Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Isika no Tokony Hivory?

Nahoana Isika no Tokony Hivory?

Aoka koa isika hifampihevitra ... ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory.HEB. 10:24, 25.

HIRA: 20, 119

1-3. a) Inona no manaporofo fa tena tia mivory ny Kristianina? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Inona no hodinihintsika ato?

VAO 17 taona i Corinna rehefa voasambotra ny reniny, ary nalefa niasa an-terivozona. Natao sesitany tany Siberia, tany amin’ny faritra lavitra be an-dry zareo, i Corinna tatỳ aoriana. Natao hoatran’ny andevo izy tany. Na dia nangatsiaka be aza ny andro, dia noterena hiasa teny an-tokotany izy indraindray, nefa tsy nanana akanjo mafana. Na izany aza, dia niezaka mafy izy sy ny anabavy iray nandeha nivory.

2 Hoy i Corinna: “Niala hariva tao amin’ilay toerana niasanay izahay, ary nandeha an-tongotra 25 kilaometatra nankany amin’ny gara. Niainga tamin’ny roa maraina ny lamasinina, ary afaka adiny enina izahay vao tonga. Nandeha an-tongotra 10 kilaometatra indray izahay nankany amin’ilay toeram-pivoriana.” Matiantoka ve ry zareo nanao an’izany? Hoy i Corinna: “Nianatra Tilikambo Fiambenana izahay ary nanao hiran’ilay Fanjakana. Tena nampahery anay sy nanatanjaka ny finoanay ilay fivoriana.” Telo andro taorian’izay izy roa vavy vao niverina niasa, nefa tsy tsikaritr’ilay tompon’andraikitra akory hoe tsy teo.

3 Tena tian’ny vahoakan’i Jehovah foana hatramin’izay ny miara-mivory. Vao nisy ny fiangonana kristianina, dia efa niara-nivory “tao amin’ny tempoly foana” ny mpanara-dia an’i Jesosy. (Asa. 2:46) Azo antoka fa te hivory tsy tapaka toa azy ireo koa ianao. Sarotra anefa indraindray ny manao an’izany, satria be asa isika, na be atao be, na reraka. Inona àry no hanampy antsika handresy an’ireny olana ireny ka ho afaka hivory foana? [1] Ahoana no hanampiantsika ny olona ampianarintsika Baiboly na ny olon-kafa hahita hoe tena ilaina ny mivory? Handinika antony valo mahatonga antsika hiara-mivory isika ato. Ho hitantsika hoe inona no soa horaisintsika raha mivory isika, ary inona no ho vokatr’izany amin’ny hafa sy amin’i Jehovah. [2]

INONA NO SOA HORAISINTSIKA?

4. Nahoana ny fivoriana no manampy antsika hahalala momba an’i Jehovah?

4 Miana-javatra be dia be isika rehefa mivory. Manampy antsika hahalala momba an’i Jehovah Andriamanitsika ny fivoriana rehetra. Vao haingana, ohatra, dia nianatra an’ilay boky hoe Manatòna An’i Jehovah ny ankamaroan’ny fiangonana. Nianatra momba ny toetran’ilay Raintsika any an-danitra isika tamin’izany, ary nahare valin-teny mampahery. Azo antoka fa vao mainka nitombo ny fitiavanao azy. Sa tsy izany? Misy lahateny sy fampisehoana koa mandritra ny fivoriana ary be dia be ny andinin-teny vakina, ka mitombo ny zavatra fantatsika ao amin’ny Baiboly. (Neh. 8:8) Mahita hevitra azo ampiharina, ohatra, isika isan-kerinandro rehefa manomana sy mihaino tsara ny hevitra misongadina amin’ny famakiana Baiboly.

5. Efa nisy fivoriana nanampy anao hahay hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly sy hahay hitory ve? Tantarao.

5 Ianarantsika any am-pivoriana koa hoe ahoana no azo ampiharana ny toro lalan’ny Baiboly eo amin’ny fiainantsika. (1 Tes. 4:9, 10) Natao mifanaraka amin’izay ilaintsika, ohatra, ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Azo antoka fa efa nisy lahatsoratra fianarana nanampy anao handinika indray ny tanjonao, na hahay hamela heloka, na hanatsara ny vavaka ataonao. Manampy antsika hahavita tsara ny fanompoantsika kosa ny fivoriana andavanandro. Ampianarina hahay hitory sy hampianatra isika amin’izy io.—Mat. 28:19, 20.

6. Nahoana ny fivoriana no mampahery antsika sy manatanjaka ny finoantsika?

6 Mampahery ny mivory. Feno zavatra mahakivy sy mampihena ny finoantsika eto amin’ity tontolo ity. Mampahery antsika sy manatanjaka ny finoantsika kosa ny fivoriana. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 15:30-32.) Matetika, ohatra, no dinihina atỳ am-pivoriana hoe inona avy ny faminaniana efa tanteraka. Vao mainka àry isika matoky fa ho tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah. Tsy izay manana anjara ihany anefa no mampahery antsika. Faly koa isika rehefa mahare ny mpiara-manompo amintsika manome valin-teny sy mihira amin’ny fo. (1 Kor. 14:26) Mahatsapa hoe mana-namana koa isika sady falifaly, rehefa miresaka amin’ny mpiara-manompo alohan’ny fivoriana na aorian’izay.—1 Kor. 16:17, 18.

