanahy masina satria hanampy anao hanam-paharetana sy hahafehy tena izy io. Ilainao mantsy ireo toetra ireo rehefa misy mpitondra manao ny tsy rariny. Mivavaha koa mba hahitanao hoe inona no mety hahatonga anao hanaiky lembenana, ary ahoana no hiatrehanao an’ilay izy. (Jak. 1:5) Raha nampidirina am-ponja ianao na nomena sazy hafa satria tsy nety nivadika tamin’i Jehovah, dia mivavaha mba ho sahy hiaro ny zavatra inoanao sy hahavita hiaritra, na inona na inona mitranga.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 4:27-31.

15. Nahoana ny Baiboly no manampy antsika tsy hanaiky lembenana? (Jereo koa ilay efajoro hoe “Nanampy Azy Ireo ny Tenin’Andriamanitra.”)

15 Hampahery anao koa i Jehovah amin’ny alalan’ny Teniny. Saintsaino izay andinin-teny mety hanampy anao tsy hanaiky lembenana, rehefa misy mitady hanery anao hanohana an’ity tontolo ity. Ianaro tsianjery izy ireny dieny izao, dia ho tadidinao raha tsy misy Baiboly any aminao, indray andro any. Afaka manampy anao hatoky ny fampanantenan’i Jehovah koa ny Teniny, ary tena ilainao izany raha te hahavita hiaritra ianao. (Rom. 8:25) Mifidiana andinin-teny miresaka an’izay fitahiana tena tianao hitranga ao amin’ny Paradisa. Alao sary an-tsaina avy eo hoe mankafy an’ilay izy ianao.

TAHAFO IREO MPANOMPON’I JEHOVAH TSY NIVADIKA

16, 17. Inona no ianarantsika avy amin’ireo mpanompon’i Jehovah tsy nety nanohana an’ity tontolo ity mihitsy? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

16 Fahefatra, mila mandinika ny tantaran’ireo mpanompon’i Jehovah tsy nivadika isika, raha tsy te hanohana an’ity tontolo ity mihitsy. Hanampy antsika hiaritra sy hahalala an’izay tokony hatao izany, raha sendra misy fitsapana. Tsy nety nivavaka tamin’ilay sarivongana nataon’ny Fanjakana Babylonianina, ohatra, i Sadraka sy Mesaka ary Abednego. (Vakio ny Daniela 3:16-18.) Maro ny Vavolombelona tsy nety nanangan-tsaina mihitsy rehefa avy namaky ny tantaran’izy ireo. Modely ho antsika koa i Jesosy satria tsy nety niady na nanao politika mihitsy. Fantany fa hisy vokany tsara amin’ny mpianany ny modely nomeny, ka hoy izy: “Mahereza! Izaho efa naharesy an’izao tontolo izao.”—Jaona 16:33.

17 Maro ankehitriny ny Vavolombelona tsy manaiky lembenana mihitsy, na dia ampijalina sy gadraina aza. Nisy aza novonoina ho faty mihitsy. Modely ho antsika izy ireny. Hoy i Barış, any Torkia: “Nisy rahalahy tanora atao hoe Franz Reiter novonoina ho faty, satria tsy nety nanao miaramilan’i Hitler. Hita hoe tena nino sy natoky an’i Jehovah izy, rehefa jerena ny taratasy nosoratany ho an’ny reniny, ny alina talohan’ny namonoana azy. Hiezaka hanahaka azy aho raha sendra fitsapana hoatr’izany.” [2]

18, 19. a) Inona no azon’ny mpiray finoana atao mba hanampiana anao tsy hanaiky lembenana? b) Tapa-kevitra ny hanao inona ianao?

18 Afaka manampy anao koa ny mpiray finoana aminao. Resaho amin’ny anti-panahy izay fitsapana atahoranao hoe hahatonga anao hanohana an’ity tontolo ity, ary mangataha torohevitra avy ao amin’ny Baiboly. Resaho amin’ny mpiara-manompo koa ilay olana, amin’izay izy ireo afaka manampy anao. Iangavio izy ireo hivavaka ho anao. Tsy maintsy mivavaka ho azy ireo sy manampy azy koa anefa ianao, raha tianao hanao an’izany aminao izy. (Mat. 7:12) Manaova vavaka voafaritra tsara. Hanampy anao ilay lahatsoratra ao amin’ny jw.org/mg hoe “Vavolombelon’i Jehovah Gadraina Noho ny Finoany (Isaky ny Tany).” Ao amin’ilay hoe VAOVAO > VAOVAO ARA-PITSARANA no misy azy io. Hahita anarana Vavolombelona migadra noho ny finoany ianao, raha mijery ao amin’ireo anaran-tany maromaro voatonona ao. Mifidiana anarana iray, ary mivavaha amin’i Jehovah mba hanampy azy tsy hivadika mihitsy.—Efes. 6:19, 20.

19 Kely sisa dia ho foana ny fitondran’olombelona eto amin’ity tontolo misara-bazana ity. Efa ampoizintsika fa hoteren’izy ireo hivadika amin’i Jehovah sy ilay Fanjakany isika. Omano dieny izao àry ny sainao hoe tsy hanohana an’ity tontolo ity mihitsy ianao.

^ [1] (fehintsoratra 1) Nentin’i Jesosy hilazana ny fitondrana na ny fanjakana ilay hoe Kaisara. I Kaisara mantsy no mpitondra olombelona ambony indrindra tamin’izany.

^ [2] (fehintsoratra 17) Jereo ilay boky hoe Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra, pejy 662, sy ilay efajoro hoe “Maty ho An’Andriamanitra Izy”, ao amin’ny boky Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!, toko 14.