7. Nahoana isika no tena mila mivory?

7 Mahazo fanahy masina isika rehefa mivory. Hoy i Jesosy Kristy: “Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny fanahy amin’ny fiangonana.” (Apok. 2:7) I Jesosy no mitarika ny fiangonana kristianina, ary mampiasa ny fanahy masina izy amin’izany. Mila fanahy masina isika raha te hahatohitra fakam-panahy sy te hahay hanapa-kevitra. Mila azy io koa isika raha te ho be herim-po sy hahavita tsara ny fanompoantsika. Miezaha foana àry hivory, dia hahazo fanahy masina ianao.

INONA NO HO VOKANY AMIN’NY HAFA?

8. Inona no ho vokany raha tonga mivory isika sady manome valin-teny sy mihira? (Jereo koa ilay hoe “Mahatsiaro ho Metimety Izy Isaky ny avy Mivory.”)

8 Ho tsapan’ny mpiray finoana amintsika fa tia azy isika. Miaritra ny mafy ny rahalahy sy anabavy sasany eo anivon’ny fiangonana. Tsy mahagaga raha nampirisika antsika ny apostoly Paoly hoe: ‘Aoka isika hifampihevitra.’ Ahoana izany? Nanazava izy hoe tsy tokony “hahafoy ny fiarahantsika mivory” isika. (Heb. 10:24, 25) Raha tonga mivory àry ianao, dia ho tsapan’ny mpiara-manompo aminao hoe te hiresaka sy hiaraka aminy ianao, ary tianao ho fantatra hoe manao ahoana izy. Hampahery azy koa ny mahare anao manome valin-teny sy mihira amin’ny fo manontolo.—Kol. 3:16.

9, 10. a) Nahoana ny Jaona 10:16 no manampy antsika hahita hoe ilaina ny mivory? b) Inona no ho vokany eo amin’ireo Kristianina narian’ny fianakaviany, raha mivory foana isika?

9 Lasa mifandray akaiky amin’ny mpiara-manompo isika rehefa mivory. (Vakio ny Jaona 10:16.) Nilaza i Jesosy fa toy ny andian’ondry ny mpianany, ary izy no mpiandry azy ireo. Eritrereto hoe misy ondry roa eny an-tampon-kavoana, roa eny an-dohasaha, ary iray any an-toeran-kafa. Azo antsoina hoe andian’ondry ve izy dimy ireo? Matetika no miaraka foana ny andian’ondry ary iray ihany ny mpiandry azy ireo. Tsy ho afaka hanaraka an’ilay Mpiandry antsika koa àry isika, raha mitokantokana. Tsy maintsy miara-mivory amin’ny Kristianina hafa isika, raha te ho anisan’ilay “andiany iray” sy hanaraka mpiandry iray ihany.

10 Vao mainka hiray saina ny fiangonana rehefa mivory isika. (Sal. 133:1) Misy mpiara-manompo amintsika, ohatra, narian’ny ray aman-dreniny na ny havany. Nampanantena anefa i Jesosy fa hisy fianakaviana ho tia sy hikarakara azy ireny. (Mar. 10:29, 30) Raha mivory tsy tapaka àry ianao, dia mety ho lasa naman’izy ireny, ka ho toy ny rainy, na reniny, na rahalahiny, na anabaviny mihitsy. Tsy mandrisika antsika ve izany mba hanao izay azontsika atao hanatrehana ny fivoriana rehetra?

INONA NO HO VOKANY AMIN’I JEHOVAH?

11. Nahoana isika no hoe manompo an’i Jehovah rehefa mivory?

11 Manompo an’i Jehovah isika rehefa mivory. Mendrika hoderaina sy homem-boninahitra ary hisaorana izy, satria izy no Mpamorona. (Vakio ny Apokalypsy 7:12.) Tena tokony hanompo azy àry isika. Manao an’izany isika rehefa mivavaka sy mihira ary miresaka momba azy atỳ am-pivoriana. Tena faly isika fa afaka midera an’i Jehovah, satria be dia be mihitsy ny zavatra ataony ho antsika!

12. Inona no vokany rehefa mankatò an’i Jehovah isika, ka mivory?

12 Mendrika ny hankatoavina koa i Jehovah. Nandidy antsika izy mba “tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory”, indrindra amin’izao andro farany izao. Faly izy rehefa mazoto mankatò an’izany isika. (1 Jaona 3:22) Hitany ny ezaka ataontsika mba hanatrehana ny fivoriana rehetra, ary tena zava-dehibe aminy izany.—Heb. 6:10.

13, 14. Nahoana ny fivoriana no manampy antsika hifandray akaiky amin’i Jehovah sy Jesosy?

13 Hitan’i Jehovah sy Jesosy hoe te ho lasa naman’izy ireo isika. I Jehovah no Mpampianatra Lehibe Indrindra. Mampianatra antsika ny Teniny izy atỳ am-pivoriana mba hahalalantsika izay tokony hatao. (Isaia 30:20, 21) Na ny olona tsy Vavolombelona tonga mivory aza mety hiteny hoe: “Tena eo aminareo tokoa Andriamanitra.” (1 Kor. 14:23-25) Mampiasa ny fanahy masina i Jehovah mba hitarihana ny fivoriana. Avy aminy koa ny zavatra ianarantsika atỳ. Mihaino azy àry isika rehefa mivory sady mahatsapa hoe tia antsika izy, ka vao mainka isika te hifandray akaiky aminy.

14 Hoy koa i Jesosy: “Na aiza na aiza ivorian’ny roa na telo amin’ny anarako, dia eo afovoany aho.” (Mat. 18:20) Azo lazaina hoe miaraka amintsika àry i Jesosy rehefa mivory isika. Izy no lohan’ny fiangonana, ka toy ny hoe mandeha eo afovoan’izy io izy. (Apok. 1:20–2:1) Eritrereto ange e! I Jehovah sy Jesosy mihitsy no mampahery antsika rehefa mivory isika. Araka ny hevitrao àry, inona no tsapan’i Jehovah rehefa mahita anao miezaka hifandray aminy sy amin’ny Zanany?

15. Nahoana no azo lazaina hoe mankatò an’i Jehovah isika raha mivory?

15 Asehontsika hoe manohana ny zon’i Jehovah hitondra isika. Marina fa asainy mivory isika. Tsy manery antsika hanao an’izany anefa izy. (Isaia 43:23) Anjarantsika àry ny mampiseho hoe tena tia azy isika, ary tena manohana ny fitondrany. (Rom. 6:17) Ahoana, ohatra, raha tsy avelan’ny mpampiasa antsika hivory isika fa tereny hiasa? Ary ahoana raha mandrahona antsika ny fanjakana hoe raha mivory isika dia hampandoavina lamandy, na hogadraina, na hosazina mafimafy kokoa noho izany? Ahoana koa raha te hiala voly isika nefa tokony hivory? Anjarantsika ny misafidy an’izay hataontsika. (Asa. 5:29) Ho faly anefa i Jehovah raha mankatò azy isika.—Ohab. 27:11.

TONGAVA FOANA MIVORY!

16, 17. a) Inona no porofo fa tena zava-dehibe tamin’ny Kristianina voalohany ny fivoriana? b) Inona no nolazain’ny Rahalahy George Gangas momba ny fivoriana?

16 Fotoana fohy ihany ve ny Kristianina voalohany no nazoto nivory, taorian’ilay fahagagana tamin’ny Pentekosta taona 33? Tsia. “Nifantoka tamin’ny fampianaran’ny apostoly izy ireo”, ary nankao amin’ny tempoly foana isan’andro. (Asa. 2:42, 46) Ilay teny grika nadika hoe ‘mifantoka’, dia midika hoe “miezaka mafy foana mba hanao zavatra iray, na dia tsy mora aza ilay izy.” Tsy mora tamin’ireo Kristianina ny nivory tamin’izany. Nanohitra azy ireo mantsy ny fitondrana romanina sy ny mpitondra fivavahana jiosy. Tsy kivy anefa izy ireo fa nivory foana.

17 Be dia be koa ankehitriny ny mpanompon’i Jehovah tena tia mivory. Hoy i George Gangas, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana nandritra ny 22 taona mahery: ‘Anisan’ny zavatra tena mahafinaritra ahy sady mampahery ahy ny miara-mivory amin’ny mpiara-manompo. Miezaka ho tonga aloha be any amin’ny Efitrano Fanjakana aho, dia tsy miala any raha mbola azoko atao, raha tsy efa lasa daholo ny olona. Mahafinaritra ahy ny miresaka amin’ny mpiara-manompo. Hoatran’ny fianakaviako mihitsy ry zareo. Tsapako hoe tena ao anatin’ny paradisa ara-panahy aho. Satriko foana hivory, satria izany no zavatra tiako indrindra.’

18. Nahoana no tianao ny mivory, ary inona no tianao hezahina?

18 Tena tianao koa ve ny mivory mba hanompo an’i Jehovah? Miezaha mafy foana àry ho tonga atỳ am-pivoriana, na dia tsy mora aza izany. Porofoy hoe mitovy hevitra amin’i Davida Mpanjaka ianao. Hoy izy: “Jehovah ô, tiako ny trano fonenanao.”—Sal. 26:8.

^ [1] (fehintsoratra 3) Tsy afaka mivory tsy tapaka ny mpiara-manompo sasany noho ny antony tsy azo anoarana. Misy, ohatra, marary be. Azo antoka anefa fa takatr’i Jehovah ny manjo azy ireny, ary tena tiany izy ireo satria manompo azy amin’ny fo manontolo. Azon’ny anti-panahy atao ny manampy azy ireny handray soa amin’ny fivoriana. Azo raisina feo, ohatra, ilay izy na ampitaina amin’ny alalan’ny telefaonina.

^ [2] (fehintsoratra 3) Jereo ilay efajoro hoe “Nahoana Isika no Mila Mivory?